-
Teraka tao An-tranon’omby i JesosyNy Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
-
-
TANTARA 85
Teraka tao An-tranon’omby i Jesosy
FANTATRAO ve hoe iza io zazakely io? Eny, io no Jesosy. Vao teraka tao amin’ny tranon’omby iray izy. Ny tranon’omby dia toerana fametraham-biby. Teo amin’ny fihinanam-bilona, dia toerana fasian-tsakafo mba hohanin’ny ampondra sy ny biby hafa, no niterahan’i Maria an’i Jesosy. Nefa nahoana moa i Maria sy Josefa no eto miaraka amin’ny biby? Tsy toerana natao hiterahan-jaza io, sa tsy izany?
Tsy izany tokoa. Nefa izao no antony naha-eto azy: Ny mpanapaka an’i Roma, i Aogosto Kaisara, dia nanao lalàna iray fa tokony hiverina any amin’ny tanàna nahaterahany ny tsirairay mba hanoratana ny anarany ao amin’ny boky. Eny, i Josefa anefa dia teraka tany Betlehema. Nefa rehefa tonga izy sy Maria, dia tsy nisy efitrano ho azy ireo na taiza na taiza. Koa tsy maintsy nanketo izy niaraka tamin’ny biby. Ary tamin’iny andro iny ihany i Maria dia niteraka an’i Jesosy! Nefa araka ny azonao jerena, dia ara-dalàna ny zaza.
Hitanao ve ireo mpiandry ondry tonga hijery an’i Jesosy? Tany an-tsaha izy tamin’ny alina niandry ny ondriny, ary namirapiratra nanodidina azy ny mazava lehibe. Anjely iray izany! Natahotra aoka izany ny mpiandry ondry. Nefa hoy ilay anjely: ‘Aza matahotra! Manana vaovao tsara ho anareo aho. Androany no teraka ao Betlehema i Kristy Tompo. Hamonjy ny olona izy! Ho hitanareo izy voahodidina lamban-jaza ary mandry eo am-pihinanam-bilona.’ Nisy anjely maro be tonga tampoka ary nanomboka nidera an’Andriamanitra. Avy hatrany àry ny mpiandry ondry dia nandeha faingana nitady an’i Jesosy, ary hitan’izy ireo izy.
Fantatrao ve ny antony mampiavaka erỳ an’i Jesosy? Fantatrao ve hoe iza marina izy? Tsarovy fa niresaka ny amin’ny Zanaka lahimatoan’Andriamanitra isika tao amin’ny tantara voalohany amin’ity boky ity. Niara-niasa tamin’i Jehovah io Zanaka io teo amin’ny fanaovana ny lanitra sy ny tany ary ny zavatra hafa rehetra. Toy izany tokoa i Jesosy!
Eny, noraisin’i Jehovah ny fiainan’ny Zanany avy any an-danitra ary napetrany tao an-kibon’i Maria. Avy hatrany dia nanomboka nitombo tao am-bohokany ny zaza iray tahaka ny fitombon’ny zaza hafa ao an-kibon-dreniny. Nefa io zaza io dia Zanak’Andriamanitra. Farany dia teraka teto amin’ity tranon’omby any Betlehema ity i Jesosy. Hitanao ve izao hoe nahoana ireo anjely no faly erỳ afaka nanambara tamin’ny olona fa teraka i Jesosy?
-
-
Lehilahy Notarihin’ny Kintana IrayNy Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
-
-
TANTARA 86
Lehilahy Notarihin’ny Kintana Iray
HITANAO ve ilay kintana mazava tondroin’ny iray amin’ireo lehilahy ireo? Rehefa nandao an’i Jerosalema izy ireo, dia niseho ilay kintana. Avy any Atsinanana ireo lehilahy ireo, ary nandinika ny kintana. Nino izy fa nitarika azy ho any amin’ny olo-malaza iray io kintana io.
Rehefa tonga tany Jerosalema ireo lehilahy dia nanontany hoe: ‘Aiza ilay zaza ho tonga mpanjakan’ny Jiosy?’ Ny hoe “Jiosy” dia anarana hafan’ny Israelita. ‘Nahita voalohany ny kintan’ilay zaza izahay fony tany Atsinanana’, hoy ireo lehilahy, ‘ary tonga izahay mba hitsaoka azy.’
Rehefa ren’i Heroda mpanjaka tao Jerosalema ny amin’izany, dia nangorohoro izy. Tsy tiany haka ny toerany ny mpanjaka hafa. Koa nantsoin’i Heroda ireo lohan’ny mpisorona ary nanontaniany hoe: ‘Aiza moa no ho teraka ilay mpanjaka nampanantenaina?’ Namaly izy ireo hoe: ‘Any Betlehema, hoy ny Baiboly.’
Nantsoin’i Heroda àry ireo lehilahy avy any Atsinanana ary nitenenany hoe: ‘Andeha tadiavo ilay zazakely. Rehefa hitanareo izy, dia ampahafantaro ahy. Maniry handeha hitsaoka azy koa aho.’ Nefa, raha ny marina, dia naniry hahita ilay zaza i Heroda mba hamonoana azy!
Avy eo ilay kintana dia nialoha lalana ireo lehilahy ho any Betlehema, ary nijanona teo ambonin’ny toerana nisy ilay zaza. Rehefa niditra tao an-trano ireo lehilahy, dia nahita an’i Maria sy Jesosy zaza. Nitondra fanomezana izy ary nanolotra izany an’i Jesosy. Nefa tatỳ aoriana i Jehovah dia nampitandrina an’ireo lehilahy tao amin’ny nofy mba tsy hiverina any amin’i Heroda. Koa nody tany amin’ny tany niaviany tamin’ny lalana hafa izy.
Rehefa fantatr’i Heroda fa lasa nody ireo lehilahy avy any Atsinanana, dia tezitra indrindra izy. Koa nanome baiko izy mba hamonoana ny zazalahy rehetra roa taona no ho midina tao Betlehema. Nefa i Jehovah dia nampitandrina mialoha an’i Josefa tao amin’ny nofy iray, ary lasa nankany Ejipta niaraka tamin’ny fianakaviany i Josefa. Tatỳ aoriana, rehefa fantatr’i Josefa fa maty i Heroda, dia nentiny niverina tany Nazareta i Maria sy Jesosy. Tao no nahabe an’i Jesosy.
Inona, araka ny hevitrao, no nahatonga ilay kintana vaovao hamirapiratra? Tadidio, fa ireo lehilahy dia nankany Jerosalema aloha taorian’ny fahitany ilay kintana. Naniry hamono ny Zanak’Andriamanitra i Satana Devoly, ary fantany fa hitady hamono an’i Jesosy i Heroda mpanjaka tany Jerosalema. I Satana àry ilay tsy maintsy ho nampamirapiratra ilay kintana.
-
-
Jesosy Zaza tao Amin’ny TempolyNy Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
-
-
TANTARA 87
Jesosy Zaza tao Amin’ny Tempoly
JEREO ilay zazalahy kely miresaka amin’ireo zokiolona. Mpampianatra ao amin’ny tempolin’Andriamanitra ao Jerosalema ireo. Ary ilay zazalahy dia i Jesosy. Efa nitombo kelikely izy. Roa ambin’ny folo taona izy izao.
Talanjona aoka izany ireo mpampianatra noho ny nahalalan’i Jesosy zavatra betsaka erỳ momba an’Andriamanitra sy izay voasoratra ao amin’ny Baiboly. Nefa nahoana no tsy eto koa i Josefa sy Maria? Aiza izy ireo? Aoka hojerentsika.
Isan-taona dia mitondra ny fianakaviany ho any Jerosalema i Josefa mba hanatrika ny fankalazana manokana atao hoe Paska. Lavitra ny lalana avy eo Nazareta mankany Jerosalema. Tsy nisy nanana fiara ary tsy nisy fiarandalamby. Tsy nanana ireo ny olona tamin’izany fotoana izany. Nandeha an-tongotra ny ankamaroan’olona, ary nila teo amin’ny telo andro izy mba hahatongavana tany Jerosalema.
Izao i Josefa dia nanana fianakaviana lehibe. Nisy koa zandrin’i Jesosy lahy sy vavy sasany tsy maintsy nokarakaraina. Tamin’io taona io àry i Josefa sy Maria dia niara-niainga tamin’ireo zanany hanao ny dia lavitra niverina tany Nazareta. Nihevitra izy fa niara-dia tamin’ny hafa i Jesosy. Nefa rehefa nijanona izy tamin’ny faran’ny andro, dia tsy nahita an’i Jesosy. Nitady azy teo amin’ireo havany sy sakaizany izy, nefa tsy teo amin’ireo izy! Koa niverina tany Jerosalema izy ireo mba hitady azy tany.
Farany dia hitany teto niaraka tamin’ireo mpampianatra i Jesosy. Nihaino azy ireo izy ary nametraka fanontaniana. Ary talanjona ny olona rehetra noho ny fahendren’i Jesosy. Nefa hoy i Maria: ‘Anaka, nahoana no nanao izao taminay ianao? Sahiran-tsaina erỳ izahay sy rainao niezaka nitady anao.’
‘Nahoana no nitady ahy ianareo?’, hoy ny navalin’i Jesosy. ‘Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho ato an-tranon’ny Raiko aho?’
Eny, tian’i Jesosy ny ho eo amin’izay azony ianarana momba an’Andriamanitra. Moa tsy izany va no tokony ho fihetseham-pontsika koa? Rehefa nody tany Nazareta i Jesosy dia zatra nankany amin’ireo fivoriana mba hivavaka isan-kerinandro. Noho izy nihaino tsara mandrakariva, dia nianatra zavatra maro avy ao amin’ny Baiboly izy. Aoka isika hanahaka an’i Jesosy ary hanaraka ny ohatra navelany.
-
-
Nanao Batisa An’i Jesosy i JaonaNy Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
-
-
TANTARA 88
Nanao Batisa An’i Jesosy i Jaona
JEREO ny voromailala midina eo amin’ny lohan’ilay lehilahy. I Jesosy io lehilahy io. Eo amin’ny 30 taona izy izao. Ary ilay lehilahy miaraka aminy dia i Jaona. Efa nianatra zavatra momba azy isika. Tsaroanao ve fony i Maria nitsidika an’i Elizabeta havany, fa nibitaka ny zaza tao an-kibon’i Elizabeta? I Jaona izany zaza mbola tsy teraka izany. Nefa manao inona moa i Jaona sy Jesosy izao?
Vao avy nandroboka an’i Jesosy tao amin’ny ranon’ny Ony Jordana i Jaona. Izany no fomba fanaovana batisa olona iray. Alentika ao anaty rano izy aloha, avy eo dia akarina indray. Satria izany no nataon’i Jaona tamin’ny olona, dia nantsoina hoe Jaona Mpanao Batisa izy. Nefa nahoana moa i Jaona no nanao batisa an’i Jesosy?
Eny, nanao izany i Jaona satria tonga i Jesosy nangataka azy hanao batisa ny tenany. Nataon’i Jaona batisa ny olona izay naniry hampiseho alahelo noho ny zava-dratsy nataony. Nefa moa ve i Jesosy mba efa nanao ratsy ka tokony hanenina ny amin’izany? Tsia, tsy mbola nanao ratsy i Jesosy, satria Zanak’Andriamanitra avy any an-danitra izy. Koa nangataka an’i Jaona mba hanao batisa azy izy noho ny antony hafa. Aoka hojerentsika izany antony izany.
Talohan’ny nanatonan’i Jesosy an’i Jaona dia mpandrafitra izy. Ny mpandrafitra dia olona iray manamboatra zavatra avy amin’ny hazo, toy ny latabatra sy ny seza ary ny dabilio. Mpandrafitra i Josefa vadin’i Maria, ary nampianatra an’i Jesosy izy mba ho toy izany koa. Nefa i Jehovah tsy naniraka ny Zanany tetỳ an-tany mba ho mpandrafitra. Nanana asa manokana hampanaovina azy izy, ary tonga ny fotoana hanombohan’i Jesosy hanao izany. Koa mba hampisehoana fa tonga izy izao hanao ny sitrapon’ny Rainy, i Jesosy dia nangataka an’i Jaona mba hanao batisa azy. Nahafaly an’Andriamanitra ve izany?
Eny, faly izy, satria rehefa niakatra avy ao anaty rano i Jesosy, dia nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: ‘Ity no Zanako, izay sitrako.’ Ary toa nisokatra koa ny lanitra ka nidina teo amin’i Jesosy io voromailala io. Nefa tsy tena voromailala izy io. Tahaka izany fotsiny ilay izy. Raha ny marina dia ny fanahy masin’Andriamanitra io.
Izao i Jesosy dia nanana zavatra betsaka hosaintsainina, ka dia nankany amin’ny toerana mitokana nandritra ny 40 andro izy. Tonga teo aminy i Satana tany. Intelo i Satana no nitady hampanao an’i Jesosy zavatra mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra. Nefa tsy nanaiky izany i Jesosy.
Taorian’izany, dia niverina i Jesosy ary nahita lehilahy sasany izay ho tonga ny mpanara-dia azy voalohany, na mpianatra. Ny sasany amin’ny anaran’izy ireo dia i Andrea, Petera (antsoina koa hoe Simona), Filipo ary Natanaela (antsoina koa hoe Bartolomeo). Lasa nankany amin’ny distrikan’i Galilia i Jesosy sy ireo mpianany vaovao. Tany Galilia izy ireo dia nijanona tao amin’ny tanàna nahabe an’i Natanaela, tao Kana. Tao i Jesosy dia nankany amin’ny fanasana fampakaram-bady lehibe iray, ary nanao ny fahagagany voalohany. Fantatrao ve hoe inona izany? Nanova ny rano ho divay izy.
-