FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/9 p. 31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mitovitovy Aminy
  • “Tsy Misy Mahasakana An’i Jehovah”
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • “Niara-niasa Tamin’Andriamanitra” i Jonatana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • “Niraiki-po Be Tamin’i Davida” i Jonatana
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • Tsy Natahotra sy Tsy Nivadika i Jonatana
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/9 p. 31

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Namoy ny fankasitrahan’Andriamanitra ve i Jonatana rehefa nihinana tantely kely taorian’ny nanambaran’i Saoly fa voaozona ny miaramila rehetra hihinana alohan’ny fahavitan’ny ady?

Noho ny fianianana tsy voahevitra nataon’i Saoly, dia nety ho voaozona ny Isiraely, kanefa tsy misy na inona na inona mampiseho fa mendrika ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra i Jonatana noho ny tsy nanajany an’io fianianana io.

Ny fitantarana an’io fisehoan-javatra io dia voarakitra ao amin’ny I Samoela 14:24-45. Ireo Isiraelita nihasahy noho ny herim-po an’ady nasehon’i Jonatana, dia teo am-piadiana tamin’ny Filistina fahavalo rehefa nihiaka toy izao i Saoly mpanjaka: “Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio tontolo andro mandra-pamaliko ny fahavaloko.” (1Sa 14 Andininy faha-24). Noho izy tsy nahalala ny fianianan-drainy, dia nihinan-tantely kely i Jonatana mba hahazoana hery. Nisy mpiady isiraelita hafa izay reraka sahala aminy, nanota tamin’ny famonoana biby fiompy sy tamin’ny fihinanana tamim-pahalianana fatratra ny henany tsy afa-dra. Nanorina alitara i Saoly noho io fahotana io, kanefa tsy fantany ny nataon’ny zanany.

Rehefa nitady ny fitarihan’i Jehovah i Saoly mba hahafantarana raha tokony hanohy ny ady izy, dia tsy namaly azy i Jehovah. Tamin’ny alalan’ny Tomima (angamba ny filokana masina), dia fantatr’i Saoly fa nandika ny fianianana nataony tsy tamim-piheverana ny zanany. Kanefa raha ny marina, tamin’ny ahoana no nahameloka an’i Jonatana?

Tadidio ny toe-tsaina nananan’ny mpanjaka rehefa nanonona an’io fianianana io voalohany izy. Tsy naniry ny hanome voninahitra an’Andriamanitra izy tamin’ny fandresena ny Filistina. Mifanohitra amin’izany fa notononiny tamin’ny fomba tsy voahevitra ny fanozonana izay rehetra hihinana “mandra-pamaliko ny fahavaloko”, hoy izy. Eny, fiheverana tafahoatra ny fahefam-piandrianana na zotom-po sandoka no nanosika an’i Saoly hanao io fianianana io. Tsy nety ho nankasitrahan’Andriamanitra ny fianianana toy izany. Izy dia nandray anjara tamin’ny fahotana nataon’ny Isiraelita tamin’ny fihinanana ram-biby. Raha tsy nanakantsakana an’ireo lehilahy ireo io fianianana io, dia angamba izy ireo ho nahita sakafo ka ho nahazo tamin’izany, hery hanenjehana ny Filistina mandra-pandresiny azy ireo tanteraka.

Marina fa navelan’Andriamanitra hampiasaina ny Tomima mba hahitana fa nandika ny fianianan’i Saoly (noho ny tsy fahalalana) i Jonatana, kanefa tsy milaza akory izany hoe nankasitrahany io fianianana tsy voahevitra io. Tsy milaza na aiza na aiza ny fitantarana fa hoe nihevitra an’i Jonatana ho meloka Andriamanitra. Raha ny marina, rehefa vonona ny handoa ny vidiny noho ny nandikana an’io fianianana nataon-drainy maimaika io i Jonatana, ny fitrangan-javatra dia nahatonga ny ainy ho voatsimbina. Nanambara ireo miaramila isiraelita fa nampiseho ny herim-pony an’ady ‘niaraka tamin’Andriamanitra’ i Jonatana, ka nisy fomba nanavotan’izy ireo an’i Jonatana. Tao anatin’ireo taona nanaraka, dia Jonatana no nitahiry ny fankasitrahan’Andriamanitra, fa i Saoly kosa dia nanao fahadisoana nisesy.

◼ Firy ny isan’ny mpitsara tahaka an’i Samsona sy Gideona?

Raha isaina ny isan’ireo mpitsara, dia tonga amin’ny tarehi-marika miovaova ny tena arakaraka ny fomba fiheverana ny Isiraelita sasany. Azo atao anefa ny manantitrantitra na ahoana na ahoana fa teo anelanelan’i Josoa sy Samoela dia lehilahy 12 no nanao ny raharahan’ny mpitsara.

Tamin’ny andron’i Mosesy sy Josoa, ny loholona sasany tao amin’ny kongregasionan’ny Isiraely dia mpitsara tamin’ny heviny hoe nofidina izy ireny mba hihaino sy hitsara ireo raharaha (Eksodosy 18:21, 22; Josoa 8:33; 23:2). Taorian’ny nahafatesan’i Josoa, dia nihataka tamin’ny fanompoam-pivavahana marina ny Isiraely ary nampahorin’ny firenena hafa. Izao no lazain’ny Mpitsara 2:16: “Kanefa Jehovah nanangana mpitsara izay namonjy azy tamin’ny tànan’ireo namabo azy.” Ny lehilahy voalohany nirahin’i Jehovah mba ho mpitsara na ‘mpamonjy’ ny Isiraely dia nantsoina hoe Otniela (Mpitsara 3:9). Nanaraka azy dia tao Ehoda, Samgara, Baraka, Jaïra, Jefta, Ibzana, Elona, Abdona sy Samsona.

Afa-tsy ireo mpitsara 12 ireo, dia milaza koa ny Baiboly fa Debora, Ely sy Samoela dia “nitsara” ny Isiraely (Mpitsara 4:4; I Samoela 4:16-18; 7:15, 16). Talohan’ny zavatra rehetra anefa, Debora dia nolazaina ho mpaminanivavy ary nampiarahina tamin’ny Baraka mpitsara izay nitarika indrindra mba hanafahana ny Isiraelita tamin’ny fampahoriana. Toy izany koa, Ely dia mpisoronabe indrindra ary tsy “mpamonjy” velively izay ho nanafaka ny Isiraely tamin’ny fiadiana tamin’ireo mpampahory azy (Nehemia 9:27). Araka izany àry, na dia nandray anjara sasany aza Debora sy Ely raha ny amin’ny fitsarana ny Isiraely, dia misy antony tsara tsy tokony hanampiana azy ireo amin’ny lisitr’ireo lehilahy 12 izay, alohan’ny zavatra rehetra sy tamin’ny fomba niharihary, dia ‘nirahina’ mba ho mpitsara. Araka ny Asan’ny apostoly 13:20, dia ‘nomen’Andriamanitra mpitsara izy hatramin’i Samoela mpaminany’. Izany no manome fetran’izay azo antsoina hoe vanim-potoan’ireo mpitsara ka mampiseho hoe nahoana Samoela sy ireo zanany no mandrakariva tsy ampidirina koa ho anisan’ireo mpitsara. — I Samoela 8:1.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara