FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/5 p. 22-24
  • Afaka manampy anao hitory izy ireo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka manampy anao hitory izy ireo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fitoriana amin’ny andro ankehitriny
  • Ny anjara asan’ireo gazety amin’ny fitoriana ny vaovao tsara
  • Fitoriana Ampahibemaso sy Isan-trano
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Famokarana Boky Ara-baiboly mba Hampiasaina Amin’ny Fanompoana
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • ‘Tsy maintsy torina aloha ny vaovao tsara’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Tokony ho Mpampianatra Isika fa Tsy ho Mpitory Fotsiny
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/5 p. 22-24

Afaka manampy anao hitory izy ireo

ANGAMBA rehefa nangataka tamin’ireo mpianany mba hitory i Jesosy dia tsy azon’ireo tanteraka ny hevitr’ilay baiko nomeny azy ireo (Matio 10:7). Kanefa nankatò izy ireo, nanaraka ny ohatra nomeny ary nandeha “nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran’ny [vaovao tsaran’ny, MN ] fanjakan’Andriamanitra”. (Lioka 8:1). Izany no fiandohan’ny asa fitoriana izay miitatra tokoa ka amin’izao andro izao ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana dia ambara amin’ny mponina amin’ny tany manontolo.

Tamin’ny voalohany, ny kongregasiona kristiana dia nitory am-bava, ary ny mpianatr’i Kristy dia niresaka tamin’izay rehetra te-hihaino azy. “Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an’i Jesosy ho Kristy isan’andro teo an-kianjan’ny tempoly sy tao an-trano izy.” — Asan’ny Apostoly 5:42.

Ny famantarana nataon’ny kristiana dia nampiseho fa nahazo ny fanohanan’Andriamanitra izy ireo (Asan’ny Apostoly 14:3). Ny mpianatra dia nanasitrana olona maro, izay nijanona niaraka tamin’izy ireo mba hahita ao amin’ny teniny ny fanasitranana ara-panahy amin’izay. Vokatr’izany, “nisy olona maro koa izay nino ny Tompo nanampy ho isany”. — Asan’ny Apostoly 5:14-16.

Ny fitoriana amin’ny andro ankehitriny

Tamin’ny nahafatesan’ireo apostoly, dia nanjavona ny fahaizana manasitrana sy miteny tsy fantatra. Niova noho izany àry ve ny asa nankinin’i Jesosy tamin’ireo mpianany? Tsia! Nilaza taminy i Kristy mba hanao “mpianatra ny firenena rehetra”; amin’izany asa izany, dia tokony homba azy ireo izy “mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao [faran’ny fandehan-javatra, MN ]”. (Matio 28:19, 20). Kanefa, ny Soratra Masina dia mampiseho mazava tsara fa isika amin’izao andro izao dia miaina amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. Nitana ny teny nataony ve i Jesosy? Moa ve izy momba an’ireo kristiana amin’ny asa fanaovana mpianatra? Ny zava-misy dia manamarina hoe eny.

Tsy vitan’ny herin’olombelona mihitsy ny hanatratra an’ireo olona an-davitrisany maro izay velona eto an-tany amin’ny alalan’ny fitoriana am-bava tsotra izao fotsiny. Izany no antony nanaovana zavatra vita an-tsoratra avy amin’ny Baiboly, izay azon’ny olona vakina any an-tranony. Noho izany, tamin’ny 1879, dia nisy antokona mpianatra ny Baiboly be zotom-po, izay ta-hampahafantatra amin’ny mpiara-belona taminy ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra, nanomboka nanonta zavatra vita an-tsoratra izay niresaka foto-kevitra samihafa avy amin’ny Baiboly, toy ny gazety izay antsoina amin’izao andro izao hoe Ny Tilikambo Fiambenana ary taratasy mivalona maro be. Tamin’ny voalohany, ireny mpianatra ny Baiboly ireny dia nangataka ny fanampian’ny trano fanotam-pirinty mba hanao ireo bokiny. Kanefa, vao tamin’ny 1920, dia efa nanana fanontam-pirinty iray izay naorina tao amin’ny trano nohofana iray izy ireo. Tamin’ny 1927, tao amin’ilay trano fanontam-pirinty dia namoaka Baiboly, boky, bokikely, gazety ary taratasy mivalona izy ireo, nampiasain’ireo rehetra naniry hanatanteraka ny asa nankinin’i Jesosy tamin’ireo mpianany.

Ny Fikambanana Watch Tower dia tsy kivy velively tamin’ny filazan’ireo olona ratsy fanahy hoe voatokana ho amin’ny tsy fahombiazana izany fanandramana izany, fa nanorina fanontam-pirinty tany amin’ny faritra maro samihafa eo amin’izao tontolo izao. Nandritra ny taona lasa, dia namoaka Baiboly, boky sy bokikely maherin’ny 63 000 000 izy ary gazety maherin’ny 582 000 000 amin’ny fiteny 200.

Ireo boky sarobidy atontan’ny Fikambanana Watch Tower dia mandray anjara amin’ny fanomezana fahafahampo ny zavatra ilain’ny olona maro be amin’ny lafiny ara-panahy. Ny sasany amin’ireny boky ireny dia natao ho an’ireo olona izay manana fiheverana na finoana voafaritra mazava tsara. Noho izany, ny boky hoe Ny Bokiko misy Fitantarana avy ao amin’ny Baiboly sy Votre jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti dia efa nahafaly tanora an-tapitrisany maro. Ny fomba hahitana fiainam-pianakaviana sambatra dia nampiseho ny hasarobidiny lehibe tamin’ny famehezana indray ny fatoram-pianakaviana sy tamin’ny fampisehoana amin’ny lehilahy sy vehivavy manambady hoe amin’ny fomba ahoana no hahafahany mifaneho fitiavana lehibe kokoa. Tafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ilay hany Andriamanitra marina kosa dia manampy ireo vaovao hiaina ny fahamarinana. Ao amin’io boky io tokoa ny mpamaky dia mahatsiaro tena ho voatosika handinika lalina kokoa ny fifandraisany amin’Andriamanitra.

Ilay boky izay nantsoina matetika hoe ny “baomba manga”, dia Ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia nisy vokany niezinezina teo amin’ny fiainan’ny olona an-tapitrisany maro. Hilaza amintsika ny ho avy hoe firy ny olona hafa koa izay ho voatarika hanompo an’Andriamanitra rehefa avy voatohin’ny fahamarinana avy amin’ny Baiboly izay raiketin’io boky io.

Amin’izao andro izao, ny mpitory ny vaovao tsara izay miasa eo ambany fitarihan’i Jesosy dia mampiasa ny boky Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany. Mitarika fampianarana Baiboly amin’ny olona an-tapitrisany maro izy ireo, ka maro no manomboka mampifanaraka ny fiainany amin’ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra.

Ohatra, ny Amerikana iray 68 taona dia nahazo bokin’ny Fikambanana Watch Tower nalefan’ny rahalahiny izay mipetraka any amin’ny an’arivony kilaometatra maromaro avy eo amin’ny misy azy. Io lehilahy io dia nahavaky vetivety an’ireo boky ireo, ary rehefa nisy Vavolombelona iray tonga teo am-baravarany, dia faly izy nanomboka niaraka taminy fianarana Baiboly tamin’ny alalan’ilay boky hoe Hiaina mandrakizay. Nandritra ny androm-piainany, io lehilahy io dia nanangona tahirin’ny fitaovam-piadiana tranainy, basy lafo vidy. Kanefa, rehefa novakiny fa ny mpanompon’i Jehovah dia tsy tokony hianatra ady intsony, dia namidiny mora lavitra noho ny tokony ho vidiny ny fiadiany (Isaia 2:4). Ankoatra izany, raha nifoka sigara be izy taloha ary efa hatramin’ny 53 taona, dia najanony izany raha vao tsapany fa tsy ankasitrahan’i Jehovah izany (2 Korintiana 7:1). Nampiseho azy koa ny fianarany fa tokony hitory ny vaovao tsara izy; noho izany dia nanapa-kevitra izy, tamin-tahotra ihany, ny hitsidika ny zanany lahy sy ny vinantovaviny mba hampita izany amin’izy ireo sy amin’ny zanany. Rehefa niditra tao amin’ny efitranon’ny vahiny izy dia faly nahita ilay boky Hiaina mandrakizay teo ambony latabatra. Mianatra amin’izy io ny vinantovaviny nefa tsy fantany hoe amin’ny fomba ahoana no hiresahany izany aminy. Samy manao fandrosoana tsara dia tsara amin’ny lafiny ara-panahy izy mianaka.

Nanorina Efitrano Fanjakana teo akaikin’ny fiangonana iray ireo Vavolombelon’i Jehovah espaniola. Nisafoaka ilay pretra ka niteny hoe: “Raha fantatro fa hanorina toerana fivoriana eto ny Vavolombelona dia ho novidiko ny tany mba hisakanana azy ireo.” Eo amin’ny rindrin’ilay efitrano iray dia nasiana fitaratra izay mampiseho ny boky Hiaina mandrakizay. Isan’andro dia misy mpikambana iray amin’ny kongregasiona tonga mamadika pejy iray. Miato ny olona eo an-tanàna dia mamaky ny pejy roa vaovao. Vokatr’izany dia olona maro no liana amin’ny Baiboly ary nanomboka nianatra izany niaraka tamin’ny Vavolombelona. Eny, io boky io dia niseho ho vavolombelona mangina nefa mandaitra.

Ny anjara asan’ireo gazety amin’ny fitoriana ny vaovao tsara

Rehefa navoaka ny nomerao voalohany amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, tamin’ny jolay 1879, dia 6 000 monja no natonta. Na dia izany aza, ny antokon’olom-bitsy izay namaky azy dia dodona nampita ny zavatra noraiketiny tamin’ireo mpiara-belona taminy. Amin’izao andro izao, dia Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 3 500 000 no mitory fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hany fanantenana ho an’ny olombelona ary amin’izany izy ireo dia mampiasa Ny Tilikambo Fiambenana, izay atonta eo amin’ny 13 000 000 eo ho eo ny nomerao tsirairay.

Manome fanazavana tena ilaina ny amin’ny foto-kevitra samihafa avy amin’ny Baiboly Ny Tilikambo Fiambenana. Ny anankiray amin’ireo lahatsorany dia mandinika ny fiainana sy ny fanompoan’i Jesosy, ka izany dia manome fahafahana olona an-tapitrisany maro hanana fiheverana mazava kokoa ny amin’ireo fitantarana lehibe izay hita ao amin’ny Filazantsara ary hanana fahatakarana tsara kokoa ny amin’izany.

Na Ny Tilikambo Fiambenana na ny Réveillez-vous! dia samy mirakitra lahatsoratra izay ny zava-kendreny dia ny hanohina ny fon’ireo tanora. Taloha, “Velona ny Tenin’Andriamanitra” dia nampianatra fotopoto-pitsipika maro ary nanazava hevitra fototra maro tao an-tsain’ny olona. Amin’izao andro izao ihany koa, ny lahatsoratra hoe “Les jeunes s’interrogent...” dia mamakafaka ireo tena fanontanian’ireo tanora ary manome valiny azo ampiharina, miorina amin’ny Soratra Masina, mba hitarika ny sainy sy ny asany eo amin’izao tontolo izao mikorontana. Rehefa mampiseho an’ireny lahatsoratra ireny ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fanolorana an’ireo gazetiny, dia mahita fandraisana tena tsara.

Kanefa, ankoatra ireo foto-kevitra manokana ireo, ny tena votoatin’ny Ny Tilikambo Fiambenana dia hita ao amin’ireo lahatsoratra fianarana, izay manamafy ny finoana sy fiaikena mafy ananan’ireo tena kristiana rehetra. Ireny lahatsoratra ireny, izay miorina amin’ny Soratra Masina, dia mampiseho miaraka amin’ny porofo fa efa antomotra ny faran’ny fandehan-javatra, mandinika ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly ary mamantatra ny fon’ireo kristiana amin’ny fanomezana azy ireo torohevitra ny amin’ny fomba tokony hiainany amin’izao androntsika izao. Tapa-kevitra ny hampiasa eny am-pitoriana ny fahalalana azony toy izany ny kristiana.

Tsy fantatsika hoe fotoana toy inona no hitohizan’izany asa fitoriana izany alohan’ny hahatongavan’ny faran’ny fandehan-javatra. Kanefa, azontsika atao ny matoky fa ny zavatra vita an-tsoratra atonta sy aelin’ny Vavolombelon’i Jehovah dia hanohy hanampy be dia be ny kristiana hanantanteraka ny asa nankinin’ilay Mpitarika azy ireo, dia Kristy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara