FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w13 15/11 p. 8-9
  • Ahoana no Azontsika Anampiana ny Hafa Hahazo Izay Ilainy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Azontsika Anampiana ny Hafa Hahazo Izay Ilainy?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Mitovitovy Aminy
  • Nameno ny Tsy Ampy ny Ambim-bavan’izy Ireo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • “Asa Goavana” no Miandry Antsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Tahafo i Jehovah ka Miezaha ho Tia Manome
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Tena Tahin’i Jehovah Ireo Tia Manome
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
w13 15/11 p. 8-9
[Sary, pejy 8]

Ahoana no Azontsika Anampiana ny Hafa Hahazo Izay Ilainy?

HOY i François, anti-panahy any amin’ny tany iray an-dalam-pandrosoana: “Nisy herisetra be teto aminay, satria nisy tsy nanaiky ny voka-pifidianana. Vavolombelon’i Jehovah maro no voatery nitsoaka niala ny tranony. Tsy ampy ny sakafo sy ny fanafody ary lafo be raha mba nisy aza. Nikatona ny banky, ary maty ny milina fakana vola na tsy nisy vola intsony tao anatiny.”

Avy hatrany ny biraon’ny sampana dia nandefa vola sy fanampiana tany amin’ireo Vavolombelona nialokaloka tany amin’ny Efitrano Fanjakana eran’ilay firenena. Nanao barazy ireo antoko mpifahavalo, nefa matetika no navelany handeha ny fiaran’ny sampana, satria fantany fa tsy manao politika ny Vavolombelona.

Hoy i François: “Nisy mpitifitra niafina nitifitra ny fiaranay, tamin’izahay ho any amin’ny Efitrano Fanjakana iray. Nandalo fotsiny teny anelanelanay anefa ireo bala. Nihazakazaka nanatona anay ny miaramila iray nirongo fiadiana, ka nahodinay avy hatrany ny fiara ary niverina haingana tany amin’ny sampana izahay. Misaotra an’i Jehovah izahay fa tsy maty fo aman’aina. Tafafindra tany amin’ny toerana azo antoka ireo rahalahy sy anabavy 130 tao amin’ilay efitrano ny ampitso. Nankany amin’ny sampana ny sasany, ary nomenay izay nilainy teo amin’ny lafiny ara-panahy sy tamin’ny lafiny hafa, mandra-pahatapitr’ilay korontana.”

Hoy ihany i François: “Tena nankasitraka ny fanampiana azony ireo rahalahy sy anabavy, ka maro be no nanoratra ho an’ny sampana. Vao mainka natoky an’i Jehovah izy ireo rehefa nahita an’ireo rahalahiny tany an-toeran-kafa nanampy azy.”

Tena manampy an’ireo rahalahy sy anabavy isika, rehefa misy loza voajanahary na vokatry ny ataon’ny olombelona. Tsy miteny fotsiny isika hoe: “Enga anie ka hafana sy ho voky tsara foana ianareo!” (Jak. 2:15, 16) Rehefa fantatry ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany hoe hisy mosary, dia ‘tapa-kevitra izy ireo fa samy handefa fanampiana araka izay vitany, ho an’ny rahalahy tany Jodia.’—Asa. 11:28-30.

Mpanompon’i Jehovah isika ka vonona hanampy ny sahirana. Mila mifandray amin’Andriamanitra koa anefa ny olona. (Mat. 5:3) Naniraka ny mpianany hanao mpianatra i Jesosy, mba hanampiana ny olona hahatsapa fa mila an’Andriamanitra izy ireo, sy hanampiana azy hifandray aminy. (Mat. 28:19, 20) Tsy mitsitsy fotoana sy hery ary fananana isika, mba hanatanterahana an’io asa io. Marina fa ampiasain’ny fandaminana hanampiana ny sahirana ny vola sasany ataontsika fanomezana. Atokana mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana sy hanelezana ny vaovao tsara anefa ny ankamaroan’ireny vola ireny. Asehontsika amin’ny fanomezana ataontsika fa tiantsika Andriamanitra sy ny mpiara-belona.—Mat. 22:37-39.

Mahazo matoky ireo manome vola hanohanana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany fa ampiasaina araka ny tokony ho izy ilay vola. Afaka manao zavatra hanampiana an’ireo rahalahy sahirana ve ianao? Te hanohana ny asa fanaovana mpianatra ve ianao? “Aza miahotra manao soa amin’izay tokony hanaovan-tsoa” àry, “raha mbola azon’ny tananao atao ihany.”—Ohab. 3:27.

FOMBA FIDIN’NY OLONA SASANY ANAOVANA FANOMEZANA HO AN’NY ASA MANERAN-TANY

Maro ny olona ‘manokana vola’ hatao fanomezana, toy ny tamin’ny andron’ny apostoly Paoly, ary mandrotsaka izany ao amin’ny boatin’ny fiangonana misy soratra hoe “Asa Maneran-tany.” (1 Kor. 16:2) Alefan’ny fiangonana any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana ireny vola ireny isam-bolana. Azon’ny tsirairay alefa mivantana koa anefa ny fanomezana an-tsitrapo, ka alefa any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.), B.P. 116, 105 Ivato. Ireto avy ny karazana fanomezana azonao alefa mivantana:

  • FANOMEZANA TSY MISY FEPETRA

    • Lelavola, firavaka, na zava-tsarobidy hafa.

    • Ampiaraho amin’ny taratasy milaza hoe fanomezana tsy misy fepetra ilay izy. Antsoina hoe fanomezana tsy misy fepetra ny vola na zavatra omenao, rehefa tsy misy fepetra lazainao momba an’ilay izy.

  • FANOMEZANA VOLA MISY FEPETRA

    • Azonao atao ny manome vola misy fepetra. Afaka mametraka fepetra, ohatra, ianao hoe haverina aminao ilay vola rehefa mangataka izany ianao.

    • Ampiaraho amin’ny taratasy milaza hoe fanomezana misy fepetra ilay izy.

  • FOMBA FANOMEZANA HAFA

    Misy fomba tsotra koa azo anaovana fanomezana. Afaka manokana ampahany amin’ny zaridainanao na amin’ny taninao ianao, na mifidy biby vitsivitsy amin’ireo biby ompianao, na mifidy hazo fihinam-boa vitsivitsy eo amin’ny sahanao. Atokano foana izay vokatra azo amin’ilay tany, na biby, na hazo fihinam-boa. Amidio foana izany, ka izay vola azo dia arotsahy ao amin’ny boatin’ny fiangonana misy soratra hoe “Asa Maneran-tany.” Mbola misy fomba hafa koa anefa ireto:

    Fanomezana Isam-bolana: Hoy ny Baiboly: “Manomeza voninahitra an’i Jehovah amin’ireo zava-tsarobidy anananao sy amin’ny voaloham-bokatrao rehetra.” (Ohab. 3:9) Misy olona sasany manokana ampahany amin’ny karamany isam-bolana, mba harotsaka ao amin’ny boatin’ny fiangonana misy soratra hoe “Asa Maneran-tany.”

    Fiantohana: Azo soratana amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA. ny vola avy amin’ny fifanekem-piantohana aina na ny fisotroan-dronono.

    Kaonty any Amin’ny Banky: Azo soratana amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA. ny kaonty any amin’ny banky, na ny kaonty misy ny fisotroan-dronono. Azo atao koa anefa ny mifanaraka amin’ny banky hoe ny FI.MPI.BA.MA. no haka ny volanao ao amin’ilay kaonty, rehefa maty ianao. Tokony hatao mifanaraka amin’ny fepetra apetraky ny banky ireo rehetra ireo.

    Trano sy Tany: Azo atao fanomezana tsy misy fepetra ny trano sy tany azo amidy. Azo atao fanomezana misy fepetra koa anefa izany, ohatra hoe mbola ho fanananao ilay izy izao, na mbola tianao hipetrahana, fa rehefa maty ianao no lasan’ny FI.MPI.BA.MA. ilay izy. Mifandraisa amin’ny biraon’ny sampana, alohan’ny hamindrana trano sy tany ho amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA.

    Didim-pananana sy Fanankinam-pananana: Azo ampandovaina fananana na vola ny FI.MPI.BA.MA., nefa tokony hisy didim-pananana ara-dalàna atao mba hampanan-kery an’ilay izy. Misy koa mahazo tombony amin’ny taniny na ny fananany hafa ankininy amin’ny olona na orinasa, ary tiany ny hizara ilay tombony amin’ny FI.MPI.BA.MA. Tokony hosoratany mazava tsara ao amin’ny fifanarahana ifanaovany amin’ilay olona na orinasa anefa izany. Mety hihena ny hetra aloanao, rehefa manasoa fikambanana ara-pivavahana ianao.

Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia manorata na miantsoa any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, araka ny adiresy eto ambany.

BIRAON’NY MPITAHIRY VOLA

Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.)

B.P. 116

105 Ivato

Telefaonina: 22 448 37

na 033 02 448 37

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara