FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/3 p. 9-13
  • Nanolo-tena — Ho An’iza?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanolo-tena — Ho An’iza?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Firenena iray nanolo-tena
  • Mitarika ho amin’ny fanoloran-tena ny fankasitrahana
  • Asehoy ampahibemaso ny fanoloran-tenanao
  • Fiainana “Isan-andro” Mifanaraka Amin’ny Fanoloran-tenantsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Nahoana Ianao no Mila Manokan-tena ho An’i Jehovah?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Nahoana Ianao no Tokony Hanokan-tena sy Hatao Batisa?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Vonona Hanokan-tena ho An’i Jehovah ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/3 p. 9-13

Nanolo-tena — Ho An’iza?

“Izay rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay sy hekenay.” — EKSODOSY 24:7.

1, 2. a) Maneho fifikirana amin’inona ny olona sasany? b) Moa ve ny fanoloran-tena voafetra fotsiny amin-javatra mifandray akaiky amin’ny fivavahana?

TAMIN’NY Febroary 1945, dia novorina tao amin’ny efitrano malalaka iray ireo mpanamory ny fiaramanidina Zero-fighter tao amin’ny Yatabe Flying Corps an’i Japon. Ny tsirairay dia notolorana sombin-taratasy iray hanoratany na hanolo-tena an-tsitrapo ho mpikambana amin’ilay tafika mpanafika kamikaze izy na tsia. “Nihevitra aho fa izany dia fiantsoana ahy hanao sorona ny tenako tamin’ny fotoana iray nisian’ny fahasahiranana lehibe teo amin’ny firenena”, hoy ny manamboninahitra iray izay teo, tamin’izay fotoana izay. “Nentanin’ny fihetseham-po ta hanao ny tenako ho azo ampiasaina aho ka nanolo-tena ho amin’ilay asa nanirahana.” Nampiofanina izy mba hampiasa sy hitondra Ohka iray (fiaramanidina balafomanga anaovana vivery ny aina) ary hanao izay hidonan’izy io amin’ny sambo mpiadin’ny fahavalo. Nifarana anefa ny ady talohan’ny nananany fahafahana hanao izany, ka ho faty ho an’ny taniny sy ho an’ny emperorany. Rehefa resy i Japon, dia nirodana ny finoany an’ilay emperora.

2 Tamin’ny fotoana iray, dia Japoney maro no naneho fifikirana tamin’ny emperora izay ninoan’izy ireo ho andriamanitra velona iray. Any an-tany hafa, dia nisy, ary mbola misy zavatra hafa anehoana fifikirana. Olona an-tapitrisany maro no maneho fifikirana amin’i Maria sy i Bouddha na amin’andriamanitra hafa — matetika aseho amin’ny alalan’ny sampy. Voataonan’ireo toriteny tsara lahatra mampientana ny olona sasany ka mandrotsaka ny volany niasany mafy ao anatin’ny paosin’ireo mpitoriteny ao amin’ny televiziona ho fanohanana amin’ny fo manontolo, ka izany dia mitovy amin’ny fifikirana. Taorian’ny ady, ireo Japoney diso fanantenana, dia nitady zavatra vaovao iray azon’izy ireo tolorana ny fiainany. Ho an’ny sasany, dia nanjary ny asa izany zavatra izany. Any amin’ireo tany tandrefana na tatsinanana, dia misy olona maro manolo-tena ho amin’ny fanangonan-karena. Ireo tanora dia mampifantoka ny fiainany amin’ny mpihira sasany izay tahafiny ny fomba fiainany. Maro dia maro amin’izao andro izao no tonga mpanolotra fanompoam-pivavahana amin’ny tenany, ka manao ny faniriany manokana ho ny zavatra anehoany fifikirana. (Filipiana 3:19; 2 Timoty 3:2). Kanefa moa ve ny zavatra na ny olona toy izany tena mendrika tokoa ny fifikiran’ny olona iray amin’ny fo manontolo?

3. Tamin’ny ahoana ny zavatra nanehoana fifikirana sasany no hita fa tsinontsinona?

3 Rehefa mifanandrina amin’ny zava-misy ireo mpanolotra fanompoam-pivavahana amin’ny sampy dia matetika manjary very finoana. Mitondra fahakiviana ny fifikirana amin’ny sampy rehefa takatr’ireo mpanolotra fanompoam-pivavahana fa ny sampiny dia tsy inona fa “asan’ny tànan’olona” ihany. (Salamo 115:4). Rehefa vaky betroka ireo raharaha manala baraka mahavoarohirohy mpitoriteny fanta-bahoaka, dia mahatsiaro tena ho diso fanantenana ireo olona tso-po. Rehefa vaky betroka ny toe-karena “poaka aty” iray, dia azon’ny fikorontanan-tsaina ireo mpiasa rehefa mahita ny tenany ao anatin’ny lisitr’ireo izay esorina amin’ny asany. Ireo fitotongan’ny toe-karena tato ho ato dia nampitondra faisana mafy an’ireo mpanolotra fanompoam-pivavahana amin’i Mamôna. Ireo trosa nidirana noho ny fanantenana hahazo vola be dia nanjary enta-mavesatra izay tsy antenaina firy ho tafaverina. (Matio 6:24, fanamarihana ambany pejy). Rehefa maty, na lefy laza ireo mpihira rock malaza, na ireo olona mpampiala voly hafa izay natao sampy, dia mangaihay ireo mpanolotra fanompoam-pivavahana aminy. Ary ireo izay nanana fomba fiaina feno fanaranam-po dia matetika mijinja vokany mangidy. — Galatiana 6:7.

4. Inona no manosika olona hanolotra ny fiainany ho amin-javatra tsinontsinona?

4 Inona no manosika olona hanolo-tena ho amin’ny zava-poana toy izany? Amin’ny ampahany lehibe, izany dia ny toe-tsain’izao tontolo izao eo ambany fanapahan’i Satana Devoly. (Efesiana 2:2, 3). Ny fitaoman’io toe-tsaina io dia hita eo amin’ny fomba maro samihafa. Ny olona iray dia mety hofehezin’ny lovantsofin’ny fianakaviana izay niampitampita avy tamin’ireo razambeny. Mety hisy fitaomana mafy eo amin’ny fisainana ny fianarana na ny fitaizana azo. Ny rivo-piainana any amin’ny toeram-piasana dia mety hanosika ireo “miaramila mpiadin’ny orinasa” hanjary ho lasa adala amin’ny asa ka izany dia mety hahatandindomin-doza ny ainy. Misy faniriana hahazo bebe kokoa ateraky ny toe-tsain’izao tontolo izao tia fatratra zavatra ara-nofo. Simba ny fon’ny maro ka manosika azy ireo hifikitra amin’ny faniriany manokana feno fitiavan-tena. Tsy mahavita mandinika izy ireo raha mendrika ny fifikirana toy izany ireny zavatra katsahina ireny na tsia.

Firenena iray nanolo-tena

5. Fanoloran-tena inona no natao tamin’i Jehovah, maherin’ny 3 500 taona lasa izay?

5 Maherin’ny 3 500 taona lasa izay, dia nisy firenena iray nahita zavatra nanehoana fifikirana mendrika lavitra. Nanolo-tena ho an’i Jehovah, Andriamanitra tompom-piandrianana, izy ireo. Tamin’ny naha-antokon’olona azy, ilay firenen’ny Isiraely dia nanambara ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra tany amin’ny efitr’i Sinay.

6. Inona no tokony ho dikan’ny anaran’Andriamanitra ho an’ireo Isiraelita?

6 Inona no nanosika ny Isiraelita hanao toy izany? Fony izy ireo nandevozina tany Egypta, dia naniraka an’i Mosesy i Jehovah mba hitarika azy ireo ho amin’ny fahafahana. Nanontany i Mosesy ny amin’ny fomba tokony hilazalazany an’ilay Andriamanitra naniraka azy. Ary Andriamanitra dia nampiharihary ny tenany ho “Izaho Izay Izy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay”. Nitarika an’i Mosesy izy hilaza tamin’ny zanak’Isiraely hoe: “Izaho Izay Izy no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo.” (Eksodosy 3:13, 14). Milaza io fitenenana io fa i Jehovah dia tonga ho izay rehetra ilaina, mba hanatanterahana ny fikasany. Hampiharihary ny tenany ho ilay Mpanatanteraka fikasana amin’ny fomba mbola tsy fantatry ny razamben’ny Isiraelita mihitsy izy. — Eksodosy 6:2, 3. 

7, 8. Porofo inona avy no nananan’ireo Isiraelita fa i Jehovah dia Andriamanitra mendrika ny fifikiran’izy ireo?

7 Ireo Isiraelita dia nanatri-maso ny famelezana ny tany Egypta sy ny mponina teo aminy tamin’ireo Loza Folo. (Salamo 78:44-51). Avy eo, dia azo inoana fa maherin’ny telo tapitrisa tamin’izy ireo, anisan’izany ny zaza amam-behivavy, no nandao tampoka, niala avy tao amin’ny tany Gosena tao anatin’ny indray alina monja. Izany fotsiny dia efa fanaovan-javatra niavaka. (Eksodosy 12:37, 38). Nanaraka izany, teo amin’ny Ranomasina Mena, dia nahariharin’i Jehovah ny naha-“mpiady mahery” ny tenany rehefa namonjy ny vahoakany tamin’ny hery ara-tafik’i Farao izy, tamin’ny fampisarahana ny ranomasina mba hamelana ireo Isiraelita hiampita, ary tatỳ aoriana tamin’ny fanakatonana izany mba hahafaty an-drano an’ireo Egyptiana nanenjika. Ho vokany, “rehefa hitan’ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon’ny tànan’i Jehovah tamin’ny Egyptiana, dia natahotra an’i Jehovah ny olona ka nino an’i Jehovah”. — Eksodosy 14:31; 15:3; Salamo 136:10-15.

8 Toy ny hoe mbola tsy ampy ihany ny porofon’ny dikan’ny anaran’Andriamanitra fa nimonomonona tamin’i Jehovah sy i Mosesy solontenany momba ny tsy fahampian-tsakafo sy rano, ireo Isiraelita. Nandefa papelika sy nandrotsaka mana ary nahatonga rano hiboiboika avy tamin’ny vatolampy tao Meriba i Jehovah. (Eksodosy 16:2-5, 12-15, 31; 17:2-7). Namonjy ireo Isiraelita tamin’ny fanafihan’ny Amalekita koa i Jehovah. (Eksodosy 17:8-13). Tsy nisy fomba nahazoan’ireo Isiraelita nanda izay nambaran’i Jehovah tamin’i Mosesy tatỳ aoriana hoe: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, mitahiry famindrampo ho an’ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana”. (Eksodosy 34:6, 7). Tsy azo lavina fa niharihary ho mendrika ny fifikiran’izy ireo i Jehovah.

9. Nahoana i Jehovah no nanome an’ireo Isiraelita fahafahana hanambara ny fanoloran-tenany hanompo azy, ary nanao ahoana no fihetsik’izy ireo?

9 Na dia nanana zo haka ny Isiraelita ho fananany aza i Jehovah noho izy nividy azy ireo hivoaka avy tao Egypta, tamin’ny naha-Andriamanitra tsara fanahy sy mamindra fo azy, dia nomeny fahafahana hanambara an-tsitrapo ny faniriany hanompo azy izy ireo. (Deoteronomia 7:7, 8; 30:15-20). Nolazainy mazava tsara koa ireo fepetra momba ilay fifanekena teo aminy sy ireo Isiraelita. (Eksodosy 19:3-8; 20:1–23:33). Rehefa nolazain’i Mosesy ireo fepetra ireo, dia izao no nambaran’ireo Isiraelita: “Izay rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay sy hekenay.” (Eksodosy 24:3-7). Tamin’ny safidiny malalaka, dia tonga firenena iray nanolo-tena ho an’i Jehovah Tompo Manam-piandrianana izy ireo.

Mitarika ho amin’ny fanoloran-tena ny fankasitrahana

10. Tokony hiorina amin’inona ny fanoloran-tenantsika ho an’i Jehovah?

10 Mitoetra ho mendrika ny fifikirantsika amin’ny fanahy rehetra i Jehovah, Mpamorona. (Malakia 3:6; Matio 22:37; Apokalypsy 4:11). Ny fanoloran-tenantsika anefa dia tsy tokony hiorina amin’ny fetezana hinohino foana, na amin’ny fihetseham-po miserana, na amin’ny fanerena ataon’ny hafa — na dia ireo ray aman-dreny aza. Tsy maintsy miorina amin’ny fahalalana araka ny marina momba ny fahamarinana mahakasika an’i Jehovah izy io, ary tsy maintsy miorina amin’ny fankasitrahana an’izay nataon’i Jehovah ho antsika. (Romana 10:2; Kolosiana 1:9, 10; 1 Timoty 2:4). Toy ny nanomezan’i Jehovah an’ireo Isiraelita fahafahana hanambara an-tsitrapo ny fanoloran-tenany, dia omeny fahafahana koa isika hanolo-tena an-tsitrapo sy hampiseho ampahibemaso izany fanoloran-tena izany. — 1 Petera 3:21.

11. Inona no nahariharin’ny fianarantsika ny Baiboly momba an’i Jehovah?

11 Amin’ny alalan’ny fianarana ny Baiboly, dia manjary mahafantatra an’Andriamanitra ho toy ny persona iray isika. Ny Teniny dia manampy antsika hahay hanavaka ireo toetrany izay hita taratra eo amin’ny zavatra noforonina. (Salamo 19:1-4). Afaka mahita avy amin’ny Teniny isika fa tsy Trinite mifono zava-miafina izay tsy azon’ny saina takarina akory izy. Tsy resy an’ady akory izy ka noho izany dia tsy voatery hiala amin’ny maha-Andriamanitra azy. (Eksodosy 15:11; 1 Korintiana 8:5, 6; Apokalypsy 11:17, 18). Noho izy nanatanteraka ireo fampanantenany, dia ampahatsiahivina antsika ny dikan’ilay anarany kanto hoe Jehovah. Izy no ilay Mpikasa Lehibe. (Genesisy 2:4; Salamo 83:18; Isaia 46:9-11). Amin’ny fianarana ny Baiboly, dia manjary mahatakatra mazava isika fa mahatoky sy mendri-pitokiana izy. — Deoteronomia 7:9; Salamo 19:7, 9; 111:7.

12. a) Inona no manintona antsika amin’i Jehovah? b) Amin’ny ahoana ireo tantaram-piainana tena nisy voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Baiboly no manosika ny tena haniry hanompo an’i Jehovah? d) Ahoana no fiheveranao ny fanompoana an’i Jehovah?

12 Ny manintona antsika indrindra amin’i Jehovah dia ny toetra maha-izy azy be fitiavana. Asehon’ny Baiboly fa be fitiavana sy mamela heloka ary mamindra fo izy eo amin’ny fifampiraharahany amin’ny olombelona. Eritrereto ny nanambinany an’i Joba rehefa avy nihazona tsy fivadihana tamim-pahatokiana i Joba. Ny fanandraman-javatra hitan’i Joba dia mampisongadina fa “miantra indrindra [i Jehovah, NW ] sady be famindrampo”. (Jakoba 5:11; Joba 42:12-17). Eritrereto ny fomba nifampiraharahan’i Jehovah tamin’i Davida fony izy nijangajanga sy namono olona. Eny, i Jehovah dia vonona ny hamela, na dia ireo ota lehibe aza, rehefa manatona azy amin’ny “fo torotoro sy mangorakoraka” ilay nanota. (Salamo 51:3-11, 17). Eritrereto ny fomba nifampiraharahan’i Jehovah tamin’i Saoly avy tany Tarsosy, izay tany am-boalohany dia mpanenjika nifofo ny vahoakan’Andriamanitra. Ireo ohatra ireo dia mampisongadina ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny fahavononany amin-katsaram-panahy hampiasa ireo olona mibebaka. (1 Korintiana 15:9; 1 Timoty 1:15, 16). Nihevitra i Paoly fa afaka nanolotra ny ainy mihitsy izy ho amin’ny fanompoana an’io Andriamanitra be fitiavana io. (Romana 14:8). Manana fiheverana toy izany ve ianao?

13. Fampisehoam-pitiavana lehibe inona avy amin’i Jehovah no manosika ireo olona mahitsy fo hanolo-tena ho azy?

13 Nomen’i Jehovah famonjena ho afaka tamin’ny fanandevozana tany Egypta ireo Isiraelita, ary nomaniny ny fomba hamonjena antsika ho afaka amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana — dia ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. (Jaona 3:16). Hoy i Paoly: “Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.” (Romana 5:8). Io fandaharana mampiseho fitiavana io dia manosika ireo olona mahitsy fo mba hanolo-tena ho an’i Jehovah amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. “Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty ny Anankiray hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra; ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.” — 2 Korintiana 5:14, 15; Romana 8:35-39.

14. Ampy ve ny fahalalana fotsiny ny fifampiraharahan’i Jehovah tamin’ny olombelona mba hanosika antsika hanolotra ny fiainantsika ho azy? Hazavao.

14 Na dia izany aza, dia tsy ampy ny fananana fahalalana ny toetra maha-izy an’i Jehovah sy ny fifampiraharahany tamin’ny olombelona. Tsy maintsy ambolena ny fankasitrahana manokana an’i Jehovah. Ahoana no ahazoana manao izany? Amin’ny fampiharana ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika sy amin’ny fahitan’ny tenantsika manokana mihitsy fa tena mandaitra tokoa ireo fotopoto-pitsipika hita ao anatiny. (Isaia 48:17). Tsy maintsy mahatsapa isika fa i Jehovah dia namonjy antsika ho afaka tao amin’ny fotaka mandrevon’itỳ tontolo ratsy eo ambanin’ny fanapahan’i Satana itỳ. (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 6:11.) Eo amin’ny ady mafy ataontsika mba hanaovana izay mety, dia mianatra ny miantehitra amin’i Jehovah isika, ary hitan’ny tenantsika manokana fa i Jehovah no ilay Andriamanitra velona, ilay “Mpihaino vavaka”. (Salamo 62:8; 65:2). Tsy ho ela isika dia hahatsiaro tena ho akaiky dia akaiky azy ary ho afaka hamboraka aminy ireo fihetseham-pontsika lalina indrindra. Mitombo ao anatintsika ilay fihetseham-po mafana, dia ny fitiavana an’i Jehovah. Tsy isalasalana fa izany dia hitarika antsika hanolotra ny fiainantsika ho azy.

15. Inona no nanosika lehilahy iray, izay nanolo-tena ho an’ny asa teo aloha, hanompo an’i Jehovah?

15 Maro no nanjary nahafantatra an’io Andriamanitra be fitiavana io, dia i Jehovah, ary nanolotra ny fiainany mba hanompoana azy. Raiso, ohatra, ny elektrisiana iray izay nanana fandraharahana iray niroborobo. Nisy fotoana nanombohany niasa ny maraina, dia nitohy ny andro manontolo ary nandritra ny alina, nody tany an-trano tamin’ny dimy ora ny ampitso maraina. Rehefa avy niala sasatra sahabo ho adiny iray teo ho eo izy, dia nandeha nivoaka ho amin’ny asa nanaraka indray. “Nanolo-tena ho an’ny asako aho”, hoy izy nahatsiaro. Rehefa nanomboka nianatra ny Baiboly ny vadiny, dia niaraka taminy izy. Hoy izy: “Ireo andriamanitra rehetra fantatro hatramin’io fotoana io dia niandry fotsiny ny hotompoina, tsy nanao na inona na inona mba hahasoa anay. Kanefa i Jehovah dia nanao ny dingana voalohany ary nandefa ny Zanany lahitokana teto an-tany, ka izany dia nitaky sorona lehibe ho azy manokana.” (1 Jaona 4:10, 19). Rehefa afaka folo volana dia nanolo-tena ho an’i Jehovah io lehilahy io. Taorian’izay, dia nampifantoka ny fiainany tamin’ny fanompoana an’ilay Andriamanitra velona izy. Nanomboka ny fanompoana manontolo andro izy, ary nifindra tany amin’izay nilana mpitory bebe kokoa. Sahala amin’ireo apostoly, dia ‘nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nanaraka an’i Jesosy’. (Matio 19:27). Taorian’ny roa volana, dia nantsoina izy mivady mba hanompo tao amin’ny sampan’ny Watch Tower Bible and Tract Society tao amin’ilay tany nisy azy, mba hahafahany hanampy teo amin’ireo asa mahakasika ny herinaratra. Hatramin’ny 20 taona mahery, dia miasa ao amin’ilay sampana izy, manao ilay asa tiany — tsy ho an’ny tenany fa ho an’i Jehovah.

Asehoy ampahibemaso ny fanoloran-tenanao

16. Inona avy no dingana sasany hataon’ny tena rehefa manolo-tena ho an’i Jehovah?

16 Rehefa avy nianatra ny Baiboly nandritra ny fotoana kelikely ny tanora sy ny antitra, dia samy hanjary hankasitraka an’i Jehovah sy izay nataony ho azy, izy ireo. Izany dia tokony hanosika azy ireo hanolotra ny tenany ho an’Andriamanitra. Mety ho iray amin’izy ireny ianao. Ahoana no ahafahanao manolo-tena ho an’i Jehovah? Rehefa avy nandray fahalalana araka ny marina avy ao amin’ny Baiboly ianao, dia tokony hanao zavatra mifanaraka amin’izany fahalalana izany ary haneho finoana an’i Jehovah amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. (Jaona 17:3). Mibebaha, ary miverena mba hialana amin’izay mety ho lalan-dratsy tamin’ny lasa. (Asan’ny Apostoly 3:19). Avy eo ianao dia ho tonga eo amin’ilay dingana ho amin’ny fanoloran-tena, ka hilazanao izany ao anatin’ny tonom-bavaka feno haja sy voninahitra atao amin’i Jehovah. Tsy isalasalana fa hamela soritra maharitra ao an-tsainao io vavaka io, satria izy io no ho fiandohan’ny fifandraisana vaovao iray amin’i Jehovah.

17. a) Nahoana ireo loholona no mandinika indray fanontaniana voaomana miaraka amin’ireo olona vao nanolo-tena? b) Dingana lehibe inona no tokony hatao tsy ela aorian’ny fanoloran-tena, ary noho ny fikendrena inona?

17 Nohazavain’i Mosesy tamin’ny Isiraelita ireo fepetra tamin’ny fidirana tao anatin’ny fifandraisana nisy fanekena tamin’i Jehovah. Toy izany koa no anampian’ireo loholona ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah an’ireo izay nanao fanoloran-tena vao haingana, mba handinika marina izay tafiditra amin’izany. Izy ireo dia mampiasa fanontaniana voaomana mba hanamafisana fa ny tsirairay dia mahazo tanteraka ny hevitr’ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly, sady mahafantatra izay tafiditra amin’ny fahatongavana ho Vavolombelon’i Jehovah. Avy eo, dia mety indrindra ny fombafomba iray anehoana ampahibemaso ilay fanoloran-tena. Ara-dalàna tsotra izao raha toa ny olona iray vao nanolo-tena ka dodona ny hamela ny hafa hahafantatra fa niditra tao amin’io fifandraisana amin’i Jehovah feno tombontsoa io izy. (Ampitahao amin’ny Jeremia 9:23.) Atao araka ny tokony ho izy izany amin’ny fanaovana batisa ao anaty rano ho mariky ny fanoloran-tena. Ny fandrobohana azy ao anaty rano sy ny fananganana azy avy eo, dia marika fa mahafoy ilay fomba fiainany teo aloha tsy nihevitra afa-tsy ny tombontsoan’ny tenany izy, ary atsangana ho amin’ny fomba fiaina vaovao iray, dia ho amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy sakramenta akory izany, na fombafomba iray toy ilay fombafomba shinto atao hoe misogi izay iheverana ny olona iray ho voadio amin’ny rano.a Ny batisa kosa dia fanambarana ampahibemaso ny fanoloran-tena izay efa natao tao amin’ny vavaka.

18. Nahoana isika no afaka matoky fa tsy ho very maina ny fanoloran-tenantsika?

18 Fanandraman-javatra tsy hay hadinoina io fotoan-dehibe io, mampahatsiaro an’ilay mpanompon’Andriamanitra vaovao ny amin’ilay fifandraisana maharitra ananany amin’i Jehovah izao. Tsy ho very maina sahala amin’ilay fanoloran-tena nataon’ilay mpanamory kamikaze ho an’ny taniny sy ny emperorany, io fanoloran-tena ho an’i Jehovah io, satria izy no ilay Andriamanitra tsitoha mandrakizay izay manatanteraka izay rehetra nolazainy fa hataony. Izy, ary izy irery ihany no mendrika ny fifikirantsika amin’ny fanahintsika rehetra. — Isaia 55:9-11.

19. Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Misy anefa zavatra bebe kokoa tafiditra amin’ny fanoloran-tena. Ahoana, ohatra, no fiantraikan’ny fanoloran-tena eo amin’ny fiainantsika isan’andro? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo L’humanité à la recherche de Dieu navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., pejy faha-194-195.

Tadidinao Ve?

◻ Nahoana ny fanoloran-tena araka ny hita eo amin’izao tontolo izao no miafara amin’ny fahadisoam-panantenana?

◻ Inona no nanosika ireo Isiraelita hanolo-tena ho an’i Jehovah?

◻ Inona no manosika antsika hanolo-tena ho an’i Jehovah amin’izao andro izao?

◻ Ahoana no anolorantsika tena ho an’Andriamanitra?

◻ Inona no dikan’ny batisa anaty rano?

[Sary, pejy 10]

Nanolo-tena ho an’i Jehovah ny Isiraely teo Sinay

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara