-
Lehilahy “Nanana Fihetseham-po toy ny Antsika”Ny Tilikambo Fiambenana—1998 | 1 Martsa
-
-
Lehilahy “Nanana Fihetseham-po toy ny Antsika”
MPANJAKA izy sady mpaminany, nefa koa ray be fitiavana. Nanjary nihevi-tena ho zavatra sy niavonavona ny iray tamin’ireo zanany lahy, rehefa lehibe. Tapa-kevitra ny hanandrana haka an-keriny ny seza fiandrianana, io zanakalahy io, ka nitarika ady an-trano, nikendry ny hahafaty ny rainy. Tao amin’ilay ady naterak’izany anefa, dia ilay zanaka no maty. Rehefa fantatr’ilay ray ny nahafatesan’ilay zanany, dia nandeha irery tao amin’ny efitra iray tao an-tampon-trano izy ka nitomany hoe: “Ry Absaloma, zanako, zanako, ry Absaloma, zanako ô! Inay anie aho no maty nisolo anao, ry Absaloma zanako, zanako ô!” (2 Samoela 19:1). Ilay ray dia i Davida Mpanjaka. Toy ireo mpaminanin’i Jehovah hafa, dia “olona nanana fihetseham-po toy ny antsika”, izy. — Jakoba 5:17, NW.
Tamin’ny andron’i Baiboly, ireo lehilahy sy vehivavy nitondra ny tenin’i Jehovah dia avy tamin’ny fari-piainana rehetra ary toy ny olon-drehetra. Toa antsika, dia nanana zava-nanahirana sy nijaly noho ny tsy fahatanterahana, izy ireny. Iza no sasany tamin’ireny mpaminany ireny, ary tamin’ny ahoana ny fihetseham-pon’izy ireny no toy ny antsika?
Niala tamin’ny fatokian-tena tafahoatra i Mosesy, ka nanjary nanetry tena
Mpaminany iray fanta-daza talohan’ny andro kristiana, i Mosesy. Na dia efa 40 taona aza anefa izy, dia mbola tsy vonona ny hanompo amin’ny maha-mpitondra tenin’i Jehovah. Nahoana? Raha mbola teo ambany famoretan’ny Faraon’i Egypta ireo rahalahiny, i Mosesy kosa dia notezaina tao amin’ny ankohonan’i Farao sady “nahery tamin’ny teniny sy ny asany”. Milaza amintsika ny fitantarana hoe: “Nataony fa ho fantatry ny rahalahiny fa ny tànany no hamonjen’Andriamanitra azy”. Noho izy natoky tena tafahoatra, dia nanao zavatra tamin-kerisetra izy mba hiarovana ny andevo hebreo iray, ka nahafaty Egyptiana iray. — Asan’ny Apostoly 7:22-25; Eksodosy 2:11-14.
Izao i Mosesy dia voatery nandositra, ary nandany ireo efapolo taona nanaraka tamin’ny naha-mpiandry ondry tany Midiana lavitra be. (Eksodosy 2:15). Rehefa nifarana io fotoana io, dia nirahin’i Jehovah mba ho mpaminany i Mosesy, izay 80 taona izao. Tsy natoky tena tafahoatra intsony anefa i Mosesy. Nahatsiaro tena ho tsy ampy fahaizana aoka izany izy, hany ka nisalasala ny amin’ny fanirahan’i Jehovah azy ho mpaminany, tamin’ny fampiasana fitenenana toy ny hoe: “Iza moa aho no hankany amin’i Farao?”, sy ny hoe “Ahoana no havaliko?” (Eksodosy 3:11, 13). Noho ny fanomezan-toky sy ny fanampian’i Jehovah feno fitiavana, dia nanomboka nanatanteraka tamim-pahombiazana ny fanendrena azy i Mosesy.
Toa an’i Mosesy, moa ve ianao efa namela ny fatokian-tena tafahoatra hitarika anao hanao na hilaza zavatra izay hita fa tsy nampiseho fahendrena? Raha izany no izy, dia ekeo amim-panetren-tena ny fampiofanana bebe kokoa. Sa efa nahatsiaro tena ho tsy ampy fahaizana mba hiantsoroka andraikitra kristiana sasany ianao? Aza lavina, fa ekeo kosa ny fanampiana omen’i Jehovah sy ny fandaminany. Afaka manampy anao Ilay nanampy an’i Mosesy.
Nanana fihetseham-po toy ny antsika i Elia rehefa nampihatra famaizana
“Elia dia olona [nanana fihetseham-po toy ny antsika, NW ] ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan’ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin’ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana.” (Jakoba 5:17). Ny vavak’i Elia dia nifanaraka tamin’ny sitrapon’i Jehovah hanafay firenena iray niala taminy. Fantatr’i Elia anefa fa ny hain-tany izay nangatahiny tamin’ny vavaka, dia hiteraka fijalian’olombelona. Saika mpamboly avokoa ny Isiraelita; ny ranon’ando sy ny orana no fiveloman’ny olona. Hiteraka fijaliana faran’izay mafy ny hain-tany mitohy. Ho maina ireo zavamaniry; tsy hisy ny vokatra. Ho faty ireo biby fiompy natao hiasa sy hohanina, ary hisy fianakaviana sasany horahonan’ny mosary. Iza no hijaly be indrindra? Ny sarambabem-bahoaka. Nilaza tamin’i Elia ny vehivavy mpitondratena iray tatỳ aoriana fa tsy nanana afa-tsy kobam-bary iray tanana sy menaka kely sisa, izy. Tena nandrasan’ilay vehivavy ny hahafaty mosary tsy ho ela azy sy ny zanany lahy. (1 Mpanjaka 17:12). Mba hahafahan’i Elia hivavaka toy izany, dia tsy maintsy nanana finoana mafy izy fa hikarakara ny mpanompony — na manankarena izy na mahantra — izay tsy nandao ny fanompoam-pivavahana marina, i Jehovah. Araka ny asehon’ny fitantarana, dia tsy diso fanantenana i Elia. — 1 Mpanjaka 17:13-16; 18:3-5.
Telo taona tatỳ aoriana, rehefa nolazain’i Jehovah fa handatsaka orana tsy ho ela izy, ny fanirian’i Elia mafy hahita ny fifaranan’ilay hain-tany, dia hita ao amin’ireo vavaka niverimberina sy mafana nataony fony izy “niankohoka tamin’ny tany, ary ny lohany nataony teo anelanelan’ny lohaliny”. (1 Mpanjaka 18:42). Naniraka niverimberina an’ilay mpanampy azy izy, ka nilaza hoe: “Miakara kely, ka tazano ny ranomasina” mba hahitana famantarana fa nihaino ireo vavaka nataony, i Jehovah. (1 Mpanjaka 18:43). Tsy maintsy ho faly erỳ izy rehefa “nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany”, tamin’ny farany, ho valin’ireo vavaka nataony! — Jakoba 5:18.
Raha ray na reny ianao, na loholona ao amin’ny kongregasiona kristiana, dia mety ho voatery hiady amin’ny fihetseham-po lalina rehefa mampihatra sazy. Kanefa, ny fihetseham-pon’olombelona toy izany dia ilaina hatao mifanaraka amin’ilay fiekena mafy hoe ilaina indraindray ny fananarana, ary rehefa atao amim-pitiavana izany, dia “mitondra vokatra mampiadana, izany hoe fahamarinana”. (Hebreo 12:11, NW ). Faniry foana ny vokatry ny fankatoavana ireo lalàn’i Jehovah. Toa an’i Elia, isika dia mivavaka avy ao am-pontsika mba ho tanteraka izy ireny.
Naneho herim-po i Jeremia na dia teo aza ny fahakiviana
Amin’ireo mpanoratra ny Baiboly rehetra, dia i Jeremia angamba no iray amin’ireo nanoratra be indrindra momba ny fihetseham-pony manokana. Tamin’ny naha-lehilahy tanora azy, dia nalaina ny hanaiky ny fanirahana azy izy. (Jeremia 1:6). Na izany aza, dia nandroso tamin-kerim-po tamin’ny fanambarana ny Tenin’Andriamanitra izy, kanefa dia tsy nahita afa-tsy fanoherana mivaivay avy tamin’ireo Isiraelita toa azy — nanomboka tamin’ny mpanjaka ka hatramin’ny olon-tsotra. Izany fanoherana izany indraindray dia niteraka fahatezerana sy tomany ho azy. (Jeremia 9:2; 18:20-23; 20:7-18). Tamin’ny fotoana samy hafa, dia notafihin’ny vahoaka romotra izy, nokapohina, nohidiana tamin’ny gadra hazo, nampidirina am-ponja sy norahonan’ny fahafatesana ary navela ho faty tao anaty fotaka tao amin’ny fantsakana iray tsy nisy rano. Indraindray, na ny hafatr’i Jehovah aza dia nanindrona an’i Jeremia, araka ny asehon’ny teniny hoe: “Endrey ny kiboko! Endrey izany kiboko! Manaintaina aho; Endrey! mila ho triatra izany ny foko”. — Jeremia 4:19.
Na izany aza, dia tia ny tenin’i Jehovah izy, ka nilaza hoe: “Ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko”. (Jeremia 15:16). Tamin’izay ihany, ny tsy fahafaham-po lalina tsapany dia nitarika azy hitaraina tamin’i Jehovah hoe: “Ho tonga amiko tahaka ny rano-trambo va Hianao, dia rano tsy azo itokiana?” Izany dia tahaka ny sakelidrano mora maina. (Jeremia 15:18). Na izany aza, dia takatr’i Jehovah ny fihetseham-pony nifamahofaho ka nanohana azy hatrany izy mba hahafahany hanatontosa ny fanirahana azy. — Jeremia 15:20; jereo koa ny 20:7-9.
Toa an’i Jeremia, moa ve ianao miatrika tsy fahafaham-po na fanoherana, eo am-panatanterahanao ny fanompoanao? Mitodiha any amin’i Jehovah. Manohiza manaraka ny fitarihan-dalana omeny, dia hamaly soa ny ezaka ataonao koa, i Jehovah.
Nanana fihetseham-po toy ny antsika i Jesosy
Ny mpaminany lehibe indrindra nisy dia ny Zanak’Andriamanitra mihitsy, izay tsy iza fa i Jesosy Kristy. Na dia lehilahy tanteraka aza izy, dia tsy nanafina ny fihetseham-pony. Matetika isika no mamaky momba ny fihetseham-pony anaty, izay tsy maintsy ho niharihary teo amin’ny tarehiny sy ny fihetsiny nanoloana ny hafa. Matetika i Jesosy no “onena”, ary nampiasa io teny io izy mba hilazalazana olona tao amin’ireo fanoharany. — Marka 1:41; 6:34; Lioka 10:33.
Tsy maintsy ho nampiakatra ny feony izy rehefa nandroaka ireo mpanakalo vola sy ireo biby tao amin’ny tempoly, tamin’ny teny hoe: “Ento mivoaka ireto zavatra ireto”! (Jaona 2:14-16). Ny fanoloran-kevitr’i Petera hoe “Sanatria aminao izany, Tompoko!”, dia nitarika azy hamaly mafy hoe: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana”. — Matio 16:22, 23.
Nanana firaiketam-po manokana tamin’olona sasany izay akaiky azy indrindra, i Jesosy. Ny apostoly Jaona dia lazalazaina hoe ilay “mpianatra izay tian’i Jesosy”. (Jaona 21:7, 20). Ary mamaky isika hoe: “Ary Jesosy tia an’i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy.” — Jaona 11:5.
Afaka nanana fihetseham-po nampanaintaina koa, i Jesosy. Noho izy nahatsapa ny loza tamin’ny nahafatesan’i Lazarosy, dia ‘nitomany i Jesosy’. (Jaona 11:32-36). Rehefa nampiharihary ny ratram-po nateraky ny namadihan’i Jodasy Iskariota azy i Jesosy, dia naka fitenenana manindrona avy tamin’ireo Salamo manao hoe: “Izay homana ny mofoko no nanangana ny ombelahin-tongony hamely Ahy”. — Jaona 13:18; Salamo 41:9.
Naneho ny fihetseham-pony lalina i Jesosy na dia fony nanaintaina izaitsizy teo amin’ny hazofijaliana aza. Nankininy tamim-pitiavana tamin’“ilay mpianatra tiany”, ny reniny. (Jaona 19:26, 27). Rehefa nahita porofo i Jesosy fa nibebaka ny iray tamin’ireo mpanao ratsy niara-nohomboana taminy, dia hoy izy tamim-pangoraham-po: ‘Hihaona amiko any amin’ny Paradisa, ianao’. (Lioka 23:43). Isika dia afaka mahatsapa ny fibosesiky ny fihetseham-pony, ao amin’ilay fitarainany hoe: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?” (Matio 27:46). Ary ny teniny teo am-pialana aina, dia maneho fitiavana sy fatokiana avy ao am-po: “Raiko ô, eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko”. — Lioka 23:46.
Fanomezan-toky ho antsika tokoa izany rehetra izany! “Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay [Jesosy] efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.” — Hebreo 4:15.
Ny fatokian’i Jehovah
Tsy nanenina na oviana na oviana tamin’ny nifidianany ireo mpitondra teniny, i Jehovah. Fantany ny tsy fivadihan’izy ireo taminy, ary tamim-pangorahana, dia nodiany tsy hita ny fahalemen’ireo izay tsy tanteraka. Na izany aza, dia nantenainy fa hamita ny fanirahana azy, izy ireo. Noho ny fanampiany, dia vitan’izy ireo izany.
Aoka isika haneho fatokiana amim-paharetana an’ireo rahalahintsika sy anabavintsika tsy mivadika. Ho olona tsy tanteraka foana tahaka antsika izy ireo eto amin’itỳ fandehan-javatra itỳ. Na izany aza, dia tsy tokony hitsara na oviana na oviana ireo rahalahintsika ho tsy mendrika ny fitiavantsika sy ny fiheverantsika, isika. Hoy ny nosoratan’i Paoly: “Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.” — Romana 15:1; Kolosiana 3:13, 14.
Nanana ireo fihetseham-po rehetra tsapantsika ireo mpaminanin’i Jehovah. Na izany aza, dia natoky an’i Jehovah izy ireo, ka nanohana azy ireo i Jehovah. Fanampin’izany, dia nomen’i Jehovah antony ifaliana izy ireo — feon’ny fieritreretana madio, fahitana ny fankasitrahany sy namana nahatoky nanohana azy ireo ary fahazoana antoka ny amin’ny hoavy sambatra iray. (Hebreo 12:1-3). Aoka koa isika hifikitra amim-pahatokiana tanteraka amin’i Jehovah, eo am-panahafantsika ny finoan’ireo mpaminany taloha, dia ireo lehilahy “nanana fihetseham-po toy ny antsika”.
-
-
Ny Dokotera sy ny Mpitsara ary ny Vavolombelon’i JehovahNy Tilikambo Fiambenana—1998 | 1 Martsa
-
-
Ny Dokotera sy ny Mpitsara ary ny Vavolombelon’i Jehovah
TAMIN’NY Martsa 1995, dia nandamina seminera roa tany Brezila ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny zava-kendreny? Hitadiavana fiaraha-miasa amin’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny fitsarana, rehefa Vavolombelon’i Jehovah ny mararin’ny hopitaly ka tsy afaka manaiky fampidiran-dra. — Asan’ny Apostoly 15:29.
Nampalahelo fa tamin’ny tarehin-javatra sasany, dia tsy ta hahafantatra ny fanirian’ireo marary Vavolombelona ny dokotera sasany, ka nitady hahazo didim-pitsarana mba hanerena hanao fampidiran-dra. Tamin’ny tarehin-javatra toy ireny, ny Vavolombelona dia nampiasa izay mety ho fitaovana ara-dalàna rehetra azony nampiasaina mba hiarovany ny tenany. Na izany aza, dia tian’izy ireo kokoa ny fiaraha-miasa noho ny fifandonana. Noho izany, ireo seminera ireo dia nanantitrantitra fa misy fomba hafa mahasolo ny fitsaboana misy fampidiran-dra ary manaiky azy ireny amim-pifaliana ny Vavolombelon’i Jehovah.a
Efa nanohana ny toerana tanan’ny Vavolombelona ny fivorian’ny Filan-kevi-paritra Ara-pitsaboan’i São Paulo. Tamin’ny Janoary 1995, dia nanapa-kevitra izy io fa raha misy tsy fanekena ny fitsaboana atolotry ny dokotera iray, ilay marary dia manana zo handa izany sy hifidy dokotera hafa.
Mendri-piderana fa misy an-jatony maro izao ireo anisan’ny mpiasan’ny fahasalamana any Brezila ankehitriny, manaiky ny hanao fitsaboana tsy misy fampidiran-dra ho an’ireo marariny mangataka izany. Nanomboka tamin’ireo seminera tamin’ny Martsa 1995, dia nihatsara tamin’ny fomba miavaka ny fiaraha-miasa teo amin’ny dokotera sy ny mpitsara ary ny Vavolombelon’i Jehovah, any Brezila. Tamin’ny 1997, ny gazety ara-pitsaboana breziliana atao hoe Âmbito Hospitalar, dia namoaka lahatsoratra izay nanantitrantitra fa zon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny hanajana ny toerana tanany amin’ny raharaha momba ny ra. Eken’ny besinimaro izao fa, araka ny nolazain’ireo Filan-kevi-paritra Ara-pitsaboana eo amin’ireo fanjakan’i Rio de Janeiro sy São Paulo, “ny adidin’ny dokotera hiaro ny ain’ny marariny, dia tsy tokony hihoatra ny adidiny hiaro ny zon’ny marary hanao safidy”.
-