FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 15/12 p. 11-16
  • ‘Nanao Araka Izany’ Izy Ireo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Nanao Araka Izany’ Izy Ireo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tamin’ny andron’i Noa
  • Mosesy — Ilay nalemy fanahy indrindra tamin’ny olona
  • Josoa — Nahery fo sy tena natanjaka
  • Ireo mpanjaka — Nahatoky sy tsy nankato
  • Fiainana mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra
  • Fantaro ny Lalan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Fianarana avy Amin’ny Finoan’i Josoa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Mosesy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • “Mahereza sy matanjaha tsara”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 15/12 p. 11-16

‘Nanao Araka Izany’ Izy Ireo

“Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny”. — 1 JAONA 5:3.

1. Inona no azo lazaina raha ny amin’ny fetran’ny fitiavan’Andriamanitra?

“ANDRIAMANITRA DIA FITIAVANA.” Izay rehetra manjary mahafantatra an’Andriamanitra sy mankato ny didiny dia mahazo fahatakarana lalina ny amin’ny halalin’izany fitiavana izany. “Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika.” Arakaraka ny anehoantsika finoana ny sorom-panavotana sarobidy nataon’i Jesosy, no ‘itoerantsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra’. (1 Jaona 4:8-10, 16). Araka izany, dia mety hanankarena amin’ny fitahiana ara-panahy isika dieny izao sy ao amin’ilay fandehan-javatra ho avy, dia fiainana mandrakizay. — Jaona 17:3; 1 Jaona 2:15, 17.

2. Tamin’ny ahoana ny fitandremana ny didin’Andriamanitra no nitondra soa ho an’ireo mpanompony?

2 Ny firaketana an-tsoratry ny Baiboly dia feno ohatra ny amin’ireo izay nitandrina ny didin’Andriamanitra sy nahazo fitahiana tondraka ho vokany. Tafiditra amin’izany ireo vavolombelona talohan’ny andro kristiana, ka nanoratra toy izao ny amin’ny sasany amin’izy ireo ny apostoly Paoly: “Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin’ny tany izy.” (Hebreo 11:13). Tatỳ aoriana, dia nisy Kristiana mpanompon’Andriamanitra be fandavan-tena hafa nandray soa tamin’ny “fahasoavana sy ny fahamarinana (...) [izay] tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy”. (Jaona 1:17). Nandritra ny 6 000 taona manontolo teo ho eo nisian’ny tantaran’olombelona, i Jehovah dia namaly soa an’ireo vavolombelona nahatoky izay nankato ny didiny, izay “tsy mavesatra” tokoa. — 1 Jaona 5:2, 3.

Tamin’ny andron’i Noa

3. Tamin’ny fomba ahoana avy no nanaovan’i Noa ‘araka izany’?

3 Milaza toy izao ilay firaketana an-tsoratry ny Baiboly: “Finoana no nanamboaran’i Noa sambo-fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra ny amin’ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana.” Tamin’ny naha-“mpitory ny fahamarinana” an’i Noa, dia tsy nihambahamba nankato an’Andriamanitra izy, nampitandrina ilay tontolo nahery setra talohan’ny Safo-drano ny amin’ilay didim-pitsaran’Andriamanitra nananontanona. (Hebreo 11:7; 2 Petera 2:5). Rehefa nanorina ilay sambo fiara izy, dia nanaraka tamim-pitandremana ny drafitra nomen’Andriamanitra. Avy eo izy dia nampiditra tao ireo biby sy tahirin-tsakafo voatondro. “Nataon’i Noa izany; araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataony.” — Genesisy 6:22.

4, 5. a) Ahoana no fiantraikan’ny fitaoman-dratsy iray teo amin’ny taranak’olombelona mandraka androany? b) Nahoana isika no tokony hanao ‘araka izany’ eo amin’ny fankatoavana ireo toromarika avy amin’Andriamanitra?

4 Tsy maintsy nanohitra ilay fitaoman-dratsin’ireo anjely tsy nankato i Noa sy ny fianakaviany. Nitafy nofo sy niara-nipetraka tamim-behivavy ireny zanak’Andriamanitra ireny, ka niteraka taranaka metisy mahery noho ny olombelona, izay ratsy fitondra ny taranak’olombelona. “Simba ny tany teo anatrehan’Andriamanitra sady heni-doza”. Nandefa ny Safo-drano i Jehovah mba hamongorana izany taranaka ratsy fanahy izany. (Genesisy 6:4, 11-17; 7:1, NW ). Hatramin’ny andron’i Noa dia tsy navela hitafy nofo hanana endrik’olombelona ireo anjely demonia. Na dia izany aza, ‘izao tontolo izao dia mipetraka eo amin’ilay ratsy’, dia i Satana Devoly. (1 Jaona 5:19; Apokalypsy 12:9). Ara-paminaniana, i Jesosy dia nampitaha izany taranaka nikomy tamin’ny andron’i Noa izany tamin’ilay taranak’olombelona izay nanda azy hatramin’ny nanombohan’ny famantarana ny ‘fanatrehany’ nanjary niharihary tamin’ny 1914. — Matio 24:3, 34, 37-39, NW; Lioka 17:26, 27.

5 Amin’izao andro izao, toy ny tamin’ny andron’i Noa, dia manandrana mitondra ny taranak’olombelona sy ny planetantsika ho amin’ny fandringanana i Satana. (Apokalypsy 11:15-18). Noho izany, dia ilaina maika ny hanarahantsika ilay didy ara-tsindrimandry manao hoe: “Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny [“asa feno hafetsen-dratsin’ny”, NW, fanamarihana ambany pejy] devoly.” (Efesiana 6:11). Amin’izany, isika dia hatanjahin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fampiharana azy io eo amin’ny fiainantsika. Ankoatra izany, isika dia manana ny fandaminan’i Jehovah izay mikarakara, miaraka amin’ny ‘mpanompony mahatoky sy malina’ voahosotra sy ireo loholony be fitiavana, mba hiandry antsika amim-paharetana eo amin’ny lalana tokony halehantsika. Manana asa fitoriana maneran-tany hotanterahina isika. (Matio 24:14, 45-47, NW ). Sahala amin’i Noa, izay nankato tamim-pitandremana aoka izany ireo toromarika avy amin’Andriamanitra, dia enga anie isika hanao ‘araka izany’ mandrakariva.

Mosesy — Ilay nalemy fanahy indrindra tamin’ny olona

6, 7. a) Safidy nitondra valisoa inona no nataon’i Mosesy? b) Modely nampiseho herim-po inona no navelan’i Mosesy ho antsika?

6 Diniho ny lehilahy naneho finoana hafa iray — i Mosesy. Ho azony natao ny nankafy fiainana feno fanaranam-po teo anivon’ireo haitraitran’i Egypta. Kanefa dia nifidy ny “hiara-mitondra fahoriana amin’ny olon’Andriamanitra [izy] toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ny fahotana”. Tamin’ny naha-mpanompon’Andriamanitra nahazo fanirahana azy, dia ‘nijery ny famalian-tsoa izy ary naharitra toy ny nahita Izay tsy hita’. — Hebreo 11:23-28.

7 Izao no vakintsika ao amin’ny Nomery 12:3: “Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ny tany.” Nifamadika tamin’izany fa i Faraon’i Egypta dia nanao zavatra toy ny lehilahy niavonavona mihoatra noho ny olona rehetra. Nanao ahoana ny fihetsik’i Mosesy sy Arona rehefa nandidy azy ireo hanambara ny didim-pitsarany momba an’i Farao, i Jehovah? Izao no lazaina amintsika: “Dia nataon’i Mosesy sy Arona izany: araka izay nandidian’i Jehovah azy no nataony.” (Eksodosy 7:4-7). Modely mampiseho herim-po re izany ho antsika izay manambara ny didim-pitsaran’Andriamanitra amin’izao andro izao!

8. Ahoana no nitakiana tamin’ireo Isiraelita mba hanao ‘araka izany’, ary amin’ny ahoana ilay fifaliana naterak’izany no hisy hifanitsy aminy amin’ny hoavy tsy ho ela?

8 Nanohana tamim-pahatokiana an’i Mosesy ve ireo Isiraelita? Rehefa avy namely an’i Egypta tamin’ny sivy tamin’ireo loza folo i Jehovah, dia nanome toromarika tamin’ny an-tsipiriany ho an’ny Isiraely momba ny fankalazana ny Paska. “Dia niondrika ny olona ka nivavaka. Ary dia nandeha ny Zanak’Isiraely ka nanao izany; araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy sy Arona no nataony.” (Eksodosy 12:27, 28). Tamin’ny sasak’alin’iny andro feno fisehoan-javatra iny, ny 14 Nisana 1513 al.f.i., ny anjelin’Andriamanitra dia nanomboka namono ireo voalohan-teraka rehetra tao Egypta fa nandingana kosa ny tranon’ireo Isiraelita. Nahoana no voatsimbina ny voalohan-teraky ny Isiraely? Noho izy ireo nahazo fiarovana teo ambanin’ilay ran’ny zanak’ondrin’ny Paska izay natentina teo amin’ny varavarany. Araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy sy Arona no nataony. Eny, ‘nanao araka izany’ izy ireo. (Eksodosy 12:50, 51). Nanao fahagagana fanampiny i Jehovah teo amin’ny Ranomasina Mena, tamin’ny famonjena ny vahoakany nankato, teo am-pandringanany an’i Farao sy ny andian-tafiny mahery. Nifaly toy inona moa ireo Isiraelita! Toy izany koa amin’izao andro izao, fa maro amin’ireo izay nankato ny didin’i Jehovah no hifaly hanatri-maso ny famaliany ao Haramagedona. — Eksodosy 15:1, 2; Apokalypsy 15:3, 4.

9. Tombontsoa amin’ny andro maoderina inona avy no nanana ho tandindona ny fanaovan’ireo Isiraelita ‘araka izany’ nifandray tamin’ny tabernakely?

9 Rehefa nandidy ny Isiraely hanangona fanomezana sy hanorina tabernakely iray tany an’efitra i Jehovah, dia nanome tamim-palalahan-tanana ny fanohanany feno ny vahoaka. Avy eo, i Mosesy sy ireo mpiara-miasa taminy feno fahavononana dia nanaraka hatramin’ny tsipiriany madinika indrindra, ilay drafitra fanorenana nomen’i Jehovah. “Ary vita ny asa rehetra tamin’ny tabernakelin’ny trano-lay fihaonana; fa ny Zanak’Isiraely efa nanao araka izay rehetra nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.” Nitovy tamin’izany koa fa, tamin’ny fitokanana ny fisoronana, “dia nataon’i Mosesy izany: araka izay rehetra efa nandidian’i Jehovah azy no nataony”. (Eksodosy 39:32; 40:16). Amin’izao andro maoderina izao, dia manana fahafahana isika hanome fanohanana amin’ny fo manontolo an’ilay asa fitoriana sy ireo fandaharam-panitarana momba ilay Fanjakana. Tombontsoantsika àry ny miray hina amin’ny fanaovana ‘araka izany’.

Josoa — Nahery fo sy tena natanjaka

10, 11. a) Inona no nahatonga an’i Josoa ho ampy fitaovana mba hahombiazana? b) Ahoana no mety hanatanjahana antsika mba hiatrika ireo fisedrana amin’ny andro maoderina?

10 Rehefa naniraka an’i Josoa mba hitarika ny Isiraely hiditra tao amin’ny tany nampanantenaina i Mosesy, dia azo inoana fa ny Tenin’i Jehovah voasoratra ara-tsindrimandry dia tsy azo noraisina afa-tsy tao amin’ireo bokin’i Mosesy dimy, tao amin’ny salamo iray na roa, sy tao amin’ny bokin’i Joba ihany. Nanome toromarika an’i Josoa i Mosesy mba hamory ny vahoaka rehefa tody any amin’ny Tany Nampanantenaina izy ireo, ary ‘hamaky eo anatrehan’ny Isiraely rehetra ny tenin’itỳ lalàna itỳ hihainoany azy’. (Deoteronomia 31:10-12). Ambonin’izany, dia ny tenan’i Jehovah mihitsy no nandidy an’i Josoa toy izao: “Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity, fa [tsy maintsy mamaky azy io amin’ny feo iva andro aman’alina ianao, NW ], hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’izany dia hahalavorary ny làlanao hianao sady hambinina.” — Josoa 1:8.

11 Ny famakiana isan’andro ny ‘bokin’ i’ Jehovah dia nahatonga an’i Josoa ho ampy fitaovana mba hiatrika ireo fisedrana niandry azy, tsy misy hafa amin’ny famakiana isan’andro ny Tenin’i Jehovah, ny Baiboly, izay manatanjaka an’ireo Vavolombelony amin’ny andro maoderina mba hiatrika ireo fisedrana amin’izao “andro farany” sarotra izao. (2 Timoty 3:1, NW ). Noho isika voahodidin’ny tontolo iray mahery setra, dia aoka isika handray am-po ilay fananarana nataon’Andriamanitra tamin’i Josoa manao hoe: “Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao.” (Josoa 1:9). Taorian’ny nahazoana an’i Kanana, dia novalian-tsoa feno ireo fokon’ny Isiraely rehefa niorim-ponenana tao amin’ny lovany. “Araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy no nataon’ny Zanak’Isiraely”. (Josoa 14:5). Misy valisoa mitovy amin’izany miandry antsika rehetra amin’izao andro izao, dia isika izay mamaky ny Tenin’Andriamanitra sy mampihatra azy io eo amin’ny fiainantsika, amin’ny fanaovana amim-pankatoavana ‘araka izany’.

Ireo mpanjaka — Nahatoky sy tsy nankato

12. a) Didy inona no nomena ireo mpanjaka teo amin’ny Isiraely? b) Niteraka inona ny tsy fankatoavan’ireo mpanjaka?

12 Ahoana ny amin’ireo mpanjaka teo amin’ny Isiraely? Nandidy izao fepetra izao tamin’ny mpanjaka i Jehovah: “Rehefa mipetraka eo ambonin’ny sezam-panjakany izy, dia aoka hadikany ho azy amin’ny boky izao lalàna izao ka hataony araka ilay tehirizin’ireo Levita mpisorona. Ary ho ao aminy izany ka hovakiny amin’ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra an’i Jehovah Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin’izao lalàna izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy”. (Deoteronomia 17:18, 19). Nankato izany didy izany ve ireo mpanjakan’ny Isiraely? Tamin’ny ankabeazany, dia tsy nankato tamin’ny fomba nampalahelo izy ireo, hany ka nizaka ireo fanozonana nambara mialoha tao amin’ny Deoteronomia 28:15-68 izy ireo. Tamin’ny farany dia naely “hatramin’ny faran’ny tany” ny Isiraely.

13. Ahoana no mety handraisantsika soa, sahala amin’i Davida, avy amin’ny fanehoana fitiavana ny Tenin’i Jehovah?

13 Naneho fifikirana niavaka tamin’i Jehovah anefa i Davida — ilay mpanjaka olombelona nahatoky voalohany teo amin’ny Isiraely. Noporofoiny fa izy dia ‘zana-diona tao Joda’, tandindon’i Kristy Jesosy, ilay ‘Liona mpandresy avy amin’ny firenen’i Joda, ilay solofon’i Davida’. (Genesisy 49:8, 9; Apokalypsy 5:5). Taiza no nitoeran’ny tanjak’i Davida? Nanana fankasitrahana lalina ny Tenin’i Jehovah voasoratra izy ary niaina nifanaraka tamin’izy io. Izao no vakintsika ao amin’ny Salamo faha-19, izay “feon-kira nataon’i Davida”: “Tonga lafatra ny lalàn’i Jehovah”. Rehefa avy nanisy firesahana ny amin’ny fampahatsiahivana sy ireo baiko sy didy ary didim-pitsaran’i Jehovah, i Davida dia nanohy nilaza hoe: “Tokony hirina kokoa noho ny volamena izy ireny, eny, noho ny volamena voadio tsara; ary mamy kokoa noho ny tantely sy ny tantely mikoriana avy amin’ny tohotra. Afa-tsy izany koa, dia nampitandreman’izy ireny ny mpanomponao; amin’ny fitandremana azy dia misy valisoa lehibe.” (Salamo 19:7-11, NW ). Raha nitondra valisoa ny famakiana isan’andro ny Tenin’i Jehovah sy ny fisaintsainana azy io 3 000 taona lasa izay, dia mbola be lavitra toy inona moa izany amin’izao andro izao! — Salamo 1:1-3, NW; 13:6; 119:72, 97, 111.

14. Amin’ny fomba ahoana ny lalam-pitondran-tenan’i Solomona no mampiseho fa zavatra bebe kokoa noho ny fahalalana fotsiny no ilaina?

14 Na dia izany aza, dia tsy ampy ny mahazo fahalalana fotsiny. Tena ilain’ny mpanompon’Andriamanitra koa ny manao zavatra mifanaraka amin’izany fahalalana izany, ny mampihatra azy io mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra — eny, ny manao ‘araka izany’. Azo hazavaina izany amin’izay nitranga tamin’i Solomona zanak’i Davida, izay nofidin’i Jehovah mba “hipetraka amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakan’i Jehovah hanjaka amin’ny Isiraely”. Nahazo ilay fanendrena hanorina ny tempoly i Solomona, tamin’ny fampiasana ilay sary izay azon’i Davida “tamin’ny fanahiny [“ara-tsindrimandry”, NW ]”. (1 Tantara 28:5, 11-13). Ahoana no nahafahan’i Solomona nanatanteraka io asa goavana io? Ho valim-bavaka, dia nanome azy fahendrena sy fahalalana i Jehovah. Tamin’ireo sy tamin’ny fanarahana akaiky ireo drafitra nomen’Andriamanitra, i Solomona dia afaka nanorina izany trano tsara tarehy fatratra izany, izay nanjary feno ny voninahitr’i Jehovah. (2 Tantara 7:2, 3). Tatỳ aoriana anefa, dia tsy nahomby i Solomona. Tamin’ny lafiny inona? Nilaza toy izao momba ny mpanjaka teo amin’ny Isiraely ny lalàn’i Jehovah: “Ary aoka tsy hamporafy maro izy, fandrao hivily ny fony”. (Deoteronomia 17:17). Kanefa i Solomona dia “nanana vady andriambavy fiton-jato sy vaditsindrano telon-jato (...) dia navilin’ny vadiny ny fony hanaraka andriamani-kafa”. Tamin’ny fahanterany, dia nivily niala tamin’ny fanaovana ‘araka izany’ i Solomona. — 1 Mpanjaka 11:3, 4; Nehemia 13:26.

15. Tamin’ny ahoana i Josia no nanao ‘araka izany’?

15 Nisy mpanjaka nankato vitsivitsy teo amin’ny Joda, ka ny farany tamin’izany dia i Josia. Nanomboka nanesotra ny fanompoan-tsampy tao amin’ilay tany izy tamin’ny taona 648 al.f.i., ary nanavao ny tempolin’i Jehovah. Tao no nahitan’ny mpisoronabe “ny bokin’ny lalàn’i Jehovah, ilay nampilazaina an’i Mosesy”. Inona no nataon’i Josia momba azy io? “Dia niakatra ho ao an-tranon’i Jehovah ny mpanjaka sy ny lehilahy rehetra tamin’ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema mbamin’ny mpisorona sy ny Levita ary ny vahoaka rehetra, na lehibe na kely; dia novakiny teo anatrehany ny teny rehetra teo amin’ny bokin’ny fanekena, izay hita tao an-tranon’i Jehovah. Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin’ny fitoeran’andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan’i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin’ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin’ny fanekena izay voasoratra ao amin’izany boky izany”. (2 Tantara 34:14, 30, 31). Eny, ‘nanao araka izany’ i Josia. Ho vokatry ny lalam-pitondran-tenany nahatoky, dia nahemotra ambara-pahatongan’ny andron’ireo zanany naditra ny fampiharana ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’ny Joda tsy nahatoky.

Fiainana mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra

16, 17. a) Amin’ny lafiny inona avy isika no tsy maintsy manaraka ny dian’i Jesosy? b) Mpanompo mahatokin’Andriamanitra hafa iza avy no nanome ohatra ho antsika?

16 Tamin’ireo lehilahy rehetra niaina, dia i Jesosy Kristy Tompo no ohatra tsara indrindra teo amin’ny fisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra sy teo amin’ny fiainana mifanaraka amin’izy io. Sakafo ho an’ny tenany ny Tenin’Andriamanitra. (Jaona 4:34). Hoy izy tamin’ireo mpihaino azy: “Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray; fa na inona na inona no ataon’ny Ray dia toy izany koa no ataon’ny Zanaka.” (Jaona 5:19, 30; 7:28; 8:28, 42). Eny, ‘nanao araka izany’ i Jesosy, ka nanambara hoe: “Tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.” (Jaona 6:38). Isika izay Vavolombelon’i Jehovah nanolo-tena dia antsoina mba hanao ‘araka izany’, amin’ny fanarahana ny dian’i Jesosy. — Lioka 9:23; 14:27; 1 Petera 2:21.

17 Ambony indrindra mandrakariva tao an-tsain’i Jesosy ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Nifankazatra tanteraka tamin’ny Tenin’Andriamanitra izy ka noho izany dia ampy fitaovana mba hanomezana valin-teny araka ny Soratra Masina. (Matio 4:1-11; 12:24-31). Amin’ny fihainoana amim-pitandremana tsy an-kijanona ny Tenin’Andriamanitra, isika koa dia afaka ny hanjary “hanana fahaizana feno, ho tena ampy fitaovana ho amin’ny asa tsara rehetra”. (2 Timoty 3:16, 17, NW ). Aoka isika hanaraka ny ohatr’ireo mpanompon’i Jehovah nahatoky fahiny sy ireo tatỳ aoriana kokoa, ary ambonin’izany rehetra izany, ny an’i Jesosy Kristy Mpampianatra antsika, izay nilaza hoe: “Mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izay nandidian’ny Ray Ahy, dia izany no hataoko.” (Jaona 14:31). Enga anie isika koa haneho ny fitiavantsika an’Andriamanitra amin’ny fanohizana manao ‘araka izany’. — Lioka 12:29-31.

18. Inona no tokony handrisika antsika “ho mpankatò ny teny”, ary inona no hodinihina manaraka?

18 Eo am-pisaintsainantsika ny amin’ny lalam-pitondran-tena nampiseho fankatoavana narahin’ireo mpanompon’Andriamanitra tamin’ny andron’ny Baiboly, moa ve isika tsy mahazo fampaherezana mba hanao fanompoana amim-pahatokiana mandritra ireo andro famaranana ny fandehan-javatra ratsin’i Satana? (Romana 15:4-6). Tokony hahazo fandrisihana tokoa isika mba “ho mpankatò ny teny” amin’ny heviny feno indrindra, araka ny hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka. — Jakoba 1:22.

Tadidinao Ve?

◻ Tokony hidika ho inona ho antsika ny “fitiavana an’Andriamanitra”?

◻ Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatr’i Noa sy i Mosesy ary i Josoa?

◻ Hatraiza ireo mpanjaka teo amin’ny Isiraely no nankato ny ‘tenin’Andriamanitra’?

◻ Amin’ny ahoana i Jesosy no Modelintsika eo amin’ny fanaovana ‘araka izany’?

[Sary, pejy 15]

‘Nanao araka izany’ i Noa sy i Mosesy ary i Josoa

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara