-
“Tsy Maintsy ho Tonga Izany”Ny Tilikambo Fiambenana—1999 | 1 Mey
-
-
“Tsy Maintsy ho Tonga Izany”
‘Jesosy nanao taminy hoe: Tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany.’ — MATIO 24:4-6.
1. Loha hevitra inona no tokony hahaliana antsika?
TSY isalasalana fa mahaliana anao ny fiainanao sy ny hoavinao. Raha izany no izy, dia tokony hahaliana anao koa ny loha hevitra iray izay nanintona ny sain’i C. T. Russell, tamin’ny 1877. I Russell, izay nanorina ny Fikambanana Watch Tower, tatỳ aoriana, dia nanoratra ny The Object and Manner of Our Lord’s Return (Ny Fiverenan’ny Tompontsika: Ny Zava-kendren’izany sy ny Fomba Fisehony). Ny fiverenan’i Jesosy, na ny fiaviany ho avy, no niompanan’io bokikely 64 pejy io. (Jaona 14:3). Indray mandeha, teo amin’ny Tendrombohitra Oliva, dia nanontany toy izao mahakasika an’io fiverenana io ireo apostoly: “Rahoviana no ho tonga izany zavatra izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao [na, “fihavianao”, Fandikan-teny Malagasy] sy ny an’ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” — Matio 24:3, NW.
2. Nahoana no misy fomba fihevitra maro mifanipaka mahakasika izay nolazain’i Jesosy mialoha?
2 Fantatrao ve ny valin-tenin’i Jesosy ary azonao ve ny hevitr’izany valin-teniny izany? Hita ao amin’ny telo amin’ireo Filazantsara izany. Hoy ny Profesora D. A. Carson: “Teo anivon’ireo mpilaza hevi-teny, dia toko vitsy ao amin’ny Baiboly no niteraka tsy fitovian-kevitra betsaka kokoa noho ny Matio 24 sy ireo mifanitsy aminy ao amin’ny Marka 13 sy Lioka 21.” Nomen’ilay Profesora avy eo ny heviny manokana, izay hevitra iray hafa fotsiny amin’ireo fomba fijerin’olombelona mifanipaka. Tamin’ny taonjato lasa tany ho any, dia hita taratra tamin’ny fomba fihevitra maro karazan’izany, ny tsy fahampiam-pinoana. Nihevitra ireo nanolotra azy ireny fa tsy nilaza mihitsy izay voasoratra ao amin’ireo Filazantsara, hono, i Jesosy; efa nisy nanova, hono, tatỳ aoriana, ny teny nolazain’i Jesosy; na koa tsy tanteraka, hono, ny zavatra nambaran’i Jesosy mialoha. Ireo fomba fihevitra ireo dia novolavolain’ny fitsikerana ambony. Ny mpivaofy teny iray aza, dia nandinika ny Filazantsaran’i Marka ‘araka ny fomba fijery filôzôfikan’ny Bodista Mahâyâna’!
3. Ahoana no fahitan’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay faminanian’i Jesosy?
3 Mifanohitra amin’izany fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia manaiky fa azo itokisana sy ianteherana ny Baiboly, anisan’izany ny teny nolazain’i Jesosy tamin’ireo apostoliny efatra, izay niaraka taminy teo amin’ny Tendrombohitra Oliva, telo andro talohan’ny nahafatesany. Hatramin’ny andron’i C. T. Russell, dia nihanahazo fahatakarana mazava kokoa ny hevitr’ilay faminaniana nomen’i Jesosy teo, ny vahoakan’Andriamanitra. Tato anatin’ny taona vitsivitsy farany, dia mbola nitondra fanazavana misimisy kokoa mahakasika ny fahitan’izy ireo io faminaniana io, Ny Tilikambo Fiambenana. Azonao tsara ve ireny fanazavana ireny, ka hitanao ho nisy akony teo amin’ny fiainanao?a Andeha hodinihintsika indray izy ireny.
Antomotra ny fahatanterahana iray mampahonena
4. Inona no nety ho antony nahatonga ireo apostoly hanontany an’i Jesosy momba ny hoavy?
4 Fantatr’ireo apostoly fa i Jesosy no Mesia. Koa rehefa nandre an’i Jesosy nilaza ny amin’ny hahafatesany sy ny hitsanganany ary ny hiverenany indray àry izy ireo, dia tsy maintsy ho nanontany tena hoe: ‘Raha ho faty sy tsy ho eo intsony i Jesosy, ahoana no hahafahany hanatanteraka ireo zavatra mahatalanjona antenaina hataon’ny Mesia?’ Ankoatra izany, dia niresaka ny amin’ny farany ho an’i Jerosalema sy ny tempoliny i Jesosy. Nety ho nanontany tena toy izao ireo apostoly: ‘Rahoviana sy amin’ny fomba ahoana no hitrangan’izany?’ Niezaka hahatakatra ny hevitr’izany zavatra izany ireo apostoly, ka nanontany hoe: “Rahoviana no hisy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany rehetra izany?” — Marka 13:4; Matio 16:21, 27, 28; 23:37–24:2.
5. Amin’ny ahoana no nisy fahatanterahany tamin’ny taonjato voalohany ny zavatra nolazain’i Jesosy?
5 Nambaran’i Jesosy mialoha ny hisian’ny ady, ny mosary, ny areti-mandringana, ny horohoron-tany, ny fankahalana sy ny fanenjehana ny Kristianina, ny mesia sandoka, ary ny fitoriana hatraiza hatraiza ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Avy eo dia ho tonga ny farany. (Matio 24:4-14; Marka 13:5-13; Lioka 21:8-19). Tamin’ny voalohandohan’ny taona 33 am.f.i. no nilazan’i Jesosy izany. Nandritra ireo am-polony taona maro taorian’izay, dia afaka nahatakatra ireo mpianany mailo fa tena nitranga tamin’ny fomba nisy heviny ireo zavatra nambara mialoha. Eny, porofoin’ny tantara fa nisy fahatanterahany tamin’izany fotoana izany ilay famantarana, ka nitarika ho amin’ny famaranan’ny Romanina ny fandehan-javatra jiosy tamin’ny 66-70 am.f.i. Ahoana no nitrangan’izany?
6. Inona no nitranga teo amin’ny Romanina sy ny Jiosy tamin’ny 66 am.f.i.?
6 Tamin’ny 66 am.f.i., nandritra ny fahavaratra nanevokevoka tany Jodia, dia nanafika an’ireo Romanina mpiambina tao amin’ny toby miaramila iray nimanda teo akaikin’ny tempoly tao Jerosalema, ireo Zelôta jiosy. Niteraka herisetra tany amin’ny faritra hafa tany Jodia izany. Mitantara toy izao ny Profesora Heinrich Graetz, ao amin’ilay boky hoe History of the Jews: “I Cestius Gallus, izay nanana adidy hanandratra ny voninahitry ny tafika romanina, tamin’ny naha Governoran’i Syria azy, (...) dia tsy afaka ny hijery fotsiny intsony ilay fikomiana niely nanodidina azy, ka hoe tsy hanao ezaka na inona na inona mba hisakanana ny fitaran’izy io. Namory ireo andia-miaramilany izy, ary ireo andriana teny amin’ny manodidina dia nandefa an-tsitrapo ny andian-tafiny.” Nanodidina an’i Jerosalema io tafika nisy miaramila 30 000 io. Rehefa nandeha kelikely ny ady, dia niala nankao ambadiky ny manda teo akaikin’ny tempoly ireo Jiosy. “Nandritra ny dimy andro nisesy, dia nirohotra nanafika ireo manda ny Romanina, saingy voatery nihemotra foana teo anoloan’ireo zavatra natifitr’ireo Jodianina. Efa tamin’ny andro fahenina vao nahavita nandoaka ny fototry ny ampahany iray tamin’ny manda avaratra nanoloana ny Tempoly izy ireo.”
7. Nahoana no afaka nanana fomba fijery hafa noho ny an’ny ankamaroan’ny Jiosy ireo mpianatr’i Jesosy?
7 Eritrereto fotsiny ny fikorontanan-tsaina nahazo ny Jiosy, satria fiheveran’izy ireo efa hatry ny ela ny hoe hiaro azy ireo sy ilay tanànany masina Andriamanitra! Ireo mpianatr’i Jesosy anefa dia nahazo fampitandremana mialoha fa nisy loza niandry an’i Jerosalema. Nanambara mialoha toy izao i Jesosy: “Ho avy aminao ny andro izay hananganan’ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia hanemitra anao izy ka hanidy anao manodidina ary hamongotra anao hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao”. (Lioka 19:43, 44). Hidika ho fahafatesana ho an’ny Kristianina tao Jerosalema tamin’ny 66 am.f.i. anefa ve izany?
8. Loza inona no nambaran’i Jesosy mialoha, ary iza ireo “olom-boafidy”, izay noho ny aminy no nanafohezana izany andro izany?
8 Rehefa nanome ny valin’ny fanontanian’ireo apostoly teo amin’ny Tendrombohitra Oliva i Jesosy, dia nilaza mialoha toy izao: “Amin’izany andro izany dia hisy fahoriana izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan’Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao, sady tsy hisy intsony. Ary raha tsy nohafohezin’ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany.” (Marka 13:19, 20; Matio 24:21, 22). Hohafohezina àry ny andro, ka ho voavonjy “ny olom-boafidy”. Iza moa izy ireo? Azo antoka fa tsy ireo Jiosy mpioko, izay nihambo ho nivavaka tamin’i Jehovah nefa nanda ny Zanany. (Jaona 19:1-7; Asan’ny Apostoly 2:22, 23, 36). Ireo tena olom-boafidy tamin’izany fotoana izany, dia ireo Jiosy sy tsy Jiosy izay naneho finoana an’i Jesosy ho Mesia sy Mpamonjy. Nifidy azy ireny Andriamanitra, ary tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., dia namorona azy ireny ho firenena ara-panahy vaovao, dia ny “Isiraelin’Andriamanitra”. — Galatiana 6:16; Lioka 18:7; Asan’ny Apostoly 10:34-45; 1 Petera 2:9.
9, 10. Ahoana no ‘nanafohezana’ ny andro nanafihan’ny Romanina, ary inona no vokany?
9 ‘Nohafohezina’ ve ny andro, ka voavonjy ireo olom-boafidy voahosotra, tao Jerosalema? Nanolo-kevitra toy izao ny Profesora Graetz: “Nihevitra [i Cestius Gallus] fa samy tsy fahendrena na ny hanohizana ilay ady tamin’olona nahery fo sy nirehitra fatratra, na ny hirotsahana tamina fanafihana nisesisesy haharitra ela be, tao anatin’io fizaran-taona io. Hanomboka tsy ho ela mantsy tamin’izay ny oram-pararano, (...) ka mety hahatonga ny tafika tsy hahazo vatsy izany. Izany angamba no niheverany fa fanehoana fahamalinana kokoa ny niverina ilalana.” Na inona na inona noeritreretin’i Cestius Gallus, dia niala teo amin’ilay tanàna ny tafika romanina, ka niharam-pahavoazana mafy noho izay nafitsok’ireo Jiosy nanenjika azy.
10 Izany fialan’ny Romanina tamin’ny fomba tsy nampoizina izany, dia nahatonga “nofo” ho voavonjy, izay tsy iza akory fa ireo mpianatr’i Jesosy notandindomin-doza tao Jerosalema. Voalazan’ny tantara fa rehefa nitranga izany toe-javatra azo nohararaotina izany, dia nandositra niala tao amin’ilay faritra ireo Kristianina. Izany ka fampisehoana ny fahaizan’Andriamanitra mamantatra mialoha ny hoavy sy manome antoka ny amin’izay hahatafita velona ny mpivavaka aminy! Ahoana kosa anefa ny amin’ireo Jiosy tsy nino izay nijanona tao Jerosalema sy Jodia?
Hahita azy io ireo mpiara-belona
11. Inona no nolazain’i Jesosy mahakasika “izao taranaka izao”?
11 Jiosy maro no nihevitra fa hitohy tsy hisy farany ny rafi-panompoam-pivavahan’izy ireo, izay niompana tamin’ny tempoly. Hoy anefa i Jesosy: “Mianara (...) ny amin’ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy. Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’izany rehetra izany. Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.” — Matio 24:32-35, izahay no manao sora-mandry.
12, 13. Ahoana no ho nandraisan’ireo mpianatra ny hevitry ny hoe “izao taranaka izao” na “ity taranaka ity”, izay noresahin’i Jesosy?
12 Tao anatin’ireo taona izay nitarika ho amin’ny 66 am.f.i., dia hitan’ireo Kristianina fa maro tamin’ireo ampahany amin’ilay famantarana misy lafiny maro no teo am-pahatanterahana, ary vao savaranonando ihany izany — ny ady, ny mosary, eny, hatramin’ny fitoriana hatraiza hatraiza ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana aza. (Asan’ny Apostoly 11:28; Kolosiana 1:23). Rahoviana anefa no ho tonga ny farany? Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa nilaza izy hoe: “Tsy mba ho lany izao taranaka [grika: ge·ne·aʹ] izao”? Matetika no nantsoin’i Jesosy hoe “taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga” ny sarambaben’ny Jiosy nanohitra azy izay niara-belona taminy, anisan’izany ireo mpitarika ara-pivavahana. (Matio 11:16; 12:39, 45; 16:4; 17:17; 23:36). Koa rehefa niresaka indray ny amin’“izao taranaka izao” àry i Jesosy, teo amin’ny Tendrombohitra Oliva, dia miharihary fa tsy ny taranaka jiosy manontolo nandritra ny tantara akory no tiany holazaina. Tsy ireo mpanara-dia azy koa akory no tiany holazaina, na dia “taranaka voafidy” aza izy ireo. (1 Petera 2:9). Tsy nilaza koa i Jesosy hoe vanim-potoana iray ny hoe “izao taranaka izao”.
13 Ny tao an-tsain’i Jesosy kosa, dia ireo Jiosy nanohitra tamin’izany fotoana izany, izay hahita ny fahatanterahan’ilay famantarana nomeny. Momba ny firesahana ny amin’ny hoe “ity taranaka ity” ao amin’ny Lioka 21:32, dia toy izao no fanamarihan’ny Profesora Joel B. Green: “Ao amin’ny Filazantsara Fahatelo, ny hoe ‘ity taranaka ity’ (sy ny teny mifandray aminy) dia nidika foana ho sokajin’olona izay nanohitra ny fikasan’Andriamanitra. (...) [Izy io dia manondro] olona izay mikiry mandà ny fikasan’Andriamanitra.”b
14. Inona no nodiavin’ilay “taranaka”, kanefa amin’ny ahoana no hafa noho izany ny nitranga tamin’ireo Kristianina?
14 Ilay taranaka ratsy fanahy voaforon’ireo Jiosy mpanohitra, izay afaka nahita ny fahatanterahan’ilay famantarana, dia handia ny farany koa. (Matio 24:6, 13, 14). Ary nandia izany tokoa izy ireo! Tamin’ny 70 am.f.i., dia niverina ny tafika romanina, notarihin’i Titus, zanaky ny Emperora Vespasien. Saika tsy mampino ny fahorian’ny Jiosy izay voahidy indray tao amin’ilay tanàna.c Milaza i Flavius Josèphe, vavolombelona nahita maso, fa tamin’ny fotoana nandravan’ny Romanina ilay tanàna, dia Jiosy tokony ho 1 100 000 no efa maty ary 100 000 teo ho eo no nentina ho babo. Tsy ela ny ankamaroan’ireny babo ireny dia ho faty tamin’ny fomba mahatsiravina, noho ny hanoanana na tany amin’ireo teatira romanina. Marina tokoa fa ilay fahoriana tamin’ny 66-70 am.f.i. no lehibe indrindra tamin’izay nodiavin’i Jerosalema sy ny fandehan-javatra jiosy hatramin’izay, na amin’izay mbola hodiaviny. Endre ny fahasamihafan’izany tamin’izay nitranga tamin’ireo Kristianina nanaraka ny fampitandremana ara-paminaniana nomen’i Jesosy, ka nandao an’i Jerosalema taorian’ny nialan’ny tafika romanina tamin’ny 66 am.f.i.! ‘Novonjena’ na voatsimbina ireo “olom-boafidy” kristianina voahosotra, tamin’ny 70 am.f.i. — Matio 24:16, 22.
Fahatanterahana hafa iray amin’ny hoavy
15. Ahoana no ahafahantsika mahazo antoka fa ho tanteraka amin’ny ambaratonga lehibe ilay faminanian’i Jesosy, aorian’ny 70 am.f.i.?
15 Tsy nifarana hatreo anefa izany. Tany aloha kokoa, dia nilaza i Jesosy fa aorian’ny haharavan’ilay tanàna, dia ho avy amin’ny anaran’i Jehovah izy. (Matio 23:38, 39; 24:2). Nohazavainy misimisy kokoa izany avy eo, tao amin’ilay faminaniana nambarany teo amin’ny Tendrombohitra Oliva. Rehefa avy niresaka ny amin’ilay “fahoriana lehibe” ho avy izy, dia nilaza fa aorian’io dia hisy Kristy sandoka, ary hohitsahin’ny jentilisa mandritra fe-potoana lava be i Jerosalema. (Matio 24:21, 23-28; Lioka 21:24). Mety hisy fahatanterahana hafa iray sy amin’ny ambaratonga lehibe ve atỳ aoriana? Mamaly hoe eny ny zava-misy. Rehefa ampitahaintsika amin’ny Apokalypsy 6:2-8 (nosoratana taorian’ilay fahoriana tao Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i.) ny Matio 24:6-8 sy ny Lioka 21:10, 11, dia hitantsika fa mbola hisy ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana amin’ny ambaratonga lehibe. Efa nitranga nanomboka tamin’ny Ady Lehibe Voalohany izay nipoaka tamin’ny 1914, io fahatanterahan’ny tenin’i Jesosy tamin’ny ambaratonga lehibe io.
16-18. Inona no antenaintsika fa mbola hitranga?
16 Efa am-polony taona maro izao ny Vavolombelon’i Jehovah no mampianatra fa ny fahatanterahan’ilay famantarana amin’izao fotoana izao, dia manaporofo fa mbola hisy “fahoriana lehibe” ho avy. Hahita io fahoriana io ilay “taranaka” ratsy fanahy ankehitriny. Toa hisy indray koa ny ambaratonga voalohany (fanafihana ny fivavahan-diso rehetra) hanomboka azy io, tsy misy hafa amin’ny fanafihan’i Gallus tamin’ny 66 am.f.i., izay nanomboka ilay fahoriana tao Jerosalema.d Avy eo, aorian’ny fe-potoana iray izay tsy voafaritra ny halavany, dia ho tonga ny farany — fandringanana amin’ny ambaratonga maneran-tany, mifanitsy amin’ilay nitranga tamin’ny 70 am.f.i.
17 Nilaza toy izao i Jesosy rehefa niresaka ny amin’ilay fahoriana efa antomotra: “Ary raha vao afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo [ny fandravana ny fivavahan-diso], ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin’ny lanitra hohozongozonina. Ary amin’izany andro izany dia hiseho eo amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy.” — Matio 24:29, 30.
18 Noho izany, dia i Jesosy mihitsy no milaza fa rehefa “afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo”, dia hisy fisehoan-javatra hitranga eny amin’ny lanitra. (Ampitahao amin’ny Joela 3:1-5; 4:15.) Hampivadi-po sy hanaitra mafy an’ireo olombelona tsy mankato izany, hany ka “hitomany” izy ireo. “Ho reraka ny fon’ny [maro] noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany”. Tsy ho toy izany anefa ny amin’ireo Kristianina marina! ‘Hanandratra ny lohany izy ireo, fa manakaiky ny fanavotana azy.’ — Lioka 21:25, 26, 28.
Fitsarana ho avy!
19. Ahoana no ahafahantsika mamaritra ny fotoana hahatanterahan’ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy?
19 Mariho fa manambara mialoha ny Matio 24:29-31 fa 1) ho avy ny Zanak’olona, 2) ho amim-boninahitra lehibe io fiaviany io, 3) hiaraka aminy ireo anjely, ary 4) hahita azy avokoa ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Averin’i Jesosy ao amin’ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy ireo lafin-javatra ireo. (Matio 25:31-46). Afaka manatsoaka hevitra àry isika fa io fanoharana io dia mifandray amin’ny fotoana aorian’ny fiandohan’ilay fahoriana, izany hoe amin’ny fotoana hiavian’i Jesosy miaraka amin’ireo anjeliny ka hipetrahany eo amin’ny seza fiandrianany mba hitsara. (Jaona 5:22; Asan’ny Apostoly 17:31; ampitahao amin’ny 1 Mpanjaka 7:7; Daniela 7:10, 13, 14, 22, 26; Matio 19:28.) Iza no hotsaraina, ary inona no ho vokany? Asehon’ilay fanoharana fa hampitodika ny sainy amin’ny firenena rehetra i Jesosy, toy ny hoe tafavory eo anatrehan’ny seza fiandrianany any an-danitra mihitsy izy ireo.
20, 21. Inona no hitranga amin’ny ondry ao amin’ilay fanoharan’i Jesosy? b) Inona no hanjo ny osy amin’ny hoavy?
20 Ireo lehilahy sy vehivavy toy ny ondry, dia havahana hankeo ankavanan’i Jesosy, izay midika ho toeram-pankasitrahana. Nahoana? Satria nampiasa ny fahafahana nananany izy ireo mba hanaovan-tsoa tamin’ireo rahalahin’i Jesosy, dia ireo Kristianina voahosotra izay hiara-manjaka amin’i Kristy ao amin’ilay Fanjakany any an-danitra. (Daniela 7:27; Hebreo 2:9–3:1). Mifanaraka amin’ilay fanoharana, dia Kristianina toy ny ondry an-tapitrisany maro no nahafantatra ireo rahalahin’i Jesosy ara-panahy ka miasa mba hanohanana azy ireo. Vokatr’izany, dia manana fanantenana miorina amin’ny Baiboly ny ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” ny “olona betsaka”, ka avy eo dia hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa, ilay faritra eto an-tany hotantanan’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Apokalypsy 7:9, 14; 21:3, 4; Jaona 10:16.
21 Toy inona moa ny fahasamihafan’izany amin’izay hitranga amin’ireo osy! Ao amin’ny Matio 24:30, dia lazalazaina ho ‘mitomany’ izy ireo rehefa ho avy i Jesosy. Ary izany tokoa no tokony ho izy, satria ho nanjary fantatra ho nanda ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana sy nanohitra ny mpianatr’i Jesosy ary tia kokoa izao tontolo izao mandalo, izy ireo. (Matio 10:16-18; 1 Jaona 2:15-17). I Jesosy, fa tsy na iza na iza amin’ny mpianany eto an-tany, no mamaritra hoe iza no osy. Izao no lazainy mahakasika azy ireo: “Ireo dia hiala ho any amin’ny [famongorana, NW ] mandrakizay”. — Matio 25:46.
22. Tapany inona amin’ny faminanian’i Jesosy no mendrika hodinihintsika koa?
22 Mampientanentana ny fandrosoantsika eo amin’ny fahatakarana ny hevitr’ilay faminaniana ao amin’ny Matio toko faha-24 sy 25. Misy tapany iray amin’ilay faminanian’i Jesosy anefa mendrika ny hodinihintsika koa — ‘ilay fahavetavetan’ny fandravana mitsangana ao amin’ny fitoerana masina’. Nampirisika ireo mpanara-dia azy i Jesosy mba hampiasa fahaiza-manavaka mahakasika azy io ka ho vonona hanao zavatra. (Matio 24:15, 16). Inona moa io “fahavetavetana” io? Rahoviana izy io no mitsangana ao amin’ny fitoerana masina? Ary amin’ny ahoana izany no mahakasika ny fiainantsika ankehitriny sy amin’ny hoavy? Handinika izany ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny lahatsoratra fianarana ao amin’ny nomeraon’ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1994, 15 Oktobra sy 1 Novambra 1995, ary ny 15 Aogositra 1996.
b Manamarika toy izao ilay manam-pahaizana britanika atao hoe G. R. Beasley-Murray: “Tsy tokony hanahirana kely akory an’ireo mpilaza hevi-teny ilay fitenenana hoe ‘ity taranaka ity’. Ekena aloha fa ny hoe genea, araka ny teny grika tany am-boalohany, dia nidika hoe fahaterahana, taranaka, ka noho izany dia nidika hoe firazanana. (...) Na izany aza anefa, dia matetika indrindra izy io ao amin’ny [Septante grika] no nandikana ilay teny hebreo hoe dôr, izay midika hoe vanim-potoana, vanim-potoan’ny olombelona, na taranaka, amin’ny heviny hoe mpiara-belona. (...) Ao amin’ireo teny lazaina fa nambaran’i Jesosy, dia miharihary fa mifono heviny roa sosona ilay teny: etsy an-daniny, dia midika foana hoe ireo niara-belona taminy izy io, ary etsy an-kilany kosa, dia mifono fanakianana an-kolaka foana izy io.”
c Milaza ny Profesora Graetz, ao amin’ilay bokiny hoe History of the Jews, fa voafonja 500 isan’andro indraindray no nohomboan’ny Romanina. Notapahina hiala ny tanan’ny babo jiosy hafa, ary nalefa hiverina tao amin’ilay tanàna izy ireo avy eo. Toe-piainana nanao ahoana no nanjaka tao? “Tsy nisy vidiny intsony ny vola, satria tsy nahavidy mofo akory. Niady tamim-pamoizam-po teny amin’ny arabe ireo lehilahy, mba hahazoana sakafo faran’izay nankaloiloy sy naharikoriko, izay tsy inona akory fa mololo eran-tanana anila, sombin-koditra, na taovan-kena natsipy ho an’ny alika. (...) Nitombo isa haingana ireo faty tsy voalevina ka nahatonga ilay rivo-pahavaratra nandoro hiteraka valanaretina, ary matin’aretina sy mosary ary sabatra ny sarambaben’olona.”
d Handinika an’io lafiny amin’ilay fahoriana ho avy io ny lahatsoratra manaraka.
Tadidinao Ve?
◻ Ahoana no nahatanterahan’ny Matio 24:4-14 tamin’ny taonjato voalohany?
◻ Tamin’ny andron’ny apostoly, ahoana no nanafohezana ny andro sy nisian’ny nofo novonjena, araka ny voalaza mialoha ao amin’ny Matio 24:21, 22?
◻ Inona no nampiavaka ilay “taranaka” voalaza ao amin’ny Matio 24:34?
◻ Ahoana no ahalalantsika fa hisy fahatanterahany hafa sy amin’ny ambaratonga lehibe ilay faminaniana nomena teo amin’ny Tendrombohitra Oliva?
◻ Rahoviana sy amin’ny fomba ahoana no hahatanterahan’ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy?
[Sary, pejy 12]
Sary eo amin’ny Andohalambon’i Titus any Roma, mampiseho ireo zavatra nobaboina avy tamin’ny nandravana an’i Jerosalema
[Sary nahazoan-dalana]
Soprintendenza Archeologica di Roma
-
-
“Aoka ny Mpamaky Hampiasa Fahaiza-manavaka”Ny Tilikambo Fiambenana—1999 | 1 Mey
-
-
“Aoka ny Mpamaky Hampiasa Fahaiza-manavaka”
“Raha hitanareo mitsangana ao amin’izay fitoerana masina ‘ny fahavetavetan’ny fandravana,’ (...) dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra”. — MATIO 24:15, 16.
1. Inona no vokatr’ilay fampitandremana nomen’i Jesosy, araka ny hita ao amin’ny Lioka 19:43, 44?
REHEFA nampiomanina ny amin’ny loza iray mihamanatona isika, dia afaka manalavitra azy io. (Ohabolana 22:3). Alao sary an-tsaina àry ny toe-javatra nisy ireo Kristianina tao Jerosalema, taorian’ilay fanafihan’ny Romanina tamin’ny 66 am.f.i. Efa nampitandrina i Jesosy fa hohodidinina ilay tanàna ka horavana. (Lioka 19:43, 44). Tsy niraharaha an’i Jesosy ny ankamaroan’ny Jiosy. Nanaraka ny fampitandremany kosa anefa ireo mpianany. Vokatr’izany, dia voavonjy tamin’ilay loza tamin’ny 70 am.f.i. izy ireo.
2, 3. Nahoana isika no tokony ho liana amin’ilay faminanian’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:15-21?
2 Tao amin’ny faminaniana iray izay misy heviny ho antsika amin’izao andro izao, i Jesosy dia nilazalaza famantarana iray misy lafiny maro, ka anisan’izany ny ady, ny mosary, ny horohoron-tany, ny areti-mandringana, ary ny fanenjehana ny Kristianina mitory ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 24:4-14; Lioka 21:10-19). Nilaza zavatra iray izay hanampy ny mpianany hahafantatra ny fahakekezan’ny farany koa i Jesosy: Ny ‘fahavetavetan’ny fandravana izay mitsangana ao amin’ny fitoerana masina’. (Matio 24:15, izahay no manao sora-mandry.) Andeha hodinihintsika indray ireo teny misy heviny ireo mba hahitana hoe amin’ny ahoana izy ireo no misy akony eo amin’ny fiainantsika ankehitriny sy amin’ny hoavy.
3 Rehefa avy nilazalaza ilay famantarana i Jesosy, dia niteny hoe: “Raha hitanareo mitsangana ao amin’izay fitoerana masina ‘ny fahavetavetan’ny fandravana,’ izay nampilazaina an’i Daniela mpaminany ([aoka ny mpamaky hampiasa fahaiza-manavaka, NW ]), dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina haka ny ao an-tranony; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany. Ary lozan’ny bevohoka sy ny mampinono amin’ireo andro ireo! Fa mivavaha hianareo mba tsy ho amin’ny ririnina na ho amin’ny Sabata no handosiranareo. Fa amin’izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao”. — Matio 24:15-21.
4. Inona no manondro fa nisy fahatanterahany tamin’ny taonjato voalohany ny Matio 24:15?
4 Manome tsipiriany fanampiny ireo fitantaran’i Marka sy i Lioka. Mampiasa ny teny hoe “mitsangana ao amin’izay fitoerana masina” ny Matio, fa ny Marka 13:14 kosa dia milaza hoe “mitsangana amin’izay tsy mety hitsanganany”. Ampian’ny Lioka 21:20 toy izao ireo tenin’i Jesosy ireo: “Raha mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy.” Izany dia manampy antsika hahita fa ilay fahatanterahana voalohany dia nifandray tamin’ilay fanafihan’ny Romanina tamin’ny 66 am.f.i., rehefa notafihin’izy ireo i Jerosalema sy ny tempoliny, izay toerana masina tamin’ny Jiosy, saingy tsy toerana masina intsony tamin’i Jehovah. Nitranga ilay fandravana tanteraka rehefa noravan’ny Romanina ilay tanàna sy ny tempoly, tamin’ny 70 am.f.i. Inona ilay ‘fahavetavetana’ tamin’izay fotoana izay? Ary tamin’ny fomba ahoana no ‘nitsanganan’izy io tao amin’izay fitoerana masina’? Ny valin’ireo fanontaniana ireo dia hanampy mba hahatakarana mazava kokoa ny fahatanterahany amin’izao andro maoderina izao.
5, 6. a) Nahoana no hila fahaiza-manavaka ireo mpamaky ny Daniela toko faha-9? b) Ahoana no nahatanterahan’ilay faminanian’i Jesosy momba ilay ‘fahavetavetana’?
5 Nampirisika ny mpamaky mba hampiasa fahaiza-manavaka i Jesosy. Mpamaky ny inona? Azo inoana fa ny mpamaky ny Daniela toko faha-9. Ao no ahitantsika faminaniana iray izay sady milaza ny fotoana hisehoan’ny Mesia no manambara mialoha fa “hovonoina” izy aorian’ny telo taona sy tapany. Hoy ilay faminaniana: “Amin’ny elatry ny fahavetavetana no hihavian’ny mpandrava, hatramin’ny fahafonganana voatendry, izay haidina amin’ny mpandrava.” — Daniela 9:26, 27, izahay no manao sora-mandry; jereo koa ny Daniela 11:31; 12:11.
6 Nihevitra ny Jiosy fa nihatra izy io rehefa nanimbazimba ny tempoly i Antiochus IV, tokony ho 200 taona talohan’izay. Nasehon’i Jesosy anefa fa tsy izany no izy, ka nampirisika ny hananana fahaiza-manavaka izy, satria mbola amin’ny hoavy vao hiseho sy hitsangana ao amin’ny “fitoerana masina” ilay ‘fahavetavetana’. Miharihary fa nanisy firesahana ny amin’ilay tafika romanina izay ho tonga tamin’ny 66 am.f.i, i Jesosy. Nitondra ny faneva nampiavaka azy, io tafika io, tamin’izay. Ireny faneva ireny, izay efa nampiasaina hatramin’ny ela, dia azo lazaina ho sampy, ka naharikoriko an’ireo Jiosy.a Oviana anefa izy ireo no ‘nitsangana tao amin’ny fitoerana masina’? Nitranga izany rehefa notafihin’ny tafika romanina, izay nitondra ny fanevany, i Jerosalema sy ny tempoliny, izay noheverin’ny Jiosy ho masina. Efa nanomboka nandoaka tsikelikely ny fototry ny mandan’ny faritry ny tempoly mihitsy aza ny Romanina. Marina tokoa fa nitsangana tao amin’ny fitoerana masina tamin’izay ilay fahavetavetana efa hatramin’ny ela! — Isaia 52:1; Matio 4:5; 27:53; Asan’ny Apostoly 6:13.
‘Fahavetavetana’ amin’ny andro maoderina
7. Faminanian’i Jesosy inona no eo am-pahatanterahana amin’izao androntsika izao?
7 Nanomboka tamin’ny Ady Lehibe Voalohany, dia hitantsika fa tanteraka tamin’ny ambaratonga lehibe ilay famantarana nomen’i Jesosy, voarakitra ao amin’ny Matio toko faha-24. Tsarovy anefa izao teniny izao: “Raha hitanareo mitsangana ao amin’izay fitoerana masina ‘ny fahavetavetan’ny fandravana,’ (...) dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra”. (Matio 24:15, 16). Tsy maintsy misy fahatanterahany amin’izao androntsika izao koa io lafiny amin’ilay faminaniana io.
8. Nandritra ny taona maro, ahoana no nampahafantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay ‘fahavetavetana’ amin’ny andro maoderina?
8 Natoky ny mpanompon’i Jehovah fa ho tanteraka io faminaniana io. Nampiseho izany Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1921 (anglisy) izay nifantoka tamin’io faminaniana io, nifandray tamin’ireo fisehoan-javatra tany Moyen-Orient. Tatỳ aoriana, dia nilaza mazava toy izao Ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 1929 (anglisy), eo amin’ny pejy faha-374: “Ny fironana manontolon’ny Fikambanam-pirenena dia ny hampiala ny olona amin’Andriamanitra sy i Kristy, ka izy io, araka izany, no zavatra mahatonga faharavana novokarin’i Satana, ary zavatra faran’izay maharikoriko eo imason’Andriamanitra.” Niseho àry ilay ‘fahavetavetana’, tamin’ny 1919. Tatỳ aoriana, dia nodimbiasan’ny Firenena Mikambana ny Fikambanam-pirenena. Efa hatramin’ny ela no nampihariharian’ny Vavolombelon’i Jehovah fa fahavetavetana eo imason’Andriamanitra ireo fikambanana naorin’olombelona mba hiantohana ny fandriampahalemana ireo.
9, 10. Tamin’ny ahoana ny fomba nandraisantsika taloha ny fahoriana lehibe no nanan-kery teo amin’ny fomba fijerintsika ny fotoana hitsanganan’ilay ‘fahavetavetana’ ao amin’ny fitoerana masina?
9 Ilay lahatsoratra teo aloha dia namintina fomba fijery mazava kokoa, mahakasika ny ampahany betsaka amin’ny Matio toko faha-24 sy 25. Mety ve ny hitondrana fanazavana misimisy kokoa mahakasika ilay ‘fahavetavetan’ny fandravana izay mitsangana ao amin’ny fitoerana masina’? Miharihary fa izany tokoa. Ilay faminanian’i Jesosy dia mampifandray akaiky ilay ‘fitsanganana ao amin’ny fitoerana masina’ sy ny fipoahan’ilay “fahoriana” nambara mialoha. Noho izany, na dia efa nisy hatramin’ny ela aza ilay ‘fahavetavetana’, dia tokony hisy akony eo amin’ny fomba fihevitsika ilay fifandraisana misy eo amin’ny ‘fitsanganan’izy io ao amin’ny fitoerana masina’ sy ilay fahoriana lehibe. Ahoana izany?
10 Taloha, dia nino ny vahoakan’Andriamanitra fa nanomboka tamin’ny 1914 ny ambaratonga voalohany amin’ny fahoriana lehibe, ary eo amin’ilay adin’ny Haramagedona kosa no ho tonga ny tapany farany. (Apokalypsy 16:14, 16; ampitahao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 1939 [anglisy], pejy faha-110.) Takatsika àry ny antony nahatonga ilay fiheverana taloha hoe tsy maintsy ho taoriana kelin’ny Ady Lehibe Voalohany no nitsanganan’ilay ‘fahavetavetana’ amin’ny andro ankehitriny, tao amin’ny fitoerana masina.
11, 12. Tamin’ny 1969, inona no fanitsiana nomena, mahakasika ny fahoriana lehibe?
11 Tamin’ireo taona tatỳ aoriana kokoa anefa, dia nanjary hafa ny fomba fijerintsika. Tamin’ny alakamisy 10 Jolay 1969, dia nanao lahateny iray nampientanentana fatratra i F. W. Franz, prezidà lefitry ny Watch Tower Bible and Tract Society tamin’izany, tao amin’ny Fivoriambe Niraisam-pirenena “Fiadanana Ambonin’ny Tany”, natao tany New York. Hoy ny Rahalahy Franz, rehefa nanao jery todika ny hoe ahoana taloha no nandraisana ny hevitr’ilay faminanian’i Jesosy: “Nomena ilay fanazavana hoe efa nanomboka tamin’ny 1914 am.f.i. ny ‘fahoriana lehibe’ ary tsy navela hizotra hatramin’ny farany izy io tamin’izay fa natsahatr’Andriamanitra ny Ady Lehibe Voalohany, tamin’ny Novambra 1918. Nanomboka tamin’io fotoana io, dia navelan’Andriamanitra hisy elanelam-potoana hanaovana ilay asan’ny sisa voahosony voaforon’ireo Kristianina voafidy, alohan’ny hamelany ny tapany farany amin’ny ‘fahoriana lehibe’ mba hitohy indray ao amin’ilay adin’ny Haramagedona.”
12 Natolotra, avy eo, izao fanazavana nanomezana fanitsiana lehibe izao: “Mba hifanitsiany amin’ireo fisehoan-javatra tamin’ny taonjato voalohany, (...) dia tsy nanomboka tamin’ny 1914 am.f.i. ilay ‘fahoriana lehibe’ nasehon’ny tandindona. Izay nitranga tamin’ilay manana an’i Jerosalema ho tandindona amin’izao andro maoderina izao kosa, izany hoe izay nitranga taminy tamin’ny 1914-1918, dia vao ‘fiandohan’ny fahoriana’ fotsiny (...) Mbola ho avy ilay ‘fahoriana lehibe’ tsy hisy toa azy intsony, satria izy io dia midika ho fandringanana ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso (anisan’izany ny Tontolo Lazaina fa Kristianina), izay harahin’ilay ‘adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha’ ao Haramagedona.” Nidika izany fa mbola ho avy ilay fahoriana lehibe manontolo.
13. Nahoana no lôjika ny hilazana fa mbola amin’ny hoavy vao ‘hitsangana ao amin’ny fitoerana masina ilay fahavetavetana’?
13 Misy akony mivantana eo amin’ny famaritana ny fotoana hitsanganan’ilay ‘fahavetavetana’ ao amin’ny fitoerana masina izany. Tsarovy izay nitranga tamin’ny taonjato voalohany. Nanafika an’i Jerosalema ny Romanina tamin’ny 66 am.f.i., nefa niala tampoka izy ireo, ka nahafahan’ny “nofo” kristianina nahazo famonjena izany. (Matio 24:22). Araka izany, dia ampoizintsika fa hanomboka tsy ho ela ny fahoriana lehibe. Hohafohezina anefa izy io noho ny olom-boafidin’Andriamanitra. Mariho ity hevi-dehibe ity: Tamin’ilay tandindona tamin’ny andro fahiny, dia nifandray tamin’ilay fanafihan’ny Romanina, teo ambany fitarihan’ny Jeneraly Gallus tamin’ny 66 am.f.i., ilay ‘fahavetavetan’ny fandravana izay nitsangana tao amin’ny fitoerana masina’. Mbola ho avy ilay mifanitsy amin’izany amin’izao andro maoderina izao, dia ny fipoahan’ny fahoriana lehibe. Koa miharihary àry fa mbola amin’ny hoavy vao hitsangana ao amin’ny fitoerana masina, ilay “fahavetavetan’ny fandravana”.b Ahoana no hitrangan’izany? Ary amin’ny ahoana izany no mety hahakasika antsika?
Fanafihana ho avy
14, 15. Ahoana no anampian’ny Apokalypsy toko faha-17 antsika mba hahafantarantsika ireo fisehoan-javatra hitarika ho amin’ny Haramagedona?
14 Milazalaza ny amin’ny fanafihana iray ho avy izay handrava ny fivavahan-diso, ny bokin’ny Apokalypsy. Ny toko faha-17 dia manoritra ny didim-pitsaran’Andriamanitra manameloka an’i “Babylona Lehibe, renin’ny mpijangajanga”, izay tsy inona akory fa ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Manana anjara toerana lehibe ao anatin’izy io ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina, izay milaza tena ho vita fanekena amin’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny Jeremia 7:4.) Efa hatramin’ny ela no nanana fifandraisana tsy ara-dalàna tamin’ny “mpanjakan’ny tany” ny fivavahan-diso, anisan’izany ny Tontolo Lazaina fa Kristianina. Hiafara amin’ny fandravana ireo fivavahana ireo anefa izany. (Apokalypsy 17:2, 5). Fandravana ataon’iza?
15 Ny Apokalypsy dia milazalaza ny amin’ny “bibi-dia mivolon-jaky” iray izay misy mandritra ny fotoana kelikely, dia manjavona, ary avy eo dia miverina indray. (Apokalypsy 17:3, 8). Tohanan’ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao io bibidia io. Ny tsipiriany omena ao amin’ilay faminaniana dia manampy antsika hahafantatra fa fikambanana iray natao hiantoka ny fandriampahalemana io bibidia ara-panoharana io. Niforona tamin’ny 1919 ho Fikambanam-pirenena (‘fahavetavetana’) izy io. Ny Firenena Mikambana izy io ankehitriny. Asehon’ny Apokalypsy 17:16, 17 fa mbola hataon’Andriamanitra ao am-pon’ny sasany amin’ireo olombelona mpitondra, izay mitana toerana ambony ao amin’io “bibi-dia” io, ny handrava ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Io fanafihana io no hanamarika ny fipoahan’ny fahoriana lehibe.
16. Fisehoan-javatra mendri-komarihina inona avy no mitranga, mahakasika ny fivavahana?
16 Koa satria mbola ho avy ny fiandohan’ny fahoriana lehibe, mbola handrasantsika ve izany ilay ‘fitsanganana ao amin’ny fitoerana masina’? Miharihary fa izany tokoa. Na dia efa niseho tany am-piandohan’ity taonjato ity aza ilay ‘fahavetavetana’, ka efa nisy nandritra ny am-polony taona maro, dia haka toerana amin’ny fomba mbola tsy nisy toy izany “ao amin’izay fitoerana masina” izy io, amin’ny hoavy tsy ho ela. Tsy maintsy ho nandinika tsara ireo mpanara-dia an’i Kristy tamin’ny taonjato voalohany mba hahitana izay ho fizotran’ilay ‘fitsanganana ao amin’izay fitoerana masina’. Tsy misy hafa amin’izany koa no ataon’ny Kristianina amin’ny andro ankehitriny. Marina aloha fa tsy maintsy miandry ny tena fahatanterahany isika mba hahalalana ny tsipiriany rehetra. Na izany aza anefa, dia tsara homarihina fa any amin’ny tany sasany, dia efa tsikaritra sahady sy tsy mitsaha-mitombo ny tsy fitiavana fivavahana. Ny ankolafiny ara-politika sasany, izay miray tsikombakomba amin’ireo Kristianina taloha efa niala tamin’ny tena finoana, dia manindrahindra fankahalana ny fivavahana amin’ny ankapobeny, indrindra fa ny Kristianina marina. (Salamo 94:20, 21; 1 Timoty 6:20, 21). Dieny izao àry, dia efa ‘miady amin’ny Zanak’ondry’ ireo hery ara-politika, ary araka ny voalazan’ny Apokalypsy 17:14, dia hihamafy io ady io. Na dia tsy afaka hikasi-tanana ara-bakiteny an’ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra — i Jesosy Kristy nasandratra sy nomem-boninahitra — aza izy ireo, dia hampiseho bebe kokoa ny fanoherany an’ireo mpivavaka marina amin’Andriamanitra, indrindra fa amin’ireo ‘olo-masiny’. (Daniela 7:25; ampitahao amin’ny Romana 8:27; Kolosiana 1:2; Apokalypsy 12:17.) Manana antoka avy amin’Andriamanitra isika fa hahazo ny fandresena ny Zanak’ondry sy ireo miaraka aminy. — Apokalypsy 19:11-21.
17. Na dia tsy afaka mitompo teny fantatra aza isika, inona no azontsika lazaina raha ny amin’ny fomba hitsanganan’ilay ‘fahavetavetana’ ao amin’ny fitoerana masina?
17 Fantatsika fa fandravana no miandry ny fivavahan-diso. I Babylona Lehibe dia “[mamon’ny, NW ] ran’ny olona masina”, ary nitondra tena toy ny mpanjakavavy, nefa azo antoka ny haharava azy. Ilay fitaomana maloto nampiharin’izy io tamin’ireo mpanjakan’ny tany dia hiova tanteraka, satria hivadika io fifandraisana io, ka hanjary hankahala azy sy hampiasa herisetra aminy ireo “tandroka folo sy ny bibi-dia”. (Apokalypsy 17:6, 16; 18:7, 8). Rehefa hanafika an’ilay vehivavy janga ara-pivavahana ilay “bibi-dia mivolon-jaky”, dia hitsangana amin’ny fomba mandrahona ao amin’ilay lazaina ho fitoerana masin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina, ilay ‘fahavetavetana’.c Hanomboka amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina, izay milaza tena ho masina, àry ny fandravana.
‘Fandosirana’ — Amin’ny fomba ahoana?
18, 19. Inona avy ireo antony omena mba hampisehoana fa tsy hidika ho fiovana fivavahana akory ny ‘fandosirana ho any an-tendrombohitra’?
18 Rehefa avy nilaza mialoha ny amin’ny ‘fitsanganan’ilay fahavetavetana ao amin’ny fitoerana masina’ i Jesosy, dia nampitandrina ireo olona mahay manavaka mba hanao zavatra. Te hilaza ve izy fa amin’io fotoana efa diso aoriana io, izay ‘hitsanganan’ilay fahavetavetana ao amin’ny fitoerana masina’, dia hisy olona maro handositra avy ao amin’ny fivavahan-diso ka hiandany amin’ny fivavahana marina? Tsy izany velively. Diniho ny amin’ilay fahatanterahana voalohany. Hoy i Jesosy: “Aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia. Ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina na hiditra haka zavatra ao an-tranony. Ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany. Ary lozan’ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany! Fa mivavaha hianareo mba tsy ho amin’ny ririnina izany.” — Marka 13:14-18, izahay no manao sora-mandry.
19 Tsy nilaza i Jesosy fa ireo tao Jerosalema ihany no nila niala tao, toy ny hoe te hilaza izy fa nila niala tao amin’ny foiben’ny fanompoam-pivavahana jiosy izy ireo. Ilay fampitandremana nomeny dia tsy nanisy firesahana koa ny amin’ny fiovana fivavahana, izany hoe ny fandosirana avy ao amin’ny diso mba hiandaniana amin’ny marina. Azo antoka fa tsy nila fampitandremana mahakasika ny hoe fandosirana avy ao amin’ny fivavahana iray ho ao amin’ny iray hafa ireo mpianatr’i Jesosy; efa tonga Kristianina marina izy ireo. Ary ilay fanafihana tamin’ny 66 am.f.i., dia tsy nanosika ireo mpanaraka ny Jodaisma tao Jerosalema sy nanerana an’i Jodia handao an’io fivavahana io ka hanaiky ny Kristianisma. Nilaza ny Profesora Heinrich Graetz fa niverina tao an-tanàna ireo nanenjika ny Romanina nandositra. Hoy izy: “Ireo Zelôta, izay niredona hiram-pandresena, dia niverina tao Jerosalema (8 Oktobra), niemponempona ny fon’izy ireo noho ny nanantenany tamim-pifaliana fa hahazo fahafahana sy fahaleovan-tena izy ireo. (...) Moa ve Andriamanitra tsy nanampy azy ireo tamim-pamindram-po toy ny nanampiany ny razan’izy ireo? Tsy nanan-tahotra ny hoavy ny fon’ireo Zelôta.”
20. Nanao ahoana ny fihetsik’ireo mpianatra tany am-boalohany, teo anoloan’ilay fampitandreman’i Jesosy ny amin’ny tokony handosirana ho any an-tendrombohitra?
20 Tamin’ny ahoana àry ireo olom-boafidy tamin’izany fotoana izany, izay somary vitsy an’isa, no nanaraka ilay torohevitr’i Jesosy? Rehefa nandao an’i Jodia sy nandositra tany an-tendrombohitra tany ampitan’i Jordana izy ireo, dia nasehony tamin’izany fa tsy anisan’ny fandehan-javatra jiosy ny tenany, na teo amin’ny lafiny ara-politika izany, na ara-pivavahana. Nilaozan’izy ireo ny sahany sy ny tranony, ka tsy nanangona akory ny fananany tao an-tranony aza izy ireo. Natoky ny fiarovan’i Jehovah sy ny fanohanany izy ireo, ka nametraka ny fanompoam-pivavahana taminy ho alohan’ny zavatra hafa rehetra izay nety ho toa zava-dehibe. — Marka 10:29, 30; Lioka 9:57-62.
21. Tsy mila manantena inona isika rehefa hanafika ilay ‘fahavetavetana’?
21 Diniho izao ilay fahatanterahany amin’ny ambaratonga lehibe. Efa hatramin’ny am-polony taona maro isika izao no nampirisika ny olona mba hiala ao amin’ny fivavahan-diso ka hiandany amin’ny fivavahana marina. (Apokalypsy 18:4, 5). Olona an-tapitrisany maro no efa nanao izany. Ilay faminanian’i Jesosy dia tsy milaza fa raha vantany vao hipoaka ny fahoriana lehibe, dia hiova hanaraka ny fanompoam-pivavahana madio ny sarambaben’olona; azo antoka fa tsy nisy fiovam-pinoana faobe teo amin’ny Jiosy, tamin’ny 66 am.f.i. Na izany aza, dia hanana antony lehibe izay handrisika azy hanaraka ilay fampitandreman’i Jesosy ny Kristianina marina ka handositra.
22. Mety hahafaoka inona ny fampiharantsika ilay torohevitr’i Jesosy ny amin’ny tokony handosirana any an-tendrombohitra?
22 Tsy afaka hahazo ny tsipiriany feno momba ny fahoriana lehibe isika amin’izao fotoana izao. Azontsika atao anefa ny manao fanatsoahan-kevitra araka ny lôjika fa ho antsika, dia tsy ho fandosirana ho any amin’ny faritra ara-bakiteny iray akory ilay fandosirana noresahin’i Jesosy. Efa manerana ny tany ny vahoakan’Andriamanitra, saika eran’ny vazan-tany efatra. Azontsika antoka anefa fa rehefa hilaina ny mandositra, dia tsy maintsy hanohy hihazona ny tenany hiavaka tsara amin’ireo fikambanana ara-pivavahan-diso, ny Kristianina. Misy heviny koa ny nanomezan’i Jesosy fampitandremana ny amin’ny tsy tokony handehanana hiverina any an-tranon’ny tena mba haka akanjo na zavatra hafa. (Matio 24:17, 18). Mety hisy fitsapana àry amin’ny hoavy, mahakasika ny fomba fiheverantsika ny zavatra ara-nofo; izy ireny ve no zava-dehibe indrindra, sa kosa mbola zava-dehibe kokoa ilay famonjena ho azon’izay rehetra miandany amin’Andriamanitra? Eny, mety hahafaoka zava-tsarotra sy fihafiana sasany ny fandosirantsika. Tsy maintsy mivonona hanao izay rehetra takin’izany isika, toy ny nataon’ireo mifanitsy amintsika tamin’ny taonjato voalohany, izay nandositra avy tao Jodia ka nankany Pere any andafin’i Jordana.
23, 24. a) Aiza ihany no hahitantsika fiarovana? b) Tokony hisy heriny manao ahoana eo amintsika ny fampitandreman’i Jesosy momba ilay ‘fahavetavetana mitsangana ao amin’ny fitoerana masina’?
23 Tsy maintsy mahazo antoka isika hoe mbola fialofantsika hatrany i Jehovah sy ny fandaminany toy ny tendrombohitra. (2 Samoela 22:2, 3; Salamo 18:2; Daniela 2:35, 44). Ao no hahitantsika fiarovana! Tsy hotahafintsika ny sarambaben’olona izay handositra ao amin’ny “lavaka” sy hiafina ao amin’ny “vatolampy eny an-tendrombohitra”, dia ny fikambanan’olombelona sy zavatra naorin’olombelona izay mety mbola hitoetra mandritra ny fotoana fohy dia fohy aorian’ny handravana an’i Babylona Lehibe. (Apokalypsy 6:15; 18:9-11). Marina fa mety hihasarotra ny andro, toy ny tamin’ny 66 am.f.i., na ho an’ireo vehivavy bevohoka nandositra niala tao Jodia izany, na ho an’izay voatery nandeha tao anatin’ny andro nangatsiaka sy nanorana. Afaka mahazo antoka anefa isika fa hataon’Andriamanitra izay hahatafita velona antsika. Aoka isika dieny izao hanamafy ny fatokisantsika an’i Jehovah sy ny Zanany, izay Mpanjaka ao amin’ilay Fanjakana ankehitriny.
24 Tsy misy antony tokony hiainantsika ao anatin’ny tahotra ny amin’izay hitranga. Tsy nirin’i Jesosy hatahotra ireo mpianany tamin’izany fotoana izany, ary tsy iriny hatahotra koa isika, na ankehitriny izany na amin’ny andro ho avy. Nampiomana antsika izy mba hahafahantsika hanomana ny fontsika sy ny saintsika. Rehefa dinihina tokoa, dia tsy hosazina akory ireo Kristianina mankato, rehefa ho tonga amin’ny fivavahan-diso sy ny sisa amin’ity fandehan-javatra ratsy ity ny fandringanana. Hampiseho fahaiza-manavaka izy ireo ka hanaraka ny fampitandremana momba ilay ‘fahavetavetana mitsangana ao amin’ny fitoerana masina’. Hanao zavatra amim-pahatapahan-kevitra mifanaraka amin’ny finoany tsy azo hozongozonina izy ireo. Enga anie isika ka tsy hanadino na oviana na oviana ny fampanantenan’i Jesosy manao hoe: “Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.” — Marka 13:13.
[Fanamarihana ambany pejy]
a “Narovana sy noheverina ho masina ireo faneva romanina, tao amin’ireo tempoly tao Roma; ary nitombo arakaraka ny fandreseny firenen-kafa ny hasina nomen’io vahoaka io ny fanevany (...) [Tamin’ireo miaramila, dia izy io] angamba no zava-masina indrindra nananan’ny tany. Nianiana tamin’ny fanevany ny miaramila romanina.” — The Encyclopædia Britannica, Fanontana faha-11.
b Tokony homarihina fa na dia afaka manampy antsika hahatakatra ny fomba hahatanterahan’ny tenin’i Jesosy amin’ny fahoriana lehibe aza ny fahatanterahan’ny teniny tamin’ny 66-70 am.f.i., dia tsy hoe mifanitsy tanteraka akory ireo fahatanterahana roa ireo, satria ao anatin’ny tarehin-javatra samy hafa no itrangan’izy ireo.
c Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 1976, pejy faha-389-392.
Tadidinao Ve?
◻ Ahoana no nisehoan’ilay “fahavetavetan’ny fandravana” tamin’ny taonjato voalohany?
◻ Nahoana no ara-dalàna ny hiheverana fa mbola amin’ny hoavy vao hitsangana ao amin’ny fitoerana masina ilay ‘fahavetavetana’ amin’ny andro maoderina?
◻ Inona no fanafihana hataon’ny ‘fahavetavetana’ iray, araka ny anambarana azy mialoha ao amin’ny Apokalypsy?
◻ Karazana ‘fandosirana’ manao ahoana no mbola mety hotakina amintsika?
[Sary, pejy 16]
Antsoina hoe “renin’ny mpijangajanga” i Babylona Lehibe
[Sary, pejy 17]
Ilay bibidia mivolon-jaky voalaza ao amin’ny Apokalypsy toko faha-17 no ilay ‘fahavetavetana’ resahin’i Jesosy
[Sary, pejy 18]
Hitarika fanafihana izay handrava ny fivavahana ilay bibidia mivolon-jaky
-