-
Tokony hino izany ve ianao?Tokony Hino ny Trinite ve Ianao?
-
-
Tokony hino izany ve ianao?
MOA ve ianao mino ny Trinite? Mino izany ny ankabeazan’ny olona ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Rehefa dinihina tokoa dia ny foto-pampianaran’ny fiangonana nandritra ny taonjato maro izy io.
Rehefa heverina amin’izany, dia mety hieritreritra ianao fa tsy misy mampisalasala ny amin’izy io. Kanefa dia izany no izy, ary tato ho ato, ny sasantsasany tamin’ireo mpanohana azy aza dia nampirehitra fiadian-kevitra.
Nahoana ny foto-kevitra toy izany no tsy tokony ho resaka mandalo fotsiny? Satria ny tenan’i Jesosy mihitsy no nilaza hoe: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahalala anao hàny Andriamanitra marina sy Jeso-Kristy izay nirahinao.” Ny hoavintsika manontolo àry dia miankina amin’ny fahalalana ny tena toe-tenan’Andriamanitra, ka izany dia milaza fandalinana ny raharaha ny amin’ny Trinite hatrany amin’ny fotony. Nahoana àry raha mandinika izany ho anao manokana? — Jaona 17:3, Fandikan-teny katolika.
Misy hevitra maro be momba ny Trinite. Kanefa amin’ny ankapobeny, ny fampianarana ny amin’ny Trinite dia milaza fa Andriamanitra dia misy persona telo, ny Ray, ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, saingy izy ireo mitambatra dia tsy mahaforona afa-tsy Andriamanitra tokana. Milaza io fampianarana io fa izy telo ireo dia mitovy, samy tsitoha sy tsy noforonina, efa nisy hatrizay hatrizay tao amin’Andriamanitra.
Milaza kosa anefa ny hafa fa diso ny fampianarana ny amin’ny Trinite, fa ilay Andriamanitra Tsitoha dia mitoetra ho tokana amin’ny maha-fisiana miavaka tsara, mandrakizay ary tompon’ny hery rehetra azy. Milaza izy ireo fa i Jesosy, talohan’ny naha-olombelona azy, tahaka ireo anjely, dia persona ara-panahy miavaka tsara, noforonin’Andriamanitra, ka noho izany dia tsy maintsy manam-piandohana izy. Mampianatra izy ireo fa i Jesosy dia tsy nitovy tamin’ilay Andriamanitra Tsitoha na oviana na oviana, tamin’ny lafiny rehetra; nanaiky an’Andriamanitra mandrakariva izy ary manohy manao izany. Mino koa izy ireo fa ny fanahy masina dia tsy persona fa fanahin’Andriamanitra, ny heriny miasa.
Milaza ireo manohana ny Trinite fa tsy mifototra amin’ny lovantsofina ara-pivavahana fotsiny akory izy io fa amin’ny Baiboly koa. Milaza kosa ny mpanakiana io fampianarana io fa tsy fampianarana ao amin’ny Baiboly izy io, ka hoy mihitsy aza ny loharanom-panazavana ara-tantara iray: “Niandoha tanteraka avy tamin’ny mpanompo sampy” ny Trinite. — Ilay fanompoan-tsampy ao amin’ny kristianisma arahintsika (anglisy).
Raha marina ny Trinite, ny filazana fa tsy mitovy velively amin’Andriamanitra i Jesosy amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Trinite azy dia mampietry azy. Fa raha diso kosa ny Trinite, dia mampietry an’ilay Andriamanitra Tsitoha ny fiantsoana olona iray ho mitovy aminy, ary ny mbola ratsiratsy kokoa aza, ny fiantsoana an’i Maria hoe “Renin’Andriamanitra”. Raha diso ny Trinite, dia manala baraka an’Andriamanitra ny filazana toy ny nomarihin’ilay boky hoe Ny fivavahana katolika (anglisy): “Raha tsy mihazona io finoana io ho iray tanteraka sy tsy voaloto [ny olona iray], dia tsy isalasalana fa ho ringana mandrakizay. Ary ny finoana katolika dia izao: manompo andriamanitra tokana ao amin’ny Trinite isika.”
Misy antony tsara tokony hanirianao hahalala ny fahamarinana ny amin’ny Trinite àry. Alohan’ny handinihana ny niandohany sy ny fihamboany ho marina anefa dia hahasoa ny hamaritana tsara kokoa an’io fampianarana io. Inona marina moa ny Trinite? Ahoana no fomba anazavan’ireo mpanohana azy io?
-
-
Ahoana no anazavana ny Trinite?Tokony Hino ny Trinite ve Ianao?
-
-
Ahoana no anazavana ny Trinite?
HOY ny fiangonana katolika romana: “Ny Trinite dia teny ampiasaina hanondroana ny foto-pampianaran’ny fivavahana kristiana. (...) Araka ny fanekem-pinoan’i Athanase àry: ‘ny Ray dia Andriamanitra, ny Zanaka dia Andriamanitra ary ny Fanahy Masina dia Andriamanitra, kanefa tsy misy Andriamanitra telo fa Andriamanitra iray ihany.’ Ao amin’io Trinite io (...), ny persona rehetra dia samy mandrakizay sy mitovy: samy tsy noforonina sy manan-kery tsy hita lany izy ireo.” — Ny Firaketana katolika (anglisy).
Saiky manaiky izany avokoa ireo fiangonana hafa rehetra ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Ohatra, ny fiangonana ôrtôdôksa grika dia miantso koa ny Trinite hoe “foto-pampianaran’ny kristianisma”, ary milaza mihitsy aza izy hoe: “Ny kristiana dia ireo izay manaiky an’i Kristy ho Andriamanitra.” Ao amin’ilay boky hoe Ny finoantsika kristiana ôrtôdôksa (anglisy), io fiangonana io ihany dia milaza toy izao: “Telo izay iray Andriamanitra. (...) Ny Ray dia Andriamanitra feno. Ny Zanaka dia Andriamanitra feno. Ny Fanahy Masina dia Andriamanitra feno.”
Araka izany, ny Trinite dia hoe “Andriamanitra tokana misy persona telo.” Lazaina ho tsy nanam-piandohana ny tsirairay avy amin’izy ireo, satria nisy hatrizay hatrizay. Lazaina ho tsitoha ny tsirairay avy aminy ka tsy misy ambony kokoa na ambany kokoa noho ny hafa.
Saro-takarina ve izany fomba fihevitra izany? Mpino tso-po maro be no mahita azy ho mampisafotofoto, mifanohitra amin’ny fiheverana ara-dalàna, tsy sahala amin’izay fahitany. Ahoana, hoy izy ireo, no hetezan’ny Ray ho Andriamanitra, i Jesosy ho Andriamanitra ary ny fanahy masina ho Andriamanitra, nefa tsy hisy Andriamanitra telo fa tokana ihany?
“Hevitra tsy takatry ny sain’olombelona”
MIELY patrana io fisafotofotoana io. Manamarika Ny Firaketana amerikana (anglisy) fa ny fampianarana ny amin’ny Trinite dia heverina ho “hevitra tsy takatry ny sain’olombelona.”
Maro be amin’ireo manaiky ny Trinite no mitovy hevitra amin’izany. Milaza toy izao ny pretra iray antsoina hoe Eugene Clark: “Tokana Andriamanitra ary telo Andriamanitra. Koa satria tsy misy zavatra toy izany eo amin’ny zavatra noforonina, dia tsy afaka hahatakatra izany isika fa dia manaiky azy fotsiny.” Milaza ny kardinaly John O’Connor hoe: “Fantatsika fa mistery tena lalina izy io izay tsy takatsika mihitsy.” Miresaka azy io ho “ny zava-miafina tsy azo fantarina ny amin’ilay Andriamanitra Trinite” ny Papa Joany Paoly II.
Araka izany, dia hoy ny Rakibolan’ny fahalalana ara-pivavahana (anglisy): “Raha ny amin’ny hoe inona marina io fampianarana io, na ny marimarina kokoa, hoe amin’ny fomba ahoana marina no hanazavana azy, dia tsy mifanaraka eo amin’izy samy izy ny mpanohana ny Trinite.”
Azontsika atao àry ny mahatakatra ny antony anamarihan’ny Firaketana katolika vaovao (anglisy) hoe: “Vitsy ny mpampianatra teôlôjia manohana ny Trinite ao amin’ireo seminera katolika romana no tsy voahelingelin’ity fanontaniana ity indray mandeha teo amin’ny fampianarany: ‘Ahoana anefa no hampianarana ny Trinite’? Ary raha mampiharihary fisafotofotoana eo amin’ny mpianatra io fanontaniana io dia angamba mampiharihary fisafotofotoana mitovy amin’izany koa eo amin’ny mpampianatra azy.”
Azo hamarinina amin’ny fankanesana any amin’ny trano famakiam-boky sy ny fandinihana boky manohana ny Trinite ny fahamarinan’izay voalaza izay. Pejy tsy tambo isaina no nosoratana mba hanandramana manazava azy. Kanefa, taorian’ny ezaka mafy hivoahana avy ao amin’ireo teny sy fanazavana ara-teôlôjia mampisafotofoto maro be, dia mbola tsy afa-po ihany ireo mpanao fikarohana.
Momba izany, dia manamarika toy izao ilay jezoita atao hoe Joseph Bracken ao amin’ilay bokiny hoe Inona no lazain’izy ireo ny amin’ny Trinite? (anglisy): “Ireo pretra izay niezaka mafy nianatra (...) ny amin’ny Trinite nandritra ireo taona laniny tany amin’ny seminera dia mazava ho azy fa niahotra ny hiresaka ny amin’izy io eny ambony polipitra na dia amin’ny alahadin’ny Trinite aza. (...) Nahoana izy no hanorisory olona amin’ny zavatra iray izay tsy ho takany tsara akory tsinona?” Milaza koa izy hoe: “Zavatra inoana ara-pomba fotsiny ny Trinite, fa tsy misy [vokany] firy, na tsy misy [vokany] mihitsy, eo amin’ny fiainan’ny kristiana andavanandro na eo amin’ny fanompoam-pivavahany.” Kanefa dia “foto-pampianaran’ ”ireo fiangonana izy io!
Manamarika ilay teôlôjiana katolika atao hoe Hans Kiing ao amin’ilay bokiny hoe Ny kristianisma sy ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao (anglisy) fa ny Trinite dia antony iray tsy nahafahan’ireo fiangonana handroso lalina teo amin’ireo tsy kristiana. Hoy izy: “na dia ny miozilimana mahafanta-javatra aza dia tsy afaka mahatakatra tsotra izao ny hevitry ny Trinite, toy ny tsy nahafahan’ny jiosy hanao izany hatramin’izao. (...) Ireo fanavahana ataon’ny fampianarana ny amin’ny Trinite eo amin’Andriamanitra tokana sy telo dia tsy mahafa-po ny miozilimana izay misafotofoto saina, fa tsy nahazo fanazavana, noho ireo teny ara-teôlôjia nalaina avy amin’ny teny siriaka, grika sy latina. Hitan’ny miozilimana ho filalaovana amin’ny teny fotsiny izy io. (...) Nahoana ny olona iray no haniry hanampy zavatra hafa amin’ny maha-tokana sy ny maha-iray an’Andriamanitra izay tsy afaka afa-tsy ny hanatsatso na hanafoana io hevitra ny amin’ny maha-iray sy maha-tokana io?
“Tsy Andriamanitry ny fisafotofotoana”
AHOANA no nahafahan’io fampianarana mampisafotofoto io nipoitra? Manambara toy izao ny Firaketana katolika (anglisy): “Tsy maintsy ho avy amin’ny fanambaran’Andriamanitra ny fampianarana mifono zava-miafina toy izany.” Manambara toy izao ny manam-pahaizana katolika roa atao hoe, Karl Rahner sy Herbert Vorgrimler, ao amin’ilay bokiny hoe, Rakibolana ara-teôlôjia (anglisy): “Ny Trinite dia zava-miafina (...) amin’ny heviny hentitra (...), izay tsy azo fantarina tsy misy fanambarana, ary na dia aorian’ny fanambarana aza dia tsy mety ho takatra tanteraka.”
Kanefa, ny fanantitranterana fa noho ny Trinite mifono zava-miafina mampisafotofoto, dia tsy maintsy ho avy amin’Andriamanitra izy io, dia mampipoitra zava-manahirana lehibe hafa. Nahoana? Satria ny fanambarana avy amin’Andriamanitra mihitsy dia tsy mifanaraka amin’io fomba fijery momba an’Andriamanitra io: “Andriamanitra dia tsy Andriamanitry ny fisafotofotoana.” — 1 Korintiana 14:33, Revised Standard Version (RS).
Rehefa heverina amin’io filazana io, ahoana no haha-tompon’andraikitra an’Andriamanitra amin’ny fampianarana ny amin’ny tenany izay mampisafotofoto aoka izany hany ka na dia ireo manam-pahaizana momba ny teny hebreo, grika ary latina aza dia tsy tena afaka hanazava azy?
Ankoatra izany, moa ve tsy maintsy ho teôlôjiana vao ‘hahafantatra an’Andriamanitra tokana sady marina sy Jesosy Kristy izay nirahiny’? (Jaona 17:3) Raha izany no izy, nahoana no vitsy aoka izany ireo mpitondra fivavahana jiosy nahita fianarana nanaiky an’i Jesosy ho Mesia? Ireo mpianany nahatoky kosa dia olon-tsotra mpamboly, mpanjono, mpamory hetra ary vehivavy mpikarakara tokantrano. Nino mafy izay nampianarin’i Jesosy ny amin’Andriamanitra io sarambabem-bahoaka io, hany ka afaka nampianatra ny hafa izany ary vonona ny ho faty noho ny finoany mihitsy aza. — Matio 15:1-9; 21:23-32, 43; 23:13-36; Jaona 7:45-49; Asan’ny apostoly 4:13.
[Sary, pejy 4]
Ny sarambabem-bahoaka tso-piaina no mpianatr’i Jesosy, fa tsy ireo mpitondra fivavahana.
-
-
Moa ve mazava fa fampianarana avy ao amin’ny Baiboly izy io?Tokony Hino ny Trinite ve Ianao?
-
-
Moa ve mazava fa fampianarana avy ao amin’ny Baiboly izy io?
RAHA toa ka tsy miovaova marina ny Trinite, dia tsy maintsy ho naseho mazava sy tao amin’ny Baiboly izany. Nahoana? Satria, toy ny nohamafisin’ireo apostoly, ny Baiboly dia fanambarana avy amin’Andriamanitra momba ny tenany ho an’ny olombelona. Ary satria ilaintsika ny mahalala an’Andriamanitra mba hanompoana azy amin’ny fomba azony ekena, dia tokony hiresaka ny aminy amin’ny fomba mazava amintsika ny Baiboly.
Nanaiky ny Soratra Masina ho ny tena fanambarana avy amin’Andriamanitra marina tokoa ireo mpino tamin’ny taonjato voalohany. Fototry ny finoany, ny fahefana farany itodihany, izy io. Ohatra, rehefa nitory tamin’ireo mponina tao an-tanànan’i Beria ny apostoly Paoly, dia “nandray ny teny tamin-jotom-po indrindra ireo ka nandinika tamim-pitandremana ny Soratra masina isan’andro mba hahitana raha marina izany na tsia.” — Asan’ny apostoly 17:10, 11, Traduction du monde nouveau.
Fahefana inona no nitodihan’ireo olon’Andriamanitra nihazona toerana ambony tamin’izany andro izany? Milaza toy izao amintsika ny Asan’ny apostoly 17:2, 3 (MN): “Araka ny fanaony, i Paoly (...) dia nanjohy hevitra avy amin’ny Soratra masina niaraka taminy, ary nanazava sy nanaporofo tamin’ny alalan’ny fakàn-teny [avy amin’ny Soratra Masina].”
Ny tenan’i Jesosy mihitsy dia nanome ohatra tamin’ny fampiasana ny Soratra Masina ho fototry ny fampianarany ka niteny hatrany izy hoe: “Voasoratra hoe.” “Nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra” izy. — Matio 4:4, 7; Lioka 24:27.
Araka izany, i Jesosy, i Paoly ary ireo mpino tamin’ny taonjato voalohany dia nampiasa ny Soratra Masina ho fototry ny fampianarany. Fantatr’izy ireo fa “ny soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” — 2 Timoty 3:16, 17; jereo koa ny 1 Korintiana 4:6; 1 Tesaloniana 2:13; 2 Petera 1:20, 21.
Koa satria ny Baiboly afaka ‘manitsy izay diso’ dia tokony hanome amin’ny fomba mazava filazana ny amin’ny raharaha lazaina fa fototra toy ny Trinite izy. Kanefa moa ve ireo teôlôjiana sy mpanoratra tantara mihitsy milaza mazava fa fampianarana avy ao amin’ny Baiboly izy io?
Ao amin’ny Baiboly ve ny teny hoe “Trinite”?
MILAZA toy izao ny boky protestanta iray: “Tsy hita ao amin’ny Baiboly ny teny hoe Trinite (...) Tsy nampidirina tao amin’ny fampianaran’ny fiangonana tamin’ny fomba ôfisialy izy io raha tsy tamin’ny taonjato faha-4.” (Rakibolana ara-baiboly misy sary, anglisy). Ary milaza ny fahefana katolika iray fa ny Trinite dia “tsy (...) tenin’Andriamanitra mivantana avy hatrany.” — Firaketana katolika vaovao.
Manazava toy izao koa ny Firaketana Katolika: “Tsy misy mihitsy hatramin’izao teny na dia iray aza ao amin’ny Soratra Masina manondro an’Andriamanitra ho persona telo miaraka. Ny teny hoe τρίας [triʹas] (nadika amin’ny teny latina hoe Trinitas) dia hita voalohany ao amin’ny soratra nataon’i Teofilo avy any Antiokia tany amin’ny taona 180 amin’ny fanisan-taona iraisana. (...) Fotoana fohy taorian’izany, dia niseho tamin’ny endriny amin’ny teny latina hoe Trinitas izy io tao amin’ireo soratra nataon’i Tertullien.”
Kanefa, tsy manaporofo izany fa hoe nampianatra ny Trinite i Tertullien. Manamarika, ohatra, ilay boky katolika hoe Trinitas—Firaketana ara-teôlôjian’ny Trinite masina (anglisy), fa ny sasantsasany amin’ireo tenin’i Tertullien dia nampiasain’olon-kafa tatỳ aoriana mba hilazalazana ny amin’ny Trinite. Avy eo izy io
-