-
Fanomanana Lahateny ho An’ny BesinimaroMandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
-
-
Fanomanana Lahateny ho An’ny Besinimaro
ISAN-KERINANDRO, ny ankamaroan’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia mandamina lahateny ho an’ny besinimaro momba ny foto-kevitra ara-baiboly iray. Raha anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana ianao, moa ve ny olona mahita anao ho mpandahateny mahay, izany hoe mpampianatra? Raha eny, dia mety hasaina hanao lahateny ho an’ny besinimaro ianao. Nanampy rahalahy an’aliny maro handroso ka hahazo io tombontsoam-panompoana io ny Sekolin’ny Fanompoana. Rehefa tendrena hanao lahateny ho an’ny besinimaro ianao, aiza no tokony hanombohanao?
Fakafakao tsara ilay drafitra
Alohan’ny hanaovanao fikarohana, dia vakio aloha ilay drafitra ary saintsaino mandra-pahazonao ny heviny. Tadidio ao an-tsaina ny loha hevitra raketin’ny lohatenin’ilay lahateny. Inona ilay zavatra tokony hampianarinao ny mpihaino anao? Inona no zava-kendrenao?
Fantaro tsara ireo lohatenikely. Ireo no hevi-dehibe amin’ny lahateninao. Fakafakao tsara izy ireo. Ahoana no ifandraisan’ny tsirairay aminy amin’ilay loha hevitra? Misy zana-kevitra eo ambanin’ny hevi-dehibe tsirairay. Voatanisa eo ambanin’ny zana-kevitra tsirairay ny hevitra manohana azy. Jereo ireo fizarana ao amin’ilay drafitra. Diniho ny fomba iankinan’ny tsirairay aminy amin’ilay eo alohany, sy itarihany ho amin’ilay manaraka ary anatratrarany ny zava-kendren’ilay lahateny. Raha vao takatrao ilay loha hevitra, sy ny zava-kendren’ilay lahateny ary ny fomba ifandraisan’ireo hevi-dehibe amin’io zava-kendrena io, dia vonona hamelabelatra ireo hevitra amin’izay ianao.
Amin’ny voalohany, dia mety hanampy anao ny mizara ny lahateninao ho lahateny kely efatra na dimy, izay misy hevi-dehibe iray avy. Omano tsirairay izy ireo.
Fitaovana fanaovana fanomanana fotsiny ny drafitra omena ny mpandahateny. Tsy izy io akory no soratra hovakinao eny amin’ny lampihazo. Rafitra ihany izy io, toy ny karana iray: tsy maintsy rakofanao nofo sy asianao fo ary omenao aina.
Fampiasana andinin-teny
Nanorina ny fampianarany tamin’ny Soratra Masina i Jesosy Kristy sy ny mpianany. (Lioka 4:16-21; 24:27; Asa. 17:2, 3) Afaka manao izany koa ianao. Ny Soratra Masina no tokony hiorenan’ny lahateninao. Aza manazava sy mampihatra fotsiny ireo fehezanteny ao amin’ilay drafitra, fa fantaro tsara kosa ny antony ara-baiboly ilazana azy ireny. Avy eo dia ampiasao ny Soratra Masina mba hampianarana.
Jereo ny andinin-teny tsirairay voatonona ao amin’ilay drafitra, rehefa manomana lahateny. Mariho ny teny manodidina azy. Mety ho ny toe-javatra nanoratana azy fotsiny no omen’ny andinin-teny sasany. Tsy izy rehetra àry no ilaina hovakina na hohazavaina mandritra ny lahateninao. Fanteno izay tsara indrindra ho an’ny mpihaino. Raha ireo andinin-teny voatonona ao amin’ilay drafitra no ifantohanao, dia mety tsy hila ny hampiasa andinin-teny fanampiny ianao.
Tsy miankina amin’ny habetsahan’ny andinin-teny ampiasaina akory ny fahombiazan’ny lahateninao, fa amin’ny hatsaran’ny fampianaranao. Rehefa hamaky andinin-teny iray ianao, dia asehoy ny antony ampiasanao azy. Makà fotoana hanaovana fampiharana azy. Rehefa avy mamaky andinin-teny iray ianao, dia hazòny hisokatra ny Baibolinao, eo am-panazavanao azy. Hanao izany koa ny mpihaino anao. Maniry hanaitra ny fahalianan’ny mpihaino anao, sy hanampy azy handray soa bebe kokoa avy amin’ny Tenin’Andriamanitra ve ianao? (Neh. 8:8, 12) Afaka manao izany ianao amin’ny alalan’ny fanazavana sy ny fanoharana ary ny fampiharana.
Fanazavana. Manontania tena toy izao, rehefa manomana ny fanazavana andinin-teny fototra: ‘Inona no tian’izy ity holazaina? Nahoana aho no mampiasa azy ity ao amin’ny lahateniko? Inona no mety hanitikitika ny sain’ny mpihaino amin’ity andinin-teny ity?’ Mety hila ny hamakafaka ny teny manodidina azy io ianao, ny zava-nitranga ara-tantara, ny toe-javatra nanoratana azy, ny herin’ireo teny ao anatiny, ny zava-nokendren’ilay mpanoratra nahazo tsindrimandry. Manaova àry fikarohana. Hahita fanazavana tsara be dia be ianao ao amin’ireo boky omen’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina.” (Matio 24:45-47) Aza mitady hanazava ny zavatra rehetra momba ilay andinin-teny, fa hazavao kosa ny antony nangatahanao ny mpihaino hamaky azy, sy ny ifandraisany amin’ilay hevitra resahina.
Fanoharana. Ampiasaina ny fanoharana mba hitarihana ny mpihaino hahazo hevitra lalina kokoa, na hanampiana azy hitadidy hevitra na toro lalana iray noresahinao. Ny fanoharana dia manampy ny olona hahazo izay lazainao sy hampifandray azy io amin’ny zavatra efa fantany. Izany no nataon’i Jesosy tao amin’ilay Toriteniny malaza teo An-tendrombohitra. Ny hoe “voro-manidina”, “vonin-kazo any an-tsaha”, ‘lalana tery’, ‘trano eo ambonin’ny vatolampy’, sy ny teny maro toy izany dia nahatonga ny fampianarany hanan-kery sy hazava ary tsy ho hay hadinoina.—Matio toko 5–7.
Fampiharana. Mampita fahalalana ny fanazavana andinin-teny iray sy ny fampiasana fanoharana, fa ny fampiharana izany fahalalana izany kosa no mitondra vokatra. Marina fa andraikitr’ireo mihaino anao ny manao zavatra mifanaraka amin’ny hafatry ny Baiboly, nefa afaka manampy azy ireo hahita ilay fampiharana hilainy hatao ianao. Ataovy azo antoka fa azon’ny mpihaino ny tian’ilay andinin-teny holazaina sy ny ifandraisan’ilay izy amin’ny hevitra tianao hampitaina. Avy eo, dia makà fotoana ampy tsara hampisehoana amin’izy ireo ny tokony ho vokatr’ilay andinin-teny eo amin’ny zavatra inoany sy ny fitondran-tenany. Asongadino ireo soa azo, rehefa ialana ny hevi-diso na ny fitondran-tena tsy mifanaraka amin’ilay fahamarinana hazavainao.
Tadidio rehefa mieritreritra ny fomba hampiharana andinin-teny ianao, fa avy amin’ny fiaviana maro sy misetra toe-javatra maro samihafa, ny mpihaino anao. Mety hisy vaovao, tanora, be taona, ary koa olona miady amin’ny zava-manahirana maro samihafa, ao. Ataovy ho azo ampiharina sy mifandray amin’ny zavatra tena misy ny lahateninao. Aza manome torohevitra mahatonga hihevitra fa olona sasantsasany fotsiny no kendrenao.
Ny fanapahan-kevitra horaisin’ny mpandahateny
Efa vita mialoha ny fanapahan-kevitra sasany momba ny lahateninao. Efa aseho mazava tsara ny hevi-dehibe ary efa voatondro ny fotoana tokony hanazavanao ny hevi-dehibe tsirairay. Misy fanapahan-kevitra hafa tokony horaisin’ny tenanao anefa. Mety ho tianao ny handany fotoana bebe kokoa amin’ny zana-kevitra sasany, fa fotoana kely kokoa kosa amin’ny hafa. Aza mieritreritra hoe tsy maintsy antitranterina daholo ny zana-kevitra rehetra. Mety hahatonga anao hiteny haingana be izany, ka tsy ho araky ny mpihaino anao. Ahoana àry no hamantaranao izay hovelabelarina misimisy kokoa, sy izay holazaina vetivety fotsiny, na hoe homarihina kely fotsiny? Manontania tena hoe: ‘Hevitra iza avy no hanampy ahy hampita tsara ny foto-kevitr’ilay lahateny? Hevitra iza avy no tena hanampy ny mpihaino ahy? Hihena ve ny herin’ilay fanaporofoan-kevitra aroso, raha tsy ampiasaiko ny andinin-teny voatonona sy ilay hevitra mifandray aminy?’
Mitandrema mafy tsy hampiditra tombantombana na fomba fihevitra manokana. Na i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, aza dia nilaza hoe: “Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko.” (Jaona 14:10) Mariho fa matoa tonga amin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona, dia mba handre fanazavana momba ny Baiboly. Raha manjary fantatra ho mpandahateny mahay ianao, dia satria ataonao ho fahazarana ny misarika ny sain’ny hafa, tsy ho amin’ny tenanao, fa ho amin’ny Tenin’Andriamanitra. Noho izany no ankasitrahana ireo lahateninao.—Fil. 1:10, 11.
Efa rakotra fanazavana misy ventiny momba ny Soratra Masina izao ilay drafitra toy ny karana maina teo. Mila manao famerenana ny lahateninao amin’izay ianao. Tena manampy ny fanaovana izany amin’ny feo avo. Ny hampazava tsara ao an-tsainao ny hevitra rehetra no zava-dehibe. Tokony hahay hanao ny lahateninao amin’ny fonao rehetra ianao, sy hampiseho ireo fanazavana amin’ny fomba velombelona, ary hanazava ny fahamarinana amin-kafanam-po. Alohan’ny hanaovanao ilay lahateninao, dia manontania tena hoe: ‘Inona no antenaiko hotanterahina? Misongadina tsara ve ireo hevi-dehibe? Tena nataoko niorina tamin’ny Soratra Masina tokoa ve ny lahateniko? Moa ve ny hevi-dehibe tsirairay mitarika mora foana ho amin’ilay manaraka? Manosika ny mpihaino hankasitraka an’i Jehovah sy ireo fanomezana nataony ve ilay lahateny? Moa ve ny teny famaranana mifandray mivantana amin’ilay loha hevitra, sy mampiseho amin’ny mpihaino izay tokony hataony, ary manosika azy hampihatra izay reny?’ Raha eny ny valin-teninao amin’ireo fanontaniana ireo, dia tena manao soa amin’ny alalan’ny fahalalana ianao. Hahasoa ireo mpiara-manompo aminao izany, ary ho fiderana an’i Jehovah!—Ohab. 15:2.
-
-
Hatsarao ny Fahaizanao MampianatraMandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
-
-
Hatsarao ny Fahaizanao Mampianatra
INONA no tanjonao, rehefa mampianatra? Raha vao haingana ianao no tonga mpitory dia azo antoka fa maniry hianatra ny fomba itarihana fampianarana Baiboly, satria asain’i Jesosy manao mpianatra ny mpanara-dia azy. (Matio 28:19, 20) Raha efa zatra manao io asa io kosa ianao, dia angamba ny hahay hanohina kokoa ny fon’ireo tadiavinao hampiana no tanjonao. Raha ray na reny ianao, dia maniry ny hahay handrisika ny zanakao hanolotra ny fiainany ho an’Andriamanitra. (3 Jaona 4) Raha anti-panahy ianao, na miezaka ho tonga anti-panahy, angamba ianao maniry ny ho mpandahateny mahay manampy ny mpihaino anao hanana fankasitrahana lalina kokoa an’i Jehovah sy ny lalany. Ahoana no ahafahanareo mahatratra ireo tanjona ireo?
Makà lesona avy amin’i Jesosy Kristy, ilay Mpampianatra Faran’izay Mahay. (Lioka 6:40) Na niteny tamin’ny vahoaka teny an-tendrombohitra i Jesosy, na tamin’olona vitsivitsy monja teny an-dalana, dia namela soritra naharitra izay nolazainy sy ny fomba nilazany azy. Nandrisika ny saina sy ny fon’ireo nihaino azy i Jesosy, ary nanao fampiharana mora takatr’izy ireo. Afaka manao izany koa ve ianao?
Miantehera amin’i Jehovah
Ny fifandraisany akaiky tamin’ilay Rainy any an-danitra sy ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra no nanatsara ny fahaizan’i Jesosy nampianatra. Mivavaka mafy amin’i Jehovah ve ianao mba hitarihana fampianarana Baiboly mandaitra? Raha ray na reny ianao, mivavaka tsy tapaka ve ianao mba hahazoana ny fitarihan’Andriamanitra eo amin’ny fampianarana ny zanakao? Manolotra vavaka avy amin’ny fo ve ianao, rehefa miomana hanao lahateny na hitarika fivoriana? Hanampy anao ho tonga mpampianatra mahay kokoa ny fianteherana amim-bavaka amin’i Jehovah toy izany.
Hita koa fa miankina amin’i Jehovah ianao, raha miantehitra amin’ny Teniny, ny Baiboly. Hoy i Jesosy, tao amin’ny vavaka iray nataony tamin’ilay hariva farany niainany teto an-tany: “Efa nomeko azy ny teninao.” (Jaona 17:14) Tsy niteny araka ny fiheviny manokana mihitsy i Jesosy, na dia nahay zavatra be dia be aza. Nilaza izay nampianarin’ny Rainy azy foana izy, ka namela ohatra harahintsika. (Jaona 12:49, 50) Ny tenin’Andriamanitra voarakitra ao amin’ny Baiboly dia manan-kery eo amin’ny olona—eo amin’ny zavatra ataony, sy ny eritreriny lalina indrindra, ary ny fihetseham-pony. (Heb. 4:12) Rehefa mitombo ny fahalalanao ny Tenin’Andriamanitra, ka mianatra hampiasa azy io tsara eo amin’ny fanompoana ianao, dia hanana ilay fahaiza-mampianatra izay misarika ny olona ho amin’Andriamanitra.—2 Tim. 3:16, 17.
Manomeza voninahitra an’i Jehovah
Ny hoe manahaka an’i Kristy eo amin’ny fomba fampianatra akory tsy midika hoe mahay manao lahateny mahaliana fotsiny. Marina fa talanjona noho “ny tenin’ny fahasoavana” nolazain’i Jesosy ny olona. (Lioka 4:22) Inona anefa no zava-nokendren’i Jesosy, tamin’ny fitenenana tsara toy izany? Ny hanome voninahitra an’i Jehovah, fa tsy ny hisarika ny saina ho amin’ny tenany akory. (Jaona 7:16-18) Ary nampirisika ny mpanara-dia azy toy izao izy: “Aoka hazava eo imason’ny olona . . . ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.” (Matio 5:16) Tokony hanan-kery eo amin’ny fomba fampianatsika io torohevitra io. Aza mamela na inona na inona hampiala ny saina amin’io zava-kendrena io. Koa rehefa manomana izay holazaintsika na ny fomba hilazantsika azy àry isika, dia tsara ny hanontaniantsika tena hoe: ‘Moa ve ity hampitombo ny fankasitrahan’ny olona an’i Jehovah, sa hisarika ny saina ho amin’ny tenako?’
Ohatra, azo atao tsara ny mampiasa fanoharana sy ohatra tena nisy mba hampianarana. Mety ho very anefa ilay hevitra tiana hampianarina rehefa lava loatra ilay fanoharana, na tantaraina amin’ny tsipiriany rehetra ilay tantara. Toy izany koa fa mampiala ny saina amin’ny zava-kendren’ny fanompoantsika ny fitantarana zavatra mba hampifaliana ny olona fotsiny. Misarika ny saina ho amin’ny tenany ilay mpampianatra amin’izay, fa tsy mahatratra ilay tena zava-kendren’ny fampianaran’Andriamanitra noresahintsika teo am-piandohana.
“Mahaiza manavaka”
Mba hahatonga ny olona iray ho tena mpianatra tokoa, dia tsy maintsy mahatakatra mazava tsara izay ampianarina azy izy. Tsy maintsy mandre ny fahamarinana sy mahita ny fahasamihafany amin’ny finoana hafa izy. Hanampy amin’izany ny fampifanoheran-javatra.
Nampirisika ny vahoakany imbetsaka mba ‘hahay hanavaka’ ny madio sy ny tsy madio i Jehovah. (Lev. 10:9-11) Nilaza izy fa hampianatra ny olona “ny tsi-fitovian’ny masina sy ny tsy masina” ireo izay hanompo ao amin’ny tempoliny ara-panahy lehibe. (Ezek. 44:23) Ny bokin’ny Ohabolana dia feno teny mampifanohitra ny fahamarinana sy ny faharatsiana, ny fahendrena sy ny hadalana. Na ny zavatra roa tsy mifanohitra aza dia azo avahana. Ny apostoly Paoly, ohatra, dia nampifanohitra ny olona marina tamin’ny olona nanao ny soa, ao amin’ny Romana 5:7. Nasehony ao amin’ny bokin’ny Hebreo, fa ambony noho ilay nataon’i Arona ny fanompoan’ny mpisoronabe ataon’i Kristy. Nanoratra toy izao i Comenius, mpampianatra tamin’ny taonjato faha-17: “Tsy inona akory ny hoe mampianatra fa fampisehoana ny tsy fitovian’ny zavatra samy hafa, raha ny amin’ny zava-kendreny sy ny endrika isehoany ary ny fiaviany. . . . Noho izany, izay mahay mampiseho ny fahasamihafan-javatra dia mahay mampianatra.”
Ohatra, aoka hatao hoe mampianatra olona iray momba ny Fanjakan’Andriamanitra ianao. Mety tsy hahafantatra momba azy io ilay olona. Hazavao fa mifanohitra amin’izay lazain’ny Baiboly ilay hevitra hoe ao am-pon’ny olona fotsiny ny Fanjakan’Andriamanitra. Na asehoy fa hafa noho ny fitondram-panjakan’olombelona izy io. Kanefa, hanome tsipiriany bebe kokoa ianao amin’ny olona efa mahafantatra ireo fahamarinana fototra ireo. Asehoy, ohatra, fa ilay Fanjakan’ny Mesia dia tsy mitovy amin’ny fanjakan’i Jehovah manerana izao rehetra izao, voalaza ao amin’ny Salamo 103:19, na amin’ny “fanjakan’ny Zanany malalany”, hita ao amin’ny Kolosiana 1:13, na amin’ilay “fitondrana”, resahina ao amin’ny Efesiana 1:10. Hazava tsara amin’ny mpihaino anao io fampianarana ara-baiboly lehibe io raha mampiasa fifanoheran-javatra ianao.
Nampiasa io fomba fampianatra io imbetsaka i Jesosy. Nampifanoheriny ny fomba fahazoan’ny olona ny Lalàn’i Mosesy sy ny tena hevitry ny Lalàna. (Matio 5:21-48) Nasehony ny fahasamihafana teo amin’ny tena fifikirana amin’Andriamanitra sy ny fihatsarambelatsihin’ny Fariseo. (Matio 6:1-18) Nampifanoheriny ny toe-tsain’ireo ‘nampanompo’ ny hafa sy ny fahafoizan-tena hasehon’ny mpanara-dia azy. (Matio 20:25-28) Nisy fotoana koa, araka ny Matio 21:28-32, nanasan’i Jesosy ny mpihaino azy mba hampifanohitra ny fiheveran-tena ho marina sy ny tena fibebahana. Mitondra antsika ho amin’ny lafiny lehibe iray hafa amin’ny fahaiza-mampianatra izany.
Ampirisiho hieritreritra ny mpihaino
Ao amin’ny Matio 21:28, talohan’ny nilazan’i Jesosy ny fampitahany, dia nanontany izy aloha hoe: “Ahoana kosa no hevitrareo?” Tsy milaza zavatra na mamaly fanontaniana fotsiny akory ny mpampianatra mahay. Mampirisika ny mpihaino azy hahay hisaina kosa izy. (Ohab. 3:21; Rom. 12:1) Fomba iray anaovana izany ny fametrahana fanontaniana. Nanontany toy izao i Jesosy ao amin’ny Matio 17:25: “Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin’iza moa no andraisan’ny mpanjaka etỳ an-tany fadintseranana sy vola hetra? Avy amin’ny zanany va, sa avy amin’ny olon-kafa?” Ireo fanontaniana mampisaintsaina napetrak’i Jesosy ireo dia nanampy an’i Petera hanatsoaka hevitra marina samirery, momba ny fandoavana ny hetran’ny tempoly. Toy izany koa, mba hamaliana an’ilay lehilahy nanontany hoe: “Iza ary no namako?”, dia nampifanohitra ny zavatra nataon’ny mpisorona iray sy ny Levita iray tamin’ny an’ny Samaritanina iray, i Jesosy. Nanontany izy avy eo hoe: “Iza moa amin’izy telo lahy no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy?” (Lioka 10:29-36) Teo indray koa, dia tsy nisalovana i Jesosy fa ilay nihaino azy ihany no nampisaintsaininy ka nasainy namaly ny fanontaniany.—Lioka 7:41-43.
Miezaha manohina ny fon’ny mpihaino
Takatry ny mpampianatra mahazo ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra fa tsy fitadidiana zavatra sasantsasany, na fanarahana fitsipika sasany, fotsiny akory no atao hoe fivavahana marina. Miorina amin’ny fifandraisana tsara amin’i Jehovah sy amin’ny fankasitrahana ny lalany, izy io. Ny fo no tafiditra amin’izany fanompoana izany. (Deot. 10:12, 13; Lioka 10:25-27) Ao amin’ny Soratra Masina, matetika ny teny hoe “fo” no manondro ilay olona anaty, ka voafaoka amin’izany ny faniriany, ny fitiavany, ny fihetseham-pony ary ny antony manosika azy hanao zavatra.
Fantatr’i Jesosy fa, raha mijery ny fisehoana ivelany ny olombelona, Andriamanitra kosa mijery ny fo. (1 Sam. 16:7) Ny fanompoantsika an’Andriamanitra dia tokony hatosiky ny fitiavantsika azy, fa tsy ny fitadiavana hanaitra olona. (Matio 6:5-8) Nanao zavatra maro ho fisehosehoana kosa anefa ny Fariseo. Nantitranterin’izy ireo be ny fanarahana ireo tsipirian’ny Lalàna sy ny fankatoavana ireo fitsipiky ny tenany manokana. Tsy nasehon’izy ireo teo amin’ny fiainany anefa ireo toetra tsara izay ho nampahafantatra azy ho tena mpanompon’ilay Andriamanitra nolazainy fa nivavahany. (Matio 9:13; Lioka 11:42) Nampianatra i Jesosy fa tsy ny fankatoavana ny zavatra takin’Andriamanitra fotsiny no zava-dehibe, fa izay ao am-po koa. (Matio 15:7-9; Marka 7:20-23; Jaona 3:36) Handaitra indrindra ny fampianarantsika, raha manahaka ny ohatr’i Jesosy isika. Zava-dehibe ny hanampiantsika ny olona hianatra izay takin’Andriamanitra aminy. Zava-dehibe koa anefa ny hahafantarany sy hitiavany an’i Jehovah, satria amin’izay, dia ho hita taratra eo amin’ny fitondran-tenany fa sarobidy aminy ny fifandraisana tsara amin’ilay Andriamanitra marina.
Mazava ho azy fa raha te handray soa avy amin’izany fampianarana izany ny olona, dia tsy maintsy miaiky ny amin’izay ahariharin’izy io momba izay ao am-pony. Nampirisika ny olona hamakafaka ny antony manosika azy hanao zavatra sy ny fihetseham-pony i Jesosy. Mba hanitsiana fomba fihevitra diso iray, dia nanontany ny mpihaino azy izy hoe nahoana izy ireo no nieritreritra, niteny na nanao zavatra toy izao na izao. Kanefa tsy nianina tamin’izany i Jesosy. Narahiny teny iray, fanoharana iray, na fanaovan-javatra iray, ny fanontaniany, mba hanampiana azy ireo hanana ny fomba fihevitra mety. (Marka 2:8; 4:40; 8:17; Lioka 6:41, 46) Afaka manampy ny mpihaino antsika toy izany koa isika, amin’ny fampirisihana azy hanontany tena hoe: ‘Nahoana no manintona ahy izao fitondran-tena izao? Nahoana aho no manana izao fihetsika izao?’ Avy eo, dia ampirisiho izy hijery zavatra araka ny fomba fijerin’i Jehovah.
Manaova fampiharana
Fantatry ny mpampianatra mahay fa ‘ny fahazoana fahendrena no voaloham-pahendrena.’ (Ohab. 4:7) Ny fahendrena dia ny fahaizana mampihatra ny fahalalana mba handaminana zava-manahirana, handosirana loza, hahatratrarana zava-kendrena, hanampiana ny hafa. Ny manampy ny mpianany hianatra hanao izany no andraikitry ny mpampianatra, fa tsy ny handray ny fanapahan-kevitra eo amin’ny toerany. Ampio ilay mpianatra hanjohy hevitra, rehefa miresaka toro lalan’ny Baiboly samihafa. Zava-mitranga eo amin’ny fiainana andavanandro resahina. Avy eo dia anontanio ilay mpianatra raha afaka manampy azy ilay toro lalana vao avy nianaranareo, raha ao anatin’izany tarehin-javatra izany ny tenany.—Heb. 5:14.
Tao amin’ilay lahateniny tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., ny apostoly Petera dia nanome ohatra ny amin’ny fanaovana fampiharana, izay nahakasika ny fiainan’ny olona. (Asa. 2:14-36) Niresaka momba ny faminaniana telo nolazain’ilay vahoaka fa ninoany i Petera. Avy eo izy dia nampiasa ireo zava-niseho vao hitan’izy rehetra teo, mba hanaovana fampiharana an’ireo andinin-teny ireo. Ho vokany, dia tsapan’ilay vahoaka fa nila nanao zavatra nifanaraka tamin’izay reny izy. Misy vokany toy izany eo amin’ny olona ve ny fampianaranao? Mianina amin’ny filazana zavatra fotsiny ve ianao, sa manampy ny olona hahatakatra ireo anton-javatra koa? Mampirisika azy handinika ny tokony ho vokatr’izay ianarany eo amin’ny fiainany ve ianao? Mety tsy hihiaka izy hoe: “Inona no hataonay?”, toy ny nataon’ilay vahoaka tamin’ny Pentekosta. Nefa raha nahay nanao fampiharana ireo andinin-teny ianao, dia ho voatosika hieritreritra ny hampihatra izay nohazavainao izy.—Asa. 2:37.
Rehefa miara-mamaky ny Baiboly amin’ny zanakareo ianareo ray aman-dreny, dia afaka mampiofana azy hieritreritra momba ny fampiharana ireo toro lalan’ny Baiboly. (Efes. 6:4) Ohatra, mifidiana andinin-teny sasantsasany avy amin’ny famakiana Baiboly ho an’ny herinandro, resaho izay tian’izy ireo holazaina, ary avy eo dia manontania hoe: ‘Inona no tari-dalana azontsika avy amin’ireo andininy ireo? Ahoana no ampiasantsika azy ireo eo amin’ny fanompoana? Inona no asehon’izy ireo momba an’i Jehovah sy ny fomba fanaovany zavatra, ary ahoana no anampian’izy ireo antsika hankasitraka azy?’ Ampirisiho ny fianakavianao hanome valin-teny momba ireo zavatra noresahinareo ireo mandritra ny fandinihana ireo hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly any amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Ireo andinin-teny anomezany valin-teny no azo inoana fa ho tadidiny indrindra.
Manomeza ohatra tsara
Tsy amin’izay lazainao ihany ianao no mampianatra, fa amin’izay ataonao koa. Hitan’ny hafa eo amin’ny zavatra ataonao ny fomba hampiharana ireo zavatra lazainao. Izany no fomba ianaran’ny ankizy. Rehefa manahaka ny ray aman-dreniny ny ankizy, dia manome porofo fa maniry ny hitovy amin’ny ray aman-dreniny izy. Tiany ho fantatra izany hoe manao zavatra sahala amin’ny ataon’ny ray aman-dreniny izany. Toy izany koa, rehefa ‘manahaka anao, tahaka ny anahafanao an’i Kristy’, ireo izay ampianarinao, dia hahazo ireo fitahiana entin’ny fanarahana ny lalan’i Jehovah. (1 Kor. 11:1) Ho hitan’ny tenany manokana fa mifandray aminy koa Andriamanitra.
Tena mampieritreritra izany fampahatsiahivana ny amin’ny maha zava-dehibe ny fanomezana ohatra tsara izany. Ny fananantsika “fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra” dia tena hanome an’ireo izay ampianarintsika, porofo velon’ny fampiharana ireo toro lalan’ny Baiboly. (2 Pet. 3:11) Raha mampirisika ny mpianatra Baiboly iray hamaky ny Tenin’Andriamanitra tsy tapaka ianao, dia aoka ny tenanao hazoto hanao izany famakiana izany. Raha tianao hianatra hampihatra ireo toro lalan’ny Baiboly ny zanakao, dia ataovy hitany fa mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny zavatra ataonao. Raha mampianatra ny fiangonana ho be zotom-po eo amin’ny fanompoana ianao, dia mandraisa anjara feno amin’io asa io. Tsara toerana kokoa handrisika ny hafa ianao, rehefa mampihatra izay ampianarinao.—Rom. 2:21-23.
Mba hanatsarana ny fampianaranao, dia manontania tena hoe: ‘Rehefa mampianatra aho, moa ve ny fomba fampianatro hahatonga ireo izay mandre ahy hanova ny fihetsiny, ny fomba fiteniny, na ny zavatra ataony? Mba hampahazava zavatra, moa ve aho mampifanohitra hevitra na fitondran-tena iray amin’ny iray hafa? Inona no ataoko mba hanampiako ny mpianatro, ny zanako, na ny mpihaino ahy any amin’ny fivoriana, hitadidy izay lazaiko? Mampiseho mazava tsara amin’ny mpihaino ahy ny fomba hampiharana izay ianarany ve aho? Hitany eo amin’ny ohatra omeko ve izany? Takany ve fa misy fiantraikany eo amin’ny fifandraisany amin’i Jehovah ny fihetsiny eo anoloan’ilay zavatra resahina?’ (Ohab. 9:10) Eritrereto foana ireo zavatra ireo, eo am-piezahanao manatsara ny fahaizanao mampianatra. “Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’izany; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.”—1 Tim. 4:16.
-