Ny antony ilàntsika finoana sy fahendrena
Hevi-dehibe avy amin’ny taratasin’i Jakoba
MILA fiaretana ny mpanompon’i Jehovah rehefa iharan’ny fitsapana. Tsy maintsy mandositra ny ota izay hitondra tsy fankasitrahan’Andriamanitra koa izy ireo. Misongadina ao amin’ny taratasin’i Jakoba ireo hevitra ireo, ary mitaky finoana miasa sy fahendrena avy any ambony ny fanaovan-javatra manorina mifanaraka amin’izany.
Tsy mampahafantatra ny tenany ho ny iray tamin’ireo apostolin’i Jesosy anankiroa nantsoina hoe Jakoba ilay mpanoratra an’io taratasy io, fa ho ‘mpanompon’Andriamanitra sy Kristy’ kosa. Toy izany koa, nilaza i Joda, rahalahy iray reny tamin’i Jesosy, fa izy dia “mpanompon’i Jesosy Kristy sady rahalahin’i Jakoba”. (Jakoba 1:1; Joda 1; Matio 10:2, 3). Noho izany, dia miharihary fa nanoratra ilay taratasy mitondra ny anarany i Jakoba rahalahy iray reny tamin’i Jesosy. — Marka 6:3.
Tsy milaza ny amin’ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70 am.fan.ir. io taratasy io, ary manambara ilay mpanoratra tantara atao hoe Josèphe fa maty maritiora i Jakoba, fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’ilay governora romana atao hoe Festosy, tany amin’ny taona 62 am.fan.ir. tany ho any. Mazava ho azy àry fa nosoratana talohan’ny taona 62 am.fan.ir. ilay taratasy. Nalefa ho an’ny “firenena roa ambin’ny folo” amin’ny Isiraely ara-panahy izy io, satria niantefa tany amin’ireo nitana ‘ny finoana ny Tompontsika, dia Jesosy Kristy’. — Jakoba 1:1; 2:1; Galatiana 6:16.
Mampiasa fanoharana izay afaka manampy antsika hitadidy ny toroheviny i Jakoba. Asehony, ohatra, fa tsy tokony hiahanahana ny olona iray mangataka fahendrena amin’Andriamanitra, “fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany”. (1:5-8). Tokony hofehezina ny lelantsika satria afaka mitondra ny fiainantsika izy io toy ny familiana iray mitondra sambo. (3:1, 4). Ary mba handresena ireo fitsapana, dia mila maneho fiaretana amim-paharetana isika, toy ny mpiasa tany iray rehefa miandry ny fotoam-pijinjana. — 5:7, 8.
Finoana sy fitsapana ary asa
Asehon’i Jakoba aloha fa afaka ny ho sambatra isika na dia eo aza ny fitsapana mahazo antsika. (1:1-18). Ny sasany amin’ireny fitsapana ireny, toy ny aretina, dia iombonan’ny olombelona rehetra, fa mbola mijaly koa noho ny maha-mpanompon’Andriamanitra sy Kristy azy ny kristiana. Hanome antsika ny fahendrena ilaina mba hiaretana i Jehovah, raha manohy mangataka izany amim-pinoana isika. Tsy maka fanahy antsika amin’ny zava-dratsy na oviana na oviana izy, ary afaka mitoky aminy isika fa hanome izay tsara izy.
Mba handraisana ny fanampian’Andriamanitra, dia tsy maintsy manolotra fanompoam-pivavahana aminy amin’ny alalan’ny asa mampiseho ny finoantsika isika. (1:19–2:26). Mitaky ny haha-“mpankatò ny teny” antsika izany, fa tsy ho mpihaino fotsiny ihany. Tsy maintsy mifehy ny lela isika, mikarakara kamboty sy mpitondratena, ary mitoetra tsy misy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao. Raha nitondra tamim-piheverana ny mpanan-karena isika ka tsy niraharaha ny mahantra, dia ho nandika ny “didy ambony indrindra”, dia ny fitiavana. Mila ny mahatsiaro koa isika fa aseho amin’ny asa ny finoana, toy ny anazavan’ny ohatr’i Abrahama sy Rahaba azy tsara. Marina tokoa fa ‘maty ny finoana raha tsy misy asa’.
Fahendrena avy any ambony sy vavaka.
Sady mila finoana no mila fahendrena ny mpampianatra mba hanefany ny andraikiny. (3:1-18). Manana andraikitra tena mavesatra izy ireo amin’ny maha-mpampianatra azy. Sahala aminy, dia tsy maintsy mifehy ny lela isika — zavatra izay anampian’ny fahendrena avy any ambony antsika ny fanaovana azy.
Mahatonga antsika ho afaka hahatakatra koa ny fahendrena fa, ny fileferana amin’ny fironan’izao tontolo izao dia hanimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. (4:1–5:12). Raha niady mba hanatratrarana zava-kendrena feno fitiavan-tena isika na nanameloka ireo rahalahintsika, dia mila mibebaka isika. Ary zava-dehibe tokoa ny handosirana ny fisakaizana amin’izao tontolo izao satria fijangajangana ara-panahy izany! Aoka isika tsy hinia tsy hahalala na oviana na oviana ny sitrapon’Andriamanitra noho ny zava-kendrena feno fitiavana fatratra zavatra ara-nofo, ary enga anie isika tsy hanana toe-tsaina tsy ampy faharetana sy tsy hifampimonomonona.
Tokony hitady ny fanampian’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona na iza na iza marary ara-panahy. (5:13-20). Raha nisy ota natao, ny vavaka ataon’izy ireo sy ny torohevitra feno fahendrena omeny dia hanampy mba hamerenana indray ny fahasalamana ara-panahin’ilay mpanota nibebaka. Raha ny marina, “izay mampibebaka mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany dia hamonjy fanahy [ny an’ilay nanao ratsy] tsy ho faty [ara-panahy sy mandrakizay].”
[Efajoro, pejy 24]
Mpankatò ny teny: Tokony ho ‘mpankatò ny teny isika fa tsy ho mpihaino fotsiny ihany’. (Jakoba 1:22-25). Ny mpihaino fotsiny iray dia “toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ny fitaratra”. Taorian’ny fizahana fohy, dia lasa izy “ary miaraka amin’izay dia hadinony ny tarehiny”. Fa ny “mpankatò ny teny” kosa, dia mijery amim-pitandremana ny lalàn’Andriamanitra tanteraka na feno, ary manaiky ny zavatra rehetra takina amin’ny kristiana iray. “Maharitra amin’izany” izy, amin’ny fanohizany mandinika akaiky izany lalàna izany ho fikendrena ny hanao fanitsiana mba hanarahana izany akaiky. (Salamo 119:16). Amin’ny ahoana no tsy itovian’ny “mpankatò ny teny” amin’ny olona iray manopy ny masony eo amin’ny fitaratra ary manadino izay asehon’izy io? Ny mpankatò dia manao izay hahatonga ny tenin’i Jehovah hisy vokany ary mifaly amin’ny fankasitrahany! — Salamo 19:7-11.