FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Oroka, Manoroka”
  • Oroka, Manoroka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Oroka, Manoroka
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Hatraiza ny hoe “Lasa Lavitra Loatra”?
    Mifohaza!—2004
  • Jesosy Tao An-jaridaina
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Fihetsika sy Fanao
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • “Mamaly amin’ny fomba tsy miolakolaka”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Oroka, Manoroka”

OROKA, MANOROKA

Ny olona tiana na nohajaina fahiny no norohana teo amin’ny molony (Oh 24:26), ny takolany, na ny tongony mihitsy aza indraindray. (Lk 7:37, 38, 44, 45) Tsy ny mpihavana lahy sy vavy ihany (Ge 29:11; 31:28) no nifanoroka, fa ny mpihavana samy lahy koa. (Ge 27:26, 27; 45:15; Ek 18:7; 2Sa 14:33) Nifanoroka koa ny mpinamana tsy nifankafoy.​—1Sa 20:41, 42; 2Sa 19:39.

Nisy nanoroka sady nitso-drano. (Ge 31:55) Nanoroka sady namihina an’i Efraima sy Manase zanak’i Josefa i Israely na Jakoba efa be taona, rehefa hitso-drano azy telo mianaka. (Ge 48:8-20) “Nihohoka teo amin’ny tarehin-drainy i Josefa, ka nitomany teo aminy sady nanoroka azy”, rehefa maty i Jakoba taorian’ny namelany hafatra tamin’ny zanany 12 lahy. (Ge 49:33–50:1) Nanoroka an’i Saoly i Samoela rehefa nanosotra azy ho mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely.​—1Sa 10:1.

Nifanoroka, ary toa nitomany sy nifamihina, ny olona, rehefa nafana ny fifampiarahabana. (Ge 33:4) Nilaza i Jesosy Kristy tao amin’ny fanoharana momba ilay zanaka adala, fa niantoraka teo amin’ny vozon’ilay tovolahy sady “nanoroka azy tamim-pitiavana” ny rainy. (Lk 15:20) Nifanoroka koa ireo mpihavana nifanao veloma. (Ge 31:55; Rt 1:9, 14) Nitomany ary “namihina ny vozon’i Paoly, ka nanoroka azy tamim-pitiavana” ireo anti-panahin’ny fiangonan’i Efesosy, rehefa ho any Mileto ilay apostoly. Nalahelo be mantsy izy ireo.​—As 20:17, 37.

Miresaka fohy momba ny mpifankatia mifanoroka ny Baiboly. (To 1:2; 8:1) Mampitandrina koa izy io hoe fitaka ny oroka ataon’ny mpivaro-tena, izay tia manangoly.​—Oh 7:13.

Nisy nihatsaravelatsihy fotsiny, toa an’i Absaloma izay nanoroka ny lehilahy nanatona mba hiankohoka teo anatrehany. Te handrombaka fahefana mantsy izy. (2Sa 15:5, 6) Mody nanoroka an’i Amasa i Joaba nefa namono azy ho faty. (2Sa 20:9, 10) Nanoroka an’i Jesosy Kristy koa i Jodasy Iskariota mpamadika azy.​—Mt 26:48, 49; Mr 14:44, 45.

Nataon’ny mpanompo sampy. Noraran’i Jehovah ny manoroka sampy, matoa nankasitrahany ireo 7000 tsy niankohoka teo anatrehan’i Bala sy tsy nanoroka azy io. (1Mp 19:18) Voateny mafy i Efraima fa nanao sampy sy niteny hoe: “Aoka hanoroka zanak’omby ny olona mpanao sorona.” (Ho 13:1-3) Nandefa oroka tamin’ny tanany ny Grika sy Romanina, rehefa tandrifin’ny sampiny somary lavidavitra na niarahaba ny masoandro niposaka. Mety ho izany ilay resahin’ny Joba 31:27.

“Oroka masina.” Nifampiarahaba tamin’ny “oroka masina” (Ro 16:16; 1Ko 16:20; 2Ko 13:12; 1Te 5:26) na “oroka fanehoam-pitiavana” (1Pe 5:14) ny Kristianina voalohany, angamba ny samy lehilahy na samy vehivavy, hoatran’ny nataon’ny Hebreo fahiny rehefa nifampiarahaba. Na dia tsy resahin’ny Baiboly aza ny mombamomba ireny oroka ireny, dia hita fa nifankatia sy niray saina ireo anisan’ny fiangonana kristianina.​—Jn 13:34, 35.

Heviny an’ohatra. Midika ho fanajana sy fankatoavana ny oroka, toy ilay voalazan’ny Salamo 2:11, 12 hoe: “Manompoa an’i Jehovah amin-tahotra” ary “orohy ilay zanaka, mba tsy ho tezitra Andriamanitra, ary mba tsy ho ringana ianareo.” Hahazo fitahiana lehibe izay mankatò sy manaiky an’ilay Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra sy ny Fanjakany, rehefa “mifanoroka ny fahamarinana sy ny fiadanana.” (Sl 85:10) Tsy hisaraka tokoa ny fahamarinana sy ny fiadanana, toy ny mpinamana tsy mifankafoy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara