FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Aza mihemotra
    Ny Tilikambo Fiambenana—1985 | 15 Oktobra
    • (Efesiana 6:10-20). Izay rehetra hinia hifidy ny hitokana lavitra ny mpino hafa dia hitovy amin’ny miaramila izay hifanandrina irery amin’ny fahavalo an’arivony maro. Noho izany, dia manao ady ara-panahy isika amim-pahamalinana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fandaminan’Andriamanitra sy amin’ny fanosehana ny fakam-panahy rehetra mety hampiala antsika amin’ny asantsika kristiana.

      Aza hadinoina na oviana na oviana fa miady ny kristiana mba hamonjena aina, anisan’izany ny an’ny tenany (I Timoty 4:16). Aza mihemotra àry, fa manohiza manao ady ara-panahy amin’ny fitoriana sy ny fampianarana amin-jotom-po. Amin’izany, “tahaka ny miaramila tsaran’i Kristy Jesosy”, dia ho afaka handresy izao tontolo izao ianao. — II Timoty 2:3, 4; Hebreo 10:38; Jaona 16:33.

  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana—1985 | 15 Oktobra
    • Fanontanian’ny mpamaky

      ◼ Moa ve ny andinin-teny ao amin’ny II Jaona 10 ilazana mba tsy handray ao an-tranon’ny tena na hiarahaba akory aza olona sasany, tsy mahakasika afa-tsy ireo olona izay niaro fampianaran-diso?

      Ao amin’ny teny manodidina, dia misy firesahana ny amin’ny ‘mpamitaka maro’ nivoaka avy ao amin’ny kongregasiona kristiana, “ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy”. (II Jaona 7.) Ny apostoly Jaona dia nanome toromarika ny amin’ny fomba tokony hitondran’ny kristiana tamin’izany fotoana izany ny olona rehetra izay nanda fa nisy Jesosy na izy no Kristy sy Mpanavotra. Izao no nosoratan’ilay apostoly: “Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory; fa izay miarahaba azy dia miombona amin’ny ratsy ataony.” (II Jaona 10, 11). Misy andinin-teny hafa ao amin’ny Baiboly anefa mampiseho fa misy fampiharana azy mitatra kokoa io toromarika io.

      Tamin’ny fotoana sasany, teo amin’ireo kristiana tany Korinto dia nisy lehilahy iray nanao fitondrantena maloto. Koa nanoratra ho azy ireo ny apostoly Paoly ‘mba tsy hiharoharoany aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin’ny toy izany hianareo’. (I Korintiana 5:11.) Moa ve io toromarika io tsy nahakasika afa-tsy ireo izay voaroaka noho izy nanao ireo fahadisoana lehibe dia lehibe voatonona eo?

      Tsia, satria asehon’ny Apokalypsy 21:8 fa ny mpamono olona, ny mpandainga sy ireo izay manaraka ny spiritisma dia mendrika ny fahafatesana faharoa koa raha tsy mibebaka. Ny torohevitra omena ao amin’ny I Korintiana 5:11 dia azo antoka fa ho nampiharina mafy toy izany tamin’ny kristiana hafa ho nanao izany fahadisoana izany. Nanoratra koa i Jaona ny amin’ny sasany fa “avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha tàhiny namantsika izy, dia ho nitoetra tamintsika ihany; fa efa niala izy, mba haseho fa tsy isantsika izy rehetra”. (I Jaona 2:18, 19.) Tsy nilaza akory i Jaona fa ireo olona resahiny eo dia voaroaka satria nanao fahadisoana lehibe. Ny sasany tamin’izy ireny dia nety ho nihataka fotsiny ka nanizingizina fa tsy tiany intsony ny ho anisan’ny kongregasiona noho izy tsy manaiky ny sasany amin’ny fampianarany. Ny hafa angamba sasatra ka niala tamin’ny fanohizana ny fihazakazahana kristiana. — I Korintiana 15:12; II Tesaloniana 2:1-3; Hebreo 12:3, 5.

      Mazava ho azy fa raha nanomboka naniasia tao amin’ny lalan’ny fahotana ny rahalahy iray, dia nisy kristiana matotra niezaka nanampy azy (Galatiana 6:1; I Jaona 5:16). Raha nanana fisalasalana izy, dia nanandrana ‘nisarika azy avy amin’ny afo’ izy ireo. (Joda 23.) Na dia nanjary tsy niasa aza izy na nitsahatra tsy namonjy ireo fivoriana sy nandray anjara tamin’ny fanompoana ampahibemaso, dia nisy kristiana natanjaka ara-panahy nanao fiezahana mba hanampy azy ho tafarina. Angamba nilaza tamin’izy ireo izy fa tsy te-hisahirana amin’ny tsy maintsy hahatongavana ao amin’ny kongregasiona ka hampiseho amin’izany finoana sy fiainana ara-panahy kely dia kely. Tsy nanembantsembana azy ireny tsy ankijanona ireo rahalahy, fa azo inoana fa nitsidika azy tamim-pisakaizana indraindray. Ny fiezahana amim-paharetana sy famindrampo ary feno fitiavana toy izany dia taratry ny fiahian’i Jehovah izay maniry mba tsy hisy ho very na dia iray aza amin’ireo mpivavaka aminy. — Lioka 15:4-7.

      Ny tenin’i Jaona kosa anefa dia mampiseho fa ny sasany dia tsy vitan’ny hoe osa ara-panahy sy tsy miasa, fa lasa lavitra kokoa. Raha ny marina, dia mandà ny kongregasionan’Andriamanitra izy ireny. Ohatra, ny olona iray dia nety ho nanohitra ankarihary ny olon’Andriamanitra tamin’ny fanantitranterana fa tsy tiany intsony ny ho anisan’ny kongregasiona. Angamba aza izy niala miharihary tamin’ny finoany ka nampahafantatra izany tao amin’ny taratasy iray. Mazava ho azy fa nanaiky ny fanapahan-keviny hiala an-tsitrapo ny kongregasiona. Nefa ahoana rehefa avy eo no fomba hifampiraharahany amin’io olona io?

      Izao no nosoratan’i Jaona: “Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin’ny fampianaran’i Kristy, dia tsy manana an’Andriamanitra. Izay

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara