FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ny Fomba Hanatsarana ny Feo sy ny Fampiasana Mikrô
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
    • litera “p” indraindray? Mitranga izany rehefa akaiky loatra ny mikrô ny mpandahateny. Ny feo “s” maranitra dia mety hiteraka zava-manahirana ihany koa. Ilaina hohalefahina izy io satria vao mainka ampitomboin’ny fanamafisam-peo ka mikasaoka be rehefa mivoaka. Tsy hanahirana anao ny handresy ireo zava-manahirana ireo raha manaraka ireo torohevitra nomena tetsy ambony ianao.

      22 Ny fiasan’ny feontsika dia fanomezana mahatalanjona avy amin’ny Mpamorona antsika. Avy aminy koa ny aratra sy ny saina mahaforon-javatra izay nahatonga ny fitenenana amin’ny mikrô ho azo atao. Isaky ny mampiasa ny feontsika isika, na misy fitaovana fanamafisam-peo na tsia, dia aoka isika hanao izany amin’ny fomba izay manome voninahitra an’ilay Mpamorona ny teny.

  • Mahay Mandanjalanja, Nefa Hentitra
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
    • Fianarana 14

      Mahay Mandanjalanja, Nefa Hentitra

      1. Nahoana isika no tokony hamboly fahaiza-mandanjalanja?

      1 Rehefa naniraka ireo mpianany hitory i Jesosy dia nasehony azy ireo mazava tsara fa tokony hiseho ho malina izy ireo amin’ny teniny sy ny ataony. Na dia nampanantena aza izy fa homba azy ireo, dia tsy tokony hitady fahasahiranana tsy ilaina izy ireo. (Matio 10:16). Na dia eo amin’izy samy izy aza dia tokony hiteny sy hanao zavatra amim-pahamalinana ny Kristianina mba tsy hifanafintohina noho ny tsy fahampiam-piheverana. (Ohab. 12:8, 18, Darby). Ilaina àry ny mamboly fahaiza-mandanjalanja.

      2. Inona no dikan’ny hoe mahay mandanjalanja?

      2 Io toetra io dia faritana ho toy ny “fahaiza-manavaka izay tokony holazaina sy hatao rehefa mifandray amin’ny hafa” sy “ny fahaizana mifandray amin’ny hafa nefa tsy manafintohina azy ireo”. Ny hoe mahay mandanjalanja dia midika hoe miseho ho ampy fahatsaram-panahy amin’ny teny sy ny ataontsika mba hisorohana ny fandratrana ny fihetseham-pon’ny hafa. Tsy irintsika ny hanafintohina olona amin’ny fomba fitenintsika na ny fitondran-tenantsika. Kanefa tsy midika akory izany fa tsy hampahasosotra ny hafa mihitsy isika amin’izay lazaintsika na ataontsika, satria ny hafatry ny Baiboly mihitsy dia mahasosotra eo imason’ny sasany. (Rom. 9:33; 2 Kor. 2:15, 16). Araka izany, na dia mahay mandanjalanja aza isika eo amin’ny fihetsitsika,

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara