FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w74 15/1 p. 56-59
  • Mivoha ho an’ny olona ny lalan’ny fiainana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mivoha ho an’ny olona ny lalan’ny fiainana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1974
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny tempoly ivoahan’ny ranon’aina
  • Ny fiainana an’ireo ho tafita velona ao Harmagedona
  • Ny fiainana ho an’ireo olona an’arivo tapitrisany maro maty amin’izao fotoana izao
  • Ny Fitahian’i Jehovah ny ‘Tanintsika’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • “Aoka izay rehetra mahare hilaza hoe: ‘Avia!’”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • ‘Hazavazavao ny Momba An’ilay Tempoly’
    Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
  • “Aoka ny Fonao Handinika” ny Tempolin’Andriamanitra!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1974
w74 15/1 p. 56-59

Mivoha ho an’ny olona ny lalan’ny fiainana

“NY FANAHY sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.” — Apokalypsy 22:17.

Ireo teny voasoratra saika ao amin’ny faran’ny Baiboly ireo dia manolotra fanantenana mahafaly. Omeny ny fampanantenana ny amin’ny fiainana tsara lavitra noho ny fiainana fohy dia fohy sy sarotra hitantsika amin’izao andro izao. Azo atao ve ny manomboka mihazona izany karazam-piainana izany dieny izao?

Izany dia izany tokoa. Nanambara Jesosy Kristy fa tonga izy mba hahafahan’ny olona manana fiainana be dia be. Inona àry io ranon’aina io, ary amin’ny fomba ahoana no mety hahazoana azy? — Jaona 10:10.

Ny soron’i Jesosy no mamoha ny lalana mitarika ny olona ho amin’ny fiainana mandrakizay. Nasehony fa misy fifandraisana amin’ny sorony ny ranon’aina raha nilaza toy izao tamin’ny vehivavy samaritana iray izy: “Fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.” — Jaona 4:14.

Raha niresaka ny amin’ny fiainana mandrakizay Jesosy, moa ve tiany ny hilaza fa izay rehetra hahazo izany dia ho any an-danitra? Tsy izany velively. Mikasika ny rano manganohanon’ny onin’ny ranon’aina toy ny kristaly tokoa, dia izao no voalazan’ny faminaniana voasoratra ao amin’ny Apokalypsy: “Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia.” Ny ampakarina anefa dia ny kongregasiona kristiana izay Kristy no Filoha na Mpampakatra (Kolosiana 1:18; Efesiana 5:23; II Korintiana 11:2). Ny mpikambana ao aminy, izay hanana anjara amin’ny fiainana any an-danitra miaraka amin’i Jesosy Kristy, dia 144 000 (Apokalypsy 14:1, 3). “Ny ranon’aina” dia omena koa ny olon-kafa amin’ny alalan’ny fanahy sy ny ampakarina. Izy io àry dia mampiseho ny fandaharana nataon’Andriamanitra ho amin’ny fiainana eto an-tany, dia ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fahatanterahana eo amin’ny tany voaova ho paradisa sy mety amin’ny olombelona tanteraka.

“Ny ranon’aina” dia mampiseho ny fandaharana rehetra natao mba hahazoana ny fiainana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Azo ampiasaina daholo ve izy rehetra ireo amin’izao fotoana izao? Tsia, satria tsy maintsy hofoanan’Andriamanitra aloha ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny, miaraka amin’i Goga filohany tsy hita maso, izany hoe Satana Devoly hatramin’ny nandroahana azy avy any an-danitra. (Jereo ireo lahatsoratra roa teo aloha, mitovy karazana amin’ity.) Afaka mandray ny “rano” azo ampiasaina amin’izao andro izao anefa isika, amin’ny fihainoana sy amin’ny fanarahana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana, sy amin’ny fampifanarahana ny fiainantsika amin’izany. — Jaona 3:16; Romana 12:2.

Ny tempoly ivoahan’ny ranon’aina

Ezekiela mpaminanin’Andriamanitra dia nahazo fahitana izay mameno ny an’i Jaona apostoly, voasoratra ao amin’ny Apokalypsy. Nahita tempoly i Ezekiela. Tsy tempoly naorin’olona akory izany, toy ireo naorin’i Solomona sy Zerobabela, satria tamin’izay fotoana izay dia tsy nisy tempoly mihitsy tany Jerosalema noho izy noravan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, tokony ho efatra ambin’ny folo taona talohan’izay ary foana koa na dia Jerosalema aza. Tsy sahala amin’ny an’ny tempolin’i Solomona ny planin’io tempoly io. Mampiseho azy ho efa vita ilay fahitana, vonona ny hozahana sy horefesina. Sary ara-paminaniana ny amin’ny zavatra hatsangana aoriana anefa izy io. Izy io dia nampiseho ny “tena trano-lay, izay naorin’i Jehovah, fa tsy olona”. — Hebreo 8:2, MN.

Ny mpanoratra kristiana ny taratasy ho an’ny Hebreo dia miresaka amin’ny antsipiriany ny amin’io trano-lay na tempoly io, ka mampiseho fa izy io dia solon’ireo tempoly taloha, ka ny farany dia ny an’i Zerobabela, naorin’i Heroda mpanjaka indray. Io “tena trano-lay” io dia nanomboka nisy tamin’ny taona 29 amin’ny fanisan-taona iraisana, rehefa nanatona Jesosy mba hatolotra teo amin’ny “alitara”, izany hoe ny sitrapon’Andriamanitra ny aminy, “Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao”. Taorian’ny fananganana azy tamin’ny maty, Jesosy dia niditra tao amin’ny Masina Indrindra amin’io tempoly io, dia ny lanitra mihitsy, mba hitondra teo amin’Andriamanitra ny vidin’ny ain’olombelona tanteraka natolony teto an-tany, teo amin’ny alitara ara-panahin’i Jehovah, dia ny ‘sitrapon’Andriamanitra’. — Hebreo 9:23, 24; Jaona 1:29.

Tao amin’ny fahitany Ezekiela dia nahita ny tempoly “teo an-tendrombohitra avo dia avo”. Izany dia manondro ny fahatanterahany ho atỳ aoriana lavitra ao amin’ny fotoana voalazan’Isaia hoe “ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra ary hasandratra ho avo noho ny havoana”. Ny anjely iray, naseho tao amin’ny fahitana tamin’ny endriky ny lehilahy iray, dia nitarika an’i Ezekiela hitsidika ny tempoly. Izy io dia “nitarehim-barahina, nitondra tady rongony teny an-tànany sy volotara fandrefesana.” — Ezekiela 40:2, 3; Isaia 2:2.

Amin’izao androntsika izao Jehovah dia nanorina indray ‘paradisa ara-panahy’ ho an’ny vahoakany eto an-tany. Ny mpikambana ao aminy dia mandray soa amin’ny fahalalana ny fikasan’Andriamanitra ka mandroso eo amin’ny fanambarany izany maneran-tany. ‘Voaorina’ mafy sy ‘misandratra’ ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. Olona ana hetsiny maro no manomboka misotro “maimaimpoana amin’ny ranon’aina”. Izy ireo indray kosa dia mba milaza amin’ny hafa hoe: “Avia.”, ary mahita fandrosoana ireo kongregasionan’ny vavolombelon’i Jehovah ao anatin’ny fiadanana sy ny filaminana tsara, satria mitombo tsy an-kijanona ny isan’ny mpikambana ao aminy.

Ny fiainana an’ireo ho tafita velona ao Harmagedona

Nahatazan-davitra kokoa noho izany anefa Ezekiela. Tamin’ny fahitana izy dia vavolombelona nahita maso ny faharesen’ny tafik’i Satana eto an-tany sy ny fanjavonan’ny “tany Magoga”, dia ny faritra tsy hita maso ampipoiran’i Satana fahasahiranana ho an’ny tany (Ezekiela 39:6). Taorian’izany Ezekiela dia nahazo fahitana mazava ny amin’izay hitranga eto an-tany mandritra ny fanjakana arivo taonan’i Jesosy Kristy araka ny rariny, rehefa tsy ho afaka hiasa intsony “Goga”, dia Satana Devoly, na ny demoniany rehetra. Ilay anjely voalazan’ny fahitana fa nitari-dalàna an’i Ezekiela dia nampitsidika azy ny tempoly. Izao no nambaran’i Ezekiela:

“Dia nentiny niverina ho eo amin’ny varavaran’ny trano aho; ary, indro, nisy rano niboika avy eo atsinanana eo ambanin’ny tokonan’ny trano; fa manatrika ny atsinanana ny trano, ary ny rano nidina avy teo ambanin’ny lafiny ankavanan’ny trano teo atsimon’ny alitara.” — Ezekiela 47:1.

Nivoaka avy tao amin’ny fonenan’i Jehovah tao amin’ny fitoerana masina ny rano ka nikoriana niantsinanana, tany ambadiky ny alitara, tany amin’ny kianja. Mampiseho izany fa Jehovah Andriamanitra, Mpanome ny aina, dia manaiky ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy Zanany sady Mpisoronabe. Nikoriana tany ivelan’ny kianja ilay rano ka nankany amin’ny toerana nilana ny fiainana. — Jereo I Jaona 1:7; 5:11, 12.

Taorian’izany ilay anjelin’i Jehovah dia nampiasa ny tady rongoniny mba handrefesana. Izao no nambaran’i Ezekiela: “Ary nony nandeha niantsinanana ralehilahy, nisy famolaina teny an-tànany, ka nandrefy arivo hakiho izy, dia nampitainy ny rano aho, ka hakitrokely ny rano.” — Ezekiela 47:3.

Zava-dehibe ny hanamarihana fa nandrefy arivo hakiho niantsinanana ilay anjely, ka izany dia mampahatsiahy antsika imbetsaka fa ny zavatra rehetra nasehon’ilay ony dia tanteraka mandritra ny fanjakana arivo taonan’i Kristy. Tamin’ny fandrefesana voalohany dia tsy lalina loatra ny rano, satria hakitrokely fotsiny. “Hakitrokely ny rano” dia ho ampy raha vantany vao vita ny adin’i Haramagedona hanafoanana ny tafik’i Goga eto an-tany. Nahoana? Satria tsy hisy ho tafita velona afa-tsy ireo izay ho niandany mafy tamin’ny Fanjakan’Andriamanitra alohan’ny “fahoriana lehibe” izay io ady io no ho fara heriny. Na dia antsoina hoe “olona betsaka” aza ireo dia azo lazaina hoe vitsy raha oharina amin’ny mponina eto an-tany amin’izao andro izao, indrindra fa raha oharina amin’ny olona an’arivo tapitrisany maro velona teto an-tany hatramin’izay (Apokalypsy 7:9). Izy ireo dia ho sahala amin’i Noa sy ny ankohonany izay tafita velona tamin’ny safodrano. Hanome fiandohana marina ho an’ny fitambaran’olombelona ireo anisan’izany “olona betsaka” izany. Izy ireo no hahaforona ny fanorenan’ny “tany vaovao”, izany hoe ny fitambaran’olona voalamina eo ambany fitarihan’ny Fanjakana mesianika any an-danitra. — II Petera 2:5; 3:5-13.

Ny fiainana ho an’ireo olona an’arivo tapitrisany maro maty amin’izao fotoana izao

Tsy havelan’Andriamanitra tsy ho tanteraka anefa ny fikasany, satria tsy mizaha tavan’olona izy (Isaia 46:9, 10; Asan’ny apostoly 10:34, 35). Ny soa mahavelon’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy dia natao ho an’ny olona amin’ny ankapobeny. Izao no vakintsika mikasika ny fampiharana azy amin’ny olon-kafa maro: “Fa Ilay natao ambany kely noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy, mba hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra noho ny fahasoavan’Andriamanitra.” (Hebreo 2:9). “Ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa.” (I Jaona 2:2). “Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra.” — I Timoty 2:5, 6.

Miorina amin’izany, dia izao no nambaran’i Jesosy Kristy: “Fa avy ny ora izay handrenesan’ireo rehetra ao amin’ny fasana fahatsiarovana ny feony ary dia hivoaka izy ireo.” (Jaona 5:28, 29, MN ). Izao koa no nolazain’ny apostoly Paoly: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka [amin’ny maty].” — Asan’ny apostoly 24:15.

Koa satria hatsangana ny maty, dia hisy ranon’aina ampy hanasitranana azy ireny sy hamerenana azy indray ho amin’ny fahafenoan’ny fiainana. Mahazo matoky ny amin’izany isika, satria hitantsika ilay ony mihalalina hatrany: “Ary nandrefy arivo hakiho indray izy [ilay anjely], dia nampitainy ny rano aho, ka halohalika ny rano.” — Ezekiela 47:4.

Mbola nihalalina ihany anefa ilay ony. Noho izany dia afaka mieritreritra isika fa tsy hitsangana miaraka amin’izay akory ireo maty an’arivo tapitrisany maro, satria raha izany no izy dia ho voatery hifanandrina amin’ny fihoaran’ny isam-bahoaka lehibe dia lehibe ireo ho tafita velona. Ahoana no hahafahan’izy ireo manome azy ny zavatra ara-nofo ilaina, tsy lazaina intsony ny fampianarana azy ireny sy ny fampiofanana azy ho amin’ny karazam-piainana atoron’i Jehovah?

Tamin’ny fandrefesana nanaraka dia mbola vao mainka nihalalina kokoa ihany ilay ony: “Ary nandrefy arivo hakiho indray koa izy, dia nampitainy aho, ka havalahana ny rano.” (Ezekiela 47:4). Arakaraka ny fandehan’ireo arivo taona dia hitombo isa ny tafatsangana amin’ny maty, satria ho betsaka kokoa ny vahoaka mahatokin’ilay Fanjakana hikarakara azy. Nefa amin’ireo hatsangana amin’ny maty, ny sasany dia tsy hankamamy ny fahasoavan’i Jehovah ka tsy hiseho ho mankatò. Izany no ho hitantsika amin’ny fandinihana ny tohin’ny faminaniana ao amin’ny lahatsoratra iray hanaraka. Ireo olona mankatò an’arivony tapitrisany maro dia hiara-miasa amin’ny fampiverenana amin’ny laoniny ny paradisa ka hanampy ireo hatsangana amin’ny maty manaraka ho tonga amin’ny fahalalana an’i Jehovah, Mpanome ny aina, sy ny Zanany, ilay Mpanjaka, mba handraisany soa avy amin’ny asany tena ilaina amin’ny fiainana, amin’ny maha-Mpisoronaben’Andriamanitra azy.

Tamin’ny farany ilay anjely dia “nandrefy arivo hakiho indray koa (...), ary efa ony tsy azo itana, fa efa nihalalina ny rano, dia rano holanosina [azo nilomanosana, NW], eny, ony tsy azo itana”. — Ezekiela 47:5.

Alohan’ny fahataperan’ny fanjakana arivo taonan’ny Mesia, ny fasana eto an-tany iombonan’ny olona rehetra (Hadesy) sy ny ranomasina, izay ny onjany no mahaforona fasan’olona maro, dia hofoanana tsy hisy izay rehetra tanany ao anatin’ny fahafatesana (Apokalypsy 20:13, 14). “Ny ranon’aina” ara-panoharana dia tokony homena ny maty farany mandray soa amin’ny avotra. Tsy misy na inona na inona mahasakana ny onin’ny “ranon’aina” tsy hahatratra ny olombelona mba hitondra fiainana be dia be ho azy ireo.

Manana zava-kendrena Jehovah amin’ny fanomezana mialoha ny fahalalana ny fandaharana mahatalanjona nataony ho an’ny olombelona. Voalohany indrindra aloha dia manome fanantenana izy, nefa izao tontolo izao tsy manome na inona na inona amin’izany mihitsy (I Tesaloniana 4:13). Ankotr’izany dia manosika ireo velom-pankasitrahana amim-pahasorana izy mba hanasa olona betsaka araka izay azo atao hanomboka hisotro dieny izao io rano mahavelona io, satria mila dia mila izany tokoa izy ireny. Isika rehetra izay mandre sy mahafantatra, dia aoka isika hiara-milaza amim-pifaliana amin’ny fanahy sy ny ampakarina hoe: ‘Avia hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.’

[Sary, pejy 381]

Fahitan’i Ezekiela ny FITOERANA MASIN’I JEHOVAH Sary araka ny fahalavirany

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara