-
Tsy ho Voavonjy ve ny Olona Raha Tsy Ateraka Indray?Ny Tilikambo Fiambenana—2009 | 1 Aprily
-
-
Tsy ho Voavonjy ve ny Olona Raha Tsy Ateraka Indray?
INONA no havalinao raha misy manontany hoe: “Nateraka indray ve ianao?” Mpivavaka maro eran-tany no hamaly avy hatrany hoe: “Ie!” Mino izy ireo fa ny olona nateraka indray no tena Kristianina, ary izy ireo ihany no ho voavonjy. Mitovy hevitra amin’ilay mpitondra fivavahana atao hoe Robert Sproul izy ireo. Nilaza mantsy izy io fa “tsy Kristianina ny olona iray ... raha tsy ateraka indray.”
Ianao koa ve mihevitra fa tsy ho voavonjy raha tsy ateraka indray? Azo antoka àry fa tianao hampiana ny havanao sy ny namanao mba hateraka indray. Tokony ho azony tsara anefa aloha hoe inona no mampiavaka ny olona nateraka indray. Ahoana àry no hanazavanao aminy ny atao hoe ateraka indray?
Maro no mihevitra fa ny olona “ateraka indray” dia izay olona mivoady fa hanompo an’Andriamanitra sy Kristy, ka velona fa tsy maty ara-panahy intsony. Milaza ny diksionera iray, fa “mazàna [ny olona ateraka indray] no Kristianina nijoro ho vavolombelona fa nanavao na nanamafy ny finoany, indrindra taorian’ny zava-nitranga niavaka teo amin’ny fiainany.”
Gaga ve ianao raha ilazana fa tsy izany no voalazan’ny Baiboly? Tianao ho fantatra ve hoe inona marina no ampianarin’ny Baiboly momba ny fahaterahana indray? Azo antoka fa hahasoa anao ny mandinika tsara izany. Hanova ny fiainanao sy ny fanantenanao mantsy ny fahalalana ny tena atao hoe “ateraka indray.”
Inona no ampianarin’ny Baiboly?
Ao amin’ny Jaona 3:1-12 no ahitana voalohany ny hoe “ateraka indray.” Resadresaka mahaliana nifanaovan’i Jesosy sy ny mpitondra fivavahana iray tany Jerosalema no tantaraina ao. Ho hitanao eo amin’ilay efajoro ao ambadika ilay izy manontolo. Manasa anao izahay hamaky azy io tsara.
Misy lafin-javatra maromaro momba ny fahaterahana indray asongadin’i Jesosy ao.a Manampy antsika hamaly an’ireto fanontaniana lehibe dimy ireto ny tenin’i Jesosy:
◼ Zava-dehibe ve ny hoe ateraka indray?
◼ Anjarantsika tsirairay ve ny mifidy ny hateraka indray?
◼ Nahoana no misy olona ateraka indray?
◼ Rahoviana ny olona iray no atao hoe ateraka indray?
◼ Inona no fiovana entin’izany?
Andao hodinihintsika tsirairay ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Avy amin’ny teny grika gennaô ny hoe “ateraka indray.” Misy endriny hafa amin’io teny grika io koa ao amin’ny 1 Petera 1:3, 23. Fahateraham-baovao no ilazan’ny olona sasany azy.
[Efajoro/Sary, pejy 4]
“Tsy Maintsy Hateraka Indray Ianareo”
“Nisy lehilahy iray anisan’ny Fariseo. Nikodemosy no anarany ary mpitondra teo amin’ny Jiosy izy. Tonga tao amin’i Jesosy izy rehefa alina, ka nanao hoe: ‘Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin’Andriamanitra ianao, satria tsy misy mahavita ireny famantarana nataonao ireny raha tsy Andriamanitra no momba azy.’ Dia namaly i Jesosy hoe: ‘Lazaiko aminao marina dia marina tokoa fa tsy afaka mahita ny fanjakan’Andriamanitra ny olona raha tsy ateraka indray.’ Hoy i Nikodemosy: ‘Hataon’ny olona ahoana indray no hateraka rehefa antitra izy? Fa angaha moa izy afaka miditra indray ao an-kibon-dreniny mba hateraka?’ Hoy i Jesosy: ‘Lazaiko aminao marina dia marina tokoa fa tsy afaka miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny olona raha tsy ateraky ny rano sy ny fanahy. Izay nateraky ny nofo dia nofo, ary izay nateraky ny fanahy dia fanahy. Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray ianareo. Mitsoka any amin’izay tiany ny rivotra, ary renao ny feony, saingy tsy fantatrao hoe avy aiza izy, na ho aiza. Dia toy izany koa izay rehetra ateraky ny fanahy.’ Hoy ny navalin’i Nikodemosy: ‘Hatao ahoana no hahatonga izany?’ Hoy i Jesosy: ‘Mpampianatra ny Israely ianao, ka ahoana no tsy ahalalanao izany? Lazaiko aminao marina dia marina tokoa fa izay fantatray no lazainay ary izay efa hitanay no ambaranay, fa ianareo kosa tsy nandray ny fanambaranay. Raha ny zavatra etỳ an-tany aza no nolazaiko taminareo nefa tsy inoanareo, ahoana moa no hinoanareo raha ny zavatra any an-danitra no lazaiko aminareo?’ ”—Jaona 3:1-12.
-
-
Zava-dehibe ve ny hoe Ateraka Indray?Ny Tilikambo Fiambenana—2009 | 1 Aprily
-
-
Zava-dehibe ve ny hoe Ateraka Indray?
NASONGADIN’I Jesosy tao amin’ilay resadresaka nifanaovany tamin’i Nikodemosy, fa tena zava-dehibe ny hoe ateraka indray. Ahoana no nanazavany izany?
Mariho ilay teniny hoe: “Tsy afaka mahita ny fanjakan’Andriamanitra ny olona raha tsy ateraka indray.” (Jaona 3:3) Asehon’ny hoe “tsy afaka” sy “raha tsy” fa tena ilaina ny hateraka indray. Raha misy, ohatra, milaza hoe: “Tsy afaka miaina ianao raha tsy misy rivotra”, dia mazava ny tiany hotenenina fa tena tokony hisy ny rivotra vao afaka miaina ianao. Tena tokony hateraka indray koa àry ny olona vao afaka mahita ny Fanjakan’Andriamanitra.
Mbola nisalasala angamba i Nikodemosy, matoa notsorin’i Jesosy hoe: “Tsy maintsy hateraka indray ianareo.” (Jaona 3:7) Mazava àry ny hevitr’i Jesosy, dia izao izany: Zavatra takina mba ‘hidirana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra’ ny fahaterahana indray.—Jaona 3:5.
Raha tena zava-dehibe toy izany amin’i Jesosy àry ny fahaterahana indray, dia tokony hiezaka ny Kristianina mba hahazo tsara ny tena dikan’izy io. Araka ny hevitrao, anjaran’ny tsirairay ve ny mifidy ny hateraka indray?
[Teny notsongaina, pejy 5]
“Tsy afaka miaina ianao raha tsy misy rivotra”
-
-
Safidin’ny Tsirairay ve ny Hateraka Indray?Ny Tilikambo Fiambenana—2009 | 1 Aprily
-
-
Safidin’ny Tsirairay ve ny Hateraka Indray?
MIANKINA amin’iza no mahatonga ny olona hateraka indray? Misy mpitory teny mampiasa ilay tenin’i Jesosy hoe: “Tsy maintsy hateraka indray ianareo.” (Jaona 3:7) Ataony amin’ny endriny mandidy ilay izy, ka toy ny milaza izy hoe: “Aoka ianareo hateraka indray!” Toa midika izany fa anjaran’ny mpino tsirairay ny mifidy ny hankatò an’i Jesosy sy hiezaka mba hateraka indray. Izany ve anefa no tian’i Jesosy hotenenina tamin’i Nikodemosy?
Raha dinihintsika tsara ny tenin’i Jesosy, dia hitantsika fa tsy nilaza mihitsy izy hoe anjaran’ny tsirairay ny mifidy raha hateraka indray izy, na tsia. Nahoana? Azo adika koa hoe “tokony hateraky ny any ambony”a mantsy ilay teny grika nadika hoe “ateraka indray.” Ny “any ambony”, izany hoe ny any an-danitra, na ‘ny Ray’, no tompon’antoka ny amin’izany. (Jakoba 1:17) Miankina amin’Andriamanitra àry no mahatonga ny olona hateraka indray.—1 Jaona 3:9.
Raha mitadidy an’ilay hoe “hateraky ny any ambony” isika, dia mazava amintsika hoe nahoana no tsy ny olona ihany no mahatonga ny tenany hateraka indray. Eritrereto fotsiny ny nahaterahanao. Ianao ihany ve no nifidy ny hateraka? Mazava ho azy fa tsia! Toy izany koa fa tsy ny tsirairay no mifidy ny hateraka indray. Miankina amin’Andriamanitra, ilay Raintsika any an-danitra, kosa izany. (Jaona 1:13) Marina àry ny tenin’ny apostoly Petera hoe: “Hisaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, satria araka ny haben’ny famindram-pony, dia naterany indray ... isika!”—1 Petera 1:3.
Didy ve ilay izy?
Mety hisy anefa hieritreritra hoe: ‘Raha tsy ny tsirairay no manapa-kevitra ny amin’izany, nahoana i Jesosy no nandidy hoe: “Tsy maintsy hateraka indray ianareo”?’ Mitombina tsara izany fanontaniana izany. Raha didy tokoa mantsy ilay izy, dia toy ny hoe mangataka antsika hanao zavatra tsy azontsika atao i Jesosy. Tsy azo inoana mihitsy anefa izany! Inona àry no dikan’ilay teniny hoe tsy maintsy “hateraka indray” ianareo?
Rehefa dinihina tsara, dia tsy tamin’ny endriny mandidy no nilazana an’ireo teny ireo tamin’ny teny grika tany am-boalohany. Filazana tsotra fotsiny kosa ilay izy. Midika izany fa tsy didy ilay tenin’i Jesosy hoe tsy maintsy “hateraka indray” ianareo. Te hilaza fotsiny izy hoe tena ilaina izany.
Samy hafa tokoa ny mandidy sy ny milaza zavatra tsotra fotsiny. Intỳ misy ohatra manazava izany. Aoka hatao hoe misy sekoly maromaro ao amin’ny tanàna iray, ary natokana ho an’ny teratany vahiny ny sekoly iray. Te hiditra hianatra ao ny ankizilahy iray, nefa tsy teratany vahiny. Rehefa niresaka tamin’ny tale izy, dia namaly izy io hoe: “Tsy maintsy teratany vahiny ianao, vao afaka mianatra ato.” Mazava ho azy fa tsy nandidy an’ilay ankizy mba ho lasa teratany vahiny ilay tale, raha nilaza izany. Nilaza taminy fotsiny izy hoe inona no takina amin’ny olona te hianatra ao amin’ilay sekoly. Toy izany koa ilay tenin’i Jesosy hoe: “Tsy maintsy hateraka indray ianareo.” Nilaza fotsiny izy hoe inona no takina amin’ny olona ‘hiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.’
Misy ifandraisany amin’io Fanjakan’Andriamanitra io ny valin’ny fanontaniana hoe: Nahoana no misy olona ateraka indray? Ho azontsika tsara ny tena atao hoe ateraka indray raha fantatsika izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Io no nandikana ny Jaona 3:3 ao amin’ny Baiboly maromaro. Izao, ohatra, no vakina ao amin’ny Fandikana Ara-bakiteny ny Baiboly (anglisy): “Tsy afaka mahita ny fanjakan’Andriamanitra ny olona, raha tsy ateraky ny any ambony.”
[Sary, pejy 6]
Inona no itovizan’ny fahaterahana indray sy ny fahaterahana ara-bakiteny?
-
-
Nahoana no Misy Olona Ateraka Indray?Ny Tilikambo Fiambenana—2009 | 1 Aprily
-
-
Nahoana no Misy Olona Ateraka Indray?
MARO no mihevitra fa tokony hateraka indray ny olona mba ho voavonjy mandrakizay. Mariho anefa izay nolazain’i Jesosy. Hoy izy: “Tsy afaka mahita ny fanjakan’Andriamanitra ny olona raha tsy ateraka indray.” (Jaona 3:3) Ateraka indray àry ny olona, mba hidirany ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, fa tsy mba hahavoavonjy azy. Mety hisy anefa hilaza hoe: ‘Ka tsy mitovy ihany moa ny hoe miditra ao amin’ilay Fanjakana sy ny hoe voavonjy?’ Tsy izany mihitsy. Andao aloha hodinihintsika ny atao hoe “fanjakan’Andriamanitra”, dia hazava amintsika izany.
Fitondram-panjakana ny hoe fanjakana. “Fitondram-panjakan’Andriamanitra” àry ny hoe “fanjakan’Andriamanitra.” Milaza ny Baiboly fa i Jesosy Kristy, na ny “zanak’olona”, no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary misy olona hafa miara-manjaka aminy. (Daniela 7:1, 13, 14; Matio 26:63, 64) Voalaza ao amin’ny fahitana iray azon’ny apostoly Jaona koa fa ireo mpiara-manjaka amin’i Kristy ireo dia olona nofidina “avy tamin’ny foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra.” “Ho mpanjaka hitondra ny tany” izy ireo. (Apokalypsy 5:9, 10; 20:6) Milaza koa ny Tenin’Andriamanitra fa antsoina hoe “ondry vitsy” ireo ho lasa mpanjaka ireo. Olona 144 000 “novidina avy teto an-tany” izy ireo.—Lioka 12:32; Apokalypsy 14:1, 3.
Aiza ny foiben’ny Fanjakan’Andriamanitra? Antsoina koa hoe “fanjakan’ny lanitra” ny “fanjakan’Andriamanitra.” (Matio 13:11; Lioka 8:10) Midika izany fa avy any an-danitra i Jesosy sy ny mpiara-manjaka aminy no hitondra. Fitondram-panjakana any an-danitra àry ny Fanjakan’Andriamanitra, ary i Jesosy Kristy sy ireo olom-boafidy avy eto an-tany no ho mpitondra.
Inona àry no tian’i Jesosy hotenenina rehefa nilaza izy fa tsy maintsy hateraka indray ny olona, mba ‘hidirana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra’? Izao izany: Tokony hateraka indray ny olona iray mba ho lasa mpanjaka miaraka amin’i Kristy any an-danitra. Raha tsorina àry, dia misy olona vitsivitsy ateraka indray, mba hanomanana azy ho lasa mpanjaka any an-danitra.
Hitantsika hatreto fa tena zava-dehibe ny fahaterahana indray, Andriamanitra no mahatonga azy io, ary mba hanomanana olona ho lasa mpanjaka any an-danitra no antony. Rahoviana anefa ny olona iray no atao hoe ateraka indray?
[Teny notsongaina, pejy 7]
Misy olona vitsivitsy ateraka indray, mba hanomanana azy ho lasa mpanjaka any an-danitra
[Sary, pejy 7]
Jesosy Kristy sy ireo olom-boafidy avy eto an-tany no ho mpitondra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra
-
-
Rahoviana ny Olona Iray no Atao hoe Ateraka Indray?Ny Tilikambo Fiambenana—2009 | 1 Aprily
-
-
Rahoviana ny Olona Iray no Atao hoe Ateraka Indray?
NOHAZAVAIN’I Jesosy tamin’i Nikodemosy koa hoe rahoviana ny olona iray no atao hoe ateraka indray. Hoy izy: “Tsy afaka miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny olona raha tsy ateraky ny rano sy ny fanahy.” (Jaona 3:5) Amin’ny alalan’ny rano sy ny fanahy àry ny olona no ateraka indray. Inona anefa io ‘rano sy fanahy’ io?
Ny dikan’ny hoe ‘rano sy fanahy’
Manam-pahaizana momba ny fivavahana jiosy i Nikodemosy, ka azo antoka fa fantany ny dikan’ny hoe “fanahin’Andriamanitra”, ao amin’ny Soratra Hebreo. Tsy inona izany fa ny hery ampiasain’Andriamanitra, izay afaka manampy ny olona hahavita zava-mahagaga. (Genesisy 41:38; Eksodosy 31:3; 1 Samoela 10:6) Azo inoana àry fa fantany hoe ny fanahy masina no tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe “fanahy.”
Inona kosa ilay hoe “rano”? Diniho ny zava-nitranga taloha kelin’ny niresahan’i Nikodemosy sy Jesosy, sy taoriana kelin’izay. Nanao batisa tamin’ny rano i Jaona Mpanao Batisa sy ny mpianatr’i Jesosy. (Jaona 1:19, 31; 3:22; 4:1-3) Fantatry ny olona tao Jerosalema tsara àry ny batisa amin’ny rano. Koa rehefa niresaka momba ny rano i Jesosy, dia azo antoka fa azon’i Nikodemosy hoe rano amin’ny batisa ilay izy. Araka izany, dia atao batisa amin’ny rano no dikan’ny hoe “ateraky ny rano.”
Batisa “amin’ny fanahy masina”
Inona kosa no dikan’ny hoe ‘ateraky ny fanahy’? Talohan’ny niresahan’i Nikodemosy sy Jesosy, dia efa nilaza i Jaona Mpanao Batisa fa hisy koa ny batisa amin’ny fanahy. Hoy izy: “Izaho nanao batisa anareo tamin’ny rano, fa izy [Jesosy] kosa hanao batisa anareo amin’ny fanahy masina.” (Marka 1:7, 8) I Marka, mpanoratra Filazantsara, no nitantara ny batisa amin’ny fanahy masina voalohany. Hoy izy: “Tamin’izany andro izany dia tonga avy any Nazareta any Galilia i Jesosy ka nataon’i Jaona batisa tao amin’ny Reniranon’i Jordana. Raha vao niakatra avy tao anaty rano i Jesosy, dia hitany ny lanitra nisokatra sy ny fanahy masina nidina toy ny voromailala nankeo amboniny.” (Marka 1:9, 10) Natao batisa tamin’ny rano i Jesosy, rehefa naroboka tao amin’ny Reniranon’i Jordana. Natao batisa tamin’ny fanahy masina koa izy tamin’io fotoana io, rehefa nahazo ny fanahy avy tany an-danitra.
Telo taona taorian’izay, dia hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: ‘Hatao batisa amin’ny fanahy ianareo, rehefa afaka andro vitsivitsy.’ (Asan’ny Apostoly 1:5) Oviana izany no tanteraka?
Tamin’ny Pentekosta taona 33, rehefa nivory tany Jerosalema ny mpianatr’i Jesosy 120 teo ho eo. Tamin’izay, dia “nisy feo mafy tonga tampoka avy tany an-danitra toy ny rivotra mahery nifofofofo, ka nanenika ilay trano nipetrahan’izy ireo. Ary nisy lela maro toy ny afo niseho tamin’izy ireo ... Ary samy feno fanahy masina izy rehetra.” (Asan’ny Apostoly 2:1-4) Nampirisihin’ny apostoly Petera koa ny olon-kafa tao Jerosalema tamin’io andro io, mba hatao batisa anaty rano. Hoy izy: “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ianareo tsirairay, mba hahazoanareo famelan-keloka. Ary hahazo ilay fanomezana maimaim-poana ianareo, dia ny fanahy masina.” Inona no vokatr’izany? “Natao batisa izay olona nandray tsara ny tenin’i Petera, ka niampy olona tokony ho telo arivo ny isan’izy ireo tamin’iny andro iny.”—Asan’ny Apostoly 2:38, 41.
Atao batisa karazany roa
Hitantsika amin’izany fa tsy maintsy atao batisa karazany roa ny olona iray, vao azo atao hoe nateraka indray. Mariho fa natao batisa tamin’ny rano aloha i Jesosy, ary avy eo nahazo ny fanahy masina. Toy izany koa ny mpianany voalohany. Natao batisa tao anaty rano aloha izy ireo (i Jaona Mpanao Batisa no nanao batisa ny sasany), ary avy eo nahazo ny fanahy masina. (Jaona 1:26-36) Mbola toy izany ihany no nitranga tamin’ireo mpianatra vaovao 3 000.
Ary ahoana ny amin’izao andro izao? Rahoviana ny olona iray no atao hoe nateraka indray? Tokony hitovy amin’izay nitranga tamin’ny apostolin’i Jesosy sy ny mpianany voalohany ihany. Voalohany, mila mibebaka ilay olona, miala amin’ny ratsy nataony, manokana ny fiainany ho an’i Jehovah mba hanompoana azy, ary atao batisa anaty rano mba hampisehoana an’izany. Faharoa, ho voahosotry ny fanahy masina izy raha mifidy azy ho anisan’ny mpitondra ao amin’ny Fanjakany Andriamanitra. Miankina amin’ny sitrapon’ilay olona àry ilay voalohany, dia ny batisa amin’ny rano. Miankina amin’Andriamanitra kosa ilay faharoa, dia ny batisa amin’ny fanahy. Nateraka indray ny olona iray, rehefa vita an’ireo batisa roa ireo.
Nahoana anefa i Jesosy no nampiasa ilay teny hoe ‘ateraka’, rehefa niresaka tamin’i Nikodemosy? Mba hanasongadinana ny fiovana lehibe hitranga amin’ny olona vita batisa amin’ny rano sy ny fanahy. Hohazavain’ny lahatsoratra manaraka izany.
[Sary, pejy 9]
Nataon’i Jaona batisa tamin’ny rano ireo Israelita nibebaka
-
-
Inona no Fiovana Vokatry ny hoe Ateraka Indray?Ny Tilikambo Fiambenana—2009 | 1 Aprily
-
-
Inona no Fiovana Vokatry ny hoe Ateraka Indray?
NAHOANA i Jesosy no nampiasa ilay teny hoe ‘ateraky ny fanahy’ rehefa niresaka momba ny batisa amin’ny fanahy masina? (Jaona 3:5) Fiandohan’ny fiainan’ny olona iray ny fahaterahany. Noho izany, dia milaza fiandohana vaovao ny hoe ateraka indray. Asongadin’ilay teny hoe ‘teraka’ àry, fa misy fiandohana vaovao eo amin’ny fifandraisan’ilay olona amin’Andriamanitra, rehefa vita batisa amin’ny fanahy masina izy. Ahoana no mahatonga izany fiovana lehibe izany?
Misy zavatra ataon’Andriamanitra mba hanomanana an’ireo olona ho mpanjaka any an-danitra. Nampiasa ny zava-mitranga ao amin’ny fianakaviana sasany ny apostoly Paoly mba hanazavana izany. Nilaza tamin’ny Kristianina tamin’ny androny izy fa ‘hanangana azy ireo ho zanaka’ Andriamanitra, ka hitondra azy “toy ny zanaka.” (Galatianina 4:5; Hebreo 12:7) Ho azontsika tsara ny fiovana mitranga amin’ny olona atao batisa amin’ny fanahy masina, rehefa eritreretintsika izay mitranga rehefa misy manangan-janaka. Aleo hiverenantsika kely ilay ohatra tany aloha.
Fiovana vokatry ny fananganan-janaka
Tsy afaka niditra nianatra tao amin’ilay sekoly ilay ankizilahy, satria tsy teratany vahiny. Eritrereto anefa hoe nanangana azy ho zanany ny lehilahy iray vahiny tatỳ aoriana. Nisy fiovana lehibe nitranga vokatr’izany. Lasa mitovy zo amin’ny zanaky ny vahiny izy, satria teratany vahiny no nanangana azy. Manan-jo hiditra hianatra ao amin’ilay sekoly koa àry izy. Miova tanteraka ny zavatra azony atao, noho izy nisy nanangana.
Toy izany no mitranga amin’ireo ateraka indray, saingy mbola lehibe kokoa aza ny vokatr’ilay fiovana. Inona no itovizan’ireo toe-javatra roa ireo? Ho voaray ao amin’ilay sekoly ilay ankizilahy, raha mahafeno fepetra, izany hoe teratany vahiny. Tsy teratany vahiny anefa izy, ary tsy afaka hanova an’izany raha izy samirery. Toy izany koa ny amin’ireo olona sasany ho mpitondra any an-danitra. Tsy ho voaray ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo, raha tsy mahafeno fepetra, izany hoe “ateraka indray.” Tsy vitan’izy ireo samirery anefa izany, satria miankina amin’Andriamanitra no mahatonga ny olona hateraka indray.
Ary ahoana no nampiova ny toe-javatra nisy an’ilay ankizilahy? Nisy vahiny nanangana azy. Tsy hoe lasa vahiny tampoka teo anefa ilay ankizy. Mbola ilay ankizilahy teo ihany izy, saingy nisy zavatra niova. Lasa manana zon’ny teratany vahiny izy. Toy ny hoe naterak’ilay vahiny indray àry izy, izany hoe nisy fiandohana vaovao teo amin’ny fiainany. Lasa zanak’ilay vahiny mantsy izy, ka lasa anisan’ny fianakavian’izy io, ary manana zo hiditra hianatra ao amin’ilay sekoly.
Mitovitovy amin’izany no mitranga amin’ireo ho mpitondra any an-danitra. Atsangan’i Jehovah ho zanany ireo olona tsy lavorary ireo. Anisan’izy ireny ny apostoly Paoly. Hoy izy tamin’ny mpiray finoana taminy: ‘Mahatonga anareo hatsangana ho zanaka ny fanahin’Andriamanitra. Ary io fanahy io no mahatonga antsika hiantso mafy hoe: “Aba, Ray ô!” Ny fanahin’Andriamanitra sy ny saintsika dia miara-manaporofo fa zanak’Andriamanitra isika.’ (Romanina 8:15, 16) Lasa anisan’ny fianakavian’Andriamanitra, na lasa ‘zanany’ àry ireo Kristianina ireo, rehefa natsangany ho zanany.—1 Jaona 3:1; 2 Korintianina 6:18.
Tsy hoe niova tampoka ho olona lavorary akory izy ireo. Mbola tsy lavorary ihany izy. (1 Jaona 1:8) Na izany aza, dia misy fiovana mitranga, araka ny nohazavain’i Paoly tetsy aloha. Lasa zanak’Andriamanitra mantsy izy ireo, rehefa natsangany ho zanany. Nanome antoka azy ireo koa ny fanahin’Andriamanitra, fa hiaraka amin’i Kristy any an-danitra izy ireo. (1 Jaona 3:2) Noho izany, dia lasa hafa tanteraka ny fiheveran’izy ireo ny fiainana. (2 Korintianina 1:21, 22) Nisy fiandohana vaovao teo amin’ny fiainany, ka toy ny hoe nateraka indray izy ireo.
Hoy ny Baiboly momba ny olona atsangan’Andriamanitra ho zanany: “Ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo, ka hiara-manjaka aminy mandritra ny arivo taona.” (Apokalypsy 20:6) Ho mpitondra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, miaraka amin’i Kristy, izy ireo. Nilaza tamin’ny mpiray finoana taminy ny apostoly Petera, fa hahazo “lova tsy mety simba sy tsy misy loto ary maharitra” izy ireo, ary “voatahiry any an-danitra” izany. (1 Petera 1:3, 4) Lova sarobidy tokoa izany!
Koa satria ho mpanjaka any an-danitra ireo olona nateraka indray, iza no vahoaka hanjakany? Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.
[Sary, pejy 10]
Ahoana hoy i Paoly momba ny fananganan-janaka?
-