FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • sg fian. 22 p. 113-116
  • Fampidiran-dresaka Mandaitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampidiran-dresaka Mandaitra
  • Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • **********
  • **********
  • Fampidiran-dresaka Mahaliana
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
sg fian. 22 p. 113-116

Fianarana 22

Fampidiran-dresaka Mandaitra

1-3. Fomba inona avy no azonao anairana ny fahalianana ho amin’ilay foto-kevitra ao amin’ny fampidiran-dresaky ny lahateny iray?

1 Manaitra ny fahalianana. Ny fampidiran-dresaky ny lahateny iray dia tokony hanaitra ny fahalianana ho amin’ilay foto-kevitra. Ny zava-kendreny dia ny hitana ny fahalianan’ny mpihaino anao sy ny hanomana azy hihevitra tsara izay hanaraka. Mba hahatongavana amin’izany dia ilaina ny hampisehoana amin’ny mpihaino ny hasarobidin’ny foto-kevitrao.

2 Ny anankiray amin’ny fomba tsara indrindra hanairana ny fahalianana dia ny fampisehoana amin’ny mpihaino fa ilay foto-kevitra dia mahakasika azy ireo mivantana. Ataovy izay hahatakarany fa ilay fanazavana dia zava-dehibe iankinan’ny ainy. Tsy maintsy miainga avy eo amin’ny fari-pahalalan’ny mpihaino ianao amin’izany. Midika izany fa izay lazainao dia tokony ho anisan’ireo zavatra fantatry ny mpihaino tsara. Mety ho fanoharana izany, na zava-manahirana iray, na fitohitohizam-panontaniana. Tokony ho zavatra efa mahazatra ny mpihaino foana anefa izany, mba hahafahan’izy ireo hahatakatra ny heviny sy hampihatra izany amin’ny tenany.

3 Indraindray dia mety hilaina horesena ao anatin’ny fampidiran-dresakao ny fitsarana an-tendrony, indrindra fa raha ireny mahatonga adihevitra be ireny ilay foto-kevitra. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia tena zava-dehibe ny fampidiran-dresakao raha tianao hotanana ny fahalianan’ny mpihaino, ambara-pahavitanao soa aman-tsara ny fanaporofoan-kevitrao. Amin’ny asa fanompoana isan-trano, dia matetika no azo resena ny fanoherana mahazatra amin’ny filazana ilay izy voalohany amim-pahaiza-mandanjalanja, ary amin’ny firesahana ilay foto-kevitra irinao hojerena rehefa avy eo.

4-6. Anton-javatra hafa inona no hanampy anao hanao fampidiran-dresaka manaitra ny fahalianana?

4 Tena zava-dehibe foana izay lazainao. Mba hanairana ny fahalianana amin’ny fampidiran-dresakao anefa, dia ny fomba ilazanao azy no azo inoana fa zava-dehibe kokoa noho ireo tapany hafa rehetra amin’ny lahateny. Noho izany antony izany, no ilana hanomanana mialoha amim-pitandremana ny fampidiran-dresakao, tsy mahakasika fotsiny izay teny holazainao, fa mahakasika koa ny fomba kasainao hampisehoana azy.

5 Amin’ny ankapobeny, ny fehezanteny fohy sy tsotra no mety indrindra amin’ny fampidiran-dresaka. Koa satria tena zava-dehibe tokoa ny ifidianana izay teny holazaina mba hahatratrarana ny zava-kendrenao ao anatin’ny fotoana fohy, dia mety ho hitanao fa tsara kokoa ny manomana amim-pitandremana ireo fehezanteny roa na telo voalohany. Soraty manontolo eo am-piandohan’ny planinao izany. Ho azonao atao ny hamaky izany na hianatra izany tsianjery. Amin’izay ny teninao voalohany indrindra dia hanana ny lanjany mendrika azy. Ankoatra izany, io fomba io dia hanome anao fatokian-tena bebe kokoa ary hahazoanao aina mba hanohizana ilay lahateny amin’ny fomba an-tehaka.

6 Ireto misy torohevitra vitsivitsy fanampiny mahakasika ny filazana fampidiran-dresaka, na dia tsy hoheverin’ny mpikarakara ny sekoly aza izy ireo rehefa hanome torohevitra anao mifandray amin’ity toetra takina eo amin’ny fahaiza-mandaha-teny ity izy. Raha tratran’ny fientanam-po ianao dia ataovy miadana kokoa ny fiteninao ary ampidino ny haavon’ny feonao. Mitenena amim-pahatokiana, nefa aza miseho ho toy ny hoe mitompo teny fantatra. Mety hahatonga ny mpihaino ho sosotra aminao hatrany am-piandohan’ny famelabelaranao izany.

7. Rahoviana ianao no tokony hanomana ny fampidiran-dresakao?

7 Na dia tapany voalohany amin’ny lahateny aza ny fampidiran-dresaka, dia mazàna faran’izay mandaitra izy io rehefa omanina aorian’ny nandaminana tsara ny tenan’ilay lahateny. Amin’izay dia ho fantatrao ny fomba tsara indrindra hampidirana ireo hevitra voaomanao.

**********

8-10. Inona no azontsika atao mba hahatonga ny fampidiran-dresatsika hifanaraka amin’ny foto-kevitra?

8 Mifanaraka amin’ny foto-kevitra. Mba hampidirana amin’ny fomba mandaitra ny foto-kevitrao, ny fampidiran-dresaka dia tokony hifanaraka amin’ny foto-kevitra. Mitandrema fatratra mba tsy hampiasa ao amin’ny fampidiran-dresaka afa-tsy hevitra miditra mivantana amin’ny zava-kendrena tadiavina. Mazava ho azy ihany koa fa ireo teny fanokafana dia tokony hifanentana amin’ny fahamendrehan’ny hafatra momba ilay Fanjakana ary tsy hanafintohina ireo vahiny izay mety ho anisan’ny mpanatrika.

9 Tsy vitan’ny hoe tokony hitondra ho amin’ny foto-kevitra fotsiny ny fampidiran-dresakao, fa tokony hampiseho mazava koa ilay lafiny manokana hovelabelarinao. Midika izany fa tokony hoferanao mba hanana foto-kevitra iray voafaritra tsara ny lahateninao, ary avy eo, dia hataonao izay hilazana io foto-kevitra io ao amin’ny fampidiran-dresakao, araka izay mahamety azy. Na dia tsy holazainao ara-bakiteny aza ilay foto-kevitra, dia azonao atao indraindray ny mampiasa teny fototra ao amin’ny fampidiran-dresakao. Amin’izay ny mpihaino anao dia tsy hanampo ny handre anao hamelabelatra lafiny hafa iray mety hofonosin’ny lohatenin’ny lahateninao.

10 Ny lahateny rehetra dia tokony hahaforona tenany iray tafakambana tsara, fa tsy hanomboka amin-javatra iray, ary hifarana amin-javatra hafa. Ankoatra izany, dia tsy maintsy ampifandanjaina ny fanaovana fampidiran-dresaka mifanaraka amin’⁠ny foto-kevitra sy ny fampidiran-dresaka manaitra ny fahalianana. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia tsy tokony hampandeferina ny foto-dresaka satria fotsiny hoe nahita zavatra tsara hotantaraina eo am-piandohana. Ny zava-kendren’ilay lahateny no tokony hibahan-toerana eo amin’ireo hevitra fantenanao, ary izany dia tokony hifanentana sy hifanaraka amin’ny tenan’ilay lahateny.

**********

11-14. Ahoana no ahafahantsika mamantatra raha antonony ny halavan’ny fampidiran-dresaka?

11 Antonony ny halavany. Tokony hanao ahoana ny halavan’ny fampidiran-dresaka? Tsy misy valiny hentitra izay hifanentana amin’ny toe-javatra rehetra. Ny halavan’ny fampidiran-dresaka dia miankina amin’ny faharetan’ny lahateny, ny zava-kendrena tadiavina, ny mpihaino ary zavatra maro hafa heverina.

12 Raha ny marina, eo am-pihainoana lahateny, dia tokony ho sarotra mazàna ny manavaka mazava tsara ny fisarahan’ny fampidiran-dresaka amin’ny tenan’ilay lahateny, noho izy ireo mifampitohy. Anjaran’ilay mpanome torohevitra ny mijery izany rehefa ho tonga eo amin’io zavatra hotandremana io ianao ao amin’ny taratasy Torohevitra Momba ny Lahateny. Manao fanamarihana vitsivitsy ho fampidiran-dresaka ny mpianatra tsirairay avy, eo am-piandohan’ny lahateniny, nefa hametraka izao fanontaniana izao ilay mpanome torohevitra: Moa ve ny fampidiran-dresakao misafotofoto, be tsipiriany loatra, lava loatra, hany ka manjary tsy liana intsony ny mpihaino, kanefa ianao mbola tsy tonga akory eo amin’ny fanaporofoan-kevitra lehibe indrindra tokony haseho?

13 Ny fampidiran-dresaka dia tokony ho fitohitohizan-kevitra fohy sy mirindra izay mampiditra ilay foto-kevitra sady manaitra ny fahalianan’ny mpihaino. Tokony ho feno izany, tsy hisy banga. Mitaky fieritreretana amim-pitandremana izany, satria raha mifanalavitra loatra amin’ilay foto-kevitra ny teny fanokafanao ka mitaky fanazavana lava sy be tsipiriany, dia aleo mamela izany ka mitady iray hafa.

14 Raha sarotra ny mamaritra ny fizarana hentitra eo anelanelan’ny fampidirana sy ny tenan’ny lahateninao, dia mety ho antonony ny halavan’ny fampidiran-dresakao. Hampiseho izany fa nitarika tsara aoka izany ny mpihaino anao ho amin’ny tenan’ny lahateny ianao hany ka tsy tsapany akory fa eo am-pihainoana ny fanaporofoan-kevitrao izy ireo. Mifanohitra amin’izany, fa raha manontany tena izy ireo hoe rahoviana ianao no ho tonga amin’ny votoatin-kevitra, dia famantarana azo antoka izany fa lava loatra ny fampidiran-dresakao. Io fahalemena io dia hita matetika amin’ireo fampisehoana atao isan-trano satria avy amin’ny varavarana iray mankamin’ny iray hafa dia ilaina matetika ny manova ny halavan’ny fampidiran-dresaka.

15, 16. Manao ahoana ny tokony ho halavan’ny fampidiran-dresaky ny lahateny iray izay anisan’ny fitohitohizan-dahateny?

15 Raha ianao no manao ny hany lahateny ao amin’ny fandaharana na manao lahatenin’ny mpianatra dia mety ho lava kokoa noho ny amin’ny fotoana hafa ny fampidiran-dresakao. Fa raha toa ny lahateninao ka tapany iray amin’ny fitohitohizan-dahateny na amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana izany, dia mety ho fohy sy mivantana ny fampidiran-dresakao, satria anisan’ny fitambarana iray izay efa nampidirina ny lahateninao. Mandany fotoana betsaka tsy amin’ny antony ny fanaovana fampidiran-dresaka lava sy sarotra. Ny tenan’ny lahateny no mampita ireo hevitra tokony hasehonao.

16 Raha fintinina, ny hany zava-kendren’ny fampidiran-dresakao dia ny hampisy fifandraisana amin’ny mpihaino sy hanaitra ny fahalianany ary hampiditra ny foto-dresaka amin’ilay lahateny. Tratraro haingana araka izay azo atao io tanjona io ary dia velabelaro ny hevi-dehibe.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara