-
Aoka isika hatoky an’i Jehovah fa tsy ny “tetika fikomiana” iray!Ny Tilikambo Fiambenana—1987 | 1 Desambra
-
-
sambo fiara. Toy izany koa, amin’ny ambaratonga lehibe lavitra, dia hanana vavolombelona eto an-tany izy mba hilaza fa nanamarina ny tenany tamin’ny fomba raikitra izy amin’ny maha-Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao (II Petera 3:6, 7, 13, 14). Ireny vavolombelona ireny dia ho ireo izay, eo anivon’ity izao tontolo izao voaheloka ity, dia mametraka ny fitokisana aminy mba hanorenana ny fiadanana sy ny filaminana. Ho sambatra ianao raha anisan’ireny vavolombelona ireny izay harovana amin’ny fomba mahagaga. Ho naseho tamin’izany fa ny fiadanana sy ny filaminanao dia avy amin’i Jehovah Andriamanitra fa tsy avy amin’izay rehetra mety ho fivondronana na firaisan-tetika ataon’ireo fanjakana ara-politika eto amin’ity fandehan-javatra tapahin’ny Devoly ity.
20. Ahoana no hivoahan’i Jehovah avy amin’io ady io, ary tapa-kevitra ny hanao inona isika?
20 Hivoaka hahazo voninahitra avy amin’io ady io Jehovah Andriamanitra. Ho fantatra ho Ilay tokony hivavahana sy hotompoina izy, dia ilay Fisiana Andriamanitra — ilay Andriamanitr’ireo andriamanitra, ny hany nanaovana ireto tenin’ny mpanao salamo ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ireto: “Andriamanitra Hianao hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay.” (Salamo 90:2). Amim-pankasitrahana mitombo hatrany, dia aoka isika hatoky an’i Jehovah Andriamanitra foana sy hifikitra aminy hatrany amin’ny alalan’ilay Kyrosy Lehibe, dia Jesosy Kristy.
-
-
Fanontanian’ny mpamakyNy Tilikambo Fiambenana—1987 | 1 Desambra
-
-
Fanontanian’ny mpamaky
◼ Inona moa no atao hoe “bokin’ny fiainana” an’Andriamanitra, ary inona no tokony hataoko mba ho voasoratra sy voatahiry ao ny anarako?
Andinin-teny samihafa ao amin’ny Baiboly no mampiseho fa Jehovah Andriamanitra dia manana “boky”, na “horonamboky”, izay anoratany ny anaran’ny olona mahatoky afaka manantena ny hahazo ny fiainana mandrakizay, any an-danitra na eto an-tany.
Avy any an-danitra, ilay Andriamanitra marina dia mahamarika ireo olona manam-pinoana mendrika ny hahazo sitraka aminy sy ho ao amin’ny fitadidiany. Izao no vakintsika ny amin’ny Jiosy sasany tamin’ny andron’i Malakia: “Ary tamin’izany izay natahotra an’i Jehovah dia samy niresaka tamin’ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’i Jehovah sy mihevitra ny anarany.” — Malakia 3:16.
Hatramin’ny andron’i Abela, dia toa marihin’Andriamanitra, toy ny hoe manoratra ao amin’ny boky iray izy, ny olona azo avotana izay hotsarovany mba hanomezana azy ireny ny fiainana mandrakizay (Matio 23:35; Lioka 11:50, 51). Ireo kristiana voahosotra koa dia nanana ny anarany ‘voasoratra tao amin’ny bokin’ny fiainana’, na boky fahatsiarovana. Izany dia hahatonga azy ireny hahazo ny fiainana mandrakizay; raha ny amin’izy ireo, izany dia ho fiainana any an-danitra (Filipiana 4:3; 3:14, 20). Nefa kosa, raha ny amin’ireo izay “gaga raha mijery ilay bibi-dia”, dia izao no ambaran’ny Apokalypsy 17:8: “Tsy voasoratra eo amin’ny bokin’ny fiainana hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao” ny anarany.
Tsy hoe satria Andriamanitra tapa-kevitra ny hahatsiaro olona iray sy ny hankasitraka azy (hanoratra ny anarany “eo amin’ny bokin’ny fiainana”) dia hoe azony antoka fa hahazo ny fiainana mandrakizay izy, toy ny hoe voalahatra ny fiainany ka tsy afaka miova lalana intsony izy. Nanao izao hataka izao tamin’i Jehovah ho an’ny Isiraelita i Mosesy: “Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Hianao! Fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin’ny bokinao izay nosoratanao ny anarako.” Namaly azy toy izao Andriamanitra: “Na iza na iza nanota tamiko, dia hovonoiko ny anarany eo amin’ny bokiko.” (Eksodosy 32:32, 33). Eny, na dia taorian’ny nanoratan’Andriamanitra tao amin’ny ‘bokiny’ ny anaran’ny olona iray ankasitrahany aza, dia mety hanjary tsy hankatò io na handa ny finoany. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia ‘hovonoin’Andriamanitra eo amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany’. — Apokalypsy 3:5.
Amin’izao fotoana izao, raha voasoratra ao amin’ny “bokin’ny fiainana” na “boky fahatsiarovana” an’Andriamanitra ny anarantsika, dia tokony hanohy haneho finoana isika. Izany no fepetra takina mba hahavoatahiry ny anarantsika ao. Toy izany koa, ireo izay hatsangana amin’ny ‘fananganana ny tsy marina’ dia hanana fahafahana haneho finoana sy hanana ny anarany voasoratra ao amin’io boky io (Asan’ny apostoly 24:15, MN ). Ny olona voamarika toy izany dia ho afaka, amin’ny farany, hanao izay hahatonga ny anarany ho voasoratra eo foana mandrakizay. Toy izany ny amin’ireo kristiana voahosotra izay miseho ho “mahatoky hatramin’ny fahafatesana”. (Apokalypsy 2:10; 3:5.) Fa raha ny amin’ireo izay manana fanantenana ny hiaina eto an-tany, raha miseho ho tsy mivadika dieny izao izy ireny, avy eo dia mandritra ny Fanjakana arivo taonan’i Kristy sy ao anatin’ny fitsapana farany raikitra hanaraka izany, amin’izay ny anarany dia hijanona mandrakizay ho “voasoratra eo amin’ny bokin’ny fiainana”. — Apokalypsy 20:5-15.
-