Toko 1
Ny Firaisan-tsaina ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana — Tokony Hidika ho Inona ho Anao Izany?
1, 2. a) Miorina amin’inona ny fisian’ny tena firaisan-tsaina eo amin’ny fanompoam-pivavahana amin’izao androntsika izao? b) Ahoana no ilazan’ny Baiboly izany zava-mitranga izany?
MANERAN-TANY, dia misy fihetsiketsehana mampientana ho amin’ny firaisan-tsaina ao amin’ny fanompoam-pivavahana. Manangona olona avy amin’ny firenena sy foko ary fiteny rehetra izy io. Tsy vokatry ny fanekena lembenana akory ny firaisan-tsain’izy ireo. Tsy azony avy amin’ny fiezahana tsy hanakiana fomba fiaina mifanipaka amin’ny Tenin’Andriamanitra ihany koa izany. Koa inona àry no mahatonga azy io? Izany dia noho ny olona avy amin’ny fiaviana samy hafa aoka izany izay nanjary nahafantatra an’i Jehovah ho ilay hany Andriamanitra marina ary vonona hampifanaraka ny fiainany amin’ireo lalany marina. — Ampitahao amin’ny Apokalypsy 15:3, 4.
2 Izany dia fahatanterahan’ny faminaniana iray noraketin’i Mika mpaminany an-tsoratra tokony ho 2 700 taona lasa izay. Momba ny ‘atỳ am-parany’, dia hoy ny nosoratany: “Maro ny [firenena, NW ] no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony”. (Mika 4:1, 2).a Mahita izany tanteraka amin’izao fotoana izao ve ianao?
3, 4. a) Amin’ny heviny ahoana no ahazoana milaza fa mitodika any amin’i Jehovah “ireo firenena”? b) Tokony hanontany tena hoe ahoana isika?
3 Tsy “firenena” manontolo ara-bakiteny akory no tonga ao amin’ny trano ara-panahin’i Jehovah, mba hanolotra fanompoam-pivavahana aminy. Lehilahy sy vehivavy avy amin’ireo firenena ireo kosa no manao izany. Rehefa mianatra momba ny fikasan’i Jehovah Andriamanitra feno fitiavana sy ny maha-izy azy manintona aoka izany izy ireo, dia voatohina lalina ny fony. Miezaka amim-panetren-tena ny hahafantatra izay takin’Andriamanitra aminy izy ireo. Ny vavaka ataony dia mitovy amin’ny an’i Davida, lehilahy nanam-pinoana izay nilaza hoe: “Ampianaro hanao ny sitraponao aho; fa Hianao no Andriamanitro”. — Sal. 143:10.
4 Mahita ny tenanao eo anivon’izany vahoaka sesehena voaforon’ny mpivavaka amin’i Jehovah izany ve ianao? Moa ve ny fihetsikao eo anatrehan’ny fampianarana voarainao mampiseho fa manaiky marina ianao fa i Jehovah no loharanony? Hatraiza ianao no ‘mandeha amin’ny atorony’?
Ny fomba ahazoana io firaisan-tsaina io
5. a) Ho tonga hatraiza ny firaisan-tsaina ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ny farany? b) Nahoana no ilaina maika dia maika ny hahatongavana ho mpivavaka amin’i Jehovah amin’izao fotoana izao, ary ahoana no ahafahantsika manampy ny hafa ho toy izany koa?
5 Ny fikasan’i Jehovah dia ny hahatafaray ny zavaboary manan-tsaina rehetra ao amin’ny fanompoam-pivavahana — ka tsy hisian’iza na iza ho voafitaky ny fampianaran-diso, na hitsapatsapa satria tsy mahita ny tena hevitry ny fiainana. Toy inona moa ny faniriantsika ny hahatongavan’ny andro hideran’izay rehetra miaina an’ilay hany Andriamanitra marina! (Sal. 103:19-22). Kanefa, alohan’ny hetezan’izany, dia tsy maintsy manadio ny zavatra noforoniny amin’ny fanesorana izay rehetra mandà amim-panamavoana ny fanjakany feno fitiavana ka mikiry hanimba ny fiainan’ny hafa, aloha i Jehovah. Amim-pamindram-po, dia manome fampitandremana mialoha ny amin’izay hataony izy. Manana fahafahana hanova ny lalana arahiny ny olona rehetra hatraiza hatraiza. Noho izany, amin’izao androntsika izao, dia alefa maneran-tany izao fiangaviana maika izao: “Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan’Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.” (Apok. 14:6, 7). Nanaiky izany fanasana izany ve ianao? Raha izany no izy, dia manana tombontsoa hiara-miasa amin’ny fandaminan’i Jehovah ianao izao mba hanampy ny hafa hanao izany koa.
6. Rehefa avy nianatra ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly isika, fandrosoana hafa inona koa no tokony hiezahantsika hatao amin-jotom-po?
6 Tsy tafiditra ao amin’ny fikasan’Andriamanitra ny hampiditra ho ao amin’ny fandaminany olona izay milaza fotsiny fa mino an’i Jehovah sy maniry ny hiaina ao amin’ny Paradisa, kanefa koa mbola manohy mikatsaka amim-pitiavan-tena ny tombontsoan’ny tenany manokana. Iriny ny hahatongavan’ny olona amin’ny “fahalalana tsara ny sitrapony” ka hahitana taratr’izany eo amin’ny fiainany. (Kol. 1:9, 10). Rehefa avy nianatra ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly ireo olona mahay mankasitraka dia maniry handroso ho amin’ny fahamatorana kristiana. Ny fanirian’izy ireo dia ny hahalala an’i Jehovah akaiky kokoa, ny hanitatra sy handalina ny fahatakarany ny Teniny ary ny hampihatra izany amin’ny fomba feno kokoa eo amin’ny fiainany. Mitady ny hitovy amin’ilay Rainy any an-danitra izy ireo, ka hanome taratry ny toetrany tsara ary hijery ireo zavatra amin’ny fomba fijeriny. Izany dia manosika azy ireo hitady fomba handraisana anjara amin’ny fomba feno araka izay azo atao amin’ilay asa asainy hatao manerana ny tany amin’izao androntsika izao. Izany ve no ataonao? — Efes. 5:1; Heb. 5:12–6:3; 1 Tim. 4:15.
7. Amin’ny fomba ahoana avy no hetezan’ny tena firaisan-tsaina amin’izao fotoana izao, ary ahoana no hahatratrarana izany?
7 Ny Baiboly dia mampiseho fa ireo izay manompo an’i Jehovah dia tokony ho vahoaka tafaray. (Efes. 4:1-3). Tokony hisy ankehitriny izany firaisan-tsaina izany, na dia miaina ao amin’ny tontolo misaratsaraka aza isika no sady mbola miady amin’ny tsy fahatanterahan’ny tenantsika manokana koa. Nivavaka tamim-pahatsorana i Jesosy mba ho iray sy hanana ny tena firaisan-tsaina ny mpianany rehetra. Inona no ho dikan’izany? Fa hoe tokony hanana fifandraisana tsara amin’i Jehovah sy ny Zanany aloha izy ireo voalohany indrindra. Ankoatra izany, dia tokony hiray saina eo amin’izy samy izy koa izy ireo. (Jaona 17:20, 21). Tanteraka izany ankehitriny arakaraka ny ampiharan’izy ireo ny fampianarana azony any an-‘tranon’i Jehovah’.
Inona avy ireo lafin-javatra mahatonga firaisan-tsaina?
8. a) Inona no ambolentsika rehefa mampiasa ny Baiboly ny tenantsika manokana mba hanjohiana hevitra momba ny valin’ireo fanontaniana izay mahakasika antsika? b) Amin’ny famaliana ireo fanontaniana voatanisa etsy ambony, dia fakafakao ireo lafin-javatra mahatonga ny firaisan-tsaina kristiana.
8 Ny sasany amin’ireo lafin-javatra fototra mahatonga io firaisan-tsaina io dia voatanisa etsy ambany. Rehefa mamaly ireo fanontaniana manaraka ny tsirairay avy amin’izy ireo ianao, dia eritrereto hoe amin’ny ahoana izany no manan-kery eo amin’ny fifandraisanao amin’i Jehovah sy amin’ireo Kristiana namanao. Ny fanjohianao hevitra momba azy ireo araka ny asehon’ireo andinin-teny voalaza eo dia hampitombo ny fahaizanao misaina sy ny fahaizanao manavaka zavatra araka ny fomba fihevitr’Andriamanitra, ary ireo dia toetra samy ilaintsika rehetra. (Ohab. 5:1, 2; Fil. 1:9-11). Diniho tsirairay àry ireo lafin-javatra ireo:
1) Samy manompo an’i Jehovah isika rehetra ary manaiky fa manana zo hametra ny fari-pitsipika ny amin’ny tsara sy ny ratsy izy.
Inona no hoheverin’i Jehovah raha minia tsy miraharaha ny toroheviny momba ny zavatra iray izay toa madinika amintsika isika? (Lioka 16:10; ampitahao amin’ny Malakia 1:6-8.)
Misy fiantraikany eo amin’ny hafa ve raha toa isika ka tsy mankatò foana ireo baikon’i Jehovah? (Ampitahao amin’ny Romana 5:12; Josoa 7:20-26; 1 Mpanjaka 14:16.)
2) Na aiza na aiza misy antsika eto an-tany, dia manana ny Tenin’Andriamanitra mba hitarika antsika isika.
Rehefa mandray fanapahan-kevitra isika, inona no loza amin’ny fanaovana izay “heverintsika” fotsiny fa mahitsy? (Jer. 17:9; Ohab. 14:12).
Raha tsy fantatsika ny torohevitra omen’ny Baiboly momba ny raharaha iray, inona no tokony hataontsika? (Ohab. 2:3-5).
3) Mandray soa avy amin’ny fandaharam-pamahanana ara-panahy mitovy ihany isika rehetra.
Toe-piainana manao ahoana avy no misy eo amin’ireo izay tsy mankasitraka ireo fandaharan’i Jehovah mba hamahanana antsika ara-panahy? (Ampitahao amin’ny Isaia 1:3; 9:16; 65:14.)
4) I Jesosy Kristy, fa tsy olombelona akory, no Mpitarika antsika sady ilay anatonantsika rehetra an’i Jehovah eo amin’ny fanompoam-pivavahantsika.
Misy amintsika ve manana antony ara-drariny hiheveran-tena ho ambony noho ny hafa? (Rom. 3:23, 24; 12:3; Matio 23:8-10).
5) Na aiza na aiza iainantsika, dia miantehitra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny hany fanantenana ho an’ny olombelona, isika.
Amin’ny ahoana izany no miaro antsika amin’ny antony mampisaratsaraka? (Matio 6:9, 10; Mika 4:3).
6) Mamokatra ao amin’ireo mpivavaka amin’i Jehovah ireo toetra tsara izay tena ilaina ho amin’ny firaisan-tsaina kristiana, ny fanahy masina.
Amin’ny fomba ahoana no amelantsika ny fanahin’Andriamanitra hamokatra ny voany ao amintsika? (Sal. 1:2; Ohab. 22:4; Apok. 3:6; Asa. 5:32).
Amin’ny ahoana ny fananantsika ny vokatry ny fanahy no hisy fiantraikany eo amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah? Eo amin’ny fifandraisantsika amin’ireo rahalahintsika? (Gal. 5:22, 23).
7) Manana andraikitra hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana isika rehetra.
Amin’ny ahoana ny fandraisantsika anjara tsy tapaka amin’io asa fitoriana io miaraka amin’ireo rahalahintsika no hisy fiantraikany eo amin’ny fihetseham-pontsika momba azy ireo? (Ampitahao amin’ny Kolosiana 4:7, 11.)
9. Inona no vokatra azo rehefa tena mampihatra ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainantsika isika?
9 Ny fanekena ireo zava-misy ireo dia efa zavatra iray. Kanefa mitaky be lavitra noho izany ny fiainana mifanaraka amin’izy ireo. Rehefa manao izany anefa isika, dia hanatona akaiky an’i Jehovah. Ny fifaneraserantsika amin’ireo mpiray finoana amintsika koa dia hanjary ho loharanom-pamelombelomana. Milaza izany toy izao ny Salamo 133:1: “Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina [amim-piraisan-tsaina, NW ].” Tsy tsapan’ny tenanao manokana ve fa mamelombelona tokoa izany hoe tafala avy amin’izao tontolo izao sy ny fitiavan-tenany rehetra, ka miaraka amin’ny hafa izay tena tia marina an’i Jehovah any amin’ireo fivoriana?
Andosiro ireo antony mampisaratsaraka
10. Nahoana isika no mila ny mitandrina mba handositra ny toe-tsaina tsy tia fiankinana?
10 Mba tsy hanimbana io firaisan-tsaina sarobidy io, dia tsy maintsy mandositra ireo antony mampisaratsaraka isika. Ny voalohany sady lehibe indrindra amin’izany dia ny toe-tsaina tsy tia fiankinana. Manampy antsika mba handositra azy io i Jehovah amin’ny fampiharihariana hoe iza no loharanony, izany hoe i Satana Devoly. Izy no ilay namitaka an’i Eva hino fa hitondra tombony ho an’ny tenany ny tsy firaharahana izay nolazain’Andriamanitra sy ny fanapahana ny hevitry ny tenany manokana. Nanaraka azy tamin’io fikomiana io i Adama. Ny vokatr’izany dia loza, tsy ho an’ny tenany ihany, fa ho antsika koa. (Gen. 2:16, 17; 3:1-6, 17-19). Miaina eo anivon’ny tontolo iray vonton’izany toe-tsaina tsy tia fiankinana izany isika, hany ka tsy tokony hahagaga antsika raha mila ny mifehy ny toe-tsaina toy izany ao amintsika isika. Amim-pitiavana, dia manampy antsika amin’izany amin’ny alalan’ny torohevitra omen’ny fandaminany i Jehovah.
11. Inona no hampiseho raha miomana amim-pahatsorana ny hiaina ao amin’ny Fandehan-javatra Vaovao sy marin’Andriamanitra isika na tsia?
11 Tamin’ny alalan’io fandaminana io isika dia nianatra ny amin’ny fampanantenana mahatalanjon’i Jehovah hanolo ny fandehan-javatra ankehitriny amin’ny lanitra vaovao sy tany vaovao ‘izay hitoeran’ny fahamarinana’. (2 Pet. 3:13). Mientam-po isika amin’ny fahatsinjovana fa tsy ho ela dia hanjavona ity tontolo ratsy ity ary hovana ho Paradisa ny tany. Kanefa moa ve ny fomba fiainantsika manokana mampiseho fa tena miomana amim-pahatsorana ny hiaina ao amin’izany tontolo hanjakan’ny fahamarinana izany isika? Milaza mazava amintsika toy izao ny Baiboly: “Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.” (1 Jaona 2:15). Marina fa eo amin’izao tontolo izao dia misy zavatra maro izay tsy misy na dia iray amintsika aza tia azy. Kanefa moa ve isika tsy mankahala afa-tsy ireo lafin-javatra eo amin’izao tontolo izao izay manelingelina ny fahazoan’ny tenantsika fahafinaretana amin’ny fiainana? Sa isika mandositra ny toe-tsainy — dia ny fihetsiny tsy tia fiankinana sy ny fitiavan-tenany tafahoatra? Moa ve isika manao ho fahazarana ny mihaino an’i Jehovah sy mankatò azy avy amin’ny fo, na dia mifanohitra amin’izany aza ny fironan’ny nofontsika? Ny fomba fiainantsika manontolo — na aiza na aiza misy antsika ary na inona na inona ataontsika — dia tokony hanome porofo fa mitodika any amin’Andriamanitra foana ny eritreritsika sy ny antony manosika antsika. — Ohab. 3:5, 6.
12. a) Nahoana no zava-dehibe ny hanararaotana dieny ankehitriny ny fahafahana hianatra ireo lalan’i Jehovah sy hanaraka azy ireo eo amin’ny fiainantsika? b) Inona no hevitr’ireo andinin-teny voalaza ato amin’ity fehintsoratra ity ho an’ny tenantsika manokana?
12 Rehefa tonga ny fotoana noferan’i Jehovah handringanany ity fandehan-javatra ratsy ity sy izay rehetra tia ny fanaony, dia tsy hangataka andro izy. Tsy hampihemotra izany fotoana izany izy na hanova ny fari-pitsipiny mba hahafinaritra an’ireo izay mbola mifikitra amin’ity tontolo ity, an’ireo izay tsy mianatra na manao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fony manontolo. Izao no fotoana hanaovan-javatra! (Lioka 13:23, 24; 17:32; 21:34-36). Mampientana ny fo tokoa àry ny fahitana “olona betsaka” mahay manararaotra io fahafahana sarobidy io ka mikatsaka amin-jotom-po ny toromarika omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny fandaminana be fitiavana ary avy eo dia miara-mandeha amim-piraisan-tsaina eo amin’ny lalany!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha tsy misy fanamarihana manokana, toy ny hoe NW ho an’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao, ireo andalan-teny avy amin’ny Baiboly dia nalaina avy tao amin’ny Fandikan-teny Malagasy.
Famerenana
● Inona no fikasan’i Jehovah raha ny amin’ny fanompoam-pivavahana?
● Rehefa avy nianatra ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly isika, fandrosoana hafa inona koa no tokony hiezahantsika hatao amim-pahatsorana?
● Inona no azontsika tsirairay avy atao mba hanan-kery eo amin’ny fiainantsika araka ny tokony ho izy ireo lafin-javatra noresahintsika mahatonga firaisan-tsaina?
[Sary, pejy 4]