FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • gf lesona 1 p. 3
  • Tian’Andriamanitra ho Namany Ianao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tian’Andriamanitra ho Namany Ianao
  • Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!
  • Mitovitovy Aminy
  • Afaka ny ho Naman’i Jehovah Ianao
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Tokony Handaza ny Namako ve Aho?
    Mifohaza!—2008
  • Ahoana ny Hevitrao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2018
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Namana?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!
gf lesona 1 p. 3

LESONA 1

Tian’Andriamanitra ho Namany Ianao

Tian’Andriamanitra ho namany ianao. Ianao ve efa mba nieritreritra hoe ho lasa naman’ilay Mpanjakan’izao rehetra izao? Nantsoina hoe sakaizan’Andriamanitra i Abrahama, lehilahy nahatoky fahiny. (Jakoba 2:23) Misy olon-kafa koa resahin’ny Baiboly hoe lasa naman’Andriamanitra, ka nahazo fitahiana be dia be. Ankehitriny, dia olona maro eran-tany no lasa naman’Andriamanitra. Afaka ny ho namany koa ianao.

Abrahama, mivavaka

Tsara kokoa ny minamana amin’Andriamanitra noho ny minamana amin’olona. Tsy mivadika amin’ny namany mihitsy Andriamanitra. (Hebreo 13:5) Tsara kokoa ny hoe naman’Andriamanitra, noho ny hoe manankarena be. Rehefa maty ny mpanankarena dia lasan’olona ny volany. Manana harena ara-panahy kosa izay naman’Andriamanitra, ary tsy misy afaka maka izany.—Matio 6:19.

Mety hisy olona hisakana anao tsy hianatra momba an’Andriamanitra. Mety ho namanao na havanao mihitsy izany. (Matio 10:36, 37) Raha misy maneso na mandrahona anao, dia eritrereto hoe: ‘Iza no tiako kokoa: Andriamanitra sa olona?’ Ahoana, ohatra, raha misy miteny aminao hoe aza misakafo intsony? Mazava ho azy fa tsy hanaiky ianao. Tsy maintsy misakafo mantsy ianao mba ho velona. Raha lasa naman’Andriamanitra anefa ianao, dia ho velona mandrakizay. Aza manaiky àry raha misy misakana anao tsy hianatra momba an’Andriamanitra!—Jaona 17:3.

Olona maneso vehivavy iray mamaky boky momba an’Andriamanitra
    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara