-
Inona no ho Hitanao any Amin’ny Fivorianay?Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
-
-
LESONA 5
Inona no ho Hitanao any Amin’ny Fivorianay?
Arzantina
Sierra Leone
Belzika
Malezia
Olona maro no tsy miangona intsony, satria tsy tena manampy azy eo amin’ny fiainany ny zavatra ampianarin’ny fivavahany sady tsy mampahery azy. Inona anefa ny soa horaisinao raha manatrika ny fivorianay Vavolombelon’i Jehovah ianao?
Hahita olona tena tia anao ianao any. Mahafinaritra ny fivorianay satria manahaka ny Kristianina voalohany izahay. Nozaraina ho fiangonana maromaro izy ireo. Niara-nivory ny fiangonana tsirairay mba hanompo an’Andriamanitra sy hianatra ny Soratra Masina ary hifampahery. (Hebreo 10:24, 25) Tena nahafinaritra ny fivorian’izy ireo, satria mpinamana be toy ny mpiray tam-po mihitsy ry zareo.—2 Tesalonianina 1:3; 3 Jaona 14.
Hianatra hampihatra ny torohevitry ny Baiboly ianao any. Toy ny mpanompon’Andriamanitra fahiny, dia miara-mivory daholo izahay na ny lehilahy na ny vehivavy na ny ankizy. Misy olona efa mahay Baiboly any mampianatra hoe ahoana no hampiharana ny torohevitry ny Soratra Masina eo amin’ny fiainana. (Deoteronomia 31:12; Nehemia 8:8) Afaka miresaka ny zavatra ampanantenain’Andriamanitra ny mpanatrika rehefa misy fiaraha-midinika. Miara-mihira koa ny rehetra.—Hebreo 10:23.
Vao mainka ianao hino an’Andriamanitra raha mankany. Rehefa miaraka matetika amin’ny mpiray finoana aminao ianao, dia lasa manam-pinoana bebe kokoa. Vao mainka koa ianao hankatò foana izay lazain’ny Baiboly. Hoy mantsy ny apostoly Paoly tamin’ny fiangonana iray fahiny: ‘Maniry mafy hahita anareo aho mba hisy fifampaherezana eo amintsika, ka mba hampahery anareo ny finoako ary ny anareo kosa hampahery ahy.’—Romanina 1:11, 12.
Tongava àry manatrika fivoriana amin’ny manaraka e! Ianao mihitsy amin’izay no hahita fa marina daholo izay voalaza teo. Horaisinay tsara ianao. Tsy misy vidim-pidirana sy fanantazan-drakitra any.
Mivory izahay satria manahaka an’iza?
Inona no soa horaisinao raha manatrika fivoriana ianao?
-
-
Nahoana no Tena Ilaina ny Miaraka Amin’ny Mpiray Finoana?Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
-
-
LESONA 6
Nahoana no Tena Ilaina ny Miaraka Amin’ny Mpiray Finoana?
Madagasikara
Norvezy
Liban
Italia
Mandeha mivory foana izahay na ratsy aza ny andro, ary na tsy maintsy mamakivaky ala mikitroka aza. Na eo koa aza ny olana sy ny harerahana, dia miezaka mivory foana izahay mba hiaraka amin’ny mpiray finoana aminay. Fa nahoana?
Manampy eo amin’ny fiainana ny fivoriana. Nilaza i Paoly fa tokony “hifampihevitra” ny mpiara-mivory. (Hebreo 10:24) Inona no dikan’izany? Tokony “hiahy sy hiezaka hahafantatra tsara” ny mpiara-mivory amintsika isika. Raha miezaka manao izany isika, dia hanampy antsika koa izany. Mety hoe nanana olana mitovy amin’ny antsika mantsy ry zareo, ka afaka manoro hevitra antsika.
Mahazo namana tena tia anao ianao rehefa mivory. Tsy hoe olona mifankahafantatra fotsiny mantsy ny mpiara-mivory, fa mpinamana be mihitsy. Miara-miala voly izahay indraindray. Inona no vokatr’izany? Lasa hitanay kokoa ny toetra tsaran’ny namanay, ka vao mainka izahay lasa mifankatia be. Mifanampy izahay rehefa misy olana. (Ohabolana 17:17) Miaraka amin’ny olon-drehetra eo anivon’ny fiangonanay izahay, satria tena ‘mifampiahy.’—1 Korintianina 12:25, 26.
Mampirisika anao izahay mba hinamana amin’ny olona manao ny sitrapon’Andriamanitra, izany hoe amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Aza avela hisy hanakana anao tsy hiaraka aminay mihitsy àry.
Inona no soa ho azonao raha mivory ianao?
Rahoviana ianao no hivory hiaraka aminay?
-
-
Inona no Ataonay Rehefa Mivory?Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
-
-
LESONA 7
Inona no Ataonay Rehefa Mivory?
Nouvelle-Zélande
Japon
Ogandà
Litoania
Tsy nanao fombafomba ny Kristianina voalohany rehefa nivory fa nihira, nivavaka, ary namaky sy nandinika ny Baiboly. (1 Korintianina 14:26) Toy izany koa no ataonay.
Mahazo torohevitra ara-baiboly izahay any. Mihaino lahateny ara-baiboly (30 minitra) ny fiangonana tsirairay, isaky ny faran’ny herinandro. Ahazoana torohevitra ilay izy sady miresaka momba ny fiainana amin’izao. Manaraka ao amin’ny Baibolinay izahay rehefa misy andinin-teny vakina. Aorian’izay no atao ny Fianarana “Ny Tilikambo Fiambenana” (adiny iray), ary lahatsoratra iray no ianarana. Mametraka fanontaniana ny mpitarika ka afaka mamaly ny mpanatrika. Manampy anay hampihatra ny torohevitry ny Baiboly izany. Mitovy ny lahatsoratra ianaran’ny fiangonana 110 000 mahery eran-tany isan-kerinandro.
Ampiana hahay hampianatra Baiboly kokoa izahay any. Mivory indray mandeha koa izahay amin’ny andavanandro, fa hariva. Antsoina hoe Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana ilay fivoriana. Ilay hoe Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana no ampiasaina amin’izany. Mivoaka isam-bolana izy io. Mizara telo ilay fivoriana. Voalohany, ny Harena avy ao Amin’ny Tenin’Andriamanitra. Toko vitsivitsy ao amin’ny Baiboly efa novakin’ny mpanatrika mialoha no dinihina. Manampy anay hahay kokoa ny Soratra Masina izany. Faharoa, ny Fampiofanana Amin’ny Fanompoana. Misy fampisehoana mahakasika ny fomba hiresahana Baiboly amin’ny olona amin’izy io. Misy torohevitra omena avy eo mba hanatsarana ny vakiteny sy ny fahaizana miresaka. (1 Timoty 4:13) Farany, Ny Fiainantsika Kristianina. Dinihina amin’izany hoe ahoana no hampiharana ny toro lalan’ny Baiboly. Mametraka fanontaniana ny mpitarika azy io, ary afaka mamaly ny mpanatrika. Manampy anay hahazo kokoa izay lazain’ny Baiboly izany.
Azo antoka fa ho gaga ianao raha manatrika ny fivorianay, satria tena tsara ny zavatra hianaranao any.—Isaia 54:13.
Inona no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mivory?
Iza amin’ireo fivoriana ireo no tianao hatrehina amin’ny manaraka?
-