FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fety
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
    • Maro izy ireny, ka tsy ho voaresaka ato daholo. Manampy antsika hahita izay tokony hodinihina alohan’ny hankalazana azy ireny anefa, ny fanazavana momba an’ireo fety voalaza etsy aloha. Efa ampy tsara koa ny toro lalan’ny Baiboly voaresaka ato, ho an’ireo tena maniry hampifaly an’i Jehovah Andriamanitra.

  • Fiainana
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
    • Fiainana

      Famaritana: Ny mampiavaka ny zavamaniry, ny biby, ny olona ary ny anjely, amin’ny zavatra tsy mananaina. Afaka mitombo ny zavamananaina amin’ny ankapobeny, ary afaka miteraka sy mamadika ny sakafo ho hery. Misy vokany eo aminy ny zava-mitranga manodidina azy. Velona koa ny zavamaniry saingy tsy manana aina, toy ny an’ny olona sy ny biby. Misy hery mamelona mantsy ao anatin’ny selan’izy ireo, ary ny rivotra fohiny no mihazona an’io hery io.

      Ny fiainana lavorary sy ny zo hanana izany no atao hoe tena fiainana, ho an’ny zavaboary manan-tsaina. Tsy manana fanahy tsy mety maty ny olona. Manantena ho lasa lavorary sy hiaina mandrakizay kosa ny mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika. Hiaina eto an-tany ny ankamaroany. Ho any an-danitra kosa ny “ondry vitsy” izay handova ny Fanjakan’Andriamanitra. Ho lasa zavaboary ara-panahy tsy mety maty izy ireo, ary tsy hila sakafo sy rano na zavatra hafa mba hahavelona azy.

      Inona no dikan’ny fiainana?

      Hisy dikany ny fiainantsika raha ekentsika fa nisy nanome ny aina. Raha tongatonga ho azy teo fotsiny izao rehetra izao, dia tsy hisy dikany ny fiainana sady tsy ho azo antenaina loatra ny hoavy. Hoy anefa ny Asan’ny Apostoly 17:24, 25, 28: “Ilay Andriamanitra nanao izao tontolo izao sy ny zava-drehetra ao aminy ... no manome ho an’ny olon-drehetra ny aina sy ny fofonaina ary ny zava-drehetra. Fa izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary isiantsika.” Hoy koa ny Apokalypsy 4:11: “Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao, ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana azy ireny.” (Jereo koa ny loha hevitra hoe “Andriamanitra”, pejy 36-43.)

      Tsy ho sambatra ireo tsy miraharaha izay takin’ny Mpamorona sy ny tari-dalany. Mampitandrina ny Galatianina 6:7, 8 hoe: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy. Izay mamafy ho an’ny nofony mantsy dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofony.”—Jereo koa ny Galatianina 5:19-21. (Jereo ny loha hevitra hoe “Fahaleovan-tena.”)

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara