FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ananan’ny Olona Trosa Isika
    Fanompoana—2005 | Jolay
    • Ananan’ny Olona Trosa Isika

      1 Tsapan’ny apostoly Paoly fa nanana adidy hitory izy. Fantany fa nataon’i Jehovah izay hahavoavonjy ny karazan’olona rehetra amin’ny alalan’ny ra sarobidin’ny Zanany. (1 Tim. 2:3-6) Izao àry no tenin’i Paoly: “Manan-trosa amiko ny Grika sy ny tsy Grika, ny hendry sy ny tsy hendry.” Niezaka mafy tsy an-kijanona i Paoly nanefa ny trosany tamin’ny mpiara-belona taminy. Narisika nitory ny vaovao tsara tamin’izy ireo izy.—Rom. 1:14, 15.

      2 Toa an’i Paoly, dia miezaka mitory ny vaovao tsara amin’ny mpiara-belona aminy ny Kristianina ankehitriny, isaky ny afaka manao izany. Efa tena kely sisa dia ho tonga ny “fahoriana lehibe”, ka ilaintsika maika ny mitady ny olona tso-po. Enga anie ny fitiavantsika ny olona amin’ny fontsika manontolo handrisika antsika hazoto amin’io asa mamonjy aina io.—Matio 24:21; Ezek. 33:8.

      3 Aoka isika hanefa ny trosantsika: Ny fitoriana isan-trano no fomba tena fampiasantsika hanatratrarana olona. Maro anefa ny olona tsy tratra an-trano any amin’ny faritany sasany. Hahita olona maro kokoa isika, raha mandray an-tsoratra tsara ny adiresin’izy ireny, ary miverina any aminy amin’ny fotoana hafa. (1 Kor. 10:33) Hahita olona hiresahana koa isika, raha mitory eny amin’ny faritany be toeram-piasana sy eny an-dalana ary eny amin’ny parking. Azontsika atao ny manontany tena hoe: ‘Miezaka manandrana ny fomba rehetra azo itoriana ve aho, mba hizarana ny hafatra momba ny fiainana?’—Matio 10:11.

      4 Nahatsapa ny anabavy mpisava lalana iray fa manana adidy hitory amin’ny olon-drehetra ao amin’ny faritaniny. Nikatona foana ny varavarankelin’ny trano iray, ary tsy nisy olona mihitsy tao. Nahamarika fiarakodia nijanona teo anoloan’ilay trano anefa ilay anabavy, indray andro. Tsy nanompo izy tamin’izay, nefa nandondòna teo am-baravarana ihany, sao dia nisy olona tao. Lehilahy iray no namoha varavarana, ary nihaino azy. Niverina nitsidika imbetsaka an’io lehilahy io ilay anabavy sy ny vadiny taorian’izay. Nanaiky hianatra Baiboly izy tamin’ny farany, ary vita batisa izao. Tena faly izy noho ilay anabavy nahatsapa fa manana adidy hitory.

      5 Efa tena akaiky ny farany. Izao àry no fotoana tokony hanefantsika ny trosantsika amin’ny mpiara-belona, ka hiezahantsika mafy hitory amin’izy ireo.—2 Kor. 6:1, 2.

  • Fizarana 11—Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso
    Fanompoana—2005 | Jolay
    • Fizarana 11​—Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso

      Ampio Ilay Mpianatra Hanao Fiverenana Mitsidika

      1 Hahita olona liana amin’ny vaovao tsara ny mpianatra, rehefa manomboka mandray anjara amin’ny fitoriana. Ahoana no hampiofanantsika azy hanao fiverenana mitsidika mahomby sy hanampy ny olona liana?

      2 Eo am-pitoriana no manomboka ny fanomanana ny fiverenana mitsidika. Ampirisiho ilay mpianatra hamantatra izay mahaliana ny olona iresahany. (Fil. 2:4) Ampiofano tsikelikely izy hanasa ilay olona haneho ny heviny. Ampianaro koa izy hihaino tsara ilay olona sy hamantatra izay mampanahy azy. Raha liana ilay olona, dia asaivo soratan’ilay mpianatra izay zavatra tokony ho fantatra momba azy. Io no ampiasao hanampiana azy hanomana ny fitsidihana manaraka.

      3 Miaraha manomana: Fintino aloha ilay resaka natao tamin’ny voalohany. Asehoy azy avy eo ny fomba ifidianana loha hevitra iray momba ilay Fanjakana mety hahaliana ilay olona. (1 Kor. 9:19-23) Miaraha manomana fomba fampiseho fohy ahitana andinin-teny iray sy fehintsoratra iray avy ao amina boky fianarana. Manomàna koa fanontaniana hapetraka amin’ny faran’ilay dinidinika, mba hovaliana amin’ny manaraka. Ataovy izay hahaizan’ilay mpianatra hampitombo ny fahalalan’ilay olona ny Tenin’Andriamanitra, isaky ny mitsidika azy izy.

      4 Tsara koa ny mampianatra azy fampidiran-dresaka tsotra. Rehefa avy miarahaba an’ilay olona, ohatra, izy, dia afaka miteny hoe: “Nahafinaritra ilay resatsika farany, ka niverina aho mba hanome fanazavana fanampiny avy ao amin’ny Baiboly momba ny [lazao ilay loha hevitra].” Azonao ampianarina azy koa ny zavatra holazaina raha olon-kafa no tratra ao an-trano.

      5 Ampirisiho izy hazoto hiverina: Ampirisiho ilay mpianatra hiverina haingana any amin’izay rehetra liana, ka ho fakan-tahaka eo amin’izany lafiny izany. Mety ho tsy maintsy hiverimberina izy vao hahatratra ilay olona. Atoroy azy ny fomba ifanaovana fotoana indray aminy. Ampio koa izy hahatakatra fa ilaina ny mitana ny teny natao, rehefa nampanantena ny hiverina. (Matio 5:37) Ampirisiho izy ho tsara fanahy sy haneho fiheverana ary hahay hanaja, rehefa mikaroka ny olona toy ny ondry sy manampy azy ireo.—Tit. 3:2.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara