Aoka isika hianatra handalina ny Tenin’Andriamanitra
“Raha (...) mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina (ianao): dia (...) ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.” — OHABOLANA 2:4, 5.
1. Inona no tokony ho hita mba tena hahasambatra? Nahoana?
“SAMBATRA izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana. Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara. Saro-bidy noho ny voahangy izy; ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy. Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana (...). Hazon’aina ho an’izay mifikitra aminy izy; ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.” — Ohabolana 2:13-18.
2. Inona no mahatonga ny fahasambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah? Torohevitra inona no raisin’izay tonga Vavolombelona raha vao alohan’ny batisany?
2 Marina tokoa fa ny kristiana marina dia faly nahita fahendrena, dia fahaiza-mampiasa ny fahalalany ny Soratra Masina mba hanarahana fanompoam-pivavahana misy asa, handaminana ireo zava-manahirana azy isan’andro sy hamerana zava-kendrena tsara eo amin’ny fiainana. Afa-tsy izany koa, ny olona rehetra izay maniry hatao batisa mba ho tonga Vavolombelon’i Jehovah dia tokony hamaly aloha, fitohitohizam-panontaniana mety izay natao hitsapana ny fahalalany ny fitambaran’ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly. Ny anankiray amin’ireo faramparany dia voalaza toy izao: “Aorian’ny batisanao amin’ny rano, nahoana no hiankinan’ny aina ny hitananao fandaharam-pianarana manokana tsara sy handraisanao anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana?” Io fanontaniana io dia nokendrena hampahafantarana tsara amin’ny mpilatsaka ny ilàna tsy hijanonana amin’ny zavatra mora indrindra, fa hanohizana hianatra mba ‘handrosoana haingana ho amin’ny fahamasahana’. (Hebreo 6:1, MN.) Kanefa manaraka an’io torohevitra io ve ny kristiana rehetra?
3, 4. a) Inona no nolazain’i Paoly ny amin’ny kristiana sasany tany Korinto sy Jodia? b) Amin’izao androntsika izao, toa manao ahoana ny tarehin-javatra hitan’ny kristiana mihoatra ny iray?
3 Ao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintiana ny apostoly Paoly dia nilaza ny alahelony noho izy voatery niteny tamin’ny mpamaky azy tsy “tahaka ny amin’izay araka ny Fanahy” fa “tahaka izay mbola zaza ihany ao amin’i Kristy”. (I Korintiana 3:1.) Mitovitovy amin’izany, dia izao no nosoratany ho an’ny kristiana hafa azo inoana fa nonina tany Jodia: “Ny amin’izany dia manana teny maro izahay sady sarotra ambara, satria lalodalovana ny sofinareo. Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza hianareo noho ny fahelan’ny andro, dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra indray; ary efa toy izay tokony homen-dronono hianareo, fa tsy ventin-kanina. Fa izay rehetra mivelona amin’ny ronono dia tsy zatra amin’ny tenin’ny fahamarinana, satria mbola zaza-bodo.” — Hebreo 5:11-13.
4 Amin’izao andro izao koa, ny sasany, rehefa avy nahazo fahalalana ampy mba hanoloran-tena ho an’i Jehovah noho ny fanantenana ny hiaina mandrakizay ao anatin’ny Paradisa an-tany, dia tsy mandray na mitana fahazarana maharitra hianatra tsara. Tsy isalasalana fa mihevitra izy ireny fa ampy fahalalana mba “hahay izay tokony hatao” amin’ny heviny ara-panahy, ary tsy mihoatra ny ambaratongan’ny ‘ronono’. Araka ny lazain’i Paoly amim-pahatsorana, dia “tsy zatra amin’ny tenin’ny fahamarinana” izy ireny amin’ny heviny hoe tsy zatra ny mampiasa izany ‘teny’ izany mba hitsarana ny hasarobidin’ny zavatra. Mifanohitra amin’izany, dia izao no teny nanampin’ilay apostoly: “Fa ho an’izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.” — Hebreo 5:14.
Ilaina amin’ny fitomboana ny “ventin-kanina”
5, 6. a) Mbola ao anatin’ny toe-piainana manao ahoana foana ny olona sasany nahalala ny fahamarinana hatramin’ny taona maro? Nahoana no tsy ara-dalàna izany? b) Inona no nambaran’i Paoly ny amin’izany karazan’olona izany? Inona no tokony hataon’izy ireny?
5 Hatramin’ny oviana ianao no nanolo-tena ho an’i Jehovah? Hevero ny fandrosoana ara-panahy nataonao araka ny fandehan’ireo taona. Amin’izao fotoana izao, moa ve mbola tsy hainao ny manazava amin’ny alalan’ny Baiboly afa-tsy ireo fahamarinana fototra, “ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra”? Misy toy izany olona nanaraka ny kristianisma hatramin’ny 10 na 20 taona izay mbola eo amin’ny ‘ronono’ foana. Eritrereto anefa: Inona no hoeritreretina ny amin’ny zaza iray 10 taona, na ny zazalahy na zazavavy iray 20 taona mbola tokony hofahanana amin’ny “biberon”? Moa ve tsy hisy zavatra tsy ara-dalàna ao? Rehefa ela ny ela, moa ve ny sakafo ronono tsy hampiadana ny fitomboany? Angamba ho velona ihany ilay olona resahina, nefa tsy ho tonga olon-dehibe matanjaka sy salama mihitsy. Voamarina koa izany fotopoto-pitsipika izany eo amin’ny lafiny ara-panahy.
6 Nahoana no aorian’ny taona maro, ny kristiana sasany dia mbola tsy ampy fahatanjahana amin’ny heviny ara-panahy ihany mba hanampy ireo olona vao miandany amin’i Jehovah izay mazava ho azy fa “mbola zaza-bodo”? Ireo izay tsy nandroso anefa dia nandray soa nandritra ny vanim-potoana naharitra tamin’ny fotoana sy fiheverana natokan’ireo loholona sy kristiana matotra ho azy kanefa izy ireo “tokony ho efa mpampianatra”, raha raisina indray ny tenin’i Paoly. Mba hahafahana mampianatra ny hafa koa anefa, dia tsy maintsy mihoatra ny ambaratongan’ny ‘ronono’ izy ireo ka mizatra amin’ny “ventin-kanina”. Ahoana no hahatongavana amin’izany? — Hebreo 5:12.
7. Araka ny Hebreo 5:14, natao ho an’iza moa ny “ventin-kanina”? Ahoana no mety hahatongavan’ny kristiana iray ho olona karazan’izany?
7 Nambaran’i Paoly fa “ho an’izay efa lehibe [matotra, MN ] ny ventin-kanina”, dia ho an’ny olona izay lazalazainy fa “manana saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy”. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ireo kristiana izay, raha vao eo am-boalohany, dia miezaka hampiasa ny kely fantany amin’ny Tenin’Andriamanitra mba hanavahana ny tsara sy ny ratsy dia hianatra tsikelikely hampiasa ny fahaizany mahazo hevi-javatra ka amin’ny farany dia hahatratra ny fahamasahana kristiana. Handray fahazarana maka hevitra ao amin’ny “tenin’ny fahamarinana” izy ireny mba hitsarana ny hasarobidin’ny zavatra, mba hanavahana ny mahasoa amin’ny tsy toy izany eo amin’ny lafiny ara-pitondrantena sy ara-panahy ary ara-batana koa aza. Arakaraka ny hampiharany izay ianarany, dia tsy hoe tsy hahalala “ny tenin’ny fahamarinana” intsony izy. Izy ireo no ho tonga “matotra” manana ny “ventin-kanina”. — Hebreo 5:13, 14.
Fahazarana tsara ‘ara-tsakafo’
8. Ahoana no mety hijanonan’ny kristiana iray amin’ny ‘ronono’? Ahoana no azo anovana ny fahazaran’ny tena ‘ara-tsakafo’ amin’ny heviny ara-panoharana?
8 Ireo marary izay nampiasa ronono naharitra, dia tokony hanazatra ny tenany amin’ny ventin-kanina indray rehefa avy eo. Toy izany koa, ireo kristiana zatra ny “mitsingintsingina” ny sakafo aroson’ny “mpanompo mahatoky sy malina” ho azy, azo lazaina hoe amin’ny famelana eo an-tsisin-dovia ny sombiny tsara hila ny “hotsakoina” kokoa (amin’ny fieritreretana sy fanaovana fikarohana amboniny), dia tokony hanao fiezahana mba handray fahazarana ‘ara-tsakafo’ tsaratsara kokoa. Tsy maintsy ‘fohaziny ny fahaizany misaina mazava’ ka ‘miady mafy’ izy amin’io lafiny io. — Matio 24:45; II Petera 3:1, 2, MN; Lioka 13:24, MN.
9. Inona no azo atao mba hampahazoto homana indray?
9 Misy anton-javatra telo mety hanampy marary iray hazoto indray hihinana ventin-kanina mampahatanjaka: 1) antony manosika tsara, eto dia ny faniriana ho sitrana sy hahita ny heriny indray; 2) sakafo tsy tapaka sy mampahazoto homana; 3) rivotra betsaka sy fampiasan-tena. Ahoana no mety hahatonga izany fahatsapan-javatra izany hanampy olona malain-komana raha ny amin’ny zava-dalina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra?
10. Inona avy ireo antony tokony hanosika antsika hampitombo ny fahalalantsika ny Tenin’Andriamanitra?
10 Izay rehetra nanolotra ny fiainany ho an’Andriamanitra dia manana antony tsara dia tsara tokony haniriana hahafantatra tsaratsara kokoa ny Teniny. Ny fitiavantsika an’i Jehovah dia manome antsika faniriana ny hahafantatra bebe kokoa ny amin’ireo toetrany, ny sitrapony sy ny fikasany mahagaga. Mba hanaovana izany anefa, dia ilaina ny ‘handalinana sy ny hisaintsainana’ (Salamo 1:1, 2; 119:97). Afa-tsy izany koa, ny fanantenantsika ny hiaina mandrakizay ao anatin’ny Paradisa an-tany nampanantenain’Andriamanitra dia tsy ho tanteraka raha tsy manohy mianatra ‘hahafantatra an’Andriamanitra’ tokana sady marina sy Jesosy Kristy Zanany isika. (Jaona 17:3.) Tsy ny faniriana hahazo ny fiainana mandrakizay ihany anefa no tokony ho antony lehibe indrindra manosika antsika hianatra ny Baiboly. Raha tsy tiantsika ny hanao fahadisoana sahala amin’ny an’ireo Jiosy tsy nety nino, dia zava-dehibe ny ‘handinihantsika ny Soratra Masina’ alohan’ny zavatra rehetra noho ny fitiavana an’Andriamanitra sy mba hanaovana ny sitrapony. — Jaona 5:39-42; Salamo 143:10.
11. Aiza no mety hahitantsika tsy tapaka sakafo ara-panahy mampahazoto homana?
11 Ny fankasitrahana dia tokony hanosika antsika rehetra hanararaotra araka izay farany azo atao ny fahatondrahan’ny sakafo ara-panahy mampahazoto homana izay omena antsika tsy tapaka sy “amin’ny fotoana mety”, amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45, MN.) Mety ny handraisantsika fahazarana tsara ara-tsakafo, amin’ny heviny ara-panahy, amin’ny fanokanana fotoana ampy mba hamakiana sy hianarana ny foto-kevitra mahavariana rehetra velabelarina ao amin’ireo boky sy gazetin’ny Fikambanana Watch Tower. Etsy andaniny koa, ny sakafo ara-panahy dia aroso tsy tapaka ao amin’ireo fivoriana dimy alamina isan-kerinandro ao amin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny tany manontolo. Manatrika ireny fivoriana rehetra ireny ve ianao ary ampy fiomanana mba handray ny sakafo ara-panahy zaraina ho anao any?
12. a) Amin’ny fomba hafa ahoana no azon’ny kristiana ampitomboana ny fahazotoany homana ara-panahy? b) Fanontaniana inona avy àry no ho azontsika apetraka amin’ny tenantsika?
12 Ankoatra ny fitiavana an’Andriamanitra, ny fitiavana ny namana dia tokony hanosika antsika hianatra ny Soratra Masina (Lioka 10:27). Izay nanjary nalain-komana ara-bakiteny dia mila ny maka rivotra sy manao fampiasan-tena. Toy izany koa, ny kristiana maniry hazoto hihinana “ventin-kanina” kokoa dia hahita soa tokoa raha mivoaka ny tranony sy mampiasa ny fahalalany mba hampielezana ny “vaovao tsaran’ny fanjakana” sy ‘hanaovana mpianatra olona avy amin’ny firenena rehetra’. (Matio 24:14; 28:19, 20.) Tadidio izay nolazain’i Paoly tamin’ireo “zaza-bodo” mbola “tokony homen-dronono”: ‘Tokony ho efa mpampianatra hianareo noho ny fahelan’ny andro.’ (Hebreo 5:12). Ary ianao, aiza ho aiza ianao izao hatramin’ny fotoana naha-kristiana anao? Raha lehilahy ianao, moa ve ianao nandroso mba ho tonga tena “mpampianatra” eo amin’ny asa fitoriana, na ho loholona ao anatin’ny kongregasiona mihitsy aza? Raha vehivavy ianao, hainao ve izao ny mampianatra amin’ny fomba mandaitra ny Baiboly amin’ireo olona tsara fikasa ao anatin’ny faritry ny fianarana any an-tokantrano na amin’ny fanampiana kristiana hafa eo amin’ny asa fanambarana?
Aoka hataontsika ho fahafinaretana ny fianarana
13. Inona no fahasamihafan’ny famakian-teny sy ny fianarana?
13 Lazaina indraindray fa fahafinaretana ny famakian-teny ary asa ny fianarana. Misy marina amin’izany fanamarihana izany. Azo atao tokoa ny mamaky boky mampandroso be dia be ho fialam-boly. Inona, ohatra no mahafinaritra kokoa noho ny mandany ora iray na roa, maka toerana mampiadana, miaraka amin’ny fitantarana iray ao amin’ny Annuaire des Témoins de Jéhovah na nomerao iray amin’ny Réveillez-vous!? Ny fianarana kosa dia mitovy kokoa amin’ny asa. Ireo diksionera tokoa dia milaza azy ho “fiezahan’ny saina voalamina tsara izay mitady hianatra sy hahazo hevi-javatra”, ary indrindra ho toy ny “fiezahana ara-tsaina mba hahazoana fahalalana” na “handalinan-javatra”. Araka izany àry dia tsy misy fianarana raha tsy misy fiezahana. Kanefa, toy ny asa iray vita tsara loharanom-pahafahampo sy harena, dia toy izany koa fa mety hahafinaritra ny fianarana sady hahasoa ara-panahy. Mahasoa antsika koa ny maha-toy izany azy. Fa ahoana no hatao mba hahatongavana amin’izany?
14. Inona no hanampy anao hahatonga ny fianaranao hahafinaritra kokoa sy hahasoa kokoa?
14 Raha tiantsika sady hahasoa no hahafinaritra antsika ny fianarana, dia zava-dehibe ny hanokanantsika fotoana ampy amin’izany. Koa satria izany mitaky “fiezahan’ny saina voalamina tsara” noho ny fikendrena ny ‘handalinan-javatra’, azonao atao ve ny milaza matetika, amim-pahamarinana tanteraka fa tena nianaranao tokoa Ny Tilikambo Fiambenana na ny boky dinihina amin’ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona? Amin’ny toe-javatra maro, moa ve ianao tsy mirona kosa hisodika fotsiny eo ambonin’ny fianarana amin’ny fanipihana haingana ireo valin’ny fanontaniana, tsy misy fandalinana ny antsipiriany ary tsy misy fieritreretana ireo anton’ny fanazavana nomena? Raha izany no izy, ny zavatra voalohany tokony hatao mba hanatsarana ny fahazaranao ‘ara-tsakafo’ dia azo inoana fa ho ny ‘fanararaotana ny fotoana mety’ amin’ny fianarana (Efesiana 5:15-17). Mba hahavitana izany, dia hilainao angamba ny hampihenana be dia be ny fotoana atokanao amin’ny asa hafa tsy lehibe kokoa. Kanefa tsy isalasalana fa ho gaga ianao noho ny fahafinaretana ho hitanao amin’ny fianarana rehefa tena hanam-potoana hankafizana ireo zavatra ianarana ianao fa tsy hamela azy fotsiny.
15. Inona koa no ilaina mba hahatonga ny fianarana sady hahasoa no hahafinaritra?
15 Mifandray amin’ny fotoana, dia mety koa ny hanononana ny vavaka. Mba handraisan-tsoa ara-panahy avy amin’ny fianarana tokoa, dia mila ny fitahian’i Jehovah isika. Ilaintsika àry ny mivavaka aminy amin’ny alalan’i Jesosy, mba hangatahana aminy hanokatra ny saina sy ny fontsika mba ho mora handraisany ireo fahamarinana hojerentsika. Impiry ianao no nanomana haingana fivoriana iray tsy nisy fangatahana tamin’i Jehovah mba hitahy anao sy hanome anao ny fahendrena nilainao mba hampiharana eo amin’ny fiainanao andavanandro izay nianaranao? Nahoana no tsy hahazo ny fanampian’Andriamanitra, kanefa ho ampy anao ny hitalahoana izany mba hahazoana azy? — Jakoba 1:5-7.
Aoka isika handalina kokoa ihany
16. Mifandray amin’ny teny ampiasaina ho foto-kevitr’ity fianarana ity, inona no tokony hataontsika mba hahitana fahalalana sy fahazavan-tsaina ary fahiratan-tsaina?
16 Izao no vakintsika ao amin’ny Ohabolana 2:4, 5: “Raha (...) mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina (hianao) (...) dia ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.” Ny teny manodidina dia manasa antsika hitady ny ‘teny’ sy ny ‘didin’i Jehovah’, mbamin’ny “fahendrena”, “fahalalana” sy “saina”. Ny olona mitady harena dia tsy maintsy manao fiezahana sy miseho ho maharitra mba hahitana izany. Tsy maintsy mihady lalina izy. Toy izany koa ny amin’izay mikatsaka “ny fahalalana an’Andriamanitra”, ny “fahalalana [fahazavan-tsaina, MN ]” sy ny “saina [fahiratan-tsaina, MN ]”. Mba hahatratrarany izany, dia hilainy ny handalinana, ny tsy hijanonana eo ivelan’ny zavatra. Aoka indrindra tsy hoheverintsika fa ampy ny hamakiana haingana fotsiny ny Tenin’Andriamanitra.
17. Ahoana no lazain’ny Soratra Masina ny amin’ny hevitr’i Jehovah? Tokony ho velom-pankasitrahana noho ny inona àry isika?
17 Nihiaka toy izao ny mpanao salamo iray: “Jehovah ô, akory ny halehiben’ny asanao! Lalina indrindra ny fisainanao.” (Salamo 92:5). Rehefa nentanim-piderana sahala amin’izany i Paoly, dia nanoratra toy izao: “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany!” (Romana 11:33). Tao amin’ny taratasy hafa iray izy dia niresaka ny amin’ny “saina lalina izay an’Andriamanitra”. (I Korintiana 2:10.) Marina fa, araka ny fanazavan’i Paoly, Andriamanitra dia mampiharihary ireny zava-dalina ireny ‘amin’ny fanahiny’, dia ny heriny miasa, ary io hery io dia miasa mafy eo amin’ireo kristiana voahosotra nanankinan’i Jesosy Kristy asa fizarana ny sakafo ara-panahy. Rariny tokoa raha ho velom-pankasitrahana mafy ny kilasin’ny “mpanompo” isika noho ny fanadihadiany ny zavatra ara-panahy toy ny ataony, mba hanaovana izay hampahazava kokoa ihany ho antsika “ny saina lalina izay an’Andriamanitra”. — I Korintiana 2:10.
18. Ahoana no azontsika andalinana ny Tenin’Andriamanitra? Inona avy no fitaovana manokana nomena antsika ho amin’izany?
18 Izany anefa tsy manafaka ny kristiana amin’ny ankapobeny amin’ny andraikitra handalina isam-batan’olona ny Tenin’Andriamanitra mba hahafantarana ny halalin’ny hevitra hazavaina aminy. Mba hanaovana izany, dia tena ilaina ny handinihana ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly tononina ao sy ny hijerena ny fanamarihana ambany pejy hita ao amin’ny lahatsoratra sasany amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana. Rehefa manondro boky iray tranainy izay mirakitra fanazavana amin’ny antsipiriany kokoa ny andalan-teny na ny faminaniana iray ao amin’ny Baiboly ny anankiray amin’ireny fanamarihana ireny, dia tsara ny handalinana kokoa amin’ny fiezahana hahita ilay boky resahina sy hianarana ireo pejy voatondro. Mety koa ny handraisan-tsoa araka izay farany azo atao amin’ireo boky fianarana manokana nomen’ny kilasin’ny “mpanompo” antsika araka ny fandehan’ny fotoana, toy ny indeksa, ny konkordansa, ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible sy ny boky “Toute Ecriture est inspirée de Dieu et utile”. Eny, ny kristiana dia afaka mampiasa fitaovana tsara dia tsara mba hanadihadiana ny Soratra Masina, ka ny vao natao farany dia ny Baiboly vaovao amin’ny teny anglisy misy fakan-teny izay, rehefa mandeha ny fotoana, dia havoaka koa amin’ny fiteny hafa sasany. Aoka àry isika hampiasa tsara ireny fitaovana sarobidy ireny.
Aoka isika hianatra amin’ny fananana zava-kendrena hentitra
19. Amin’ny ahoana no tokony hisehoana ho malina eo amin’ny fampiasana ny fahalalana?
19 Matoa mandalina ny Tenin’Andriamanitra isika, ny antony dia tsy tokony ho ny mba hisandratantsika ho ambonin’ireo rahalahintsika na mba hampideraderana ny fahalalantsika. Izany no mitranga matetika amin’ny olona maneho toe-tsain’izao tontolo izao. Rehefa itarina ireto tenin’i Paoly manaraka ireto dia voamarina amin’izy ireny: “Ny fahalalana mampieboebo; fa ny fitiavana no mampandroso.” (I Korintiana 8:10). Ny fitiavana kosa dia hanosika antsika hampiasa amim-panetren-tena ny fahalalantsika mba hitoriana, hanaovana mpianatra sy handraisana anjara tsy amim-pisehosehoana amin’izay hanatsarana ireo fivoriana kristiana.
20. Inona no fananarana nataon’i Paoly ny amin’izany?
20 Aoka àry isika tsy ho “zaza-bodo” intsony fa “hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia Kristy”. (Efesiana 4:13-15.) “Aoka isika handroso haingana ho amin’ny fahamasahana.” (Hebreo 6:1, MN ). Aoka isika hitondra tena amin’ny maha-olona matotra, mahay mandray ny “ventin-kanina” izay hahatonga antsika hatanjaka ara-panahy sy hilaina eo anivon’ny kongregasiona kristiana. Mba hahatratrarana izany zava-kendrena izany anefa dia tsy tokony hianina amin’ny fahazoana fahalalana amin’ny alalan’ny fianarana isika. Tokony hankamamy koa ireo “fanambarana” avy amin’i Jehovah isika ka hianatra hivelona amin’izany. Hiditra amin’io foto-kevitra io isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka. — Salamo 110:1; Isaia 56:8; 66:2.
Ho fitadidiana:
◻ Nahoana no misy mijanona ho “zaza-bodo” eo amin’ny lafiny ara-panahy?
◻ Inona no mety hanampy olona ho tonga matotra?
◻ Amin’ny heviny ara-panahy, ahoana no mety handraisana fahazarana tsara ‘ara-tsakafo’?
◻ Inona no hahatonga ny fianarana manokana hahafinaritra antsika kokoa?
◻ Nahoana no ilaina ny handalinana ny Tenin’Andriamanitra?
[Efajoro, pejy 11]
Anton-javatra vitsivitsy hitondra fahasalamana ara-panahy ho an’ny kristiana
1. Antony tsara manosika: Mamboly faniriana fatratra ny hahalalana tsara kokoa an’i Jehovah.
2. Fisakafoana tsy tapaka: Manararaotra araka izay farany azo atao ny sakafo ara-panahy omena antsika tsy tapaka amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”.
3. Fampiasan-tena: Mampiasa ny fahalalan’ny tena mba hanampiana ny hafa, indrindra fa amin’ny fandehanana mitory ny vaovao tsara.