FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • be fian. 18 p. 143-p. 144 feh. 4
  • Fampiasana Baiboly mba Hamaliana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampiasana Baiboly mba Hamaliana
  • Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Mitovitovy Aminy
  • Hainao ve ny mamakafaka amin’ny fomba mandaitra avy amin’ny Soratra Masina?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Fampiharana Tsara ny Andinin-teny
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ampiasao ny Tenin’Andriamanitra mba Hanampiana ny Tenanao sy ny Olon-kafa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • “Mahery ny Tenin’​Andriamanitra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
Hijery Hafa
Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
be fian. 18 p. 143-p. 144 feh. 4

LESONA 18

Fampiasana Baiboly mba Hamaliana

Inona no ilainao hatao?

Mampiasa tsara ny Baiboly mba hamaliana fanontaniana.

Nahoana izany no tena ilaina?

Nirahina ‘hitory ny teny’ isika. Nanome ny ohatra i Jesosy, tamin’ny filazana hoe: ‘Tsy avy amiko ny teny izay lazaiko.’—2 Tim. 4:2; Jaona 14:10.

REHEFA misy manontany antsika momba ny zavatra inoantsika, ny fomba fiainantsika, ny fihevitsika momba izay zava-mitranga, ny fanantenantsika momba ny hoavy, dia miezaka hampiasa ny Baiboly isika mba hamaliana azy. Nahoana? Satria io no Tenin’Andriamanitra. Avy ao amin’ny Baiboly ireo zavatra inoantsika. Izy io no iorenan’ny fomba fiainantsika. Izy io no mamolavola ny fihevitsika momba ny zava-mitranga maneran-tany. Ary miorina mafy amin’ny fampanantenana ara-tsindrimandry ao, ny fanantenantsika momba ny hoavy.—2 Tim. 3:16, 17.

Takatsika tsara ny andraikitra entin’ny fitondrana ny anarantsika. Vavolombelon’i Jehovah isika. (Isaia 43:12) Koa rehefa mamaly fanontaniana àry isika, dia manao izany, tsy araka ny fahendren’olombelona, fa araka ny Teny ara-tsindrimandrin’i Jehovah. Marina fa samy manana ny fomba fiheviny ny tsirairay amintsika. Avelantsika hamolavola izany fomba fihevitsika izany anefa ny Tenin’Andriamanitra, izay ekentsika tanteraka ho ny fahamarinana. Manome antsika fahalalahana hifidy izay tiantsika amin’ny raharaha maro, ny Baiboly. Tsy manery ny hafa hanaraka ny zavatra tian’ny tenantsika manokana anefa isika. Mampianatra ireo toro lalana voasoritra ao amin’ny Soratra Masina kosa isika, no sady mamela an’ireo mihaino antsika hanana fahalalahana hifidy izay tiany, toa antsika ihany. Sahala amin’ny apostoly Paoly, dia manampy ny olona hanaiky, na hankatò, noho ny finoana, isika.—Rom. 16:26.

Miantso an’i Jesosy Kristy hoe “Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina” ny Apokalypsy 3:14. Ahoana no namaliany fanontaniana sy nandraisany ireo toe-javatra sarotra nihatra taminy? Indraindray, dia tamin’ny fampiasana fanoharana nampisaintsaina ny olona. Tamin’ny fotoana hafa, dia tamin’ny fanontaniana an’ilay nanontany ny fomba nahazoany andinin-teny iray. Matetika kosa no tamin’ny fanononana andinin-teny na filazana azy ireny tamin’ny fomba hafa, na tamin’ny firesahana an-kolaka momba azy ireny. (Matio 4:3-10; 12:1-8; Lioka 10:25-28; 17:32) Notahirizina tao amin’ny synagoga ireo horonan’ny Soratra Masina, tamin’ny taonjato voalohany. Tsy misy porofo hoe nanana ny azy manokana i Jesosy. Nahafantatra tsara ny Soratra Masina anefa izy, ary nanonona azy ireo matetika, rehefa nampianatra ny hafa. (Lioka 24:27, 44-47) Afaka nilaza marina àry izy fa tsy avy taminy izay nampianariny. Izay reny tamin’ny Rainy no nolazainy.—Jaona 8:26.

Maniry hanaraka ny ohatr’i Jesosy isika. Tsy sahala amin’i Jesosy anefa isika, satria tsy nahare an’Andriamanitra niteny. Tenin’Andriamanitra anefa ny Baiboly. Rehefa mampiasa azy io mba hanomezana valin-teny isika, dia tsy misarika ny sain’ny olona ho amin’ny tenantsika. Asehontsika fa tsy milaza ny fihevitr’olombelona tsy lavorary isika, fa tapa-kevitra kosa ny hamela an’Andriamanitra hamaritra ny atao hoe fahamarinana.—Jaona 7:18; Rom. 3:4.

Mazava ho azy fa tsy ny hampiasa ny Baiboly fotsiny no tadiavintsika, fa ny hampiasa azy io mba hitondrany soa ho an’ilay mihaino antsika. Tiantsika halala-tsaina izy rehefa mihaino antsika. Raha avelan’ilay olona ianao, dia mety ho afaka hilaza hoe: “Tsy manaiky ve ianao fa izay lazain’Andriamanitra no tena zava-dehibe?”; na hoe: “Fantatrao ve fa miresaka momba izany indrindra ny Baiboly?” Mety hila hampiasa teny fampidirana somary hafa noho izany ianao, raha olona tsy manaja ny Baiboly no iresahanao. Ohatra, amin’ny filazana hoe: “Misy faminaniana tranainy iray tiako holazaina aminao ity”; na hoe: “Ilay boky fatra-piely indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona dia milaza fa . . . ”

Amin’ny fotoana sasany, dia mety hanonona izay voalazan’ilay andininy amin’ny fomba hafa ianao. Isaky ny azo atao anefa, dia tsara ny hanokafana ny Baiboly sy ny hamakiana izay lazainy. Asehoy amin’ilay olona ao amin’ny Baiboliny ilay andinin-teny, isaky ny mety izany. Misy vokany mahery eo amin’ny olona matetika, ny fampiasana ny Baiboly mivantana toy izany.—Heb. 4:12.

Ny anti-panahy kristianina indrindra no manana andraikitra hampiasa ny Baiboly, rehefa mamaly fanontaniana. Fepetra iray takina mba hahatongavana ho anti-panahy ny ‘fitanana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina.’ (Tit. 1:9) Mety handray fanapahan-kevitra lehibe iray eo amin’ny fiainany ny rahalahy na ny anabavy iray, rehefa avy nahazo torohevitra tamin’ny anti-panahy iray. Tena zava-dehibe àry ny hiorenan’izany torohevitra izany amin’ny Soratra Masina! Maro no haka tahaka ny fomba fampianatry ny anti-panahy manao izany.

MBA HO KINGA KOKOA

  • Mamakia Baiboly isan’andro. Manàna fandaharam-pianarana manokana tsara.

  • Mizàra manonona andinin-teny, rehefa mamaly any am-pivoriana.

  • Rehefa misy fanontaniana na toe-javatra sarotra mihatra aminao, dia manontania tena toy izao foana aloha: ‘Inona no lazain’ny Baiboly?’

  • Rehefa tsy hainao izay lazain’ny Baiboly momba ny raharaha iray, dia aza maminany ny valiny, na milaza ny hevitrao manokana. Lazao fa hanao fikarohana ianao.

FANAZARAN-TENA: Soraty ny fanontaniana iray na roa napetraka taminao 1) teny amin’ny fanompoana, sy 2) momba ny zavatra iray nolazaina tamin’ny vaovao, ary 3) momba ny hanarahana fanao iray tian’ny olona. Mifidiana andinin-teny iray, fara fahakeliny, mba hamaliana ny tsirairay amin’ireo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara