FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Voavonjy Tamin’ny Fotoana Nisian’ny Loza
    Ny Tilikambo Fiambenana—1997 | 15 Aogositra
    • Vitsy ny olona amin’izao andro izao no mahatsiaro ho mandry feizay sy tsy mahatsapa ahiahy. Na dia eo aza ireo zava-bita tsara indrindra eo amin’ny sehatry ny siansa, dia manohy mandravarava ny mponin’ny tany ny valanaretina. Amoizana ain’olona an’arivony maro ireo ady vokatry ny tsy fifanarahan-kevitra ara-pivavahana sy ara-poko ary ara-politika. Manampy trotraka ny fahoriana sy ny fijalian’ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy tsy manan-tsiny ny mosary. Mikiky ny fiaraha-monina hatrany amin’ny fotony mihitsy ny fikororosiana ara-pitondran-tena; ratsy fitondran-tena hatramin’ny ankizy aza.

      Miavaka ny fahamarinan’ny filazalazana omen’ny faminaniana iray ao amin’ny Baiboly, raha ny amin’izao tarehin-javatra misy antsika izao. Efa maherin’ny 1 900 taona lasa izay no nanoratana azy io. Milaza toy izao izy io: “Tsy maintsy takatrao fa ho feno loza amin’ny andro farany.” — 2 Timoty 3:1, The New Testament in Modern English, nataon’i J. B. Phillips; ampitahao amin’ny Matio 24:3-22.

      Toa azon’ny saina ekena ve aminao ny hoe tsy hiraika amin’ny toe-piainana misy antsika ny Andriamanitra fitiavana iray? Hoy ny Baiboly: “(Izy no Andriamanitra) sady namorona ny tany sy nahavita azy (...); tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana”. (Isaia 45:18). Eny, hiditra an-tsehatra izy fa tsy hamela an’itỳ planeta kanto itỳ hosimbana ka hahafongotra ny mponina rehetra eo aminy. Ny fanontaniana dia hoe: Ahoana no hanaovany izany?

      Mifidiana ny fiainana!

      Mamaly toy izao ny Baiboly ao amin’ny Salamo 92:7: “Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, ary mamony ny mpanao ratsy rehetra, dia izany no ho fandringanana azy mandrakizay”. Ny famongorana ny faharatsiana mihitsy no vahaolana hoentin’Andriamanitra ho an’ireo olana misy eto an-tany. Soa ihany fa tsy midika akory izany hoe tsy maintsy hofongorana daholo ny olona rehetra. Manome toky antsika toy izao ny Salamo 37:34: “Miandrasa an’i Jehovah, ka tandremo ny làlany, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy hianao.”

      Ireo teny ireo dia manondro fa misy ny fahafahana ho voavonjy amin’ilay loza lehibe indrindra hamely ny olombelona. Nanome safidy antsika Andriamanitra. Azo ampiharina amintsika amin’izao andro izao koa ireo teny nampirisihan’i Mosesy an’ireo Isiraelita rehefa vonona ny hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina izy ireo. Toy izao izany: “Efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao”. (Deoteronomia 30:19). Ahoana marina anefa no ‘ifidianana ny fiainana’ ka hahavoavonjy? Midika ho inona marina moa izany tena famonjena izany?

  • Famonjena Izay Tena Hevitr’izany
    Ny Tilikambo Fiambenana—1997 | 15 Aogositra
    • Famonjena Izay Tena Hevitr’izany

      ‘VOAVONJY ve ianao?’ Matetika ireo izay mametraka an’io fanontaniana io dia mihevi-tena ho voavonjy satria ‘nandray an’i Jesosy ho mpamonjy ny tenany manokana’. Mihevitra anefa ny hafa fa misy lalana maro samihafa mitondra ho amin’ny famonjena ary koa fa raha mbola ‘ao am-ponao i Jesosy’, dia tsy mampaninona izay inoanao na izay fiangonana misy anao mihitsy aza.

      Milaza ny Baiboly fa ny sitrapon’Andriamanitra dia ny ‘hahavoavonjy ny olona rehetra’. (1 Timoty 2:3, 4). Misokatra ho an’ny rehetra hanaiky azy io, araka izany, ny famonjena. Fa midika ho inona marina moa ny hoe voavonjy? Moa ve izy io, raha ny marina, zavatra tonga fotsiny aminao, tsy nisy ezaka firy avy taminao na tsy nanaovanao ezaka mihitsy aza?

      Ny teny hoe “famonjena” dia midika hoe “fanafahana amin’ny loza na fandringanana”. Mihoatra noho ny filaminan-tsaina, araka izany, no tafiditra amin’ny tena famonjena. Izy io dia midika hoe voavonjy amin’ny fandringanana an’itỳ fandehan-javatra ratsy ankehitriny itỳ ary voavonjy amin’ny fahafatesana mihitsy aza amin’ny farany! Fa iza marina moa no hovonjen’Andriamanitra? Ho valiny, dia andeha hodinihintsika izay nampianarin’i Jesosy Kristy momba an’io foto-kevitra io. Mety hahagaga anao ny vokatry ny fandinihana ataontsika.

      Famonjena — Hita ao amin’ny fivavahana rehetra ve?

      Indray mandeha, dia nisy resaka nifanaovan’i Jesosy tamin’ny vehivavy samaritana iray. Na dia tsy Jiosy aza izy io, dia tena araka ny marina ny ninoany fa ho avy ny Mesia, “Ilay atao hoe Kristy”. (Jaona 4:25). Ampy hahavoavonjy azy ve izany zavatra ninoana izany? Tsia, satria nanambara toy izao tamim-pahasahiana tamin’ilay vehivavy i Jesosy: “Hianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo”. Fantatr’i Jesosy fa raha tian’io vehivavy io ny hahazo ny famonjena, dia tsy maintsy nanitsy ny fomba nanolorany fanompoam-pivavahana izy. Noho izany, dia nanazava toy izao i Jesosy: “Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.” — Jaona 4:22, 23.

      Ny fotoana hafa iray nampihariharian’i Jesosy ny fomba fiheviny momba ny famonjena dia nahakasika ny Fariseo, sekta ara-pivavahana lehibe iray tao amin’ny Jodaisma. Nanorina rafi-panompoam-pivavahana iray ny Fariseo ary nino fa nanana ny fankasitrahan’Andriamanitra izy io. Henoy anefa ny tenin’i Jesosy tamin’ny Fariseo: “Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’Isaia anareo hoe: ‘Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony; fa ny fony kosa lavitra Ahy. Koa foana ny ivavahan’ireo amiko, raha mampianatra ny didin’olombelona ho fampianarana izy’.” — Matio 15:7-9.

      Ahoana ny amin’ireo antokom-pivavahana maro amin’izao andro izao izay mitonona ho mino an’i Kristy? Moa ve i Jesosy hankasitraka azy rehetra ireny ho toy ny fomba ara-dalàna hahazoana famonjena? Tsy voatery haminavina isika amin’io lafiny io, satria nilaza mazava toy izao i Jesosy: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra. Maro no hanao amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay? Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatr[i]zay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.” — Matio 7:21-23.

      Tena zava-dehibe ho amin’ny famonjena ny fahalalana araka ny marina momba an’i Jesosy

      Milaza tsy mivantana zavatra mampisaintsaina ireo tenin’i Jesosy ireo. Tondroin’izy ireo fa olona maro mpivavaka be no tsy ‘manao ny sitrapon’ny Ray’. Ahoana àry no ahafahan’ny olona iray mahazo ny tena famonjena? Mamaly toy izao ny 1 Timoty 2:3, 4 (NW ): “Ny sitrapon[’Andriamanitra] dia hoe tokony ho voavonjy ny karazan’olona rehetra ary ho tonga amin’ny fahalalana araka ny marina ny fahamarinana.” — Ampitahao amin’ny Kolosiana 1:9, 10.

      Zava-dehibe eo amin’ny fahazoana famonjena ny fahalalana toy izany. Rehefa nanontany ny apostoly Paoly sy i Silasy namany, ny mpiandry tranomaizina romana iray, hoe: “Inona no mety hataoko, mba hovonjena aho?”, dia namaly toy izao izy ireo: “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena hianao sy ny ankohonanao.” (Asan’ny Apostoly 16:30, 31). Nidika ve izany fa ny hany nilain’ilay mpiandry tranomaizina sy ny fianakaviany hatao dia ny hananany fihetseham-po manokana iray tao am-pony? Tsia. Ny antony iray dia satria tsy afaka ny ‘hino marina an’i Jesosy Tompo’ izy ireo raha tsy efa nisy zavatra takany ny amin’ny mombamomba an’i Jesosy sy izay nataony ary izay nampianariny.

      Ohatra, i Jesosy dia nampianatra ny amin’ny fiorenan’ny fitondram-panjakana iray any an-danitra — “ny fanjakan’Andriamanitra”. (Lioka 4:43). Nanambara fotopoto-pitsipika momba ny fitsipi-pitondran-tena sy ny fitondran-tena koa izy. (Matio toko faha-5-7). Nosoritany ny toerana hotanan’ny mpianany raha ny amin’ny raharaha politika. (Jaona 15:19). Nanorina fandaharam-pampianarana maneran-tany izy ary nanasa ireo mpanara-dia azy handray anjara amin’izany. (Matio 24:14; Asan’ny Apostoly 1:8). Eny, ny hoe ‘mino an’i Jesosy’ dia nidika ho fahatakarana zavatra betsaka! Tsy nahagaga àry raha toa i Paoly sy i Silasy ka “nitory ny tenin’ny Tompo tamin[’ilay mpiandry tranomaizina] sy tamin’izay rehetra tao an-tranony”, talohan’ny nanaovana batisa ireo mpino vaovao ireo. — Asan’ny Apostoly 16:32, 33.

      Tena Zava-dehibe koa ny fahalalana araka ny marina momba an’Andriamanitra

      Anisan’ny tena ilaina eo amin’ny finoana marina an’i Jesosy ny fanolorana fanompoam-pivavahana amin’ilay Andriamanitra toloran’i Jesosy fanompoam-pivavahana. Nivavaka toy izao i Jesosy: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” — Jaona 17:3.

      Nandritra ny fanompoany teto an-tany, ilay Zanak’Andriamanitra dia nanintona foana ny saina ho amin’ny Rainy fa tsy ho amin’ny tenany. Tsy nihambo na oviana na oviana ho Andriamanitra Tsitoha izy. (Jaona 12:49, 50). Nisy toe-javatra maromaro nanambaran’i Jesosy mazava ny toerany ao anatin’ny fandaharan’Andriamanitra, ka nilazany fa teo ambany fahefan’ny Rainy izy. (Lioka 22:41, 42; Jaona 5:19). Nanambara toy izao i Jesosy: “Ny Ray dia lehibe noho Izaho.” (Jaona 14:28). Moa ve ny fiangonanao nampianatra anao ny tena fifandraisana misy eo amin’Andriamanitra sy i Kristy? Sa kosa natao izay hinoanao fa i Jesosy mihitsy no Andriamanitra Tsitoha? Miankina amin’ny fahazoanao hevi-javatra araka ny marina ny famonjena anao.

      Tao amin’ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo, dia nampirisika mafy ny mpianany hivavaka toy izao i Jesosy: “Hohamasinina anie ny anaranao.” (Matio 6:9). Ny ankamaroan’ny fandikan-tenin’ny Baiboly dia nanamaizina ny anaran’Andriamanitra, ka nandika azy io hoe “Tompo”. Ao amin’ireo kopia tranainy amin’ny “Testamenta Taloha” anefa, ny anaran’Andriamanitra dia niseho in-6000 mahery! Toy izao, ohatra, no vakintsika ao amin’ny Salamo 83:18: “Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” (Izahay no manao sora-mandry.) Moa ve ianao nampianarina hampiasa ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah? Raha tsy izany, dia tandindomin-doza ny famonjena anao, satria “na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia hovonjena”! — Asan’ny Apostoly 2:21; ampitahao amin’ny Joela 3:5.

      Amin’ny fanahy sy ny fahamarinana

      Nanintona ny saina ho amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, koa i Jesosy Kristy. Rehefa nanazava ny fomba fihevitr’Andriamanitra ny raharaha sasany izy, dia matetika no nilaza hoe: “Voasoratra hoe”. (Matio 4:4, 7, 10; 11:10; 21:13). Ny alina talohan’ny hahafatesany, dia nivavaka toy izao i Jesosy momba ny mpianany: “Manamasìna azy amin’ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana.” — Jaona 17:17.

      Zavatra hafa iray tena ilaina ho amin’ny famonjena koa, araka izany, ny fahazoana ny hevitr’ireo fampianarana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. (2 Timoty 3:16). Ny Baiboly ihany no mamaly ny fanontaniana toy ireto: Inona no hevitry ny fiainana? Nahoana no navelan’Andriamanitra hitohy ela be ny faharatsiana? Inona no manjo ny olona iray rehefa maty izy? Tena mampijaly ny olona ao amin’ny afobe mirehitra tokoa ve Andriamanitra? Inona no fikasan’Andriamanitra momba ny tany?a Tsy afaka manolotra fanompoam-pivavahana araka ny mety ny olona iray raha tsy araka ny marina ny fahazoany ny hevitr’ireo raharaha iadian-kevitra ireo, satria nilaza toy izao i Jesosy: “Ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. — Jaona 4:23.

      Manosika hanao zavatra ny finoana

      Mahafaoka zavatra be kokoa noho ny fahazoana fanazavana fotsiny ny famonjena. Ao amin’ny fo mandray tsara iray, ny fahalalana araka ny marina momba an’Andriamanitra dia miteraka finoana. (Romana 10:10, 17; Hebreo 11:6). Manosika ny olona iray hanao zavatra izany finoana izany. Mananatra toy izao, ohatra, ny Baiboly: “Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo”. — Asan’ny Apostoly 3:19.

      Eny, ny famonjena dia mahafaoka koa ny fanarahan’ny tena ireo fari-pitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena sy ny fitsipi-pitondran-tena. Noho ny hery manova ananan’ny Tenin’Andriamanitra, ireo fahazarana efa hatramin’izay niainana, toy ny lainga sy ny famitahana, dia misolo fanaovana ny marina sy filazana ny marina. (Titosy 2:10). Ireo fanao miharo fahalotoam-pitondran-tena, toy ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy, ny fanitsakitsaham-bady, sy ny fijangajangana, dia atsahatra ary soloana fitondran-tena madio. (1 Korintiana 6:9-11). Tsy fifadiana mihelina miorina amin’ny fihetseham-po akory izany fa vokatry ny fianarana sy ny fampiharana ny Tenin’Andriamanitra amim-pitandremana. — Efesiana 4:22-24.

      Atỳ aoriana, ny fitiavana sy ny fankasitrahana an’Andriamanitra dia manosika ny olona iray tso-po hanao fanoloran-tena feno ho an’Andriamanitra ary hanamarika izany amin’ny batisa anaty rano. (Matio 28:19, 20; Romana 12:1). Ny Kristiana vita batisa dia voavonjy eo imason’Andriamanitra. (1 Petera 3:21). Mandritra ilay fandringanana ho avy hampiharina amin’itỳ tontolo ratsy itỳ, dia hamonjy azy ireo tanteraka Andriamanitra, amin’ny fitsimbinana azy ireo amin’ilay fahoriana lehibe. — Apokalypsy 7:9, 14.

      Izay mety ho hevitry ny famonjena ho anao

      Mazava avy amin’io fandinihana fohy io fa mahafaoka zavatra be kokoa noho ny ‘fananana an’i Jesosy Tompo ao am-ponao’ ny fahazoana famonjena. Izy io dia midika ho fandraisana fahalalana araka ny marina momba an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy ary fanaovana ireo fanovana ilaina eo amin’ny fiainan’ny tena. Mety ho toa sarotra hatao izany, kanefa ny Vavolombelon’i Jehovah dia vonona ny hanampy anao eo amin’io ezaka mafy io. Amin’ny alalan’ny fampianarana Baiboly ao an-tokantrano izay atao maimaim-poana, dia afaka manampy anao izy ireo mba hanomboka handeha eo amin’ny lalan’ny tena famonjena.b

      Rehefa heverina ny fahantomoran’ilay andro fitsaran’Andriamanitra ho avy, dia mahamaika kokoa noho ny hatramin’izay ny fanaovana izany! Izao no fotoana hanarahana ireto tenin’ny mpaminany ireto: “Dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah. Mitadiava an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.” — Zefania 2:2, 3.

      [Fanamarihana ambany pejy]

      a Mba hahitana ny fandinihana ireo foto-kevitra ireo dia jereo, aza fady, ny Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

      b Raha te hianatra Baiboly ao an-tokantrano ianao, dia iangaviana mba hifandray amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny misy anao. Na azonao atao ny manoratra any amin’ny mpampanonta itỳ gazety itỳ.

      [Efajoro, pejy 6]

      Ny Famonjena dia avy Amin’ny...

      ◻ Fahazoana fahalalana araka ny marina momba an’Andriamanitra sy i Jesosy. — Jaona 17:3.

      ◻ Fanehoana finoana. — Romana 10:17; Hebreo 11:6.

      ◻ Fibebahana sy fiverenana. — Asan’ny Apostoly 3:19; Efesiana 4:22-24.

      ◻ Fanoloran-tena sy batisa. — Matio 16:24; 28:19, 20.

      ◻ Fanohizana manao fanambarana ampahibemaso. — Matio 24:14; Romana 10:10, NW.

      [Sary, pejy 7]

      Ny fianarana ny Baiboly, ny fampiharana an’izay nianarana, ny fanoloran-tena, sy ny batisa, dia dingana mitarika ho amin’ny famonjena

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara