FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Mivelona Amin’ny Tenin’ny Finoana”
    Fanompoana—2005 | Janoary
    • “Mivelona Amin’ny Tenin’ny Finoana”

      1 Mila miezaka mafy isika, raha tiantsika foana ny hahafoy tena ho an’Andriamanitra. (1 Tim. 4:7-10) Ho vetivety anefa isika dia ho sasatra sy ho tafintohina, raha miantehitra amin’ny herintsika fotsiny. (Isaia 40:29-31) Hahazo hery avy amin’i Jehovah kosa isika raha “mivelona amin’ny tenin’ny finoana.”—1 Tim. 4:6.

      2 Sakafo ara-panahy be dia be: Manome sakafo ara-panahy be dia be i Jehovah, amin’ny alalan’ny Teniny sy ny “mpanompo mahatoky sy malina.” (Matio 24:45) Miezaka mandray izany sakafo izany ve isika? Mamaky Baiboly isan’andro ve isika, ohatra, ary manana fandaharam-potoana raikitra ianarana samirery sy isaintsainana? (Sal. 1:2, 3) Manatanjaka antsika sy miaro antsika amin’ny tontolon’i Satana izany, mba tsy hampahalemy antsika ara-panahy. (1 Jaona 5:19) Ho amintsika i Jehovah, raha mameno ny saintsika amin’ny zavatra mahasoa isika, sady mampihatra azy ireny.—Fil. 4:8, 9.

      3 Manatanjaka antsika amin’ny alalan’ny fivorian’ny fiangonana koa i Jehovah. (Heb. 10:24, 25) Mampahery antsika ny fampianarana sy ny namana tsara any amin’ireny fivoriana ireny, ka manampy antsika tsy hivadika na dia misy fitsapana aza. (1 Pet. 5:9, 10) Hoy ny tanora kristianina iray: “Mandreraka ahy ny mandeha any am-pianarana isan’andro lava izao. Ny fivoriana kosa anefa amiko, dia toy ny tany lonaka any an’efitra, ka mamelombelona ahy hiatrehako ny fiainana any am-pianarana indray.” Mahazo fitahiana tokoa isika rehefa miezaka mivory!

      4 Mitory ny fahamarinana: Tamin’i Jesosy dia toy ny sakafo ny fitoriana, ka nanatanjaka azy. (Jaona 4:32-34) Toy izany koa fa matanjaka indray isika, rehefa miresaka amin’ny olona momba ny fampanantenana tena tsara avy amin’Andriamanitra. Hifantoka foana amin’ilay Fanjakana sy ireo fitahiana ho avy tsy ho ela koa ny fontsika sy ny saintsika, raha be atao amin’ny fanompoana isika. Tena mamelombelona izany.—Matio 11:28-30.

      5 Omen’i Jehovah sakafo ara-panahy be dia be ny vahoakany ankehitriny, ary mahazo fitahiana tokoa isika satria mandray izany! Enga anie isika hihoby hatrany noho ny faharavoam-po ho fiderana azy.—Isaia 65:13, 14.

  • Fizarana 5: Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso
    Fanompoana—2005 | Janoary
    • Fizarana 5: Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso

      Fehintsoratra Firy no Tokony Hianarana?

      1 Fantatr’i Jesosy fa voafetra ny zavatra takatry ny sain’ny mpianany. Noferany àry ny zavatra nampianariny, ka nataony “araka izay hain’ireo nohenoina.” (Marka 4:33; Jaona 16:12) Mila fantarin’ny mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra koa ankehitriny hoe firy ny fehintsoratra tokony hianarana, isaky ny mampianatra Baiboly. Miankina amin’ny fahaizana sy ny toe-javatra misy an’ilay mpampianatra sy ilay mpianatra izany.

      2 Ataovy izay hananany finoana matanjaka: Misy mpianatra mila mianatra indroa na intelo vao mahatakatra zavatra sasany, fa ny hafa kosa mahazo avy hatrany. Izay hahatakarany tsara an’ilay fianarana no zava-dehibe kokoa amintsika, fa tsy izay hahavitana fehintsoratra betsaka ao anatin’ny fotoana fohy. Mila mahatakatra tsara ny finoany vaovao avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny mpianatra tsirairay.—Ohab. 4:7; Rom. 12:2.

      3 Rehefa mampianatra ianao isan-kerinandro, dia ataovy izay hahatakaran’ilay mpianatra sy hanekeny izay ianarany avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, na dia mety hitaky fotoana aza izany. Aza mirotoroto, satria manjary tsy hitany ny hasarobidin’ny fahamarinana ampianarina azy. Manokàna fotoana ampy hanasongadinana ny hevi-dehibe sy handinihana ny andinin-teny fototra.—2 Tim. 3:16, 17.

      4 Aza tapatapahina ny fianarana: Tsy tokony hirotoroto isika, nefa mila mitandrina koa mba tsy hiresaka zavatra tsy mifandray amin’ilay fianarana. Raha tia miresaka momba ny fiainany ilay mpianatra, dia mety ho azontsika ilazana izy mba hanao izany aorian’ny fianarana.—Mpit. 3:1.

      5 Isika mihitsy anefa no mety halaim-panahy hiresaka be, noho ny hafanam-pontsika amin’ny fahamarinana. (Sal. 145:6, 7) Mety hahasoa indraindray ny miresaka hevitra fanampiny na mitantara zavatra. Tsy tokony ho be loatra na ho lava loatra anefa izany, satria manjary ela vao mitombo ny fahalalan’ilay mpianatra ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly.

      6 Hanampy ny mpianatra Baiboly “handeha amin’ny fahazavan’i Jehovah” isika, raha mametra ny isan’ny fehintsoratra ianarana, isaky ny miara-mianatra aminy.—Isaia 2:5.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara