FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mitandrema mba Tsy Hihevitra ny Hafa ho Manana Antony Manosika Ratsy
    Ny Tilikambo Fiambenana—1997 | 15 Mey
    • Mitandrema mba Tsy Hihevitra ny Hafa ho Manana Antony Manosika Ratsy

      NISY mpitory teny be mpahalala tao amin’ny televiziona namoaka fiampangana nanindrontsindrona ny mpitory teny iray tahaka azy, ho nanitsakitsa-bady. Herintaona tatỳ aoriana anefa, dia tratra niaraka tamin’ny mpivaro-tena ilay mpitory teny niampanga.

      Tamin’ny toe-javatra hafa iray, dia nandefa iraka hampihavana antokon’olona niady, ny herim-panjakana malaza iray. Tamin’izay fotoana izay ihany anefa, io firenena io dia naniraka an-tsokosoko ireo mpivarotra fitaovam-piadiana tao aminy ho any amin’ny firenen-kafa, mba hivarotra fitaovam-piadiana nitentina an’arivony tapitrisa dolara.

      Koa satria fahita aoka izany ny fihatsarambelatsihy miharihary, mahagaga ve raha nanjary nisolo ny fitokiana, ny fisalasalana? Ho an’ny olona maro, dia nanjary mahazatra ny fisalasalana ny amin’ny antony manosika ny hafa.

      Amin’ny maha-Kristiana antsika dia tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hamela ny fihetsika toy izany hisy fiantraikany eo amin’ny fifandraisantsika amin’ireo mpiray finoana mahatoky. Na dia nampirisika mafy antsika ho “malina tahaka ny bibilava” aza i Jesosy Kristy, rehefa eo anivon’ireo fahavalo isika, dia tsy nilaza akory izy fa tokony ho fatra-piahiahy an’ireo tena mpanara-dia azy, isika. (Matio 10:16, NW ). Koa inona avy àry ireo loza entin’ny fiheverana ny hafa ho manana antony manosika ratsy? Amin’ny lafiny inona avy isika no tsy maintsy mitandrina indrindra mba hanalavirana ny fironana toy izany? Ary ahoana no azontsika iarovana ny fifandraisantsika sarobidy amin’ireo Kristiana tahaka antsika?

      Fianarana avy amin’ny lasa

      Ny fiheverana ny hafa ho manana antony manosika ratsy, kanefa tsy misy antony marim-pototra, dia mitovy amin’ny fitsarana azy ireny. Izany dia toy ny hoe manao fanatsoahan-kevitra aloha loatra isika fa ny teniny sy ny ataony dia tsy inona fa tetika hanafenana zava-dratsy sy feno fitaka. Matetika dia ny fomba fiheverana diso an’ilay raharaha no anton’ilay zava-manahirana, araka ny hita avy amin’ny fitantaran’ny Baiboly ao amin’ny Josoa toko faha-22.

      Nahavita ny fandreseny ny Tany Nampanantenaina ny Isiraelita, ary vao avy nandray ny faritaniny avy, ireo foko. Nanorina alitara iray ‘lehibe ny fijery azy’, teo amoron’ny Ony Jordana, ny fokon’i Robena sy i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase. Nihevitra tamim-pahadisoana ireo foko hafa fa asa nampiseho fivadiham-pinoana izany. Noheverina fa handeha hanao fanatitra eo amin’io rafitra lehibe io ireo foko telo ireo, fa tsy handeha ho any amin’ny trano lay fihaonana tao Silo, izay toerana voatondro ho an’ny fanompoam-pivavahana. Avy hatrany dia nanomana fanafihana ara-tafika ireo foko niampanga. — Josoa 22:10-12.

      Mendri-piderana izy ireo satria nifampiresaka tamin’ireo rahalahiny isiraelita tamin’ny fanirahana solontena ofisialy notarihin’i Finehasa. Rehefa nahare ilay fiampangana azy ireo ho tsy nahatoky sy nikomy ary nivadi-pinoana tamin’i Jehovah ireo foko noheverina ho nanao ratsy, dia nohazavainy ny antony nanorenany an’io alitara goavana io. Tsy alitara hanaterana fanatitra ilay izy, fa “ho vavolombelona” ny amin’ny firaisan-tsaina nisy teo amin’ireo fokon’ny Isiraely, teo amin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah. (Josoa 22:26, 27). Niverina tany aminy ireo solontena, afa-po satria tsy nisy fahadisoana tamin’izay nataon’ireo rahalahiny. Araka izany, dia voasoroka ny ady an-trano iray sy ny fandatsahan-dra nahatsiravina.

      Fianarana ho antsika re izany, dia ny hoe tsy halady hihevitra ny hafa ho manana antony manosika ratsy, na oviana na oviana! Matetika izay toa marina rehefa jerena ivelany fotsiny, dia hita ho hafa tanteraka rehefa dinihina akaiky kokoa. Marina izany eo amin’ny lafiny maro amin’ny fiainan’ny Kristiana.

      Ny fomba fihevitsika ireo loholona

      Eo am-panatontosana ny andraikiny ‘hiandry ny kongregasionan’Andriamanitra’, ireo loholona indraindray dia mahita fa tena ilaina ny hanoroana hevitra an’ireo olona maro samihafa ao amin’ny kongregasiona. (Asan’ny Apostoly 20:28, NW ). Ohatra, ahoana no fihetsitsika raha miresaka amintsika ny loholona iray momba ny zanatsika, ny amin’ny raharaha toy ny fifaneraserana ratsy, na fitondran-tena tsy mety atao amin’olona tsy lahy na tsy vavy tahaka ny tena? Moa ve isika mihevitra fa manana antony manosika miafina ilay loholona, ka miteny anakampo isika hoe: ‘Tsy mba tia ny fianakaviako hatrizay hatrizay izy’? Raha avelantsika hanan-kery amintsika ny fihetseham-po toy izany, dia hanenina isika any aoriana. Mety hotandindomin-doza ny fahasalamana ara-panahin’ny zanatsika, ary tokony hankasitraka ny torohevitra mahasoa araka ny Soratra Masina, isika. — Ohabolana 12:15.

      Rehefa manoro hevitra antsika ny loholon’ny kongregasiona, dia aoka isika tsy hitady antony manosika miafina. Aoka kosa aza isika hanontany tena raha misy fomba sasany azontsika andraisan-tsoa avy amin’ilay toroheviny miorina amin’ny Baiboly. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy izy.” (Hebreo 12:11). Koa aoka àry isika ho velom-pankasitrahana ka hihevitra ilay raharaha amin’ny saina tsy miangatra. Tadidio fa matetika dia sarotra amin’ny loholona ny manome torohevitra antsika, dia toy ny maha-sarotra amintsika ny mandray izany.

      Fihetseham-po momba ny ray aman-dreny

      Rehefa miatrika fameperana sasany avy amin’ny ray aman-dreny ny tanora sasany, dia misalasala ny amin’ny antony manosika ireo ray aman-dreniny. Mety hiteny ny tanora sasany hoe: ‘Nahoana no manorina fitsipika maro be toy izao ny ray aman-dreniko? Tsy maintsy ho tsy tiany hifaly amin’ny fiainana aho.’ Tsy tokony hanatsoaka hevitra toy izany anefa ny tanora, fa mila kosa izy mamakafaka ilay tarehin-javatra amin’ny saina tsy miangatra.

      Nandany taona maro mba hikarakarana ny zanany ny ray aman-dreny. Noho ny sorona lehibe teo amin’ny ara-nofo sy ny zavatra hafa koa no nahavitana izany. Misy antony tokony hanatsoahan-kevitra ve fa ankehitriny izy ireo dia tapa-kevitra ny hanao izay tsy hahasambatra ny fiainan’ny zanany efa tonga zatovo? Tsy ara-drariny kokoa ve ny hiheverana fa ny fitiavana no antony manosika ireo ray aman-dreny ireo hiaro ny zanany sy hikarakara azy ireny? Tsy io fitiavana io ihany ve no manosika azy hanisy fameperana sasany amin’ny zanany izay miatrika fihaikana vaovao eo amin’ny fiainana, ankehitriny? Ho tsy fanehoana hatsaram-panahy sy tsy fanehoam-pankasitrahana toy inona moa ny fiheverana ny ray aman-dreny be fitiavana ho manana antony manosika ratsy! — Efesiana 6:1-3.

      Ny fihetsitsika manoloana ireo Kristiana tahaka antsika

      Maro no mirona hitsara an-tendrony ny hafa sy hanana fomba fijery raikitra momba azy ireny. Ahoana raha efa nanana fihetsika toy izany ny tenantsika ka somary fatra-piahiahy olona sasany? Nety ho niharan’ny fitaoman’izao tontolo izao ve isika amin’io lafiny io?

      Ohatra, aoka hatao hoe manana trano kanto sy fiarakodia lafo vidy ny iray amin’ny rahalahintsika ara-panahy. Tokony hanatsoaka hevitra avy hatrany ve isika fa izy io dia olona miahy fatratra ny zavatra ara-nofo, ka tsy mametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainana? Mety ho afaka hividy zavatra kanto ny Kristiana sasany, nefa izany akory tsy midika fa manana antony manosika ratsy izy ireo, na koa tsy ‘mikatsaka ilay fanjakana aloha’. Mety ho tena be atao amin’ny asa ara-panahy izy ireny, ka mampiasa amim-pahalalahan-tanana ny fananany ara-nofo mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana, angamba amin’ny fomba tsy miharihary. — Matio 6:1-4, 33.

      Voaforona karazan’olona rehetra — manankarena sy mahantra — ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany. (Asan’ny Apostoly 17:34; 1 Timoty 2:3, 4; 6:17; Jakoba 2:5). Tsy manombana ny hasarobidin’ny olona araka ny vola ananany Andriamanitra, ary tokony ho toy izany koa isika. Tokony hotiavintsika ireo mpiray finoana amintsika izay efa voazaha toetra sady mahatoky, ka ‘tsy hanao na inona na inona amin’ny fiangarana’ isika. — 1 Timoty 5:21.

      Eto amin’itỳ tontolo eo ambany fifehezan’i Satana itỳ, dia miseho amin’ny endriny maro samihafa ny fananana fomba fijery raikitra momba ny hafa sy ny fiahiahiana. Ohatra, mety hoheverina ho mahery setra, na miahy fatratra ny zavatra ara-nofo ny olona iray, noho ny fiaviany fotsiny. Amin’ny maha-Kristiana antsika anefa, dia tsy tokony ho latsaka ao amin’ny fihetsika toy izany isika. Tsy toerana ho an’ny tsy fahaiza-milefitra sy ny fiahiahiana, ny fandaminan’i Jehovah. Ny Kristiana marina rehetra dia mila ny hanahaka an’i Jehovah Andriamanitra izay ‘tsy misy heloka na fizahan-tavan’olona’. — 2 Tantara 19:7; Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

      Aoka ianao hatosiky ny fitiavana

      Milaza mazava ny Soratra Masina fa ‘samy efa nanota ny rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra’. (Romana 3:23). Koa mila ny hihevitra an’ireo mpiara-mivavaka amintsika ho toy ny olona tafaray amintsika eo amin’ny fiezahana mafy mba hanolotra fanompoana azon’i Jehovah ekena, àry isika. Raha namela ny fiahiahiana na ny fihetseham-po hafa tsy manorina hisy fiantraikany teo amin’ny fifandraisantsika tamin’ny rahalahy na anabavy iray isika, dia aoka isika hivavaka hahazoana ny fanampian’Andriamanitra mba hiadiana amin’ny fihetsika toy izany ka tsy ho tonga rembin’i Satana. (Matio 6:13). Nampiaiky an’i Eva izy fa nanana antony manosika ratsy i Jehovah, tsy niahy ny amin’izay hahasoa an’i Eva izy, ary nihazona ny fahafahana izay hahatonga an-dravehivavy ho tena sambatra. (Genesisy 3:1-5). Miasa ho an’ny zava-kendren’i Satana ny fiheverantsika an’ireo rahalahintsika ho manana antony manosika ratsy. — 2 Korintiana 2:11; 1 Petera 5:8.

      Raha hitantsika fa manana fironana hihevitra ny hafa ho manana antony manosika ratsy ny tenantsika, dia hevero ny ohatr’i Jesosy Kristy. Na dia Zanak’Andriamanitra lavorary aza izy, dia tsy nitady antony manosika ratsy tao amin’ny mpianany. Nitady izay zavatra tsara tao amin’izy ireo kosa aza i Jesosy. Rehefa niady hahazo toerana ambony ny mpianany, dia tsy nihevitra izy fa nanana antony manosika ratsy izy ireo ka nosoloany apostoly 12 vaovao. (Marka 9:34, 35). Noho ny tsy fahatanterahana dia nety ho somary niharan’ny fitaoman’ny kolontsain’ny Jodaisma nivadi-pinoana, izy ireo, dia kolontsaina izay nanantitrantitra ny fieboeboana sy ny fanavakavahana noho ny saranga. Fantatr’i Jesosy fa ny fitiavana an’i Jehovah no antony fototra nanosika ireo mpanara-dia azy. Noho izy ireo naneho izany fitiavana izany sy nifikitra tamin’i Jesosy, dia novalian-tsoa be dia be izy ireo. — Lioka 22:28-30.

      Raha mijery ireo mpiray finoana amintsika mahatoky amim-piahiahiana isika, izany dia ho toy ny fijerena zavatra amin’ny fitaratra mampiova bika. Tsy hisy na inona na inona hiseho araka ny tena izy. Koa aoka àry isika hijery amin’ny alalan’ny fitaratry ny fitiavana. Misy porofo tondraka mampiseho fa tia antsika ireo Kristiana tahaka antsika tsy mivadika, ka mendrika ny fiheverantsika feno hatsaram-panahy izy ireny. (1 Korintiana 13:4-8). Koa enga anie àry isika hampiseho fitiavana aminy, ary hitandrina mba tsy hihevitra ny hafa ho manana antony manosika ratsy.

      [Sary, pejy 26]

      Ahoana no fihevitrao ny hafa izay manompo an’Andriamanitra amim-pahatokiana?

      [Sary, pejy 27]

      Mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah ho fianakaviana iray sambatra, ny fitokiana sy ny fanajana

  • “Miaina Mifanaraka Amin’ny Fampiofanana Ara-pivavahana Azony Izy Ireo”
    Ny Tilikambo Fiambenana—1997 | 15 Mey
    • “Miaina Mifanaraka Amin’ny Fampiofanana Ara-pivavahana Azony Izy Ireo”

      NANDEFA izao taratasy manaraka izao tao amin’ny gazety iray teo an-toerana ny vehivavy iray avy any Miami, Florida, Etazonia: “Tamin’ny 10 Des[ambra], dia nisy nangalatra tao am-paosin’ny zanako lahy ny poketrany, tany amin’ny fivarotana entana efa nampiasaina. Tao anatin’izy io ny taratasiny fahazoana mitondra fiarakodia, ny karatra momba ny Fiantohana Sosialy, sns., ary koa ny vola 260 dolara [1 274 000 FMG eo ho eo].

      “Taorian’ny nilazany tamin’ny mpitantana ilay fivarotana fa very zavatra izy, dia lasa nody izy. Teo am-piandohan’ny takariva, dia naharay antso an-telefaonina izy avy tamin’ny ramatoa iray miteny espaniola izay nilaza taminy, nampian’ny mpandefa [telefaonina] iray izay nandika teny, fa nahita ilay poketrany izy.

      “Nomen’ilay ramatoa azy ny adiresiny. (...) Nomeny azy ilay poketra, izay tsy nisy nanalana, niaraka tamin’ilay 260 dolara.

      “Nahita ilay mpangalatra naka ny poketrany ilay ramatoa ka niantsoantso. Nalatsak’ilay mpangalatra ilay poketra ary dia lasa nandositra izy. Tamin’izay dia efa tsy hitan’ilay vehivavy intsony ny zanako lahy, ka nentiny tany an-tranony ilay poketra ary dia niantso an-telefaonina izy.

      “Vavolombelon’i Jehovah izy sy ny fianakaviany. Miharihary fa miaina mifanaraka amin’ny fampiofanana ara-pivavahana azony izy ireo.”

      Tsy hoe manao ny marina ny Vavolombelon’i Jehovah mba hahazoana dera avy amin’ny olona. (Efesiana 6:7). Irin’izy ireo am-pahatsorana kosa ny hitondra fiderana ho an’i Jehovah, ilay Rainy any an-danitra. (1 Korintiana 10:31). Manosika azy ireo hanambara ny “vaovao tsara” momba ny Fanjakan’Andriamanitra ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy. (Matio 24:14, NW ). Amin’ny alalan’ilay Fanjakana, Andriamanitra dia mampanantena fa hanova ny tany ho lasa paradisa kanto iray. Amin’izay ny tany dia tsy ho toerana kanto ara-bakiteny fotsiny, fa ho toerana hisian’ny hatsaran-toetra izay hanjakan’ny fanaovana ny marina mandrakizay koa. — Hebreo 13:18; 2 Petera 3:13.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara