FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ny Lalàn’i Kristy
    Ny Tilikambo Fiambenana—1996 | 1 Septambra
    • Ny Lalàn’i Kristy

      “Ambanin’ny lalàn’i Kristy [aho]”. — 1 KORINTIANA 9:21.

      1, 2. a) Ahoana no nety ho azo nisorohana ny maro tamin’ireo fahadisoan’olombelona? b) Inona no tsy nianaran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana tamin’ny tantaran’ny Jodaisma?

      “TSY nianatra na inona na inona avy amin’ny tantara, na nanao zavatra nifanaraka tamin’ireo fotopoto-pitsipika notsoahina avy tamin’izany mihitsy, ny olona sy ny fitondram-panjakana.” Izany no nolazain’ny filozofa alemà iray tamin’ny taonjato faha-19. Ny fizotran’ny tantaran’ny olombelona tokoa dia nolazalazaina ho “fandrosoan’ny hadalana”, fitohitohizana fahadisoana sy krizy faran’izay mahasosotra, ka ny maro taminy dia ho azo nosorohina raha vonona fotsiny ny hianatra avy tamin’ny fahadisoana tamin’ny lasa ny olombelona.

      2 Izany tsy fianarana avy amin’ny fahadisoana tamin’ny lasa izany ihany no aseho ato amin’itỳ dinidinika momba ny lalàn’Andriamanitra itỳ. Nanolo ny Lalàn’i Mosesy tamin’ny iray tsara kokoa mihitsy aza i Jehovah Andriamanitra — dia ny lalàn’i Kristy. Na dia izany aza, dia tsy nianatra avy tamin’ilay hadalana nahatsiravina nataon’ny Fariseo ireo mpitarika ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana izay milaza fa mampianatra sy miaina mifanaraka amin’io lalàna io. Koa nanolana sy nampiasa tamin’ny fomba ratsy ny lalàn’i Kristy, tsy misy hafa amin’ny nataon’ny Jodaisma tamin’ny Lalàn’i Mosesy, ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Ahoana no nahatonga izany? Aoka aloha isika hiresaka ny amin’io lalàna io mihitsy — inona izy io, iza no tapahiny ary amin’ny fomba ahoana, ary inona no maha-samy hafa azy io amin’ny Lalàn’i Mosesy. Avy eo isika dia handinika ny fomba nampiasan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana azy io tamin’ny fomba ratsy. Enga anie isika amin’izay, hianatra avy amin’ny tantara ka handray soa avy amin’izany!

      Ny fanekena vaovao

      3. Fampanantenana inona no nomen’i Jehovah momba ny fanekena vaovao iray?

      3 Iza, ankoatra an’i Jehovah Andriamanitra, moa no afaka mbola manatsara Lalàna iray tonga lafatra? Tonga lafatra ny faneken’ny Lalàn’i Mosesy. (Salamo 19:7, NW ). Na dia teo aza izany, dia nampanantena toy izao i Jehovah: “Indro, avy ny andro, (...) izay hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’Isiraely sy ny taranak’i Joda, nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ny razany”. Ny Didy Folo — ilay votoatin’ny Lalàn’i Mosesy — dia nosoratana teo amin’ny vato fisaka. Fa ny amin’ilay fanekena vaovao kosa, dia hoy i Jehovah: “Hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony”. — Jeremia 31:31-34.

      4. a) Isiraely iza no voafaoka ao amin’ilay fanekena vaovao? b) Iza koa, ankoatra ireo Isiraelita ara-panahy, no eo ambanin’ny Lalàn’i Kristy?

      4 Iza no horaisina ao anatin’io fanekena vaovao io? Azo antoka fa tsy ilay “taranak’Isiraely” ara-bakiteny izay nanda ny Mpanalalana tamin’io fanekena io. (Hebreo 9:15). Tsia, fa io “Isiraely” vaovao io dia ho ilay “Isiraelin’Andriamanitra”, firenena iray voaforon’ny Isiraelita ara-panahy. (Galatiana 6:16; Romana 2:28, 29). Atỳ aoriana, dia hanatevin-daharana io antokona Kristiana vitsy voahosotry ny fanahy io ny “olona betsaka” avy amin’ny firenena rehetra izay hitady hanolotra fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah koa. (Apokalypsy 7:9, 10; Zakaria 8:23). Na dia tsy mpandray anjara amin’ilay fanekena vaovao aza izy ireo, dia voafehin’ny lalàna. (Ampitahao amin’ny Levitikosy 24:22; Nomery 15:15.) Amin’ny maha-“andiany iray” eo ambany fitarihan’ny ‘mpiandry iray ihany’ azy rehetra, dia samy ho eo “ambanin’ny lalàn’i Kristy” izy ireo, araka ny nanoratan’ny apostoly Paoly azy. (Jaona 10:16; 1 Korintiana 9:21). Niantso io fanekena vaovao io ho “fanekena tsara lavitra” i Paoly. Nahoana? Antony iray amin’izany ny hoe, miorina amin’ny fampanantenana efa tanteraka izy io fa tsy amin’ny aloky ny zavatra mbola ho avy. — Hebreo 8:6; 9:11-14.

      5. Inona no zava-kendren’ny fanekena vaovao, ary nahoana izy io no hahomby?

      5 Inona no zava-kendren’io fanekena io? Izany dia mba hamokatra firenena iray voaforon’ny mpanjaka sy mpisorona mba hitahy ny taranak’olombelona manontolo. (Eksodosy 19:6; 1 Petera 2:9; Apokalypsy 5:10). Tsy namokatra io firenena io tamin’ny heviny feno mihitsy ny faneken’ny Lalàn’i Mosesy, satria nikomy ka namoy ilay fahafahana natolotra azy, ny Isiraely tamin’ny fitambarany. (Ampitahao amin’ny Romana 11:17-21.) Ilay fanekena vaovao anefa dia azo antoka fa hahomby satria ampiarahina amin’ny karazan-dalàna hafa dia hafa izy io. Hafa amin’ny fomba ahoana avy?

      Ny lalàn’ny fahafahana

      6, 7. Ahoana no anomezan’ny lalàn’i Kristy fahafahana lehibe kokoa noho ny Lalàn’i Mosesy?

      6 Ampifandraisina imbetsaka amin’ny fahafahana, ny lalàn’i Kristy. (Jaona 8:31, 32). Izy io dia resahina ho “lalàn’ny olona afaka” sy “lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ny fahafahana”. (Jakoba 1:25; 2:12, NW ). Mazava ho azy, fa ny fahafahana rehetra eo anivon’ny olombelona dia voafetra avokoa. Na dia izany aza, io lalàna io dia manolotra fahafahana lehibe kokoa noho ny Lalàn’i Mosesy, ilay nodimbasany. Ahoana izany?

      7 Ohatra iray amin’izany ny hoe tsy misy olona teraka eo ambanin’ny lalàn’i Kristy. Tsy misy ifandraisana amin’izy io ny anton-javatra toy ny firazanana na ny toerana nahaterahana. Mifidy amin-kalalahana ao am-pony ny Kristiana marina fa hanaiky ny ziogan’ny fankatoavana an’io lalàna io izy. Amin’ny fanaovana izany no ahitan’izy ireo fa zioga mora, entana maivana, ilay izy. (Matio 11:28-30). Raha tsaroanao, ny Lalàn’i Mosesy dia natao koa mba hampianarana ny olona fa mpanota sy nila mafy sorom-panavotana hanavotra azy, izy. (Galatiana 3:19). Ny lalàn’i Kristy dia mampianatra fa efa tonga ilay Mesia, efa nandoa ny vidin’ny avotra tamin’ny ainy izy, ary efa nanokatra ilay lalana hanafahana antsika amin’ny fampahoriana mahatsiravina ataon’ny ota sy ny fahafatesana! (Romana 5:20, 21). Mba handraisan-tsoa, dia mila “maneho finoana” an’izany sorona izany isika. — Jaona 3:16, NW.

      8. Inona no tafiditra amin’ny lalàn’i Kristy, kanefa nahoana ny fiainana mifanaraka amin’izy io no tsy mitaky fanaovana tsianjery fitsipika ara-dalàna an-jatony maro?

      8 Voafaoka amin’ny hoe “maneho finoana” ny fiainana mifanaraka amin’ilay lalàn’i Kristy. Tafiditra amin’izany ny fankatoavana ireo didin’i Kristy rehetra. Midika ho fianarana tsianjery ireo lalàna sy fitsipika an-jatony maro ve izany? Tsia. Na dia nanoratra ny Lalàn’i Mosesy aza i Mosesy, ilay mpanalalana tamin’ny fanekena tranainy, dia tsy nanoratra mihitsy na dia lalàna singany iray aza i Jesosy, ilay Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao. Niainany kosa io lalàna io. Tamin’ny alalan’ny lalam-pitondran-tenany tonga lafatra, dia namela modely harahin’ny rehetra izy. (1 Petera 2:21, NW ). Angamba izany no nahatonga ny fivavahan’ireo Kristiana tany am-boalohany hantsoina hoe “Làlana”. (Asan’ny Apostoly 9:2; 19:9, 23; 22:4; 24:22, fanamarihana ambany pejy). Ho azy ireo, ny lalàn’i Kristy dia naseho ho ohatra tamin’ny fiainan’i Kristy. Mba hanahafana an’i Jesosy dia tsy maintsy nankato io lalàna io ny tena. Ny fitiavany lalina an’i Jesosy, dia nidika fa tena voasoratra tao am-pon’izy ireo tokoa io lalàna io, araka ny voalazan’ny faminaniana. (Jeremia 31:33; 1 Petera 4:8). Ary ny olona izay mankato noho ny fitiavana dia tsy mahatsiaro tena ho ampahorina mihitsy — antony hafa iray mahatonga ny lalàn’i Kristy ho azo antsoina hoe “lalàn’ny olona afaka”.

      9. Inona no tena toetra fototry ny lalàn’i Kristy, ary amin’ny fomba ahoana io lalàna io no mahatafiditra didy vaovao iray?

      9 Raha zava-dehibe tao amin’ny Lalàn’i Mosesy ny fitiavana, dia tena toetra fototry ny lalàna kristiana izy io. Ny lalàn’i Kristy àry dia mahatafiditra didy vaovao iray — tokony hanana fitiavana feno fahafoizan-tena eo amin’izy samy izy, ny Kristiana. Izy ireo dia tokony ho tia toy ny nataon’i Jesosy; nanolotra ny ainy an-tsitrapo ho an’ny sakaizany izy. (Jaona 13:34, 35; 15:13). Koa mety àry ny ilazana fa ny lalàn’i Kristy dia fisehoan’ny teokrasia mbola ambony kokoa mihitsy noho ny Lalàn’i Mosesy. Araka ny efa nolazain’itỳ gazety itỳ teo aloha: “Ny teokrasia dia fanapahana ampiharin’Andriamanitra; Andriamanitra dia fitiavana; noho izany, ny teokrasia dia fanapahan’ny fitiavana”.

      Jesosy sy ny Fariseo

      10. Ahoana no nifanoheran’ny fampianaran’i Jesosy tamin’ny an’ny Fariseo?

      10 Tsy mahagaga velively àry raha nifandona tamin’ireo mpitondra fivavahana tamin’ny androny i Jesosy. Tsy niserana tao an-tsain’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo velively ny hoe “lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ny fahafahana”. Niezaka nifehy ny olona tamin’ny alalan’ny fitsipika madinika nataon’olona, izy ireo. Nanjary nampahory, nanameloka, tsy nanorina, ny fampianaran’izy ireo. Mifanohitra tanteraka amin’izany fa ny fampianaran’i Jesosy dia faran’izay nampahery sy nahasoa! Vonona hanao asa i Jesosy, ary nikarakara izay tena nilain’ny olona sy izay tena nampanahy azy ireo. Nampianatra tamin’ny fomba tsotra sy tamim-pihetseham-po marina izy, nampiasa fanoharana avy tamin’ny fiainana andavanandro ary naka fanazavana avy amin’ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra. Araka izany, dia “talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany”. (Matio 7:28). Eny, nanohina ny fon’izy ireo ny fampianaran’i Jesosy.

      11. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tokony ho nampiharina tamim-pahalalana ny antonona sy tamim-pamindram-po ny Lalàn’i Mosesy?

      11 Tsy nanampy fitsipika madinika betsaka kokoa tamin’ny Lalàn’i Mosesy i Jesosy, fa nasehony kosa ny fomba tokony ho nampiharan’ny Jiosy azy io hatramin’izay ela izay — tamim-pahalalana ny antonona sy tamim-pamindram-po. Tsarovy, ohatra, tamin’ilay izy nohatonin’ny vehivavy iray narary noho ny fandehanan-dra. Araka ny Lalàn’i Mosesy, na iza na iza nokasihiny dia nanjary naloto, koa azo antoka fa tsy tokony ho niharoharo tao anaty vahoaka izy! (Levitikosy 15:25-27). Naniry mafy ny hositranina anefa izy ka nanavatsava tao anaty vahoaka, ary nikasika ny fitafiana ivelan’i Jesosy. Nitsahatra avy hatrany ilay ra nandeha. Niteny mafy azy ho nandika ny Lalàna ve i Jesosy? Tsia; takany kosa ilay toe-javatra nampamoy fo nahazo azy, ary nasehony ny didy lehibe indrindra tamin’ny Lalàna — ny fitiavana. Tamim-pangorahana, dia hoy izy taminy: “Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin’ny aretinao.” — Marka 5:25-34.

      Milefitra loatra ve ny lalàn’i Kristy?

      12. a) Nahoana isika no tsy tokony hihevitra fa milefitra loatra i Kristy? b) Inona no mampiseho fa ny famoronana lalàna maro dia mitarika ho amin’ny famoronana hirika fialana maro?

      12 Tokony hanatsoaka hevitra ve àry isika fa noho ny lalàn’i Kristy “lalàn’ny fahafahana”, dia milefitra loatra izy io, kanefa kosa ny Fariseo sy ireo lovantsofiny am-bava rehetra, fara faharatsiny dia nitana ny fitondran-tenan’ny olona tao anatin’ny fetra hentitra? Tsia. Ireo rafitra momba ny lalàna amin’izao andro izao dia mampiseho mazava fa matetika, arakaraka ny isian’ny lalàna maro, no maha-maro ny hirika fialana hitan’ny olona amin’izy ireny.a Tamin’ny andron’i Jesosy, ny hamaroan’ireo fitsipiky ny Fariseo dia nampirisika fitadiavana hirika fialana, sy fanaovana asa amim-pahazarana tsy misy fitiavana, ary fiezahana hiseho ho marina ivelany mba hanaronana ny fahasimbana ara-pitondran-tena anaty. — Matio 23:23, 24.

      13. Nahoana ny lalàn’i Kristy no miteraka fari-pitondran-tena ambony kokoa noho izay mety ho fehezan-dalàna voasoratra?

      13 Mifanohitra amin’izany fa tsy mampirisika fihetsika toy izany ny lalàn’i Kristy. Raha ny marina, ny fankatoavana lalàna iray izay miorina amin’ny fitiavana an’i Jehovah, ary lalàna izay ankatoavina ho fanahafana ny fitiavan’i Kristy feno fahafoizan-tena ho an’ny hafa, dia miteraka fari-pitondran-tena ambony lavitra noho ny fanarahana fehezan-dalàna ofisialy. Tsy mitady hirika fialana ny fitiavana; izy io dia mihazona antsika tsy hanao zavatra manimba izay mety tsy ho voarara mazava ao amin’ny fehezan-dalàna iray. (Jereo ny Matio 5:27, 28.) Araka izany, ny lalàn’i Kristy dia hanosika antsika hanao zavatra ho an’ny hafa — haneho fahalalahan-tanana, fahaiza-mampiantrano vahiny, ary fitiavana — amin’ny fomba izay tsy vitan’ny lalàna ofisialy na inona na inona ny mampanao azy antsika. — Asan’ny Apostoly 20:35; 2 Korintiana 9:7; Hebreo 13:16.

      14. Inona no vokatry ny fiainana mifanaraka amin’ny lalàn’i Kristy teo amin’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany?

      14 Raha mbola niaina nifanaraka tamin’ny lalàn’i Kristy koa ireo mpikambana tao aminy, dia nankafy rivo-piainana mafana sy feno fitiavana ny kongregasiona kristiana tany am-boalohany, azo lazaina hoe afaka tamin’ireo fihetsika henjana sy mitsara ny hafa ary mihatsaravelatsihy izay fahita aoka izany tao amin’ireo synagoga tamin’izany andro izany. Tsy maintsy tsapan’ireo mpikambana tao amin’ireny kongregasiona vaovao ireny marina tokoa fa niaina nifanaraka tamin’ny “lalàn’ny olona afaka” izy ireo!

      15. Inona avy no sasany tamin’ireo ezaka nataon’i Satana tany am-boalohany mba hanimbana ny kongregasiona kristiana?

      15 Dodona anefa i Satana hanimba ny kongregasiona kristiana avy ao anatiny, tsy misy hafa amin’ilay nanimbany ny firenen’Isiraely. Ny apostoly Paoly dia nampitandrina ny amin’ireo lehilahy toy ny amboadia izay ‘hitory teny tsy marina’ sy hampahory ny andian’ondrin’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 20:29, 30). Voatery notoheriny ireo mpanaraka ny fomban’ny Jiosy izay nitady hanakalo ilay fahafahana voafetra ao amin’ny lalàn’i Kristy tamin’ny fanandevozan’ny Lalàn’i Mosesy izay efa tanteraka tao amin’i Kristy. (Matio 5:17; Asan’ny Apostoly 15:1; Romana 10:4). Taorian’ny nahafatesan’ny apostoly farany, dia tsy nisy intsony zavatra nisakana izany fivadiham-pinoana izany. Koa nanjary niely patrana ny fahasimbana ara-pitondran-tena. — 2 Tesaloniana 2:6, 7.

      Mandoto ny lalàn’i Kristy ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana

      16, 17. a) Naka endrika inona avy ny fahasimbana ara-pitondran-tena tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana? b) Ahoana no nampandrosoan’ireo lalàn’ny Eglizy Katolika fomba fiheverana miolana momba ny firaisana?

      16 Toy ny tamin’ny Jodaisma, dia naka endriny mihoatra ny iray ny fahasimbana ara-pitondran-tena ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Izy io koa dia azon’ny fampianaran-diso sy ny fitondran-tena tsy voafehy. Ary ny fiezahany hiaro ny andian’ondriny amin’ireo fitaomana ivelany dia matetika no hita fa nanimba izay sisa tavela tamin’ny fanompoam-pivavahana madio. Nitombo haingana ireo lalàna henjana sy tsy araka ny Soratra Masina.

      17 Loha laharana tamin’ny famoronana fitambarana didin’ny eglizy maro be ny Eglizy Katolika. Niolana indrindra ireny didy ireny teo amin’ny raharaha mahakasika ny firaisana. Araka ilay boky hoe Sexuality and Catholicism, ny eglizy dia nandray ny filozofia grikan’ny Stoisisma izay fatra-piahiahy ny endri-pahafinaretana rehetra. Nanjary nampianatra ny eglizy fa ny fahafinaretana rehetra amin’ny firaisana, tafiditra amin’izany ilay amin’ny firaisan’ny mpivady ara-dalàna, dia ratsy. (Ampifanohero amin’ny Ohabolana 5:18, 19.) Nolazaina fa natao mba hiterahana ny firaisana fa tsy ho amin-javatra hafa na inona na inona. Araka izany, ny didin’ny eglizy dia nanameloka izay mety ho endriky ny fomba tsy mampiteraka ho fahotana tena lehibe, indraindray mitaky taona maro hanaovana asa fivalozana. Ankoatra izany, dia voarara tsy hanambady ireo pretra amin’ny fitambarany, didy izay nampipoitra fanaovana firaisana andrarana maro, anisan’izany ny fametavetana ankizy. — 1 Timoty 4:1-3.

      18. Inona no vokatry ny fampitomboana ireo didin’ny eglizy?

      18 Rehefa nihamaro ireo didin’ny eglizy dia nangonina tao anaty boky, izy ireny. Nanomboka nanamaizina sy nisosoka ny toeran’ny Baiboly, ireny boky ireny. (Ampitahao amin’ny Matio 15:3, 9.) Sahala amin’ny Jodaisma, ny Fivavahana Katolika dia tsy natoky ireo asa soratra tsy ara-pivavahana, ary nihevitra ny ankamaroan’izy ireny ho fandrahonana. Tsy ela io fiheverana io dia nihoatra lavitra ilay fampitandremana araka ny antonona omen’ny Baiboly momba ilay raharaha. (Mpitoriteny 12:12; Kolosiana 2:8). Nihiaka toy izao i Jérôme, mpanoratra ho an’ny eglizy tamin’ny taonjato fahefatra am.f.i.: “Tompo ô, raha sanatria ka manana bokin’izao tontolo izao indray aho na mamaky azy ireny, dia nanda anao aho izay.” Rehefa nandeha ny fotoana, ny eglizy dia nanao fanasivanana ireo boky — na dia ireo nanana foto-kevitra tsy ara-pivavahana aza. Araka izany, dia nokianina mafy i Galilée, astronoma tamin’ny taonjato faha-17, noho izy nanoratra fa ny tany dia mihodina manodidina ny masoandro. Ny fanizingizinan’ny eglizy fa izy no nanana ny fahefana farany amin’ny zava-drehetra — na dia ny amin’ny raharaha momba ny astronomia aza — tamin’ny farany dia nanimba tsikelikely ny finoana ny Baiboly.

      19. Ahoana no nampandrosoan’ireo monasitera fanjakazakana henjana?

      19 Niroborobo ny fanaovan’ny eglizy fitsipika tany amin’ireo monasitera izay nisy moanina nampisaraka ny tenany tamin’itỳ tontolo itỳ mba hanana fiainana feno fihafiana. Ny ankamaroan’ireo monasitera katolika dia nanaraka “Ny Fitsipik’i Md. Benoît”. Nanapaka tamim-pahefana feno ilay abbé (teny avy amin’ilay teny aramiana midika hoe “ray”). (Ampitahao amin’ny Matio 23:9.) Raha nahazo fanomezana avy tamin’ny ray aman-dreniny ny moanina iray, dia ilay abbé no hanapaka raha io moanina io na olon-kafa no hahazo ilay izy. Ankoatra ny fanamelohana ireo fitenenana manafintohina, ny fitsipika iray dia nandrara ny resadresaka madinika sy ny vazivazy rehetra, tamin’ny filazana hoe: “Tsy misy mpianatra mahazo miteny zavatra toy izany.”

      20. Inona no mampiseho fa ny Fivavahana Protestanta koa dia hita fa manam-pahaizana amin’ny fanjakazakana tsy araka ny Soratra Masina?

      20 Ny Fivavahana Protestanta, izay nitady hanavao ireo zavatra tafahoatra sy tsy araka ny Soratra Masina nataon’ny Fivavahana Katolika, tsy ela dia nanjary nanam-pahaizana mitovy amin’izany koa tamin’ny fanaovana fitsipika feno fanjakazakana izay tsy nanana fototra tao amin’ny lalàn’i Kristy. Ohatra, i Jean Calvin, mpitarika ny fanavaozana, dia nanjary nantsoina hoe “ilay mpamoaka lalàn’ny Fiangonana nohavaozina”. I Calvin dia nanapaka an’i Genève tamin’ny fitsipika henjana maro be nampiharina “Loholona”, ka ny “asan’izy ireo”, hoy ny nomarihiny, “dia ny hanara-maso ny fiainan’ny tsirairay”. (Ampifanohero amin’ny 2 Korintiana 1:24.) Nifehy ireo tranom-bahiny ny fiangonana, ary nametra izay foto-dresaka azo natao. Nisy sazy henjana ho an’ny fahotana toy ny fanaovana hira kivalavala na ny fandihizana.b

      Fianarana avy amin’ny fahadisoan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana

      21. Inona no vokany ankapobe tamin’ny fironan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ‘hihoatra noho ny voasoratra’?

      21 Nandaitra ve ireny fitsipika sy lalàna rehetra ireny tamin’ny fiarovana ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana tamin’ny fahasimbana ara-pitondran-tena? Ny mifanohitra amin’izany aza no nitranga! Amin’izao andro izao ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia nizarazara ho antokom-pivavahana an-jatony maro, manomboka amin’izay hentitra tafahoatra ka hatramin’izay milefitra loatra mibaribary. Tamin’ny fomba iray na tamin’ny fomba hafa, dia samy ‘nihoatra noho ny voasoratra’ izy rehetra, tamin’ny famelana fiheveran’olombelona hanapaka ny andian’ondry sy hanembantsembana ny lalàn’Andriamanitra. — 1 Korintiana 4:6.

      22. Nahoana ny fivadihan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no tsy midika ho faran’ny lalàn’i Kristy?

      22 Tsy ratsy fiafara anefa ny tantaran’ny lalàn’i Kristy. Tsy hamela na oviana na oviana olombelona tsotra fotsiny hanafoana tanteraka ny lalàn’Andriamanitra akory i Jehovah Andriamanitra. Tena manan-kery tokoa ny lalàna kristiana amin’izao andro izao eo anivon’ireo Kristiana marina, ary manana tombontsoa lehibe hiaina mifanaraka amin’izy io, izy ireo. Kanefa, rehefa avy nandinika izay nataon’ny Jodaisma sy ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana tamin’ny lalàn’Andriamanitra isika, dia mety hanontany tena hoe: ‘Ahoana no hiainantsika mifanaraka amin’ny lalàn’i Kristy sady hanalavitra ilay fandrika handoto ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fanjohian-kevitra sy fitsipik’olombelona izay manimba tsikelikely ny tena hevitry ny lalàn’Andriamanitra? Fomba fiheverana voalanjalanja inona no tokony hampianarin’ny lalàn’i Kristy tsikelikely antsika amin’izao andro izao?’ Hivaofy ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.

  • Fiainana Mifanaraka Amin’ny Lalàn’i Kristy
    Ny Tilikambo Fiambenana—1996 | 1 Septambra
    • Fiainana Mifanaraka Amin’ny Lalàn’i Kristy

      “Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn’i Kristy.” — GALATIANA 6:2.

      1. Nahoana no azo lazaina fa fitaomana mahery ho amin’ny tsara ny lalàn’i Kristy?

      TATSY Rwanda, ny Vavolombelon’i Jehovah hutu sy tutsi dia nanao vy very ny ainy mba hifampiaro tamin’ilay fandripahana foko izay niely mafy vao haingana, nanerana io tany io. Ireo Vavolombelon’i Jehovah tany Kobe, Japon, izay namoy mpianakavy tao amin’ilay horohoron-tany nandrava zavatra, dia torotoro fo noho izany famoizany azy ireny izany. Na dia izany aza, dia nanao zavatra avy hatrany izy ireo mba hamonjena ireo niharan-doza hafa. Eny, asehon’ireo ohatra manafana ny fo maneran-tany fa miasa ny lalàn’i Kristy amin’izao andro izao. Fitaomana mahery ho amin’ny tsara izy io.

      2. Ahoana no tsy nahazoan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ny hevitry ny lalàn’i Kristy, ary inona no azontsika atao mba hanatanterahana io lalàna io?

      2 Mandritra izany fotoana izany, dia eo am-pahatanterahana ny faminanian’ny Baiboly momba izao “andro farany” sarotra izao. Maro no ‘manana ny endriky ny fifikirana amin’Andriamanitra’ kanefa ‘hita fa mandà ny heriny’. (2 Timoty 3:1, 5, NW ). Ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana indrindra matetika no fombafomba ny fivavahana, fa tsy raharaha momba ny fo. Satria ve sarotra loatra ny miaina mifanaraka amin’ny lalàn’i Kristy no mahatonga izany? Tsia. Tsy hanome antsika lalàna izay tsy ho azo arahina, i Jesosy. Tsy nahazo ny hevitr’io lalàna io fotsiny ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Tsy nanaraka ireto teny ara-tsindrimandry ireto izy: “Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn’i Kristy.” (Galatiana 6:2). ‘Manatanteraka ny lalàn’i Kristy’ isika, amin’ny fifampitondrana izay mahavesatra, fa tsy amin’ny fanahafana ny Fariseo ka hanampy tsy ara-drariny ny entan’ireo rahalahintsika.

      3. a) Inona avy ireo didy sasany izay voafaoka ao amin’ny lalàn’i Kristy? b) Nahoana no tsy hety ny hanatsoahan-kevitra fa tsy tokony hanana fitsipika ankoatra ireo didin’i Kristy mivantana ny kongregasiona kristiana?

      3 Ny lalàn’i Kristy dia mahafaoka ny didy rehetra nomen’i Kristy Jesosy — na fitoriana sy fampianarana izany, na fitanana ny maso ho madio sy tsotra, na fiezahana hihavana amin’ny mpiara-belona amintsika izany, na fanesorana ny fahalotoana tsy ho ao amin’ny kongregasiona. (Matio 5:27-30; 18:15-17; 28:19, 20; Apokalypsy 2:14-16). Ny Kristiana tokoa dia voatery mitandrina ireo didy rehetra ao amin’ny Baiboly izay natao ho an’ny mpanara-dia an’i Kristy. Ary mbola misy zavatra bebe kokoa. Tsy maintsy manorina fitsipika sy fomba fanaovan-javatra tena ilaina ny fandaminan’i Jehovah mbamin’ireo kongregasiona tsirairay ho fitandroana ny filaminana tsara. (1 Korintiana 14:33, 40). Tsy afaka miara-mivory akory ny Kristiana raha tsy manana fitsipika momba ny fotoana sy ny toerana ary ny fomba hanaovana izany fivoriana izany! (Hebreo 10:24, 25, NW ). Anisan’ny fanatanterahana ny lalàn’i Kristy koa ny fiaraha-miasa amin’ireo toro lalana amin’ny antonona naorin’ireo izay nomem-pahefana ao amin’ny fandaminana. — Hebreo 13:17.

      4. Inona no hery manosika ny fanompoam-pivavahana madio?

      4 Na dia izany aza, dia tsy mamela ny fanompoam-pivavahany ho tonga rafi-dalàna tsy misy heviny ny Kristiana marina. Tsy manompo an’i Jehovah izy ireo satria fotsiny hoe misy olona na fandaminana milaza aminy mba hanao izany. Ny hery manosika ny fanompoam-pivavahan’izy ireo kosa, dia ny fitiavana. Nanoratra toy izao i Paoly: “Ny fitiavan’i Kristy no manery anay”. (2 Korintiana 5:14, izahay no manao sora-mandry.) Nandidy ireo mpanara-dia azy mba hifankatia, i Jesosy. (Jaona 15:12, 13). Ny fitiavana feno fahafoizan-tena no fototry ny lalàn’i Kristy, ary izy io no manery na manosika ny Kristiana marina hatraiza hatraiza, ao amin’ny fianakaviana sy ao amin’ny kongregasiona. Andeha hojerentsika hoe ahoana.

      Ao amin’ny fianakaviana

      5. a) Ahoana no ahafahan’ireo ray aman-dreny manatanteraka ny lalàn’i Kristy ao an-tokantrano? b) Mila inona avy amin’ny ray aman-dreniny ny ankizy, ary sakana inona avy no tsy maintsy resen’ny ray aman-dreny sasany mba hanomezana izany?

      5 Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy”. (Efesiana 5:25). Rehefa manahaka an’i Kristy ny lehilahy iray ka mitondra ny vadiny amim-pitiavana sy amim-pahatakarana ny heviny, dia manatanteraka lafiny tena lehibe iray amin’ny lalàn’i Kristy izy. Ankoatra izany, i Jesosy dia nampiseho miharihary ny firaiketam-pony tamin’ireo ankizy madinika, nitrotro azy ireo sy nametra-tanana tamin’izy ireo ary nitso-drano azy ireo. (Marka 10:16). Ny ray aman-dreny izay manatanteraka ny lalàn’i Kristy koa dia mampiseho firaiketam-po amin’ireo zanany. Marina fa misy ray aman-dreny izay mahita fa zava-tsarotra ny manahaka ny ohatr’i Jesosy amin’io lafiny io. Efa toetran’ny sasany ny tsy mampiseho fihetseham-po. Ry ray aman-dreny, aza mamela fiheverana toy izany hisakana anareo tsy hampiseho amin’ny zanakareo ny fitiavana tsapanareo ho azy ireo! Tsy ampy ny hoe fantatry ny tenanareo fa tia azy ianareo. Tsy maintsy mahafantatra izany koa izy ireo. Ary tsy hahafantatra izany izy ireo raha tsy mahita fomba hampisehoana ny fitiavanareo ianareo. — Ampitahao amin’ny Marka 1:11.

      6. a) Mila fitsipika avy amin’ny ray aman-dreny ve ny ankizy, ary nahoana ianao no mamaly toy izany? b) Inona ilay antony nanaovana fitsipika ho an’ny ankohonana ilain’ny ankizy hofantarina? d) Loza inona avy no halavirina rehefa manjaka eo amin’ny ankohonana ny lalàn’i Kristy?

      6 Mandritra izany fotoana izany, dia mila toro lalana ny ankizy, ka izany dia midika fa ilain’ireo ray aman-dreniny ny manorina fitsipika sy mampihatra azy ireny amin’ny alalan’ny famaizana, indraindray. (Hebreo 12:7, 9, 11). Na dia izany aza, dia tsy maintsy ampiana miandalana ny ankizy mba hahita ny antony fototr’ireny fitsipika ireny: tia azy ny ray aman-dreniny. Ary tsy maintsy mianatra izy ireo fa ny fitiavana no antony tsara indrindra ankatoavany ny ray aman-dreniny. (Efesiana 6:1; Kolosiana 3:20; 1 Jaona 5:3). Ny zava-kendren’ny ray na reny mahay mahataka-javatra, dia ny hampianatra ireo ankizy madinika hampiasa ny ‘herin’ny sainy’ mba hanaovany fanapahan-kevitra tsara samirery, amin’ny farany. (Romana 12:1, NW; ampitahao amin’ny 1 Korintiana 13:11.) Etsy an-danin’izany, ireo fitsipika dia tsy tokony ho maro loatra, na ny famaizana ho henjana loatra. Hoy i Paoly: “Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.” (Kolosiana 3:21; Efesiana 6:4). Rehefa manjaka eo amin’ny ankohonana ny lalàn’i Kristy, dia tsy misy toerana ho an’ny fampiharana famaizana amin-katezerana tsy voafehy na ho an’ny vazivazy maharary natao handratrana. Ao amin’ny tokantrano toy izany, ny ankizy dia mahatsiaro tena ho tsy manana ahiahy sy mahazo hery, fa tsy hampahorina na ambanina. — Ampitahao amin’ny Salamo 36:7.

      7. Amin’ny fomba ahoana avy ireo trano Betela no mety hanome ohatra mahakasika ny fanaovana fitsipika ao an-tokantrano?

      7 Milaza ny sasany izay efa nitsidika ireo trano Betela maneran-tany fa izany dia ohatra tsara momba ny fahaiza-mandanjalanja eo amin’ny raharaha mahakasika ireo fitsipika ho an’ny fianakaviana. Na dia voaforon’ny olon-dehibe aza ny fikambanana toy izany, dia be itoviana amin’ny fianakaviana ny fiasany.a Mifampidipiditra ireo asa tontosain’ny Betela ka mitaky fitsipika maro be — azo antoka fa bebe kokoa noho ny an’ny fianakaviana antonontonona iray. Na dia izany aza, dia miezaka mampihatra ny lalàn’i Kristy ireo loholona mitari-dalana any amin’ireo trano sy birao ary ireo asan’ny orinasan’ny Betela. Tsy ny fandaminana ny asa ihany no raisiny ho fanendrena azy, fa ny fampiroboroboana ny fandrosoana ara-panahy sy ny “fifaliana avy amin’i Jehovah” eo amin’ireo mpiara-miasa aminy koa. (Nehemia 8:10). Noho izany, dia miezaka manao zavatra amin’ny fomba manorina sy mampahery izy ireo, sady mikely aina mba hahalala ny antonona. (Efesiana 4:31, 32). Tsy mahagaga raha fantatra amin’ny toe-tsainy falifaly ny fianakavian’ny Betela!

      Ao amin’ny kongregasiona

      8. a) Inona foana no tokony ho zava-kendrentsika ao amin’ny kongregasiona? b) Tamin’ny toe-javatra inona avy ny sasany no nangataka fitsipika na nanandrana nanao fitsipika?

      8 Ao amin’ny kongregasiona dia zava-kendrentsika mitovy amin’izany koa ny hifampahatanjaka ao amin’ny toe-tsaina feno fitiavana (1 Tesaloniana 5:11). Koa tokony hitandrina àry ny Kristiana rehetra mba tsy hanampy ny efa enta-mavesatry ny hafa, amin’ny fiheverana amin’ny fomba diso fa manana zo hampanaiky ny heviny manokana izy, eo amin’ny raharaha mahakasika safidin’ny tena manokana. Indraindray, dia misy manoratra any amin’ny Fikambana Watch Tower, mangataka fitsipika mahakasika raharaha toy ny fiheverana tokony hananany momba ny filma sy boky voafaritra tsara, ary kilalao mihitsy aza. Kanefa ny Fikambanana dia tsy nomen-dalana handinika akaiky zavatra toy izany ka hamoaka fanapahan-kevitra momba izany. Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, ireny dia raharaha tokony hotapahin’ny olona tsirairay na ny loham-pianakaviana, miorina amin’ny fitiavany ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Ny hafa mirona hanodina ho fitsipika ireo fanoloran-kevitra sy toro lalan’ny Fandaminana. Tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Martsa 1996, ohatra, dia nisy lahatsoratra tsara dia tsara iray nampirisika ireo loholona mba hanao fitsidihan’ny mpiandry tsy tapaka any amin’ireo mpikambana amin’ny kongregasiona. Mba hanorenana fitsipika ve no nokendrena tamin’izany? Tsia. Na dia mahita soa maro aza ireo izay afaka manaraka ilay fanoloran-kevitra, dia misy loholona sasany tsy afaka manao izany. Toy izany koa, ilay lahatsoratra hoe “Fanontanian’ny Mpamaky” tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Aprily 1995, dia nampitandrina mba tsy hampivily ny saina amin’ny fahamendrehan’ny fotoan’ny batisa, amin’ny fanaovan-javatra tafahoatra, toy ny fikoranana tsy voafehy na filaharam-pandresena ho hitan’ny besinimaro. Nisy nampihatra tamin’ny fomba tafahoatra io torohevitra matotra io, ka nanao fitsipika mihitsy hoe tsy hety ny handefasana carte fampaherezana amin’io fisehoan-javatra io!

      9. Nahoana no zava-dehibe ny hanalavirantsika ny hifanakiana be loatra sy hifampitsara?

      9 Diniho koa fa, raha tokony hanjaka eo anivontsika “ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ny fahafahana”, dia tsy maintsy ekentsika fa tsy àry mitovy avokoa akory ny feon’ny fieritreretan’ny Kristiana rehetra. (Jakoba 1:25). Tokony ho sosotra ve isika raha manana ny safidiny manokana izay tsy mandika ny fotopoto-pitsipiky ny Soratra Masina, ny olona? Tsia. Hahatonga fisaratsarahana ny fanaovantsika izany. (1 Korintiana 1:10). Hoy i Paoly rehefa nampitandrina antsika mba tsy hitsara ny Kristiana tahaka antsika izy: “Amin’ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy [i Jehovah, NW ].” (Romana 14:4). Mety tsy hahafaly an’Andriamanitra isika raha mifanaratsy momba ny raharaha izay tokony havela ho an’ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay. — Jakoba 4:10-12.

      10. Iza avy no voatendry hiandraikitra ny kongregasiona, ary ahoana no tokony hanohanantsika azy ireo?

      10 Aoka hotadidintsika koa fa ireo loholona dia voatendry hiandraikitra ny andian’ondrin’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 20:28). Eo izy ireo mba hanampy. Tsy tokony hisalasala isika hanatona azy ireo mba hangataka torohevitra, satria mpianatra ny Baiboly izy ireo ary mahafantatra tsara izay efa voaresaka tao amin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower. Rehefa hitan’ireo loholona fa misy fitondran-tena izay azo inoana fa hitarika ho amin’ny fandikana ireo fotopoto-pitsipiky ny Soratra Masina, dia manolotra tsy amin-tahotra ny torohevitra ilaina izy ireo. (Galatiana 6:1). Manaraka ny lalàn’i Kristy ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona, amin’ny fiaraha-miasa amin’ireny mpiandry malala izay mitari-dalana eo anivony ireny. — Hebreo 13:7, NW.

      Mampihatra ny lalàn’i Kristy ireo loholona

      11. Ahoana no ampiharan’ireo loholona ny lalàn’i Kristy ao amin’ny kongregasiona?

      11 Dodona ny hanatanteraka ny lalàn’i Kristy ao amin’ny kongregasiona, ireo loholona. Mitari-dalana eo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara izy ireo, mampianatra avy ao amin’ny Baiboly mba hanohinana ny fo, ary miresaka amin’ireo “fanahy ketraka” toy ny mpiandry be fitiavana sy malemy fanahy. (1 Tesaloniana 5:14, NW ). Halavirin’izy ireo ny fihetsika tsy kristiana izay misy any amin’ny fivavahana maro aoka izany ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana. Marina fa mikororosy haingana itỳ tontolo itỳ, ary sahala amin’i Paoly, ireo loholona dia mety hahatsapa tebiteby ny amin’ny andian’ondry; kanefa dia mihazona fahaiza-mandanjalanja izy ireo eo am-panaovan-javatra mifandray amin’izany fanahiana izany. — 2 Korintiana 11:28.

      12. Rehefa manatona loholona ny Kristiana iray mba hahazoana fanampiana, ahoana no azon’ilay loholona amaliana izany?

      12 Mety haniry hanatona loholona, ohatra, ny Kristiana iray momba ny raharaha lehibe iray izay tsy voazava mivantana ao amin’ny Soratra Masina, na mitaky fahaizana mampifandanja fotopoto-pitsipika kristiana samy hafa. Angamba tany am-piasana izy dia notolorana fisondrotana izay be karama saingy misy andraikitra lehibe kokoa. Na mety hitaky zavatra izay mety hisy fiantraikany eo amin’ny fanompoan’ny Kristiana tanora iray, ny rainy tsy mpino. Amin’ny toe-javatra toy izany, ireo loholona dia hitana tena mba tsy hanome ny heviny manokana. Azo inoana fa hanokatra ny Baiboly kosa izy, ary hanampy ilay olona hanjohy hevitra avy amin’ireo fotopoto-pitsipika mifandray amin’ilay foto-kevitra. Mety hampiasainy ny Index des publications de la Société Watch Tower, raha misy, mba hahitana izay lazain’ny “mpanompo mahatoky sy malina” momba ilay foto-kevitra ao amin’ireo pejin’ny Ny Tilikambo Fiambenana na ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra hafa. (Matio 24:45, NW ). Ahoana raha manao fanapahan-kevitra izay toa tsy mampiseho fahendrena eo imason’ilay loholona, ilay Kristiana, aorian’izay? Raha tsy mandika mivantana fotopoto-pitsipika na lalàna ao amin’ny Baiboly ilay fanapahan-kevitra, dia ho hitan’ilay Kristiana fa manaiky ny zon’ny tsirairay hanao fanapahan-kevitra toy izany, ilay loholona, ka mahafantatra fa “samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra”. Tokony hotadidin’ilay Kristiana anefa fa “izay afafin’ny olona no hojinjany”. — Galatiana 6:5, 7.

      13. Nahoana ireo loholona no manampy ny hafa hanjohy hevitra momba ilay raharaha, fa tsy hanome valiny mivantana amin’ireo fanontaniana, na hanome ny heviny manokana?

      13 Nahoana ilay loholona ampy fanandraman-javatra no manao zavatra toy izany? Noho ny antony roa fara fahakeliny. Voalohany, i Paoly dia nilaza tamin’ny kongregasiona iray fa ‘tsy tompon’ny finoan’izy ireo’ izy. (2 Korintiana 1:24). Manahaka ny fihetsik’i Paoly ilay loholona amin’ny fanampiana ny rahalahiny hanjohy hevitra avy amin’ny Soratra Masina sy hanao ny fanapahan-keviny manokana miorina amin’ny fahalalana. Ekeny fa misy fetra ny fahefany, toy ny naneken’i Jesosy fa nisy fetra ny fahefan’ny tenany. (Lioka 12:13, 14; Joda 9). Mandritra izany fotoana izany, eo amin’izay ilana izany, ireo loholona dia vonona ny hanolotra torohevitra mahasoa araka ny Soratra Masina, mivantana mihitsy aza. Faharoa, dia mampiofana ny Kristiana tahaka azy izy. Hoy ny apostoly Paoly: “Ho an’izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.” (Hebreo 5:14). Noho izany, mba hitomboana ho amin’ny fahamatorana, dia tsy maintsy mampiasa ny herin’ny fahaizantsika manavaka manokana isika, fa tsy hiantehitra lava amin’olon-kafa mba hanome antsika ny valiny. Rehefa mampiseho amin’ny Kristiana tahaka azy ny fomba fanjohian-kevitra avy amin’ny Soratra Masina ilay loholona, dia manampy azy handroso amin’izany fomba izany.

      14. Ahoana no ahafahan’ireo Kristiana matotra mampiseho fa mitoky amin’i Jehovah izy ireo?

      14 Afaka mino isika fa, amin’ny alalan’ny fanahiny masina, i Jehovah Andriamanitra dia hanan-kery eo amin’ny fon’ireo mpivavaka marina. Noho izany, dia manintona ny fon’ny rahalahiny ny Kristiana matotra, miangavy azy ireo, toy ny nataon’ny apostoly Paoly. (2 Korintiana 8:8; 10:1; Filemona 8, 9). Fantatr’i Paoly fa ireo olon-tsy marina indrindra no mila lalàna misy tsipiriany be mba hampandehanana azy tsara, fa tsy ny olo-marina. (1 Timoty 1:9). Nampiseho finoana an’ireo rahalahiny izy, fa tsy fiahiahiana na tsy fitokiana. Nanoratra toy izao ho an’ny kongregasiona iray izy: “Izahay matoky anareo ao amin’ny Tompo”. (2 Tesaloniana 3:4). Azo antoka fa nandray anjara betsaka tamin’ny fanentanana ireny Kristiana ireny ny finoana sy ny fitokiana ary ny fatokian’i Paoly. Manan-java-kendrena mitovy amin’izany ireo loholona sy mpiandraikitra mpitety faritany amin’izao andro izao. Mamelombelona toy inona moa ireny lehilahy mahatoky ireny, rehefa miandry amim-pitiavana ny andian’ondrin’Andriamanitra! — Isaia 32:1, 2; 1 Petera 5:1-3.

      Fiainana mifanaraka amin’ny lalàn’i Kristy

      15. Inona avy ireo fanontaniana sasany azontsika atao amin’ny tenantsika mba hahitana raha mampihatra ny lalàn’i Kristy eo amin’ny fifandraisantsika amin’ireo rahalahintsika isika?

      15 Samy mila mandini-tena tsy tapaka isika rehetra mba hahitana raha miaina mifanaraka amin’ny lalàn’i Kristy sy mampandroso azy io. (2 Korintiana 13:5). Afaka mandray soa tokoa isika rehetra amin’ny fanontaniana hoe: ‘Mampahery ve aho sa be fanakianana? Mahay mandanjalanja ve aho sa manao zavatra tafahoatra? Maneho fiheverana ny hafa ve aho sa manizingizina ny zoko manokana?’ Ny Kristiana iray dia tsy manandrana handidy izay dingana tokony hataon’ny rahalahiny, na tsy tokony hataony, eo amin’ny raharaha tsy voazava amin’ny fomba voafaritra tsara ao amin’ny Baiboly. — Romana 12:1; 1 Korintiana 4:6.

      16. Ahoana no ahafahantsika manampy ireo izay mihevi-tena ho tsinontsinona, ka manatanteraka amin’izany ny lafiny iray tena lehibe amin’ny lalàn’i Kristy?

      16 Amin’izao andro sarotra izao dia zava-dehibe ny itadiavantsika fomba ifampaherezana. (Hebreo 10:24, 25; ampitahao amin’ny Matio 7:1-5.) Rehefa mijery ireo rahalahy sy anabavintsika isika, tsy zava-dehibe kokoa amintsika ve ny toetrany tsara noho ny fahalemeny? Amin’i Jehovah, dia sarobidy ny tsirairay. Mampalahelo fa tsy ny rehetra no mihevitra toy izany, eny fa na dia momba ny tenany aza. Maro no mirona tsy hahita afa-tsy ny fahalemeny sy ny tsy fahalavorarian’ny tenany manokana. Mba hampaherezana olona toy izany — sy ny hafa koa — moa ve isika afaka miezaka miresaka amin’olona iray na roa isaky ny fivoriana, ka mamela azy ireo hahafantatra ny antony ankamamiantsika ny maha-eo azy ireo, sy ny anjara lehibe raisin’izy ireo ao amin’ny kongregasiona? Fifaliana toy inona moa ny manamaivana ny entan’izy ireny amin’izany fomba izany ka manatanteraka ny lalàn’i Kristy amin’izany! — Galatiana 6:2.

      Miasa ny lalàn’i Kristy!

      17. Amin’ny fomba samy hafa inona avy no ahitanao ny fiasan’ny lalàn’i Kristy ao amin’ny kongregasiona misy anao?

      17 Miasa ao amin’ny kongregasiona kristiana ny lalàn’i Kristy. Mahita izany isan’andro isika — rehefa dodona mandray anjara amin’ny fizarana ny vaovao tsara ireo Vavolombelona tahaka antsika, rehefa mifampionona sy mifampahery izy ireo, rehefa miezaka mafy mba hanompo an’i Jehovah izy ireo na dia eo aza ireo zava-manahirana faran’izay sarotra, rehefa mikely aina ireo ray aman-dreny mba hitaiza ny zanany ho tia an’i Jehovah amin’ny fo falifaly, rehefa mampianatra ny Tenin’Andriamanitra amim-pitiavana sy amin-kafanana ireo mpiandraikitra, mandrisika ny andian’ondry mba hanana zotom-po miredareda hanompo an’i Jehovah mandrakizay. (Matio 28:19, 20; 1 Tesaloniana 5:11, 14). Faly toy inona moa ny fon’i Jehovah rehefa mampihatra ny lalàn’i Kristy eo amin’ny fiainantsika manokana isika isam-batan’olona! (Ohabolana 23:15). Iriny ho velona mandrakizay ireo rehetra tia ny lalàny tonga lafatra. Ao amin’ilay Paradisa ho avy, dia ho hitantsika ny fotoana haha-lavorary ny olombelona, fotoana tsy hisian’ny mpandika lalàna, fotoana hahafahana hifehy ny fironan’ny fontsika rehetra. Valisoa be voninahitra toy inona moa izany, noho ny fiainana mifanaraka amin’ny lalàn’i Kristy!

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara