-
Ilaina ny FanampianaoFanompoana—2004 | Desambra
-
-
Ilaina ny Fanampianao
1 “Misaotra amin’izay rehetra ataonareo ho anay. Tena mahasoa anay izany.” Mahalaza tsara ny fankasitrahantsika ireo anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana ireo teny ireo. Mihamandroso hatrany ny fandaminan’Andriamanitra, ka mbola ilaina foana ny rahalahy matotra mba hanompo any amin’ireo fiangonana 100 000 eo ho eo maneran-tany. Ilaina ny fanampianao raha rahalahy vita batisa ianao.
2 ‘Miezaha’: Inona no ezaka azonao atao mba hahazoana tombontsoam-panompoana fanampiny? (1 Tim. 3:1) Tokony ho modely amin’ny lafim-piainana rehetra aloha ianao. (1 Tim. 4:12; Tit. 2:6-8; 1 Pet. 5:3) Aoka koa ianao hazoto hitory, ary ampio ny hafa hanao toy izany. (2 Tim. 4:5) Anehoy fiahiana ny mpiray finoana. (Rom. 12:13) Mazotoa mianatra ny Tenin’Andriamanitra ary hatsarao ny fahaizanao “mampianatra.” (Tit. 1:9; 1 Tim. 4:13) Tontosao tsara ny andraikitra nankinin’ny anti-panahy taminao. (1 Tim. 3:10) Tokony ‘hahay hitondra ny ankohonanao’ koa ianao, raha raim-pianakaviana.—1 Tim. 3:4, 5, 12.
3 Mitaky asa mafy sy fahafoizan-tena ny manompo amin’ny maha mpiandraikitra. (1 Tim. 5:17) Ataovy tanjona dieny izao àry ny hanompo ny hafa amim-panetren-tena. (Matio 20:25-28; Jaona 13:3-5, 12-17) Saintsaino sy tahafo ny toetran’i Timoty. (Fil. 2:20-22) Tokony hahatonga anao ho tsara laza toa azy, ny fitondran-tenanao tsara. (Asa. 16:1, 2) “Hiseho amin’ny rehetra ny fandrosoanao”, rehefa miezaka hanana toetra tsara hiantsorohana andraikitra fanampiny ianao, sy manaraka ny torohevitra nomena mba hihatsaranao.—1 Tim. 4:15.
4 Ry ray aman-dreny, ampiofano ho tia manampy ny zanakareo: Azo ampianarina ho tia manampy dieny mbola kely ny ankizy. Ampiofano izy hihaino tsara atỳ am-pivoriana, hitory, ary ho tsara fitondran-tena any am-pianarana sy atỳ amin’ny Efitrano Fanjakana. Ampianaro izy ho finaritra manompo ny hafa, toy ny hoe manadio Efitrano Fanjakana, manampy ny be taona sy ny toy izany. Avelao izy ireo hahatsapa amin’izay ataony, fa mahasambatra ny manome. (Asa. 20:35) Izany fampiofanana izany dia mety hahatonga azy ho mpisava lalana, na mpanampy amin’ny fanompoana na anti-panahy.
-
-
Fizarana 4—Fitarihana Fampianarana Baiboly MandrosoFanompoana—2004 | Desambra
-
-
Fizarana 4—Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso
Ampianaro Hanomana ny Mpianatra
1 Mandroso haingana ny mpianatra rehefa mamaky mialoha ny fianarana sy manipika ny valiny, ary mieritreritra ny fomba hamaliany izany amin’ny fiteniny manokana. Miaraha àry manomana lesona amin’ny mpianatra iray, rehefa hitanao fa vonona hianatra tsy tapaka izy. Amin’ny ankapobeny, dia tsara raha toko na lesona iray manontolo no hiaraha-manomana aminy.
2 Manipika sy manamarika: Hazavao ny fomba hahitana ny tena valin’ny fanontaniana ao amin’ilay boky. Asehoy an’ilay mpianatra ny bokinao misy teny na fitambaran-teny fototra voatsipika. Te haka tahaka izay nataonao izy amin’izay, ka tsy hanipika afa-tsy izay ilaina mba hitadidiany ny valiny. (Lioka 6:40) Asao izy avy eo hamaly amin’ny fiteniny manokana. Ho hitanao amin’izay raha azony tsara ny fianarana.
3 Tena ilain’ilay mpianatra ny mandinika tsara ireo andinin-teny voatonona fotsiny rehefa manomana. (Asa. 17:11) Ampio izy hahita fa manamafy ny hevitra ao amin’ny fehintsoratra ny andinin-teny tsirairay. Asehoy azy ny fanaovana fanamarihana eo amin’ny sisim-pejin’ny bokiny. Asongadino fa mifototra amin’ny Baiboly izay ianarany. Ampirisiho izy hampiasa andinin-teny matetika, rehefa mamaly.
4 Manao topy maso sy mamerina: Tsara aloha raha manao topy maso izay hianarana ilay mpianatra, vao manomana amin’ny an-tsipiriany. Atoroy azy fa ny lohatenin’ilay toko, sy ny lohatenikely, ary ny sary no dinihina vetivety rehefa manao topy maso. Hazavao aminy fa tsara ampidiriny ho anisan’ny fanomanana ny famerenana ny hevi-dehiben’ilay lesona. Ny famerenana efa ao amin’ny boky ihany asaina ampiasainy raha misy. Hanampy azy hitadidy ilay lesona izany.
5 Hisy heviny kokoa ny valin-tenin’ilay mpianatra atỳ am-pivoriana, rehefa ampianarina manomana tsara izy. Hanampy azy hanana fahazarana mianatra tsara koa izany, na dia rehefa vita aza ny fianarany Baiboly any an-trano.
-