FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • be fian. 34 p. 202-p. 205 feh. 4
  • Mahay Mampahery sy Mijery Lafy Tsaran-javatra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mahay Mampahery sy Mijery Lafy Tsaran-javatra
  • Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Mitovitovy Aminy
  • Resaka Mampandroso
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Fomba Fanatsarana ny Fahaiza-miresaka
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Aoka Ianao Hampandroso
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Miezaha Hiteny Zavatra Tsara sy Mampahery
    Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra
Hijery Hafa
Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
be fian. 34 p. 202-p. 205 feh. 4

LESONA 34

Mahay Mampahery sy Mijery Lafy Tsaran-javatra

Inona no ilainao hatao?

Tsy miresaka ela be momba ny zavatra mahakivy, fa momba izay zavatra manatsara ny tarehin-javatra na manome toky kosa.

Nahoana izany no tena ilaina?

Reraka noho ny tontolo tsy ahitam-pitiavana ny olona. Maro koa no mahita olana be eo amin’ny fiainany. Hampihiratra ny fiainan’ny olona tso-po ny hafatry ny Baiboly, rehefa torina amin’ny fomba mety.

VAOVAO tsara ilay hafatra nasaina torintsika. Hoy i Jesosy: “Ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha.” (Marka 13:10) Nanome ny ohatra ny tenany, tamin’ny fitoriana “ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 4:43) Lazaina koa fa “filazantsaran’Andriamanitra” sy “filazantsaran’i Kristy” no notorin’ireo apostoly. (1 Tes. 2:2; 2 Kor. 2:12) Mampahery ny hafatra toy izany.

Mampirisika ny olona isika hoe: “Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy”, araka ilay fanambarana “filazantsara mandrakizay” nataon’ilay ‘anjely nanidina teo afovoan’ny lanitra.’ (Apok. 14:6, 7) Lazaintsika amin’ny olona hatraiza hatraiza ny momba ilay Andriamanitra marina, ny anarany, ny toetrany tsara, ny asany mahatalanjona, ny fikasany feno fitiavana, ny hoe hampamoahiny isika, ary ny zavatra takiny amintsika. Vaovao tsara koa ny handringanan’i Jehovah Andriamanitra ny ratsy fanahy, izay manala baraka azy sy manimba ny fiainan’ny hafa. Tsy anjarantsika anefa ny mitsara ny olona itoriantsika. Ny faniriantsika dia ny hisian’ny olona betsaka araka izay azo atao hanaiky ny hafatra ao amin’ny Baiboly, mba ho tena vaovao tsara ho azy ireo izy io.—Ohab. 2:20-22; Jaona 5:22.

Aza atao be loatra ny resaka momba ny zavatra mahakivy. Be dia be ny zavatra mahakivy eo amin’ny fiainana. Tsy odiantsika tsy hita izy ireny. Milazà zava-manahirana iray mampanahy ny olona eo amin’ny faritaninao mba hanombohan-dresaka, ary resaho vetivety ilay izy. Tsy dia tsara mazàna ny miresaka ela be momba ilay izy. Efa mandre vaovao mahakivy isan’andro ny olona, ka mety tsy hihaino izy raha mbola iresahanao zavatra tsy mahafinaritra koa. Sariho ho amin’ireo fahamarinana mamelombelona ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny sainy, dieny eo am-piandohan’ny resaka. (Apok. 22:17) Na dia tsy te hanohy ny resaka aza ilay olona avy eo, dia efa nomenao hevitra mampahery hoeritreretiny izy. Mety ho vonon-kihaino kokoa izy amin’ny manaraka.

Toy izany koa, rehefa asaina manao lahateny ianao. Aza totofana vaovao mahakivy ny mpihaino, satria fotsiny hoe be dia be ny vaovao toy izany. Mety hiresaka ela be momba ny tsy fahaizan’ny mpitondra olombelona, ny heloka bevava sy ny herisetra, ary ny fahalotoam-pitondran-tena mihoa-pampana, ny mpandahateny iray. Hanakivy ny mpihaino anefa izy amin’izany. Aza resahina ireo lafiny mahakivy raha tsy hoe misy antony mahasoa ilana azy angaha. Ohatra, mety hiharihary kokoa ny antony ilana ilay fanazavanao, raha tononinao vetivety ny zavatra toy izany. Mety hampahafantarin’ireny koa ny tena antony nampisy ny toe-javatra iray, ka hasongadiny fa tena mandaitra ny vahaolana omen’ny Baiboly. Milazà àry olana voafaritra tsara, isaky ny mety ny hanaovana izany, nefa aza miresaka ela be momba azy io.

Mazàna sarotra, no sady tsy tsara, raha esorina avokoa ireo hevitra mahakivy ao amin’ny anjara, na lahateny iray. Izao no manahirana: Mifangaro ao ny hevitra mahakivy sy mampahery, kanefa tsy maintsy atao mampahery ilay lahateny amin’ny ankapobeny. Tsy maintsy faritanao mialoha àry ny hevitra hampidirinao, sy izay tsy hampidirinao, ary izay tokony hohamafisina. Nanarin’i Jesosy ny mpihaino azy mba tsy hanaraka ny fomban’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo tia tena, tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra. Nanonona ohatra vitsivitsy izy mba hanamarinana ny heviny. (Matio 6:1, 2, 5, 16) Tsy niresaka ela be momba ny ohatra ratsin’ireo mpitarika ara-pivavahana ireo anefa i Jesosy. Nohamafisiny kosa fa ilaina ny mahazo tsara sy manaraka ny lalana marin’Andriamanitra. (Matio 6:3, 4, 6-15, 17-34) Faran’izay nampahery ilay lahateniny.

Aoka hampahery foana ny fomba fiteninao. Raha asaina manao anjara na lahateny momba ny asa kristianina iray ianao, dia mahaiza mampahery fa aza manakiana. Aoka ho azonao antoka fa efa ataonao ilay zavatra ampirisihanao ny hafa. (Rom. 2:21, 22; Heb. 13:7) Aoka ny fitiavana, fa tsy ny fahasosorana, no hanosika anao hilaza zavatra. (2 Kor. 2:4) Raha matoky ianao fa te hampifaly an’i Jehovah ny mpiray finoana aminao, dia hiseho amin’izay lazainao izany fatokisana izany, ka hisy vokany tsara. Mariho ny fatokisana toy izany, nasehon’i Paoly ao amin’ny 1 Tesaloniana 4:1-12 sy 2 Tesaloniana 3:4, 5 ary Filemona 4, 8-14, 21.

Mila mampitandrina ny amin’ny fitondran-tena ratsy indraindray ny anti-panahy. Hanampy azy ireo hitondra ny rahalahiny amim-pahamoram-panahy anefa ny fanetren-tena. (Gal. 6:1) Tokony hasehon’ny fomba ilazany zavatra fa manaja ireo anisan’ny fiangonana izy. (1 Pet. 5:2, 3) Ireo lehilahy tanora indrindra indrindra no ampirisihin’ny Baiboly hitandrina izany. (1 Tim. 4:12; 5:1, 2; 1 Pet. 5:5) Na ilaina aza ny mananatra mafy sy manitsy ny tsy mety, dia tokony hiorina amin’ny Baiboly ny fanaovana izany. (2 Tim. 3:16) Tsy tokony hitarina na haolana na oviana na oviana ny fampiharana andinin-teny, mba hanohanana hevitra tiana manokana. Azo atao mampahery foana ny lahateny, na dia rehefa ilaina aza ny manome torohevitra mahery: Antitrantero aloha ny fomba hanalavirana ny fanaovan-dratsy, ny fomba hamahana olana, ny fomba handresena zava-tsarotra, ny fomba hanitsiana fitondran-tena tsy mety, ary ny fiarovana entin’ny fankatoavana an’i Jehovah.—Sal. 119:1, 9-16.

Rehefa manomana ny anjaranao na lahateninao ianao, dia eritrereto tsara ny fomba hamarananao ny fizarana tsirairay sy ilay lahateny mihitsy. Matetika izay lazainao farany no ho tadidin’ny mpihaino indrindra. Hampahery ve izy io?

Rehefa miresaka amin’ny mpiray finoana aminao. Tena tian’ny mpanompon’i Jehovah ny fahafahana hifanerasera any amin’ireo fivoriana kristianina. Manjary velombelona ara-panahy isika any. Ampirisihin’ny Baiboly isika mba ‘hifananatra’, na hifampahery, rehefa tonga any. (Heb. 10:25) Tsy rehefa manao anjara na lahateny sy manome valin-teny mandritra ny fivoriana ihany isika no manao izany, fa rehefa miresaka aloha sy aorian’ny fivoriana koa.

Ara-dalàna ny firesahana momba ny fiainantsika andavanandro, nefa ny firesahana zavatra ara-panahy no tena mampahery indrindra. Anisan’izany ireo zavatra nahafinaritra hitantsika teny amin’ny fanompoana. Mampahery koa ny mifampiahy amim-pahatsorana.

Mila mitandrina isika mba tsy hanahaka ny fanaon’ity tontolo ity. Hoy i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Kristianina tany Efesosy: “Esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy hianareo rehetra.” (Efes. 4:25) Anisan’ny filazana ny marina fa tsy ny lainga ny hoe: tsy manindrahindra ireo zavatra sy olona hindrahindrain’ity tontolo ity. Nampitandrina koa i Jesosy ny amin’ny “fitaky ny harena mangeja.” (Matio 13:22) Koa mila mitandrina àry isika rehefa mifampiresaka, mba tsy hampiditra izany famitahana izany, amin’ny fandokafana fatratra ny fananan-javatra ara-nofo.—1 Tim. 6:9, 10.

Ao amin’ny torohevitr’i Paoly momba ny fampaherezana ny hafa, dia ampirisihiny isika mba tsy hitsara na hanambany ny rahalahy izay tsy mety manao zavatra sasany satria “malemy finoana”, izany hoe, mbola tsy takany tsara ny tena hevitry ny fahafahana kristianina. Raha te hanao resaka mampahery ny hafa àry isika, dia tsy maintsy heverintsika ny toe-piainana niaviany sy ny fandrosoana ara-panahy vitany. Tena hampalahelo tokoa, raha ‘manisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ny rahalahy’ na anabavy iray isika!—Rom. 14:1-4, 13, 19.

Mankasitraka resaka mampahery ireo manan-java-manahirana lehibe, toy ny aretina mitaiza, ohatra. Angamba manao ezaka mafy ny olona toy izany mba hanatrehana fivoriana. Koa mety hanontany toy izao ireo mahalala ny mahazo azy: “Manao ahoana ny fahasalamanao?” Mazava aloha fa ankasitrahany ny fiahiana azy, kanefa tsy resaka momba ny toe-pahasalamany angamba no tena hampahery azy. Angamba hanafana ny fony kokoa ny teny fankasitrahana sy fiderana atao aminy. Hitanao ve fa mbola tia foana an’i Jehovah izy, sady miaritra, na dia mafy aza ny fiainany? Mampahery anao ve ny mandre azy manome valin-teny? Tsy hampahery azy kokoa ve ny resaka momba ny toetra tsara ananany sy izay zava-bitany ho an’ny fiangonana, toy izay resaka momba ny zavatra tsy vitany noho ny aretiny?—1 Tes. 5:11.

Tena ilaina hoheverina ny fomba fijerin’i Jehovah ilay zavatra resahina, raha tiantsika hampahery ny resaka ataontsika. Nirehetan’ny fahatezeran’Andriamanitra ireo Isiraelita fahiny izay nanakiana ny solontenan’i Jehovah sy nitaraina momba ny mana. (Nom. 12:1-16; 21:5, 6) Asehontsika fa naka lesona avy tamin’izany isika rehefa miresaka, raha manaja ny anti-panahy sy mankasitraka ny sakafo ara-panahy omen’ny mpanompo mahatoky sy malina.—1 Tim. 5:17.

Tsy sarotra ny mahita resaka mahasoa hatao, rehefa tafaraka ny samy Kristianina. Raha misy anefa manjary manakiana loatra, dia avilio ho amin’ny zavatra mampahery ny resaka.

Na mitory amin’ny hafa isika, na mandaha-teny eny ambony lampihazo, na miresaka amin’ny mpiray finoana amintsika, dia enga anie isika hahay hamoaka avy ao am-pontsika “izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana.”—Efes. 4:29.

NY FOMBA HAMPIHARANA AZY

  • Tadidio fa nirahina mba hitory ny vaovao tsara isika.

  • Mahaiza mampahery fa aza manakiana.

  • Manàna hevitra tsara, fa tsy ratsy, momba ireo izay iresahanao.

  • Hevero izay ho vokatry ny teninao eo amin’ilay iresahanao.

FANAZARAN-TENA: Mitsidiha olona iray marary na tsy afa-miala ao an-tranony. Manomboha resaka mampahery. Miaraha ory amin’ilay olona, nefa manaova teny mampahery foana. Eritrereto mialoha ny fomba hanaovanao izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara