-
Nahoana no betsaka toy izao ny heloka bevava?Ny Tilikambo Fiambenana—1989 | 15 Novambra
-
-
Nahoana no betsaka toy izao ny heloka bevava?
“NY ANKAMAROAN’NY asa fandikan-dalàna dia atao noho ny fananana ara-nofo”, hoy ny fiaiken’ny bokikely iray natontan’ny fitondram-panjakana britanika. Any Grande-Bretagne anefa, araka ny tatitra iray, dia ireo heloka bevava mahery vaika atao amin’ny olona no “endrika heloka bevava izay mitombo haingana indrindra”, na dia tsy mahafaoka afa-tsy ny dimy isan-jaton’ny asa fandikan-dalàna aza izany.
Manome taratry ny fitomboan’ny heloka bevava amin’ny ankapobeny izany toe-javatra izany. Ny gazety maneran-tany dia manambara tsy tapaka ny fanodinkodinam-bola, ny halatra misy fitaovam-piadiana, ny fisavihana sy ny asa feno herisetra hafa, dia vaovao fandre kokoa noho ny vaovaon’ny heloka bevava tsy misy herisetra. Miharihary àry fa ny tenanao, toy izany koa ny fanananao, dia mety ho tonga zava-kendren’ny fanaovana heloka bevava. Fa nahoana? Inona no manosika olona ho tonga mpanao ratsy?
Maro be amin’ireo mpanao heloka bevava no mpanararao-paty. Noho izany, ny fitondram-panjakana dia miezaka hanakana ny onjan-keloka bevava amin’ny fampirisihana ny olom-pireneny handinika bebe kokoa izay mitranga eo amin’ny manodidina azy. Na dia mikendry ny hisorohana ny asa ratsy aza izany fomba izany, moa ve miaro ny olona tsy ho tonga mpandika lalàna izany? Tsia.
Mahatonga fandinihana maro ny toe-tsaina tia manao heloka bevava. Manome hevitra mahaliana ny amin’izay eritreretin’ny mpanao heloka bevava ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, rehefa mampitandrina ny zatovolahy amin’ireo miteny amin’ny feo mahasodoka toy izao: “Andeha hiaraka aminay! Aoka isika hanotrika mba handatsa-dra ny mpandalo. Andeha hotafihintsika amin’ny fomba tampoka na dia ny tsy manan-tsiny aza. Aoka isika hitelina azy velona tahaka ny hoe isika mihitsy no fahafatesana ary hanao azy telimoka toy ny latsaka any am-pasana; dia halaintsika ny fananana sarobidy rehetra, ka hofenointsika ny tranontsika. Avia fa hahazo ny anjaranao ianao; aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika!” (Ohabolana 1:11-14, Bible en français courant). Ny fitsiriritana, ny faniriana mihoa-pampana sy ny zava-kendrena feno fitiavana zavatra ara-nofo tokoa dia mampitombo ny fanaovana heloka bevava.
Ny fahazaran-dratsy mampiasa zavatra mahadomelina sy ny fanaovana ny fahafinaretana ho zava-kendrena eo amin’ny fiainana koa dia mampihatra fanerena eo amin’ny fisainan’ny maro amin’izao taonjato faha-20 izao. Ireny olona ireny dia tsy maintsy mahita vola mba handoavana ny fanaranam-pony, na dia tokony handratra na hamono olona mihitsy aza izy amin’izany. Amin’izao “andro sarotra sy tsy mora setraina” izao, dia mihamaro hatrany ny olona “miolomay hanao ratsy, vonona handatsa-dra foana”. — 2 Timoty 3:1, 3, 4, MN; Ohabolana 1:16, Pierre de Beaumont.
Ny heloka bevava dia “fandikana tena lehibe ny fitsipi-pitondrantena, ny lalàna”, hoy ny diksionera Petit Robert. Miaina fotoan’ny fihemorana ara-pitondrantena isika izao. Ny apostoly Paoly dia nampitandrina ireo kristiana tany Efesosy tamin’ireo olona izay mandeha “amin’ny fahafoanan’ny sainy; fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ny fiainan’Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ao anatiny, noho ny hamafin’ny fony, dia olona tsy mahalala henatra intsony”. Tokony hihevitra koa io fampitandremana io isika ankehitriny. — Efesiana 4:17-19.
Moa ve ny fitomboan’isan’ireo horonan-tsary “vidéo” feno habibiana, ny fanindrahindrana ny ady sy ny fikatsahana amim-pitiavan-tena ny fahafinaretana tsy ara-dalàna, tsy mandray anjara amin’ny fisehoan’ny mpanao heloka bevava, ka mametraka amin’izany olona tsy manan-tsiny eo anoloan’ny loza? Misy zavatra hafa koa anefa mandray anjara ao anatin’ilay zava-manahirana voaforon’ny heloka bevava. Zavatra inona izany?
Izany dia ny persona iray: Satana Devoly. Mandrehitra ny afon’ny herisetra sy ny heloka bevava feno hadalana izay mampiavaka an’izao tontolo izao ankehitriny ny fahatezerany (1 Jaona 5:19; Apokalypsy 12:12). Ny zava-kendren’i Satana dia ny hampiodina ny olona rehetra amin’ilay Andriamanitra marina, Jehovah. Kanefa, araka ny asehon’ny faminanian’ny Baiboly, na dia mety hahomby aza ny Devoly amin’olona maro, dia tsy hahatapaka ny tsy fivadihan’ireo tena mpanompon’Andriamanitra izy. Amin’ny farany dia hofoanana izy. Kanefa, na dia hanjavona aza izy io, moa ve ny heloka bevava hanjavona toy izany koa? Ary, ankoatr’izany, efa antomotra ve ny faran’ny heloka bevava?
-
-
Antomotra ny faran’ny heloka bevava!Ny Tilikambo Fiambenana—1989 | 15 Novambra
-
-
Antomotra ny faran’ny heloka bevava!
IREO olona anankinana famotopotorana manokana dia mikaroka ny mpanao heloka bevava amin’ny fandinihana famantarana heverina fa hahalalana ny maha-izy azy sy ny antony nanosika azy. Ny fomba fanao sy ny fomba fiasan’ilay mpanao famotopotorana dia manome foto-kevitra ho an’ny tantara noforonina maro fantatra maneran-tany. Na dia mety hahomby amin’ny fampiharihariana ilay olo-meloka aza ilay mpanao famotopotorana amin’ny farany, matetika ny asany no manomboka aorian’ny fanaovana ilay ratsy, rehefa vita ilay heloka.
Araka ny asehon’ny fitomboan’ny fanaovana heloka bevava, raha iray ny mpanao heloka voasambotra, olona maro hafa no manolo-tena ho amin’ny heloka bevava. Noho izany, raha tiana ho foana io loza io, dia tokony hanao mihoatra noho ny mikaroka ny mpanao asa ratsy efa vita. Noho ny inona no hisakanana ny olona tsy ho tonga mpanao heloka bevava?
Ny heloka bevava dia raharaha momba ny fitondrantena. Tsy sarotra amintsika ny hiaiky fa ny famonoana olona, ny fisavihana sy ny asa feno herisetra hafa dia heloka bevava avokoa. Ahoana anefa no fiheverantsika ny fanovana ny filazana momba ny hetra? Izany koa dia asa fandikan-dalàna satria mifanohitra amin’ny fitsipika ara-pitondrantenan’ny fanaovana ny marina. Ny famongorana ny heloka bevava dia tokony handalo amin’ny fanafoanana ny asa rehetra izay mifanohitra amin’ny fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena tena lehibe.
Andeha hodinihintsika ny ohatra telo ao amin’ny Baiboly izay mampisongadina, tsy ny antony mahatonga ny heloka ihany, fa ny fomba hanafoanana azy koa.
Tahotra an’Andriamanitra mifanohitra amin’ny faniriana
Hevero ireto tenin’i Asafa mpanao salamo ireto: “Nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy.” (Salamo 73:3). Eny tokoa, ny fitsiriritana ny fahombiazana sy ny fomba fiainan’ny ratsy fanahy no matetika manosika olona maro hanaraka fanao mifanohitra amin’ny lalàna. Tsy mamporisika hankahala izay ratsy ny televisiona sy ny gazety fa manova ny heloka bevava ho azo ekena kokoa amin’ny fanaronana azy amin’ny loko manjelatra mahasodoka.
-