-
Famerenana Amin’ny LaoninyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nadikan’ny Fandikan-teny Protestanta hoe “fampodiana” eo ny hoe apôkatastasis, izay avy amin’ny hoe apô, midika hoe “miverina” na “indray”, sy hoe katistemi, midika ara-bakiteny hoe “mametraka.” Nadika hoe ‘mampody’ ilay matoanteny ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:6. Midika hoe “fampodiana ho toy ny tamin’ny voalohany” ilay teny. (Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Vaovao nataon’i G. Kittel ary nadikan’i G. Bromiley, 1964, Boky I, p. 389) Io teny io no nilazan’i Josèphe, Jiosy mpahay tantara, ny nodian’ny Jiosy avy tany an-tsesitany, sy nilazan’ny taratasy papyrus ny fanamboarana trano simba sy famerenana tany na volan’olona.
-
-
FametavetanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Efa nilaza mialoha i Jehovah fa raha tsy mankatò ny lalàny ny Israely, dia hisy aretina sy loza hanjo azy ireo ary ho resin’ny fahavalony izy ireo. Hoy koa anefa izy: “Hanana fofombady ianao, nefa hisy lehilahy hafa hametaveta [endriny hafa amin’ny shagal] azy.” (De 28:30) Nitranga izany rehefa tsy nankatò tokoa ny firenen’Israely ka tsy niaro azy intsony i Jehovah, ary firenena mpanompo sampy no nitondra an’ireo tanàna israelita. (Ampit. Za 14:2.) Voalaza mialoha koa fa hisy hametaveta ny vehivavy tao Babylona. Nitranga tokoa izany rehefa resin’ny Medianina sy Persianina ny Babylonianina. (Is 13:1, 16) Tsy nisy kosa miaramila israelita nametaveta vehivavy rehefa naharesy firenen-kafa, satria voararan’ny Lalàna ny manao firaisana rehefa niantafika.—1Sa 21:5; 2Sa 11:6-11.
-