FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 10/99 p. 7
  • Hifindra Kôngregasiôna ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hifindra Kôngregasiôna ve Ianao?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Hanampy Anao Hizatra Fiangonana Vaovao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Aoka Hihamatanjaka ny Fiangonana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Aoka Hidera An’i Jehovah ny Fiangonana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
km 10/99 p. 7

Hifindra Kôngregasiôna ve Ianao?

Raha eny ny valin’izany fanontaniana izany, dia misy zavatra maro ilainao sy ny hafa hatao. Amin’ny fanarahana ireo dingana fototra voasoritra eto ambany, dia ho tafatoetra tsara haingana ao amin’ny kôngregasiônanao vaovao ianao.

1) Raha vao fantatrao izay hifindranao, dia mety ho afaka hahazo ny adiresin’ilay Efitrano Fanjakanan’ny kôngregasiônanao vaovao ny mpitan-tsoratry ny kôngregasiôna misy anao ankehitriny. Raha vao tonga ao amin’izany faritra izany ianao, dia tadiavo avy hatrany ilay efitrano, ary fantaro ny fotoana ivorian’ilay kôngregasiôna. Raha maherin’ny iray ny kôngregasiôna mampiasa ilay Efitrano Fanjakana, dia anontanio ireo loholona hoe ao amin’ny faritanin’ny kôngregasiôna iza no misy anao. Aza mangataka andro manatrika fivoriana sy mifankazatra amin’ireo loholona eo an-toerana.

2) Ireo mpitan-tsoratra ao amin’ny kôngregasiônanao ankehitriny sy vaovao, dia hiara-miasa mba hamindra ny karatrao sy ny an’ny fianakavianao misy ny Firaketana ny Fanompoan’ny Mpitorin’ny Kôngregasiôna. Hisy taratasy fampahafantarana halefa any amin’ireo loholon’ny kôngregasiônanao vaovao. (Jereo ny Valin’ireo Fanontanianareo ao amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Febroary 1991.) Ny Komitin’ny Fanompoana ao Amin’ilay Kôngregasiôna vaovao dia tokony hampahafantatra ilay mpitarika ny fianarana ny boky hisy anao ny amin’ny fahatongavanao, mba hahafahan’izy io hifandray aminao sy hanampy anao hahita ny antokom-pianarana ny boky vaovao hisy anao. — Rom. 15:7.

3) Ny mpitory rehetra ao amin’ny kôngregasiônanao vaovao dia ho faly ny hifankahalala aminao sy ny hahatonga anao hahatsapa ho raisina tsara. (Ampitahao amin’ny 3 Jaona 8.) Mazava, fa tsy maintsy tonga any amin’ireo fivoriana ianao, mba hahafahanao hifampahery sy hanao fifampiresahana mampandroso amin’ireo rahalahy sy anabavy.

4) Tsy tokony hiandry mandra-pahavitan’ireo asa rehetra ilaina hatao amin’ilay fifindrana ianao, vao handray anjara amin’ny fanompoana miaraka amin’ny kôngregasiônanao vaovao. Rehefa mametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany ianao, dia ho voakarakara ny zavatra hafa, ka hahatsapa tsy ho sanganehana ianao ao amin’ilay toerana vaovao misy anao. (Matio 6:33). Rehefa tafatoetra ao amin’ny tranonao vaovao ianao, dia azo inoana fa haniry hanasa olona sasany avy any amin’ny kôngregasiôna mba hitsidika sy hifankahalala aminao. — Rom. 12:13b.

Asa lehibe ny fifindra-monina. Kanefa, rehefa manao izay anoroana hevitra ny rehetra voakasik’izany, dia tsy hisy fahavoazana ara-panahy. Ho voatohina tsara ny fon’ireo rehetra tafiditra amin’izany, noho ny ataon’ny fianakavian’ny mpirahalahy feno fitiavana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara