FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fizarana 3—Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso
    Fanompoana—2004 | Novambra
    • Fizarana 3—Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso

      Mahaiza Mampiasa ny Soratra Masina

      1 Tiantsika ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy ny olona ampianarintsika Baiboly. Ampiantsika àry izy mba hahazo ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra, ka hanaiky sy hampihatra izany. (Matio 28:19, 20; 1 Tes. 2:13) Noho izany, dia tokony hifototra amin’ny Soratra Masina ilay fianarana. Mila atoronao an’ilay mpianatra angamba ny fomba itadiavana andinin-teny ao amin’ny Baiboly, amin’ny voalohany. Ahoana anefa no hampiasana ny Soratra Masina, mba hanampiana azy handroso?

      2 Fidio izay andinin-teny hovakina: Rehefa manomana ianao, dia jereo hoe inona no ifandraisan’ny andinin-teny tsirairay amin’ilay hevitra dinihina. Fidio izay andinin-teny hojerena sy horesahina mandritra ilay fianarana avy eo. Tsara raha vakina ny andinin-teny iorenan’ny zavatra inoantsika. Tsy voatery hovakina anefa ny andinin-teny manome fanazavana fanampiny. Eritrereto koa izay ilain’ny mpianatra tsirairay sy ny toe-javatra misy azy.

      3 Mametraha fanontaniana: Aza hazavaina amin’ilay mpianatra ny andinin-teny, fa izy no asao hanazava azy. Mahaiza mametraka fanontaniana, mba hampirisihana azy hanao izany. Raha tsy mila hazavaina ilay andinin-teny, dia ampy angamba ny manontany hoe nahoana izy io no manamarina izay voalaza ao amin’ny fehintsoratra. Mila mametraka fanontaniana voafaritra tsara ianao indraindray, na mametraka fanontaniana mifampitohy, mba hahafahan’ilay mpianatra hanatsoaka hevitra marina. Afaka manome fanazavana fanampiny ianao rehefa avy mamaly izy, raha ilaina izany.

      4 Ataovy tsotra ny fanazavana: Ampy ny zana-tsipìka iray mba hamelezana izay kendrena, raha mahay ilay mpandefa zana-tsipìka. Tsy mila miteny betsaka koa ny mpampianatra mahay mba hampitana hevitra. Afaka mampita izany amin’ny fomba tsotra sy mazava ary marina tsara izy. Mila manao fikarohana ao amin’ireo boky ara-baiboly ianao indraindray, mba hahazoana ny hevitry ny andinin-teny sasany sy hahaizana manazava azy araka ny marina. (2 Tim. 2:15) Aza hazavaina daholo anefa ny hevitra rehetra ao amin’ny andinin-teny tsirairay ao amin’ilay fianarana. Izay ilaina hanaporofoana ny hevitra dinihina ihany resahina.

      5 Hazavao ny fampiharana azy: Ampio ilay mpianatra hahatakatra ny fomba azony ampiharana ny andinin-teny, amin’ny fotoana mahamety izany. Rehefa mandinika ny Hebreo 10:24, 25 miaraka amin’ny mpianatra iray mbola tsy mivory, ohatra, ianao, dia afaka miresaka momba ny fivoriana iray sy manasa azy hanatrika izany. Aza manery azy anefa. Avelao ny Tenin’Andriamanitra handrisika azy hanao izay mampifaly an’i Jehovah.—Heb. 4:12.

      6 Enga anie àry isika hahay hampiasa ny Soratra Masina rehefa mampianatra, mba hampirisihana ny olona ‘hankatò noho ny finoana.’—Rom. 16:26.

  • Fomba Fanolorana Gazety
    Fanompoana—2004 | Novambra
    • Fomba Fanolorana Gazety

      Mifohaza! 8 Okt.

      “Ankizivavy an-tapitrisany isan-taona no bevohoka tsy manambady. Tsy hitanao hoe mampalahelo ve izany? [Avelao izy hamaly.] Hazavain’ity gazety ity izay azon’izy ireo atao, mba hiatrehany ny olana maro amin’ny fitaizana ny zanany. Resahina ato koa ny fomba ahafahan’ny ray aman-dreny manampy ny zanany, hisoroka izany olana izany.” Vakio ny 2 Timoty 3:15.

  • Fomba Fanolorana Gazety
    Fanompoana—2004 | Novambra
    • Fomba Fanolorana Gazety

      Tilikambo Fiambenana 15 Okt.

      “Misy olona mihevitra fa arakaraka ny ananany vola be no hananany fiainana mahafa-po kokoa. Marina ve izany araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Mariho izay nosoratan’ny lehilahy iray nanan-karena be. [Vakio ny Mpitoriteny 5:10.] Resahin’ity gazety ity fa misy zava-tsarobidy kokoa noho ny harena.”

      Tilikambo Fiambenana 1 Nov.

      “Olona maro no tsy matoky ny fahaizan’ny mpitondra olombelona mandamina ny olana ankehitriny. Heverinao ve fa misy mpitondra afaka manao izay voalaza ato amin’ireto andinin-teny ireto? [Vakio ny Salamo 72:7, 12, 16, ary avelao izy hamaly.] Hazavain’ity gazety ity hoe iza io mpitondra io, ary inona no hataony.”

      Mifohaza! 8 Nov.

      “Olona maro no mahita fa zava-dehibe ny mitaiza tsara ny zaza dieny mbola kely izy. Tsy hitanao ve fa tena ilaina izany ankehitriny? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Ohabolana 22:6.] Resahin’ity gazety ity ny zavatra azon’ny ray aman-dreny atao mba hanampiana ny zanany ho tonga olom-banona sy ho tsara fitondran-tena.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara