Ampio ho Tonga Mpitory Ireo Mpianatra Baiboly
1 Tena lehibe ilay asa nankinin’i Jesosy tamin’ny mpianany, voaresaka ao amin’ny Matio 28:19, 20, satria tokony hotontosaina any amin’ny firenena rehetra. Nasain’i Kristy nampitombo ny isan’ny mpanara-dia azy izy ireo, ary hitaona olon-kafa indray ireo mpianatra vaovao. Hitatra hatrany izany fitoriana ny vaovao tsara natombok’i Jesosy sy ny mpianany izany, ka hanjary haneran-tany. Hifarana tsy ho ela izy io, satria efa tena ao anatin’ny andro farany isika izao.—Matio 24:14.
2 Mety hampianatra Baiboly ny zanatsika na ny olon-kafa isika. Tiantsika ny hanampy azy ireny, mba hahatsapa fa manana andraikitra hanampy ny hafa ho tonga mpianatr’i Jesosy Kristy koa izy.—Lioka 6:40.
3 Ampiofano hitory izy ireo: Ampirisiho ireo olona ampianarinao mba hiresaka amin’ny hafa ny zavatra ianarany. Itantarao zava-nitranga mampahery teny amin’ny fanompoana izy. Ampiofano handray anjara amin’ny fanompoana ny zanakao, dieny mbola kely. Ataovy mifanaraka amin’ny fahaizany izany. (Sal. 148:12, 13) Asehoy amin’ny teninao sy ny zavatra ataonao fa tena zava-dehibe aminao ny fanompoana.—1 Tim. 1:12.
4 Ireo olona manaiky sy mankatò ny fitsipiny marina ihany no ampiasain’i Jehovah. Marina fa tsy hitovy amin’ny fahalalana ananan’ny mpitory efa za-draharaha sy nanolo-tena ary vita batisa ny fahalalan’ny mpitory vaovao. Tsy maintsy mino sy mahay manazava an’ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly anefa izy. (Jereo ny boky Voalamina, p. 79-82.) Tsy tokony ho anisan’i “Babylona Lehibe” intsony izy, tsy mandray anjara amin’ny politika, ary manatrika tsy tapaka ny fivorian’ny fiangonana.—Apok. 18:2, 4; Jaona 17:16; Heb. 10:24, 25.
5 Raha vao hitanao fa mahafeno fepetra ho mpitory tsy vita batisa ny olona ampianarinao Baiboly, dia tokony hampahafantarinao ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha izany. Hanao fandaharana izy mba hihaonan’ny anti-panahy roa aminao sy ilay olona ampianarinao. Hojeren’izy ireo amin’izany, raha mahafeno fepetra ho mpitory tsy vita batisa eo anivon’ny fiangonana ilay mpianatra. Ho afaka hampiofana bebe kokoa an’ilay mpianatra ianao aorian’izay, rehefa hiaraka aminao eny amin’ny fanompoana izy.