FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ahoana no Hanombohana Fampianarana Baiboly eo Am-baravarana?
    Fanompoana—2005 | Aogositra
    • Ahoana no Hanombohana Fampianarana Baiboly eo Am-baravarana?

      1 Be atao ny olona ankehitriny, nefa maro no mahatsapa fa mila an’Andriamanitra. Ahoana àry no hanampiantsika azy ireny? (Matio 5:3) Mpitory maro no mahavita mampianatra Baiboly ny olona eo am-baravarany. Afaka manitatra ny fanompoanao toy izany koa ve ianao?

      2 Mba hanombohana fampianarana Baiboly, dia tokony ho vonona hampiseho ny fomba fianatra azy io isika, isaky ny afaka manao izany. Amin’ny fomba ahoana no anaovana izany, ary aiza?

      3 Inona no azonao atao, rehefa tojo olona vonona hiresaka momba ny Baiboly? Asehoy azy fotsiny ny fehintsoratra iray efa nomaninao, angamba ny fehintsoratra voalohany, eo amin’ny lesona 1, amin’ny bokikely Takina. Atombohy ilay fianarana. Vakio ilay fehintsoratra ary iaraho midinika ny fanontaniana sy ny andinin-teny iray na roa. Matetika no azo atao eo am-baravarana izany, mandritra ny dimy na folo minitra. Raha tian’ilay olona ilay dinidinika, dia manaova fotoana mba hianaranareo ny fehintsoratra iray na roa manaraka.—Misy tari-dresaka mivantana mba hanombohana fampianarana Baiboly, ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 2002, p. 6.

      4 Mitovy amin’izany ihany no atao, rehefa miverina mitsidika. Azonao atao, ohatra, ny mampiseho ny bokikely Takina sy mampiasa ny fehintsoratra 1-2, lesona 2, mba hanasongadinana ny anaran’Andriamanitra. Azonao resahina amin’ny manaraka izay lazain’ny Baiboly momba ny toetran’i Jehovah, eo amin’ny fehintsoratra 3-4. Azonareo dinihina amin’ny fotoana hafa indray ny fehintsoratra 5-6 sy ny sary eo amin’ny pejy 5. Asongadin’izy io fa manampy antsika hahalala an’i Jehovah ny fianarana Baiboly. Azo atao eo am-baravarana izany rehetra izany.

  • Valin’ny Fanontanianareo
    Fanompoana—2005 | Aogositra
    • Valin’ny Fanontanianareo

      ◼ Ahoana no tokony hanisana ny mpanatrika fivoriana?

      Tokony hisaina ny olon-dehibe rehetra. Ary firy taona ny ankizy vao tokony hisaina? Tsy voafaritra ny amin’izany. Tokony hisain’ny mpikarakara ny mpanatrika anefa ny ankizy, raha heveriny fa efa mandray soa sy miana-javatra avy amin’ny fivoriana, na dia voafetra aza. Koa na dia mety tsy tena hifantoka tsara amin’ny fivoriana manontolo aza ny ankizy, dia tokony hisaina raha efa mandray soa sy miana-javatra. (Neh. 8:2) Tena hendry ny ray aman-dreny raha mampianatra ny zanany hifantoka, fa tsy manome azy kilalao na zavatra hafa hisakana azy tsy hihaino sy hianatra.

      Any amin’ny fivoriambe indray, dia tokony hisaina izay rehetra afaka mandre ny fandaharana sy mandray soa avy amin’izany, na dia tsy mipetraka aza. Mazava ho azy fa ampirisihina ny rehetra mba hipetraka sy hankafy tanteraka ny fandaharana. Maneho fanajana izay voalaza eny amin’ny lampihazo ny fanaovana izany.

      Tsara raha mandritra ny tapany farany amin’ny fivoriana no hanisana ny mpanatrika.

  • Fomba Fanolorana Gazety
    Fanompoana—2005 | Aogositra
    • Fomba Fanolorana Gazety

      Mifohaza! 8 Jolay

      “Olana lehibe ny tsy fananana asa amin’izao fotoana izao, satria ifandrombahana ny asa. Misy fomba dimy hahitana asa ato amin’ity gazety ity. [Asongadino ireo lohatenikely amin’ny sora-matevina ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Fomba Dimy Mora Ahitana Asa.”] Misy soso-kevitra maromaro azo ampiharina koa ato, mba hahatonga anao hateza amin’ny asanao.” Vakio ny Ohabolana 22:29, voasoratra eo amin’ny pejy 10.

  • Fomba Fanolorana Gazety
    Fanompoana—2005 | Aogositra
    • Fomba Fanolorana Gazety

      Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay

      “Lasa be dia be ny zavatra inoan’ny olona, tao anatin’ireo an’arivony taona lasa. Araka ny hevitrao, azo fantarina ve izay marina sy diso amin’izy ireny? [Avelao izy hamaly.] Resahin’ity gazety ity hoe aiza ianao no afaka mahita fampianarana marina sy ankasitrahan’Andriamanitra.” Vakio ny 2 Timoty 3:16.

      Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aog.

      “Maro ankehitriny no mahatsiaro tena ho tsy misy vidiny. Inona no azo atao hanampiana azy ireny, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Resahin’ity gazety ity ny fomba anampian’ny Baiboly ny olona toy ireny mba hahita fifaliana.” Asongadino ireo andinin-teny amin’ny sora-matevina, ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Manampy Anao Hahita Fifaliana ny Baiboly.”

      Mifohaza! 8 Aog.

      “Maro ny olona matahotra foana. Inona no mahatonga izany, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Misy fanoloran-kevitra tsara omen’ity gazety ity, mba hiarovantsika tena amin’ireo loza fahita matetika. Resahiny ato koa fa mampanantena tontolo iray tsy hisy tahotra ny Baiboly.” Vakio ny Isaia 11:9.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara