-
Fizarana 7—Fitarihana Fampianarana Baiboly MandrosoFanompoana—2005 | Martsa
-
-
Fizarana 7—Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso
Tena Ilaina ny Vavaka
1 Tena ilaina ny fitahian’i Jehovah, raha tiana handroso ny mpianatra Baiboly. (1 Kor. 3:6) Tsara àry raha atomboka sy faranana amin’ny vavaka ny fianarana. Efa azontsika atao izany amin’ny fianarana voalohany, raha tia fivavahana ilay mpianatra. Tokony hofantarintsika kosa ny fotoana tsara hanombohana izany, amin’ny olona sasany. Azonao ampiasaina ny Salamo 25:4, 5 sy ny 1 Jaona 5:14, mba hanampiana ilay mpianatra hahatakatra ny antony tokony hivavahana. Azonao vakina koa ny Jaona 15:16, mba hanazavana fa zava-dehibe ny mivavaka amin’i Jehovah amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.
2 Iza no tokony hivavaka rehefa mampianatra? Raha miara-mampianatra amin’ny anabavy ny rahalahy vita batisa, dia izy no hivavaka, na dia ilay anabavy aza no hitarika ilay fianarana. Hisaron-doha ilay anabavy amin’izay. (1 Kor. 11:5, 10) Raha lehilahy mpitory tsy vita batisa kosa no miaraka amin’ilay anabavy, dia ilay anabavy no hivavaka. Tokony hisaron-doha koa izy amin’izay, rehefa mivavaka sy mitarika ilay fianarana.
3 Inona no azo resahina ao amin’ilay vavaka? Tsy tokony ho lava be ilay vavaka, fa tokony ho voafaritra tsara. Azo atao ny mangataka amin’i Jehovah mba hitahy ilay fianarana, sy misaotra azy noho ireo fahamarinana ianarana mandritra izany. Tsara koa anefa ny midera azy noho izy mampianatra antsika. (Isaia 54:13) Azontsika atao koa ny milaza teny mampiseho fa tena te hanampy ilay mpianatra isika, ary mankasitraka ny fandaminana ampiasain’i Jehovah. (1 Tes. 1:2, 3; 2:7, 8) Ho hitan’ilay mpianatra fa tena tokony ho “mpankatò ny teny” izy, raha miangavy an’i Jehovah isika hitahy ny fiezahany hampihatra izay ianarany.—Jak. 1:22.
4 Be dia be ny soa azo avy amin’ny vavaka. Tahin’Andriamanitra, ohatra, ilay fianarana. (Lioka 11:13) Miharihary koa fa tena zava-dehibe ny fianarana ny Teniny. Efa mianatra mivavaka ilay mpianatra, rehefa mandre antsika mivavaka. (Lioka 6:40) Mety hifandray akaiky amin’i Jehovah koa izy, rehefa hitany amin’ny vavaka ataontsika, fa tia an’Andriamanitra amin’ny fo isika, sady mankasitraka ny toetrany tsy manan-tsahala.
-
-
Fomba Fanolorana GazetyFanompoana—2005 | Martsa
-
-
Fomba Fanolorana Gazety
Mifohaza! 8 Feb.
“Ankasitrahantsika ny dokotera mihevitra izay manjo antsika, rehefa tsy salama isika. Heverinao ve anefa fa mba maro ny marary mihevitra izay manjo ny dokoterany? [Avelao izy hamaly.] Resahin’ity gazety ity amin’ny an-tsipiriany ny olana atrehin’ny dokotera sy ny hoavin’ny fitsaboana.” Vakio ny Isaia 33:24.
-
-
Fomba Fanolorana GazetyFanompoana—2005 | Martsa
-
-
Fomba Fanolorana Gazety
Ny Tilikambo Fiambenana 15 Feb.
“Mahare isika indraindray hoe nisy fahagagana tany amin’ny toerana iray. [Milazà ohatra iray.] Misy olona mino azy ireny, fa misy koa ny misalasala. Hazavain’ity gazety ity hoe tena nitranga ve ireo fahagagana resahin’ny Baiboly, sy hoe mbola misy fahagagana toy izany ve ankehitriny.” Vakio ny Jeremia 32:21.
Mifohaza! 8 Mar.
“Fahiny, dia nandidy ny ankizy Andriamanitra, mba hanaja ny rainy sy ny reniny. [Vakio ny Eksodosy 20:12.] Araka ny fahitanao azy, hajaina tokoa ve ny reny ankehitriny? [Avelao izy hamaly.] Asehon’ity gazety ity ny zava-tsarotra atrehin’ny reny any amin’ny tany samihafa, sy ny fomba andreseny azy ireny.”
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mar.
“Araka ny hevitrao, hihatsara ve ny fiainantsika, raha mampihatra ity torohevitra ity ny rehetra? [Vakio ny Romanina 12:17, 18, ary avelao izy hamaly.] Mampalahelo anefa, fa tsy mifankahazo ny olona indraindray. Asehon’ity gazety ity fa ho afaka handamina izany sy hamitram-pihavanana isika, raha mampihatra ny torohevitry ny Baiboly.”
-