FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • fy toko 6 p. 64-75
  • Ampio ny Zanakao Zatovo mba Hiroborobo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampio ny Zanakao Zatovo mba Hiroborobo
  • Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • FIFAMPIRESAHANA AMIM-PAHAMARINANA SY TSY AN-KIFONOFONO
  • IZAY TOKONY HAMPITAINA
  • FIFEHEZANA SY FANAJANA
  • ASA SY LALAO
  • REHEFA TONGA OLON-DEHIBE NY ZATOVO
  • Ry Ray Aman-dreny, Tezao Amim-pitiavana ny Zanakareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Misy Mpikomy ve ao An-trano?
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
  • Ahoana no Hanomezana Fitsipika ny Tanora?
    Mifohaza!—2013
  • Ahoana Raha Lasa Tsy Atokisanao Intsony ny Zanakao?
    Ho An’ny Fianakaviana
Hijery Hafa
Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
fy toko 6 p. 64-75

TOKO FAHENINA

Ampio ny Zanakao Zatovo mba Hiroborobo

1, 2. Zava-tsarotra inona avy sy fifaliana inona avy no entin’ireo taona maha-zatovo?

NY FANANANA zatovo ao an-trano dia samy hafa be amin’ny fananana ankizy dimy taona na ankizy folo taona mihitsy aza. Ireo taona maha-zatovo dia mitondra zava-tsarotra sy zava-manahirana manokana aminy, nefa afaka mitondra fifaliana sy valisoa koa. Ny ohatra toa an’i Josefa, i Davida, i Josia ary i Timoty dia mampiseho fa afaka manao zavatra amim-pahaiza-mandray andraikitra, sy manana fifandraisana tsara dia tsara amin’i Jehovah, ny tanora. (Genesisy 37:2-11; 1 Samoela 16:11-13; 2 Mpanjaka 22:3-7; Asan’ny Apostoly 16:1, 2). Zatovo maro amin’izao andro izao no manaporofo izany koa. Azo inoana fa mahafantatra sasany aminy ianao.

2 Kanefa, ho an’ny sasany, ireo taona maha-zatovo dia misamboaravoara. Tantely amam-bahona ny fiainana ara-pihetseham-pon’ny zatovo. Ny zatovolahy sy ny zatovovavy dia mety hitady fahaleovan-tena kokoa, ary mety ho tsy faly noho ireo fetra apetraky ny ray aman-dreniny aminy izy ireo. Kanefa, ireo tanora ireo dia mbola tena tsy ampy fanandraman-javatra ary mila fanampiana feno fitiavana sy faharetana avy amin’ny ray aman-dreniny. Eny, afaka ny hampientanentana ireo taona maha-zatovo, nefa afaka ny hampisafotofoto koa — na ho an’ny ray aman-dreny na ho an’ny zatovo. Ahoana no azo anampiana ny tanora mandritra ireo taona ireo?

3. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny manome an’ireo zanany zatovo, fahafahana tsara dia tsara eo amin’ny fiainany?

3 Ny ray aman-dreny manaraka ny torohevitry ny Baiboly dia manome ho an’ny zanany zatovo ny fahafahana tsara indrindra araka izay azo atao, hamakivaky amim-pahombiazana ireo fisedrana ireo, mandra-pahatongany ho olon-dehibe. Tany amin’ny tany rehetra sy nandritra ny fe-potoana rehetra, ireo ray aman-dreny sy zatovo samy nampihatra ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly, dia nahita fahombiazana ho fitahiana. — Salamo 119:1.

FIFAMPIRESAHANA AMIM-PAHAMARINANA SY TSY AN-KIFONOFONO

Sary, pejy 67

Aoka ianao ho azo hatonina rehefa mila ny hiresaka ny zanakao zatovo

4. Nahoana ny resaka tsiambaratelo no zava-dehibe indrindra mandritra ireo taona maha-zatovo?

4 Hoy ny Baiboly: “Ho foana ny fikasana raha tsy misy [resaka tsiambaratelo, NW ]”. (Ohabolana 15:22). Raha tena nilaina ny resaka tsiambaratelo fony mbola kely kokoa ireo ankizy, dia vao mainka zava-dehibe dia lehibe izy io mandritra ireo taona maha-zatovo — ireo taona izay azo inoana fa mahakely kokoa ny fotoana lanin’ny tanora ao an-tokantrano ary mahabetsaka kokoa ny fotoana laniny miaraka amin’ny mpiara-mianatra na ny namana hafa. Raha tsy misy resaka tsiambaratelo — fifampiresahana amim-pahamarinana sy tsy an-kifonofono eo amin’ny zanaka sy ny ray aman-dreny — dia afaka ny ho tonga olon-tsy fantatra ireo zatovo ao an-trano. Koa ahoana àry no ahafahana mihazona ny lalan’ny fifampiresahana hisokatra?

5. Fomba fihevitra ahoana momba ilay raharaha ny amin’ny fifampiresahana amin’ny ray aman-dreniny no hampirisihana hananan’ny zatovo?

5 Na ny zatovo na ny ray aman-dreny dia tsy maintsy manao ny anjarany amin’io. Marina fa ny zatovo dia mety hahita fa sarotra kokoa noho ny fony izy mbola kely, ny miresaka amin’ny ray aman-dreniny. Na dia izany aza, tadidio fa “raha tsy misy mpitondra, dia rava ny firenena; fa handry fahizay, raha maro ny mpanolo-tsaina”. (Ohabolana 11:14). Ireo teny ireo dia mihatra amin’ny rehetra, na tanora na antitra. Ho takatr’ireo zatovo izay mahafantatra izany fa mbola mila fitarihan-dalana amim-pahakingana ny tenany, satria miatrika raharaha manahirana kokoa noho ny taloha. Tokony heken’izy ireo fa ampy fahaizana tsara mba ho mpanolo-tsaina ireo ray aman-dreniny mino, noho izy ireo za-draharaha kokoa eo amin’ny fiainana ary efa nanaporofo ny fiahiany feno fitiavana tao anatin’ny taona maro. Noho izany, eo amin’io ambaratonga amin’ny fiainany io, ireo zatovo hendry dia tsy hiamboho ny ray aman-dreniny.

6. Inona no fihetsika hananan’ny ray aman-dreny hendry sy be fitiavana raha ny amin’ny fifampiresahana amin’ireo zanany zatovo?

6 Ny fifampiresahana tsy an-kifonofono dia midika fa ilay ray (na ilay reny) dia hiezaka mafy mba ho azo hatonina, rehefa mahatsapa ilay zatovo fa mila ny hiresaka. Raha ray (na reny) ianao, dia ataovy azo antoka fa misokatra ny fifampiresahana, raha ny aminao fara faharatsiny. Mety ho tsy mora izany. Milaza ny Baiboly fa ao “ny [fotoana, NW ] anginana, ary ao ny [fotoana, NW ] itenenana”. (Mpitoriteny 3:7). Rehefa mahatsapa ilay zanakao zatovo fa izao no fotoana itenenana, dia mety ho fotoana hanginanao amin’izay. Angamba ianao efa nanokana io fotoana io hanaovana fianarana manokana, na hakana aina, na hiasana ao an-trano. Na dia izany aza, raha maniry hiresaka aminao ilay zanakao tanora, dia miezaha hanitsy ilay fandaharana natao mialoha ary mihainoa. Raha tsy izany, dia mety tsy hanandrana intsony izy. Tadidio ny ohatr’i Jesosy. Indray mandeha izy dia nandamina fotoana hakana aina. Rehefa tonga nitangorona teo aminy mba hihaino azy anefa ny olona, dia nampihemotra ny fotoana hialany sasatra izy ary dia nanomboka nampianatra azy ireo. (Marka 6:30-34). Ny ankamaroan’ireo zatovo dia mahatakatra fa be atao ny ray aman-dreniny, nefa mila ny homena toky foana izy ireo fa eo ho azy ireo ny ray aman-dreniny raha ilainy. Noho izany, dia aoka ianao ho azo hatonina sy hahazo ny fiheviny.

7. Inona no ilain’ny ray aman-dreny hohalavirina?

7 Miezaha mitadidy ny fiainanao fony ianao zatovo, ary aza mamoy ny fahaizanao manavaka vazivazy! Mila mankafy ny fiarahana amin’ny zanany ny ray aman-dreny. Rehefa misy fotoana malalaka, ahoana no andanian’ny ray aman-dreny azy io? Raha tia foana ny hampiasa ny fotoanany malalaka hanaovan-javatra tsy mahafaoka ny fianakaviany izy ireo, dia hahamarika izany haingana ireo zanany zatovo. Raha manatsoaka hevitra ny zatovo fa ny mpiara-mianatra aminy dia manam-piheverana kokoa azy ireo noho ny ray aman-dreniny, dia tsy maintsy hahita zava-manahirana izy ireo.

IZAY TOKONY HAMPITAINA

8. Ahoana no ahafahana mandraikitra ao amin’ny zanaky ny tena ny fankasitrahana ny fanaovana ny marina sy ny fiasana mafy ary ny fitondran-tena tsara?

8 Raha mbola tsy nandentika tao amin’ny zanany ny fankasitrahana ny fanaovana ny marina sy ny fiasana mafy ny ray aman-dreny hatramin’izao, dia tena tokony hanao izany mandritra ireo taona maha-zatovo ny zanany, izy ireo. (1 Tesaloniana 4:11; 2 Tesaloniana 3:10). Zava-dehibe dia lehibe koa ny hahazoan’izy ireo antoka fa mino amin’ny fony rehetra ny maha-zava-dehibe ny fananana fiainana madio sy mahitsy ara-pitondran-tena ny zanany. (Ohabolana 20:11). Mampita zavatra be dia be amin’ireo lafiny ireo ny ray (na ny reny) iray, amin’ny alalan’ny ohatra. Tsy misy hafa amin’ny vady tsy mpino izay “voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy”, dia toy izany koa no ahafahan’ny zatovo mianatra fotopoto-pitsipika tsara amin’ny alalan’ny fitondran-tenan’ny ray aman-dreniny. (1 Petera 3:1). Na dia izany aza, ny ohatra fotsiny dia tsy ampy na oviana na oviana, satria ny ankizy dia mifampikasoka koa amin’ny ohatra ratsy maro sy amin’ny fampielezan-kevitra manangoly tsy toko tsy forohana any ivelan’ny tokantrano. Noho izany, ny ray aman-dreny miahy dia mila ny hahafantatra ny fomba fihevitry ny zanany zatovo momba izay hitany sy reny, ka izany dia mitaky resaka misy heviny. — Ohabolana 20:5.

9, 10. Nahoana no tokony hataon’ny ray aman-dreny azo antoka ny hampianatra ny zanany ny raharaha momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy, ary ahoana no ahafahan’izy ireo manao izany?

9 Marina indrindra izany raha ny amin’ny raharaha eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Ry ray aman-dreny, moa ve ianareo sadaikatra ny hiresaka momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy amin’ny zanakareo? Na dia izany aza no izy, manaova ezaka mba hanao izany, satria azo antoka fa hianatra momba io foto-kevitra io amin’ny olona iray ireo zanakareo tanora. Raha tsy mianatra avy aminareo izy, iza no mahalala izay fanazavana voaolana ho azony any? Ao amin’ny Baiboly, i Jehovah dia tsy mihodivitra ny raharaha mifandray amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy, ary tsy tokony hanao izany koa ny ray aman-dreny. — Ohabolana 4:1-4; 5:1-21.

10 Soa ihany fa ny Baiboly dia mirakitra tari-dalana mazava raha ny amin’ny fitondran-tena eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy, ary ny Fikambanana Watchtower dia efa nanonta fanazavana mahasoa be dia be mampiseho fa mbola mihatra eo amin’ny tontolo maoderina io tari-dalana io. Nahoana raha dinihina miaraka amin’ny zanakao lahy na ny zanakao vavy ireo toko mifandray amin’izany ao amin’ny boky Manontany ny Tanora, Boky Voalohany sy Faharoa. Mety ho gaga sady faly ianao hahita ny vokany.

11. Inona no fomba mandaitra indrindra hampianaran’ny ray aman-dreny ny zanany ny fomba hanompoana an’i Jehovah?

11 Inona moa no foto-kevitra lehibe indrindra tokony horesahin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka? Nanisy firesahana momba azy io ny apostoly Paoly rehefa nanoratra hoe: “Manohiza mitaiza [ny zanakareo] ao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah.” (Efesiana 6:4, NW ). Ny ankizy dia mila ny tsy hitsahatra ny hianatra momba an’i Jehovah. Ny tena ilain’izy ireo hianarana dia ny ho tia azy, ary tokony haniry hanompo azy izy ireo. Eto koa, dia be dia be no azo ampianarina amin’ny alalan’ny ohatra. Raha hitan’ny zatovo fa tia an’Andriamanitra ‘amin’ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra ary ny sainy rehetra’ ny ray aman-dreniny, ary koa fa miteraka vokatra tsara eo amin’ny fiainan’ny ray aman-dreniny izany, dia tena mety ho voataona hanao izany koa izy ireo. (Matio 22:37). Toy izany koa, raha hitan’ny tanora fa manana fomba fihevitra araka ny antonona momba ny zavatra ara-nofo ny ray aman-dreniny, ka mametraka ho aloha ny Fanjakan’Andriamanitra, dia hampian’izany hamboly io fomba fisainana io koa izy ireo. — Mpitoriteny 7:12; Matio 6:31-33.

Sary, pejy 69

Tena ilain’ny fianakaviana ny fianarana ny Baiboly tsy tapaka

12, 13. Hevitra inona avy no tokony hohazonina ao an-tsaina, raha tiana hahomby ny fianaram-pianakaviana?

12 Ny fianaran’ny fianakaviana ny Baiboly isan-kerinandro dia fanampiana iray miavaka mba hampitana fari-pitsipika ara-panahy amin’ny tanora. (Salamo 119:33, 34; Ohabolana 4:20-23). Zava-dehibe dia lehibe ny fanaovana io fianarana io tsy tapaka. (Salamo 1:1-3). Tokony ho takatry ny ray aman-dreny sy ny zanany fa ny zavatra hafa dia tsy maintsy alahatra aorian’ny fianaram-pianakaviana, fa tsy mifamadika amin’izany akory. Ankoatra izany, dia tena ilaina ny fihetsika tsara raha tiana handaitra ny fianaram-pianakaviana. Hoy ny ray iray: “Ny fanalahidiny dia ny fampirisihan’ilay mpitarika ny hisian’ny rivo-piainana tony nefa feno fanajana mandritra ilay fianaram-pianakaviana — tsotra, nefa tsy maivan-danja. Mety ho tsy mora foana ny manatratra ny fandanjalanjana mety, ary hila ny hanitsy ny fihetsiny matetika ireo ankizy. Raha tsy mandeha tsara indray mandeha na indroa ny zava-drehetra, dia mikiriza ihany ary miandrandrà ilay fotoana manaraka.” Io ray io ihany dia nilaza fa ao amin’ny vavaka ataony alohan’ny fianarana tsirairay, dia mangataka manokana fanampiana avy amin’i Jehovah izy, mba hananan’ny rehetra tafiditra, ny fomba fijery tsara. — Salamo 119:66.

13 Andraikitry ny ray aman-dreny mino ny fitarihana ny fianaram-pianakaviana. Marina fa mety tsy hanan-talenta ho mpampianatra ny ray aman-dreny sasany, ary mety ho sarotra amin’izy ireo ny hahita fomba hanaovana ny fianaram-pianakaviana hahaliana. Na dia izany aza, raha tia an’ireo zanakao zatovo “amin’ny asa sy amin’ny marina” ianao, dia haniry hanampy azy ireo amim-panetren-tena sy amim-pahamarinana handroso eo amin’ny ara-panahy. (1 Jaona 3:18). Mety hitaraina izy ireo indraindray, nefa azo inoana fa ho tsapany ny fahaliananao lalina ny amin’izay hahasoa azy.

14. Ahoana no ahafahana mampihatra ny Deoteronomia 11:18, 19 rehefa mampita zavatra ara-panahy amin’ny zatovo?

14 Tsy ny fianaram-pianakaviana akory no hany fotoana hampitana raharaha izay zava-dehibe eo amin’ny ara-panahy. Tadidinao ve ilay didin’i Jehovah ho an’ny ray aman-dreny? Hoy izy: “Alatsaho ao amin’ny fonareo sy ao amin’ny fanahinareo izao teniko izao, ary fehezo ho famantarana eo amin’ny tànanareo izy, ka aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin’ny handrinareo; ary ampianaro ny zanakareo izany, ka resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha eny an-dàlana, na mandry, na mifoha”. (Deoteronomia 11:18, 19; jereo koa ny Deoteronomia 6:6, 7.) Tsy midika akory izany fa tsy maintsy mitory tsy an-kijanona amin’ny zanany ny ray aman-dreny. Ny loham-pianakaviana be fitiavana kosa dia tokony ho mailo foana hahita fahafahana hanatsara ny fahatsinjovan-javatra ara-panahin’ny fianakaviany.

FIFEHEZANA SY FANAJANA

15, 16. a) Inona no atao hoe fifehezana? b) Iza no tompon’andraikitra amin’ny fampiharana fifehezana, ary iza no manana ny andraikitra hahazo antoka fa harahina ilay izy?

15 Ny hoe fifehezana dia fampiofanana izay manitsy, ary tafiditra amin’izany ny fifampiresahana. Ny hoe fifehezana dia manana hevitra kokoa ny amin’ny fanitsiana noho ny amin’ny famaizana — na dia mety ho tafiditra koa aza ny famaizana. Nila famaizana ireo zanakao fony izy ireo mbola kely, ary izao izy zatovo izao, dia mbola mila endriny iray amin’izy io ihany, angamba vao mainka betsaka kokoa aza. Ny zatovo hendry dia mahalala fa marina izany.

16 Hoy ny Baiboly: “Ny adala maniratsira ny [fifehezan-drainy, NW ]; fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.” (Ohabolana 15:5). Mianatra zavatra be dia be avy amin’io andinin-teny io isika. Te hilaza izy io fa hisy fifehezana homena. Tsy afaka “mitandrina ny fananarana” ny zatovo iray raha tsy misy fananarana omena. I Jehovah dia manome ny andraikitra hampihatra fifehezana, ho an’ny ray aman-dreny, ary indrindra fa ho an’ny ray. Kanefa, ny andraikitra hihaino izany fifehezana izany dia an’ilay zatovo. Hianatra zavatra bebe kokoa izy ary hanao fahadisoana vitsy kokoa, raha manaraka ilay fifehezana feno fahendrena avy amin-drainy sy reniny. (Ohabolana 1:8, NW ). Hoy ny Baiboly: “Fahalahelovana sy henatra no ho an’izay mandà [fifehezana, NW ]; fa izay manaiky anatra no homem-boninahitra.” — Ohabolana 13:18.

17. Fandanjalanjana inona no ilain’ny ray aman-dreny hokendrena rehefa mampihatra fifehezana?

17 Rehefa mampihatra fifehezana amin’ny zatovo ny ray aman-dreny, dia mila ny hahay handanjalanja. Tokony hanalavitra ny ho hentitra aoka izany izy ireo, ka hanorisory ny zanany, ary angamba hanimba ny fatokian-tenan’ireo zanany mihitsy aza. (Kolosiana 3:21). Ary anefa koa ny ray aman-dreny dia tsy maniry hilefitra aoka izany, ka ho maty antoka tsy hahazo fampiofanana lehibe dia lehibe ireo zanany zatovo. Afaka ny hitondra loza ny fileferana loatra toy izany. Hoy ny Ohabolana 29:17: “Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy sy ho fifalian’ny fanahinao.” Kanefa hoy ny andininy faha-21: “Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely dia hihambo ho zanaka any am-parany.” Na dia miresaka momba ny mpanompo aza io andinin-teny io, dia mihatra ihany koa amin’izay tanora rehetra ao amin’ny ankohonana.

18. Porofon’ny inona moa ny fifehezana, ary inona no halavirina rehefa mampihatra fifehezana tsy miovaova ny ray aman-dreny?

18 Raha ny marina, ny fifehezana araka ny tokony ho izy dia porofon’ny fitiavan’ny ray (na ny reny) ny zanany. (Hebreo 12:6, 11, NW ). Raha ray (na reny) ianao, dia fantatrao fa sarotra ny mihazona fifehezana tsy miovaova sy araka ny antonona. Mba hihazonana ny filaminana, dia mety ho toa mora kokoa ny mamela ny zatovo kirina iray hanao izay tiany. Kanefa amin’ny farany, ny ray (na ny reny) iray manaraka io lalana farany io dia hijinja ankohonana tsy ho azo fehezina. — Ohabolana 29:15; Galatiana 6:9.

ASA SY LALAO

19, 20. Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny mandamina amim-pahendrena ny raharaha ny amin’ny fanarian-dia ho an’ny zanany zatovo?

19 Tamin’ny andro taloha kokoa, ny ankizy mazàna dia nantenaina hanampy tao an-tokantrano na teny amin’ny toeram-pambolena. Amin’izao andro izao, dia zatovo maro no manana fotoana mampahalalaka be dia be tsy misy manara-maso. Mba handaniana io fotoana io, ny tontolon’ny varotra dia manome zavatra ara-nofo tsy toko tsy forohana handaniana izany fotoana mampahalalaka azy ireo izany. Anampio izany ny tsy fanomezan’itỳ tontolo itỳ vidiny firy ny fari-pitsipi-pitondran-tenan’ny Baiboly, ary dia hanana ny toe-javatra rehetra mitarika ho amin’ny tena loza ianao.

20 Noho izany, ilay ray (na ilay reny) hendry dia mihazona ny zo hanao ny fanapahan-kevitra farany momba ny fanarian-dia. Aza hadinoina anefa fa mihalehibe ilay zatovo. Isan-taona izy dia azo inoana fa hanantena ny hoentina bebe kokoa ihany tahaka ny olon-dehibe. Araka izany, dia fahendrena ny hamelan’ny ray (na ny reny) iray fahafahana bebe kokoa eo amin’ny fifidianan’ilay zatovo fanarian-dia arakaraka ny ihalehibeazany — raha mbola manome taratry ny fandrosoana ho amin’ny fahamatorana ara-panahy koa izany safidy izany. Indraindray, ilay zatovo dia mety hanao safidy tsy maneho fahendrena eo amin’ny mozika, ny namana, sy ny toy izany. Rehefa mitranga izany, dia tokony horesahina miaraka amin’ilay zatovo, mba hanaovany safidy tsara kokoa amin’ny hoavy.

21. Amin’ny ahoana ny fahalalana ny antonona eo amin’ny habetsahan’ny fotoana lany amin’ny fanarian-dia, no miaro ny zatovo iray?

21 Hafiriana no tokony hatokana ho an’ny fanarian-dia? Any amin’ny tany sasany, ny zatovo dia asaina hino fa manana lalana hiala voly lalandava izy ireo. Noho izany, ny zatovo iray dia mety handamina ny fandaharam-potoanany mba hahafahany “hampifaly tena” tsy an-kiato. Anjaran’ny ray aman-dreny ny mampita ilay fianarana hoe tokony hisy fotoana koa holanina ho amin’ny zavatra hafa, toy ny fianakaviana, ny fianarana manokana, ny fifaneraserana amin’ny olona matotra ara-panahy, ny fivoriana kristiana ary ny raharaha ao an-trano. Izany dia hihazona ireo “fahafinaretan’izao fiainana izao” tsy hangeja ny Tenin’Andriamanitra. — Lioka 8:11-15.

22. Tokony hampifandanjaina amin’inona moa ny fanarian-dia eo amin’ny fiainan’ny zatovo iray?

22 Hoy i Solomona Mpanjaka: “Fantatro fa tsy misy tsara amin’ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy. Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan’Andriamanitra izany.” (Mpitoriteny 3:12, 13). Eny, ny mifaly dia anisan’ny fiainana voalanjalanja iray. Toy izany koa anefa ny fiasana mafy. Zatovo maro amin’izao andro izao no tsy mianatra ny fahafaham-po entin’ny fiasana mafy, na ny fahatsapana ho manana haja entin’ny fiatrehana zava-manahirana iray sy ny fandaminana azy io. Ny sasany dia tsy omena ny fahafahana hianatra fahaizana na asa hahafahany hamelon-tena any aoriana. Tena zava-tsarotra iray ho an’ny ray (na ny reny) io. Hanao izay hahazoana antoka ve ianao fa manana ireo fahafahana ireo ny zanakao tanora? Raha mahomby ianao amin’ny fampianarana ilay zanakao zatovo mba hihevitra ho sarobidy, ary hankafy mihitsy aza, ny fiasana mafy, dia hamboly fahatsinjovan-javatra tsara izay hitondra soa mandritra ny androm-piainana izy.

REHEFA TONGA OLON-DEHIBE NY ZATOVO

Sary, pejy 70

Manehoa fitiavana sy fankasitrahana an’ireo zanakao

23. Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny mampahery ny zanany zatovo?

23 Na dia rehefa manan-java-manahirana amin’ny zanakao zatovo aza ianao, dia mbola marina ihany ilay andinin-teny hoe: “Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay”. (1 Korintiana 13:8). Aza mitsahatra na oviana na oviana ny mampiseho ilay fitiavana izay tsy isalasalana fa tsapanao. Manontania tena hoe: ‘Moa ve aho manao teny fankasitrahana ny zanako tsirairay noho izy nahavita nandamina zava-manahirana na nandresy vato misakana? Moa ve aho manararaotra ireo fahafahana haneho ny fitiavako sy ny fankasitrahako an’ireo zanako, alohan’ny hahalasanan’ireny fahafahana ireny?’ Na dia mety hisy tsy fahazoan-kevitra aza indraindray, raha mahazo toky ny amin’ny fitiavanao azy ny zanakao zatovo, dia ho azo inoana kokoa fa hamaly izany fitiavana izany izy.

24. Fotopoto-pitsipika araka ny Soratra Masina inona no fitsipika ankapobe marina eo amin’ny fitaizana zanaka, nefa inona no tokony hotazonina ao an-tsaina?

24 Mazava ho azy, fa rehefa mitombo ka tonga olon-dehibe ny ankizy, dia handray fanapahan-kevitra tena lehibe ho an’ny tenany izy ireo amin’ny farany. Amin’ny toe-javatra sasany, dia mety ho tsy tian’ireo ray aman-dreny izany fanapahan-kevitra izany. Ahoana raha manapa-kevitra ny tsy hanohy hanompo an’i Jehovah Andriamanitra ny zanany? Afaka ny hitranga izany. Na dia ny sasany tamin’ireo zanaka ara-panahin’i Jehovah aza dia nanda ny toroheviny ka tonga mpikomy. (Genesisy 6:2; Joda 6). Tsy ordinatera akory ny ankizy, ka ho azo programmer-na hanao zavatra araka izay tiantsika. Zavaboary manana safidy malalaka izy ireo, ary tompon’andraikitra eo anatrehan’i Jehovah ny amin’ireo fanapahan-kevitra raisiny. Na dia izany aza, dia fitsipika ankapobe marina ny Ohabolana 22:6, manao hoe: “[Ampiofano, NW ] amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.”

25. Inona no fomba tsara indrindra ampisehoan’ny ray aman-dreny fankasitrahana an’i Jehovah noho ilay tombontsoa hanan-janaka?

25 Koa mampisehoa àry fitiavana be dia be amin’ireo zanakao. Ataovy izay tratran’ny herinao mba hanarahana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly eo am-pitaizana azy. Mamelà ohatra tsara dia tsara raha ny amin’ny fitondran-tena araka an’Andriamanitra. Amin’izany ianao dia hanome an’ireo zanakao ny fahafahana tsara indrindra ho tonga olon-dehibe mahay mandray andraikitra sy matahotra an’Andriamanitra. Izany no fomba tsara indrindra hampisehoan’ny ray aman-dreny ny fankasitrahany an’i Jehovah noho ilay tombontsoa hanan-janaka.

AHOANA NO AHAFAHAN’IRETO FOTOPOTO-PITSIPIKY NY BAIBOLY IRETO MANAMPY (...) NY RAY AMAN-DRENY HITAIZA NY ZANANY ZATOVO?

Ilaina ny fifampiresahana. — Ohabolana 15:22.

Tokony handinika ny Tenin’Andriamanitra tsy tapaka isika. — Salamo 1:1, 2.

Ny olona hendry dia mihaino ny fifehezana. — Ohabolana 15:5.

Samy manana ny toerany avy ny asa sy ny lalao. — Mpitoriteny 3:12, 13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara