TOKO FAHA-7
“Hamelombelona ny Reraka Aho”
1. Inona no tena andrandrainao ao amin’ny tontolo vaovao?
INONA no tonga ao an-tsainao rehefa mandre hoe tontolo vaovao? Vatana lavorary ve, sa sakafo be dia be sy mahasalama, biby tsy masiaka, sa trano ho an’ny rehetra? Tadidinao mihitsy aza angamba ny andinin-teny milaza an’ireo. Aza hadinoina koa anefa izao: Hifandray tsara amin’Andriamanitra ny olona, ary tsy hisy zavatra hampalahelo, na hahakivy intsony. Tsy hitondra fifaliana maharitra ho antsika izay fitahiana ho azontsika raha tsy tanteraka ireo.
2, 3. Inona no fitahiana miavaka ampanantenaina antsika ao amin’ny bokin’i Jeremia?
2 Hita amin’ny faminaniana momba ny fiverenan’ny Jiosy avy any Babylona fa mihevitra ny fihetseham-pon’ny vahoakany Andriamanitra. Hoy izy tamin’ny alalan’i Jeremia: “Mbola hitondra ny ampongatapakao indray ianao, ka hivoaka handihy sahala amin’ny olona mifaly.” (Vakio ny Jeremia 30:18, 19; 31:4, 12-14.) Nilaza zavatra hafa mety hanohina ny fonao Andriamanitra avy eo. Hoy izy: “Hamelombelona ny reraka aho.” Toy izao no ilazan’ny Baiboly Fandikan-teny Anglisy Vaovao azy io: “Homeko daholo izay ilain’ireo reraka.”—Jer. 31:25.
3 Tena tsara izany fampanantenana izany! Nampanantena i Jehovah hoe hamelombelona na hanome izay rehetra ilain’ireo reraka sy kivy. Azo antoka izany. Manatanteraka izay rehetra ampanantenainy mantsy i Jehovah. Manome toky koa ny boky nosoratan’i Jeremia fa hanao an’izany amintsika izy. Voalaza ao fa ho afaka hahazo fampaherezana sy ho be fanantenana isika dieny izao. Ankoatra izany, dia misy hevitra azo ampiharina ao mba hampaherezana ny reraka, ka hanampiana azy ireo hahazo izay ilainy.
4. Nahoana no tokony ho tsapantsika izay nahazo an’i Jeremia?
4 Nampahery an’i Jeremia ilay fampanantenan’i Jehovah, ary afaka ny hampahery antsika koa. Nahoana? Tadidio ilay voalaza tao amin’ny Toko Voalohany hoe “olona nanana fihetseham-po toa antsika ihany” i Jeremia, tsy misy hafa amin’i Elia. (Jak. 5:17) Hodinihintsika ny antony sasany mety ho nahatonga azy ho kivy na ho ketraka mihitsy. Saintsaino izay mety ho fihetseham-ponao raha manjo anao izay nanjo azy. Diniho koa hoe nahoana no mahakivy anao ny zavatra sasany.—Rom. 15:4.
5. Inona no mety ho nahakivy an’i Jeremia?
5 Mety ho ny olona tao Anatota, tanàna niaviany, no nahatonga an’i Jeremia ho kivy. Tanànan’ny Levita izy io, kilaometatra vitsivitsy any avaratratsinanan’i Jerosalema. Tsy maintsy ho nisy olom-pantany tao, na angamba havany. Nilaza i Jesosy fa tsy hajaina ny mpaminany raha ao amin’ny taniny, ary izany no nanjo an’i Jeremia. (Jaona 4:44) Tsy hoe tsy niraharaha an’i Jeremia sy tsy nanaja azy fotsiny anefa ny olona tao an-tanànany. ‘Nifofo ny ainy’ mihitsy izy ireo. Tezitra izy ireo ka niteny hoe: “Aza maminany amin’ny anaran’i Jehovah ianao sao hovonoinay.” Mba eritrereto ange e! Ny mpiray tanàna taminy, ary angamba ny havany, no nandrahona azy ho faty, nefa ireo no tokony ho nanohana azy!—Jer. 1:1; 11:21.
6. Raha manohitra anao ny mpiara-miasa aminao na ny olon-kafa, inona no soa raisinao avy amin’ny tantaran’i Jeremia?
6 Hampahery anao ny nataon’i Jehovah tamin’i Jeremia, raha manery anao hanao zavatra tsy mety ny mpiray tanàna, na mpiara-mianatra, na mpiara-miasa aminao, na ny fianakavianao mihitsy. Nampanantena an’i Jeremia Andriamanitra fa “hitodika manokana” amin’ny mponina nanohitra azy tao Anatota. (Vakio ny Jeremia 11:22, 23.) Azo antoka fa nanampy an’i Jeremia handresy ny hakiviany izany. Nitodika manokana tamin’ireo mponina ireo tokoa i Jehovah, ary ‘nahatonga loza tamin’izy ireo.’ Matokia fa ‘mitodika manokana’ amin’ireo manohitra anao koa izy, izany hoe mandinika tsara azy ireo. (Sal. 11:4; 66:7) Raha manaraka foana ny fampianaran’ny Baiboly anefa ianao sady manao ny tsara, dia mety hanampy ny mpanohitra sasany mba tsy hiharan’ny loza.—1 Tim. 4:16.
Inona no mampiseho fa mihevitra ny fihetseham-pon’ny vahoakany Andriamanitra? Nahoana izany no mety ho nampahery an’i Jeremia?
TOE-JAVATRA METY HAHAKIVY
7, 8. Inona no nanjo an’i Jeremia, ary inona no vokatr’izany teo aminy?
7 Tsy hoe nijaly noho ny fandrahonan’ny mpiray tanàna taminy fotsiny i Jeremia. Teo koa ny nataon’i Pasora mpisorona, izay olona ambony tao Jerosalema.a ‘Nikapoka sy nangeja azy tamin’ny boloky hazo’ izy io, rehefa nandre azy nilaza faminaniana avy tamin’Andriamanitra. (Jer. 20:1, 2) Toa tsy kapoka tsotsotra anefa ilay izy. Misy milaza fa nasain’i Pasora nokaravasina i Jeremia, ary mety ho nahatratra in-40 izany. (Deot. 25:3) Mety ho nisy nanaraby sy niteny ratsy koa izy nandritra izany, na nisy nandrora mihitsy aza. Nogadraina tamin’ilay “boloky hazo” koa izy nandritra ny alina manontolo. Asehon’ilay teny hebreo ampiasaina eo fa nivonkina ny olona rehefa nogadraina toy izany. Tsy maintsy ho nanaintaina mafy àry i Jeremia nandritra io alina io.
8 Inona no vokatr’izany teo aminy? Hoy izy tamin’Andriamanitra: “Ataon’ny olona ho fihomehezana foana aho.” (Jer. 20:3-7) Nieritreritra mihitsy aza izy hoe tsy hiteny amin’ny anaran’Andriamanitra intsony. Fantatrao anefa fa tsy nanao izany izy. ‘Toy ny afo mirehitra voahidy tao amin’ny taolany’ ny hafatra nasain’Andriamanitra nampitainy, ka tsy vitany ny tsy hanambara izany.—Vakio ny Jeremia 20:8, 9.
9. Nahoana no manampy antsika ny misaintsaina izay nanjo an’i Jeremia?
9 Afaka manampy antsika io tantara io. Mety ho kivy mantsy isika rehefa maneso antsika ny olom-pantatsika, ohatra hoe havana, na mpiray tanàna, na mpiara-miasa, na mpiara-mianatra. Mety ho kivy koa isika rehefa misy olona mahery setra amintsika noho isika manaraka ny fivavahana marina. Tsy tokony ho gaga anefa isika raha kivy toy izany. I Jeremia aza efa tratran’izany noho izy tsy lavorary, koa mainka fa isika. Sady manana fihetseham-po toa azy ihany isika. Aza hadinoina anefa fa lasa faly sy nanana fahasahiana indray izy, noho ny fanampian’Andriamanitra. Tsy naharitra ny hakiviany, ary tsy voatery haharitra koa ny hakiviantsika.—2 Kor. 4:16-18.
10. Nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Jeremia, araka ny tantarain’ny Baiboly?
10 Niova be ny fihetseham-pon’i Jeremia indraindray. Efa nahatsapa toy izany koa ve ianao? Angamba falifaly sy be fanantenana erỳ ianao, nefa lasa kivy tampoka avy eo. Faly i Jeremia rehefa afaka tamin’ny fampijalian’i Pasora, ary nilaza fa toy ny “mahantra” nafahana avy teo “an-tanan’ny mpanao ratsy” izy. (Vakio ny Jeremia 20:12, 13.) Efa nisy fotoana koa angamba ianao faly be, ka te hihira ho an’i Jehovah. Afaka tamin’ny zavatra nampahory anao angamba ianao tamin’izay, na nisy zavatra nahafinaritra nitranga teo amin’ny fiainanao na teo amin’ny fanompoanao. Mahafinaritra erỳ rehefa hoatr’izany!—Asa. 16:25, 26.
Ahoana no mety ho fihetseham-ponao raha misy manohitra na maneso?
11. Raha miovaova ny fihetseham-ponao, inona no tokony hotadidinao momba an’i Jeremia?
11 Tsy lavorary isika, ka mety hiovaova ny fihetseham-pontsika. Toy izany i Jeremia. Taoriana kelin’ny nilazany hoe: “Mihirà ho an’i Jehovah!”, dia tsy nanana fanantenana intsony izy, ary angamba latsa-dranomaso mihitsy. (Vakio ny Jeremia 20:14-16.) Kivy tanteraka izy, ka nieritreritra hoe tsy misy dikany ny nahaterahany! Nilaza izy hoe mendrika ny ho voaozona ilay olona nampahafantatra ny nahaterahany, ka ho toy ny fiafaran’i Sodoma sy Gomora no hiafarany. Tsy hoe kivy foana anefa i Jeremia. Niezaka mafy kosa izy handresy ny fahakiviany, ary tena nahomby. Porofon’izany ny zava-nitranga taorian’izay. Nanatona azy ilay Pasora andriana. Nirahin’i Zedekia Mpanjaka izy io hanontany momba an’ireo Babylonianina nanao fahirano an’i Jerosalema. Tsy natahotra anefa i Jeremia, fa sahy nanambara ny didim-pitsaran’i Jehovah sy ny ho vokatr’izany. (Jer. 21:1-7) Hitantsika àry fa mbola nanohy ny asan’ny mpaminany i Jeremia!
12, 13. Inona no azontsika atao raha miovaova ny toe-pontsika?
12 Miovaova be koa ny fihetseham-pon’ny mpanompon’i Jehovah sasany. Mety ho noho ny fiakaran’ny hormonina tampoka ilay izy, na noho ny zavatra simika tsy mifandanja tsara ao amin’ny vatana. Misy dokotera mahay afaka manoro izay tokony hatao mba ho voafehy kokoa ilay fiovaovan’ny fihetseham-po. (Lioka 5:31) Tsy izany anefa no mahatonga ny toe-pon’ny ankamaroantsika hiovaova. Efa anisan’ny fiainan’ny olona tsy lavorary ny hakiviana. Mety ho vokatry ny harerahana izany, na noho ny fahafatesan’ny hava-malalantsika. Rehefa mitranga izany, dia mila mitadidy isika fa nahazo sitraka tamin’Andriamanitra foana i Jeremia, na dia niovaova aza ny fihetseham-pony. Mila manova ny fahazarantsika angamba isika mba ho afaka haka aina bebe kokoa. Na mila manaiky isika hoe mila fotoana vao hisinda ny alahelontsika. Tena ilaina koa anefa ny mivory sy mandray anjara tsy tapaka amin’ny asa kristianina. Tena hanampy antsika izany mba hahay handanjalanja sy ho faly foana eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.—Mat. 5:3; Rom. 12:10-12.
13 Afaka manampy anao ny tantaran’i Jeremia, na tsindraindray ianao no kivy, na matetika. Efa hitantsika teo fa kivy be izy indraindray. Tsy niala tamin’Andriamanitra anefa izy. Tia an’i Jehovah izy, ary tsy nivadika taminy. Rehefa namaly ratsy ny soa nataony ireo mpanohitra, dia niantehitra tamin’i Jehovah izy sady natoky azy. (Jer. 18:19, 20, 23) Aoka àry ianao ho tapa-kevitra hanahaka an’i Jeremia.—Fitom. 3:55-57.
Raha kivy ianao indraindray, ahoana no azonao ampiharana izay nianaranao tao amin’ny bokin’i Jeremia?
HAMELOMBELONA NY RERAKA VE IANAO?
14. Ahoana no tena nahazoan’i Jeremia fampaherezana?
14 Tena ilaintsika ny mandinika ny fomba nahazoan’i Jeremia fampaherezana sy ny fomba nampaherezany an’ireo “reraka.” (Jer. 31:25) I Jehovah no tena nampahery azy. Eritrereto raha ianao no ilazan’i Jehovah hoe: ‘Ankehitriny, dia ataoko toy ny tanàna mimanda ianao. Tsy maintsy hiady aminao ireo, nefa tsy haharesy anao, satria “momba anao aho, mba hanafaka anao.”’ (Jer. 1:18, 19) Tsy mahagaga raha nilaza toy izao i Jeremia: ‘I Jehovah no heriko sy fiarovana mafy ho ahy ary toerana fandosirako amin’ny andro fahoriana.’—Jer. 16:19.
15, 16. Ahoana no azontsika ampaherezana ny hafa, raha jerena ny fomba nampaherezan’i Jehovah an’i Jeremia?
15 Mariho ilay tenin’i Jehovah hoe: “Momba anao aho.” Toy ny nilaza tamin’i Jeremia izy tamin’izay hoe: “Eo anilanao aho.” Hitanao amin’izany ve izay azonao atao rehefa misy mpiara-manompo na havanao kivy? Efa tsara aloha ny mahatsapa hoe kivy izy. Ilaina koa anefa ny manao zavatra hampaherezana azy. Ny tena tsara matetika dia ny manao izay nataon’i Jehovah tamin’i Jeremia, izany hoe miezaka ho eo anilan’ilay olona ketraka. Afaka milaza teny mampahery ianao avy eo. Tsy hoe mila miteny be anefa ianao. Aleo aza teny vitsivitsy voahevitra tsara, nefa mampionona sy mampahery. Tsy voatery hoe niangaliana be koa ny teninao, fa teny tsotra maneho fiahiana sy fitiavana dia mety. Misy heriny lehibe ny teny toy izany.—Vakio ny Ohabolana 25:11.
16 Niangavy an’i Jehovah i Jeremia hoe: “Mba tsarovy aho, Jehovah ô, ka tsinjovy.” Inona no nitranga avy eo? Hitan’i Jeremia ny tenin’i Jehovah, ka ‘nohaniny.’ Hoy àry izy: “Maharavoravo ahy ny teninao sady mahafaly ny foko.” (Jer. 15:15, 16) Mety hila olona ‘hitsinjo’ azy, izany hoe hiahy azy amin-katsaram-panahy koa ilay olona tianao hampaherezina. Marina fa tsy ho toy ny tenin’i Jehovah ny teninao. Azonao ampiasaina anefa ny Tenin’Andriamanitra. Tena afaka ny hampifaly ny fon’ilay olona kivy ny teny vokatry ny fo sy avy ao amin’ny Baiboly.—Vakio ny Jeremia 17:7, 8.
17. Inona no zava-dehibe ianarantsika avy amin’ny fomba nampaherezan’i Jeremia an’i Zedekia sy Johanana?
17 Mariho fa nampahery ny hafa i Jeremia, fa tsy hoe nandray fampaherezana fotsiny. Nilaza taminy i Zedekia Mpanjaka, indray mandeha, hoe natahotra an’ireo Jiosy nanao fifanekena tamin’ny Babylonianina izy. Nampahery azy i Jeremia ary nampirisika azy hankatò an’i Jehovah mba hahita soa. (Jer. 38:19, 20) Nampahery an’i Johanana, lehiben’ny tafika, koa izy tatỳ aoriana, rehefa rava i Jerosalema. Jiosy vitsivitsy sisa no tavela tao, ary nieritreritra hitondra azy ireo tany Ejipta i Johanana. Nanontany an’i Jeremia anefa izy aloha. Nihaino azy i Jeremia, ary nivavaka tamin’i Jehovah. Nampitainy tamin’i Johanana avy eo ny valin-teny mampahery avy tamin’i Jehovah, anisan’izany ny soa ho azon’izy ireo, raha manaraka ny toromarik’i Jehovah izy ireo hoe hijanona ao Jerosalema. (Jer. 42:1-12) Nihaino an’i Zedekia sy Johanana aloha i Jeremia vao niteny. Tena ilaina àry ny mihaino raha te hampahery olona. Avelao ilay olona kivy hamboraka ny ao am-pony. Henoy izy rehefa milaza izay mampanahy na mampahatahotra azy. Milazà teny mampahery avy eo raha hitanao fa mety izany. Marina fa tsy hahazo hafatra manokana avy amin’i Jehovah ianao mba hampitainao amin’ilay olona. Afaka maka hevitra mampahery avy ao amin’ny Teniny anefa ianao, ohatra hoe andinin-teny mahakasika ny hoavintsika.—Jer. 31:7-14.
18, 19. Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba nampaherezan’i Jeremia an’i Ebeda-meleka sy ny Rekabita?
18 Tsy nandray ny torohevitra mampahery nomen’i Jeremia i Zedekia sy Johanana, ary mety hisy olona hanao toy izany aminao koa. Aza kivy anefa. Nandray tsara ny fampaherezan’i Jeremia ny olon-kafa, ary azo inoana fa maro no handray tsara ny fampaherezana omenao. Eritrereto ireo Kenita, taranak’i Rekaba, naman’ny Jiosy nandritra ny taona maro. Nandidy azy ireo i Jonadaba razambeny hoe tsy tokony hisotro divay izy ireo satria vahiny. Indray andro anefa, tamin’ny fotoana nanafihan’ny Babylonianina, dia nasain’i Jehovah i Jeremia mba hitondra azy ireo tao amin’ny efitra fisakafoana iray tao amin’ny tempoly sy hanome divay azy ireo. Tsy nety nisotro anefa ireo Rekabita. Nankatò sy nanaja an’ilay razambeny izy ireo fa tsy mba toy ireo Israelita, izay tsy nankatò. (Jer. 35:3-10) Nampitain’i Jeremia tamin’izy ireo avy eo ny teny fiderana avy amin’i Jehovah sy ny fampanantenany momba ny hoavin’izy ireo. (Vakio ny Jeremia 35:14, 17-19.) Afaka manao toy izany koa ianao rehefa mampahery olona: Manaova teny fiderana vokatry ny fo rehefa misy zavatra tsara ataony.
19 Anisan’ny nampaherezin’i Jeremia koa i Ebeda-meleka Etiopianina, izay tandapa tao an-tranon’i Zedekia Mpanjaka. Nanao zavatra tsy ara-drariny ny andriana sasany tao Joda. Nanipy an’i Jeremia tao amin’ny lavaka fanangonan-drano ritra fa feno fotaka izy ireo, ary namela azy ho faty tao. Nangataka tamin’i Zedekia àry io lehilahy vahiny io mba hamonjy an’i Jeremia. Nanavotra an’i Jeremia izy, na dia mety ho nieritreritra ihany aza hoe hisy hahery setra aminy mba hanakanana azy. (Jer. 38:7-13) Azo inoana fa lasa halan’ireo andriana ireo izy, ka nanjary nanahy ny amin’ny hoaviny. Tsy nangina fotsiny àry i Jeremia. Tsy nanantena izy hoe ho vitan’i Ebeda-meleka irery ny hiatrika izany. Nampahery an’i Ebeda-meleka izy, ary nilaza taminy ny fitahiana homen’Andriamanitra azy.—Jer. 39:15-18.
20. Inona no tokony hataontsika amin’ireo rahalahy sy anabavintsika, na tanora izy na antitra?
20 Rehefa mamaky ny bokin’i Jeremia isika, dia mahita fomba tena tsara hampiharana ny torohevitra nomen’ny apostoly Paoly an’ireo rahalahy tao Tesalonika. Hoy izy: “Mifampionòna sy mifampahereza hatrany ... Ho aminareo anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jesosy Kristy Tompontsika!”—1 Tes. 5:11, 28.
Inona avy no lesona nianaranao tao amin’ny bokin’i Jeremia, ka tianao hampiharina mba hampaherezana ny reraka?
a Nisy Pasora hafa koa tatỳ aoriana, tamin’ny fotoana nanjakan’i Zedekia. Andriana izy io, ary izy ilay nangataka tamin’ny mpanjaka ny hamonoana an’i Jeremia.—Jer. 38:1-5.