FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Midika ho Inona ho Anao ny Fahalalahana Ara-pivavahana?
    Ny Tilikambo Fiambenana—1997 | 1 Febroary
    • ny fivavahana iray ary mihevitra ireo olona hafa finoana ho fandrahonana ny fahefana ara-politika. Mety hihevitra ny fivavahana ho mampidi-doza amin’ny lafiny ara-politika koa ny fitondram-panjakana iray, satria ireo fivavahana dia mety hametraka ny fahatokiana eo anatrehan’Andriamanitra ho ambony noho ny fankatoavana ny fanjakana.”

      Noho ireo antony ireo, dia manisy fameperana eo amin’ny fanarahana fivavahana ny fitondram-panjakana sasany. Misy vitsivitsy misakana ny fanarahana izay mety ho finoana na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Ny hafa, na dia milaza fa miaro ny fahalalahana hanao fanompoam-pivavahana aza, dia mifehy mafy ireo asa rehetra ara-pivavahana.

      Diniho, ohatra, ny tarehin-javatra nisy tany Meksika nandritra ny taona maro. Na dia niantoka ny fahalalahana ara-pivavahana aza ny Lalàm-panorenana, dia nanambara mazava toy izao izy io: “Ireo fiangonana ampiasaina ho amin’ny fanompoam-pivavahana ampahibemaso dia fananan’ny Firenena, izay ny Fitondram-panjakana Federaly no solontena, ka izy io no hamaritra hoe fiangonana iza no afaka manohy ho azo ampiasaina ho toy izany.” Tamin’ny 1991, dia nahitsy ny Lalàm-panorenana mba hanafoanana an’io fameperana io. Na dia izany aza, dia asehon’io ohatra io fa mety ho azo hazavaina amin’ny fomba samy hafa any amin’ny tany isan-karazany, ny fahalalahana ara-pivavahana.

      Karazam-pahalalahana ara-pivavahana hafa iray

      Misy ve ny fahalalahana ara-pivavahana ao amin’ny tany izay ipetrahanao? Raha izany no izy, ahoana no hamaritana azy io? Afaka manolotra fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra amin’ny fomba fidinao hanaovana izany ve ianao, sa ianao voatery ho tonga mpikambana amin’ny fivavaham-panjakana? Omena lalana ve ianao hamaky sy hampiely zavatra vita an-tsoratra ara-pivavahana, sa kosa raran’ny fitondram-panjakana ny zavatra vita pirinty toy izany? Afaka miresaka amin’ny hafa momba ny finoanao ve ianao, sa kosa izany heverina ho fanitsakitsahana ny zon’ny hafa ara-pivavahana?

      Miankina amin’izay toerana ipetrahanao, ny valin’ireo fanontaniana ireo. Mahaliana anefa fa misy karazana fahalalahana ara-pivavahana iray, izay tsy miankina mihitsy amin’ny toerana. Fony izy tany Jerosalema tamin’ny taona 32 am.f.i., dia hoy i Jesosy tamin’ireo mpanara-dia azy: “Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” — Jaona 8:31, 32.

      Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’io fanambarana io? Naniry mafy ny hafahana tamin’ny fanapahana romana ireo Jiosy nihaino azy. Tsy niresaka ny amin’ny fanafahana amin’ny fampahoriana ara-politika anefa i Jesosy. Tsia, nampanantena zavatra tsara lavitra tamin’ny mpianany kosa izy, araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

  • Nafahan’ny Fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana—1997 | 1 Febroary
    • Nafahan’ny Fahamarinana

      ANY Etazonia, dia olona maherin’ny iray tapitrisa no ahiboka any an-tranomaizina. Amin’izy ireny, dia efa ho 3 000 no voaheloka ho faty. Alao sary an-tsaina ny tenanao ao anatin’izany tarehin-javatra izany. Inona no ho tsapanao? Tsy azo lavina fa ny fieritreretana izany fahatsinjovan-javatra izany fotsiny dia tsy mahafinaritra. Kanefa, amin’ny heviny iray, dia ao anatin’ny toe-javatra mitovy amin’izany ny olombelona rehetra. Milaza toy izao ny Baiboly: “Samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”. (Romana 3:23). Eny, amin’ny maha-taranak’i Adama antsika, dia “voatanan’ny” fahotana isika. (Romana 5:12). Tsapantsika isan’andro ny vokatry ny nanibohana antsika, araka ny tsapan’i Paoly, apostoly kristiana, izay nanoratra toy izao: “Mahita lalàna hafa amin’ny momba ny tenako aho, miady amin’ny lalàn’ny saiko ka mamabo ahy ho an’ny lalàn’ny ota izay ao amin’ny momba ny tenako.” — Romana 7:23.

      Ho vokatry ny toetsika mpanota, dia eo ambanin’ny fanamelohana ho faty ny tsirairay avy amintsika, amin’ny heviny ara-panoharana, satria milaza toy izao ny Baiboly: “Fa fahafatesana no tambin’ny ota”. (Romana 6:23). Nilaza tsara ny tarehin-javatra misy antsika toy izao i Mosesy mpanao salamo: “Fito-polo taona no andron’ny taonanay ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.” — Salamo 90:10; ampitahao amin’ny Jakoba 4:14.

      Ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana mahazo ny olombelona no tao an-tsain’i Jesosy rehefa nilaza toy izao tamin’ireo mpanara-dia azy izy: “Ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” (Jaona 8:32). Tamin’ireo teny ireo, i Jesosy dia nanolotra ho an’ireo mpanara-dia azy, ny fanantenan-javatra mbola lehibe lavitra noho ny fanafahana amin’ny fanapahana romana — natolony azy ireo ny famelana ny ota sy ny fanafahana amin’ny fahafatesana! Amin’ny fomba ahoana no hanomezana izany ho azy ireo? “Raha ny Zanaka no hahafaka anareo”, hoy i Jesosy taminy, “dia ho afaka tokoa hianareo.” (Jaona 8:36). Eny, tamin’ny nanolorany ny ainy, i Jesosy, ‘ilay Zanaka’, dia nampiasaina ho sorom-panavotana mba hanavotra indray izay verin’i Adama. (1 Jaona 4:10). Izany dia nanokatra ny lalana ho amin’ny fanafahana ny olombelona mankatò rehetra amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana. Maty ny Zanaka lahitokan’Andriamanitra, “mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay”. — Jaona 3:16.

      Koa mifantoka amin’i Jesosy Kristy àry ny fahamarinana izay afaka manafaka antsika. Ireo izay tonga mpanara-dia azy dia manana fanantenana ny hafahana amin’ny ota sy ny fahafatesana, rehefa hifehy tanteraka ny raharahan’ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra. Dieny izao, dia mahita fahafahana marina ireo izay manaiky ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Amin’ny heviny ahoana avy?

      Fanafahana amin’ny tahotra ny maty

      Olona an-tapitrisany maro no miaina ao amin’ny tahotra ny maty amin’izao andro izao. Nahoana? Satria ny fivavahany nampianatra azy ireo fa eo amin’ny fahafatesana, dia miala amin’ny vatana ny fanahy (âme), ka mifindra any amin’ny faritra ara-panahy. Izany mazàna no antony anaovan’ny havan’ilay nody mandry fiaretan-tory maharitra andro sy alina maromaro any amin’ny tany sasany. Mahafaoka fanaovana hira amin’ny feo mafy sy fivelezana amponga izy io matetika. Mino ireo mana-manjo fa hampifaly ilay olona maty sy hisakana ny fanahiny tsy hiverina hitsidika ny velona izany. Ireo fampianaran-dison’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana momba ny maty dia tsy nanao afa-tsy ny nampaharitra io lovantsofina io.

      Ny Baiboly anefa dia mampiharihary ny fahamarinana momba ny toetran’ny maty. Milaza mazava izy io fa ianao no fanahinao, fa tsy tapany miafina aminao izay velona hatrany aorian’ny fahafatesana. (Genesisy 2:7, NW; Ezekiela 18:4). Ankoatra izany, dia tsy ampijalina ao amin’ny afobe mirehitra ny maty, ary tsy anisan’ny faritra ara-panahy iray izay misy heriny eo amin’ny velona izy ireo. “Fa ny maty kosa”, hoy ny Baiboly, “tsy mba mahalala na inona na inona (...); tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita [ny fasana] izay alehanao.” — Mpitoriteny 9:5, 10.

      Nanafaka olona maro tamin’ny tahotra ny maty ireo fahamarinana ara-baiboly ireo. Tsy manao fanatitra lafo vidy intsony izy ireo mba hampitonena ireo razany, na manahy sao ampijalina tsy misy indrafo noho ny fahotany ireo olo-malalany. Nianaran’izy ireo fa manolotra fanantenana kanto ho an’ireo izay efa maty ny Baiboly, satria milaza amintsika izy io fa amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra, dia hisy “fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina”. (Asan’ny Apostoly 24:15, NW; Jaona 5:28, 29). Araka izany, ny maty dia miala sasatra fotsiny ankehitriny, toy ny hoe ao anatin’ny torimaso iray mahasalama. — Ampitahao amin’ny Jaona 11:11-14.

      Ny fahamarinana momba ny toetran’ny maty sy ny fanantenana ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty dia manafaka antsika amin’ny famoizam-po izay mety hoentin’ny fahafatesana miaraka aminy. Nanohana mpivady iray tany Etazonia ny fanantenana toy izany, rehefa maty tamin’ny loza tsy nampoizina ny zanak’izy ireo lahy efa-taona. “Misy banga izay tsy azo fenoina eo amin’ny fiainanay mandra-pahitanay ny zanakay lahy indray amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty”, hoy ny fieken’ny reniny. “Fantatray fa vetivety ihany anefa ny fahorianay, satria mampanantena ny hamafa ny ranomason’alahelonay i Jehovah.” — Apokalypsy 21:3, 4.

      Fanafahana amin’ny tahotra ny hoavy

      Inona no tahirizin’ny hoavy? Ho may ao amin’ny fandripahana niokleary iray ve ny tanintsika? Hahatonga ny planetintsika tsy ho azo iainana ve ny fahasimban’ny tontolo iainantsika? Hitarika ho amin’ny fanjakan’i Baroa sy ny fikorontanana ve ny fikororosiana ara-pitondran-tena? Tena fototry ny tahotra ho an’ny olona maro amin’izao andro izao ireo.

      Ny Baiboly anefa dia manolotra fanafahana amin’ny tahotra mampihorohoro toy ireo. Manome toky antsika izy io fa “ny tany mbola maharitra mandrakizay”. (Mpitoriteny 1:4). Tsy namorona ny planetintsika i Jehovah mba hahita azy io fotsiny horavan’ny olombelona tsy mahatsapa andraikitra. (Isaia 45:18). Namorona kosa ny tany mba ho fonenana paradisa ho an’ny fianakavian’olombelona tafaray i Jehovah. (Genesisy 1:27, 28). Tsy niova ny fikasany. Milaza amintsika ny Baiboly fa ‘hanimba izay manimba ny tany’ Andriamanitra. (Apokalypsy 11:18). Aorian’izany, “ny mpandefitra (...) no handova ny tany”, hoy ny Baiboly, “ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana”. — Salamo 37:11.

      Mendri-pitokiana io fampanantenana io satria Andriamanitra tsy mandainga. Nanambara toy izao tamin’ny alalan’i Isaia mpaminaniny i Jehovah: ‘Ny teniko izay aloaky ny vavako tsy hiverina amiko foana raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.’ (Isaia 55:11; Titosy 1:2). Noho izany, isika dia afaka miandrandra amim-patokiana ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Baiboly, eo amin’ny 2 Petera 3:13, hoe: “Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.”

      Fanafahana amin’ny tahotra olona

      Ny Baiboly dia manome antsika ohatra miavaka ny amin’ny lehilahy sy vehivavy izay nampiseho tsy fananan-tahotra teo amin’ny fifikirany tamin’Andriamanitra. Anisan’ireny ry Gideona, Baraka, Debora, Daniela, Estera, Jeremia, Abigaila, sy Jaela — raha tsy hanonona afa-tsy vitsivitsy monja isika. Nampiseho ny fihetsik’ilay mpanao salamo izay nanoratra toy izao ireny lehilahy sy vehivavy nahatoky ireny: “Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ny olona amiko?” — Salamo 56:11.

      Tamin’ny taonjato voalohany, ny apostoly Petera sy Jaona dia nampiseho fahasahiana nitovy tamin’izany, rehefa nandidy azy ireo hampitsahatra ny fitoriana ireo fahefana ara-pivavahana. “Fa izahay”, hoy ny navaliny, “tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.” Ho vokatry ny fijoroana tsy nihozongozona notanany, dia natao an-tranomaizina i Petera sy i Jaona tatỳ aoriana. Taorian’ny nanafahana azy ireo tamin’ny fomba mahagaga, dia nanomboka indray ny asany izy ireo, ka nanohy “nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana”. Tsy ela dia nentina teo anatrehan’ny Synedriona jiosy i Petera sy ireo apostoly hafa. “Efa noraranay mafy dia mafy hianareo tsy hampianatra amin’izany anarana izany”, hoy ny mpisoronabe tamin’izy ireo, “kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema”. Namaly toy izao i Petera sy ireo apostoly hafa: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” — Asan’ny Apostoly 4:16, 17, 19, 20, 31; 5:18-20, 27-29.

      Amin’ny asa fitoriany ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia mikely aina ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao mba hanahaka ny zotom-pon’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany. Na dia ireo tanora eo aminy aza matetika dia mampiseho fa tsy manana tahotra, amin’ny firesahana amin’ny hafa momba ny finoany. Diniho ny ohatra sasany.

      I Stacie, zatovovavy iray, dia saro-kenatra. Ho vokatr’izany, dia zava-tsarotra taminy tamin’ny voalohany, ny firesahana tamin’ny hafa momba ny finoany. Inona no nataony mba handresena ny hasarotan-kenatra nananany? “Nianatra ny Baiboly aho ary nataoko azo antoka fa azoko ny hevitr’izay noresahiko”, hoy izy. “Nahatonga azy io ho mora kokoa izany, ary nanana fatokian-tena bebe kokoa aho.” Ny laza tsara dia tsaran’i Stacie dia nanaovana tatitra tao amin’ny gazety teo an-toerana. Nanazava toy izao ilay lahatsoratra, izay nosoratan’ny mpampianatra iray tao an-tsekoliny: “Ny finoany [ny an’i Stacie] dia toa manome azy ny hery mba hiadiana amin’ny maro amin’ireo fanerena mahazo ny ankamaroan’ny zatovo. (...) Tsapany fa ny fanompoana an’Andriamanitra no tokony ho voalohany ao an-tsainy.”

      Nanomboka nianatra momba ny Baiboly tamin’ny ray aman-dreniny i Tommy fony izy dimy taona monja. Na dia aloha be aza, dia efa nijoro tamim-pahasahiana ho an’ny fanompoam-pivavahana marina izy. Rehefa nanao sary momba ny fety ireo tanora mpiray kilasy taminy, dia nanao sary mampiseho ilay Paradisa nampanantenain’Andriamanitra kosa i Tommy. Rehefa zatovo i Tommy, dia nahamarika fa maro tamin’ireo mpianatra no sanganehana momba ireo zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy nihemotra noho ny tahotra izy fa nangataka tamin’ny iray tamin’ireo mpampianatra azy kosa raha afaka mitarika fiara-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny amin’ny kilasiny izy, mba hahafahany hamaly ny fanontaniana rehetra napetrak’izy ireo, amin’ny fotoana iray ihany. Nomena azy izany, ary nisy fanambarana tsara dia tsara natao.

      Fony izy 17 taona, dia nanana fahafahana faran’izay tsara i Markietta mba hiresahana momba ny finoany tamin’ny ankizy hafa tao amin’ny kilasiny. “Nasaina nanao lahateny izahay”, hoy izy. “Nifidy ny foto-dresaka nataoko tao amin’ilay boky Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra, aho.a Nifidy toko dimy tao amin’ilay boky aho ka nosoratako teny amin’ny solaitrabe ny lohateniny. Nasaiko nalahatry ny iray kilasy araka izay heveriny fa zava-dehibe indrindra izy ireo.” Nanaraka izany ny fiara-midinika nisy fandraisan’ny iray kilasy anjara. “Nasehoko tamin’ny iray kilasy ilay boky”, hoy i Markietta mamarana ny teniny, “ary mpianatra maro no nangataka iray. Na dia ny mpampianatra anay aza dia naniry hahazo iray.”

      Azon’ny fahamarinana afahana ianao

      Araka ny hitantsika, ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly dia misy heriny manafaka eo amin’ireo rehetra mianatra azy io sy mandray am-po ny hafatra raketiny, na firy taona izy na firy taona. Izy io dia manafaka azy ireo amin’ny tahotra ny maty sy ny tahotra ny hoavy ary ny tahotra olona. Amin’ny farany, ny avotra natolotr’i Jesosy dia hanafaka ny olombelona mankatò amin’ny ota sy ny fahafatesana. Fifaliana re izany rehefa hiaina mandrakizay eto amin’ny tany zary paradisa, tsy ho voatanan’ny fahotana nolovantsika intsony, isika! — Salamo 37:29.

      Ho tianao ve ny hahafantatra bebe kokoa momba ireo fitahiana ampanantenain’Andriamanitra? Raha izany no izy, inona no tokony hataonao? Hoy i Jesosy: “Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Koa raha maniry hahita ny fanafahana izay nampanantenain’i Jesosy ny mpianany àry ianao, dia tsy maintsy mianatra momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany. Ilainao ny mahafantatra hoe inona no sitrapon’Andriamanitra ary avy eo, manatanteraka izany, satria hoy ny Baiboly: “Mandalo izao fiainana izao ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” — 1 Jaona 2:17.

      [Fanamarihana ambany pejy]

      a Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

      [Sary, pejy 7]

      Eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny olombelona dia hafahana amin’ny ota sy ny fahafatesana amin’ny farany

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara