FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Rava i Jerosalema
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
    • Mirehitra i Jerosalema sy ny tempoly

      LESONA 58

      Rava i Jerosalema

      Imbetsaka ny olona tany Joda no niala tamin’i Jehovah, dia nanompo sampy. Niezaka nanampy an-dry zareo foana i Jehovah nandritra ny taona maro. Naniraka mpaminany be dia be hiteny an-dry zareo, ohatra, izy. Tsy nihaino anefa ry zareo fa nihomehezany fotsiny ny mpaminany. Inona àry no nataon’i Jehovah mba tsy hanompo sampy intsony ry zareo?

      I Nebokadnezara no mpanjakan’i Babylona tamin’izay, ary nandresy firenena maro izy. Tamin’izy nandresy voalohany an’i Jerosalema, dia nentiny tany Babylona i Joiakina Mpanjaka, ny andriana, ny miaramila, ary ny mpanao asa tanana. Nalainy koa ny zavatra sarobidy rehetra tao an-tranon’i Jehovah. I Zedekia avy eo no nataony mpanjakan’ny Joda.

      Nankatò an’i Nebokadnezara i Zedekia tamin’ny voalohany. Nampirisika azy hikomy tamin’io mpanjakan’i Babylona io anefa ny firenena teny akaiky teny sy ny mpaminany sandoka. Dia hoy i Jeremia tamin’i Zedekia: ‘Raha mikomy ianao, dia ho faty ny olona, ary hisy mosary sy aretina eto Joda.’

      Nikomy tamin’i Babylona i Zedekia rehefa avy nanjaka valo taona, ary ny tafika ejipsianina no nangatahiny hanampy azy. Nalefan’i Nebokadnezara hanafika an’i Jerosalema àry ny miaramilany, dia nanodidina an’ilay tanàna ry zareo. Dia hoy i Jeremia tamin’i Zedekia: ‘Raha manaiky resy ianao, hoy i Jehovah, dia tsy ho faty, ary tsy ho rava ity tanàna ity. Fa raha tsy izany, dia hodoran’ny Babylonianina i Jerosalema, ary hoentin-dry zareo higadra any ianao.’ Hoy anefa i Zedekia: ‘Tsy hanaiky resy izany aho!’

      Tonga ny miaramila babylonianina herintaona sy tapany taorian’izay, dia noravan-dry zareo ny mandan’i Jerosalema mba hahafahany miditra ao. Nodorany avy eo ilay tanàna sy ny tempoly. Be dia be ny olona novonoin-dry zareo, ary an’arivony no nentiny nankany Babylona.

      Nitsoaka i Zedekia, dia nenjehin’ny Babylonianina. Tratran-dry zareo tany akaikin’i Jeriko izy, dia nentiny tany amin’i Nebokadnezara. Nasain’ilay mpanjaka novonoina teo anatrehany ny zanany. Nopotsirin’i Nebokadnezara koa ny mason’i Zedekia, dia nogadrainy izy avy eo ary maty tany am-pigadrana. Hoy anefa i Jehovah tamin’ny mponin’i Joda: ‘Hoentiko mody eto Jerosalema ianareo rehefa afaka 70 taona.’

      Nisy tanora koa nentina tany Babylona. Inona no nitranga tamin-dry zareo? Tsy hivadika amin’i Jehovah ve ry zareo?

      “Jehovah Andriamanitra ô, ilay Mahery Indrindra, azo atokisana sy ara-drariny ny didim-pitsaranao.”​—Apokalypsy 16:7

      Fanontaniana: Iza izany Nebokadnezara izany? Nataony ahoana i Jerosalema? Iza izany Zedekia izany?

      2 Mpanjaka 24:1, 2, 8-20; 25:1-24; 2 Tantara 36:6-21; Jeremia 27:12-14; 29:10, 11; 38:14-23; 39:1-9; Ezekiela 21:27

  • Ankizilahy Efatra Nankatò An’i Jehovah
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
    • Daniela, Hanania, Misaela, ary Azaria, tsy mety mihinana amin’ny sakafon’ny mpanjaka

      LESONA 59

      Ankizilahy Efatra Nankatò An’i Jehovah

      Ilay lehiben’ny mpiasany, antsoina hoe Aspenaza, no notendren’i Nebokadnezara hikarakara an’ireo andrianan’i Joda nentiny tany Babylona. Nasain’i Nebokadnezara nofidin’i Aspenaza izay ankizilahy salama sy mahay indrindra tamin-dry zareo. Hampiofanina telo taona ry zareo, mba ho lasa olona ambony ao Babylona. Tsy maintsy nianatra teny akadianina ry zareo, satria izay no fiteny tany Babylona. Nila nahay nanoratra sy namaky an’io fiteny io koa ry zareo. Tsy maintsy nihinana sakafo nitovy tamin’ny an’ny mpanjaka sy ny olona tao an-dapany koa ry zareo. Anisan’ireo ankizilahy ireo i Daniela, Hanania, Misaela, ary Azaria. Nomen’i Aspenaza anarana babylonianina izy efa-dahy, dia nantsoiny hoe Beltesazara, Sadraka, Mesaka, ary Abednego. Mety tsy hanompo an’i Jehovah intsony ve izao ry zareo satria nampianarina hoatr’izany?

      Tapa-kevitra ny hankatò an’i Jehovah izy efa-dahy. Fantany fa tsy tokony hihinana tamin’ny sakafon’ny mpanjaka ry zareo, satria tsy azo nohanina ny sasany tamin’ilay izy araka ny Lalàn’i Jehovah. Niteny tamin’i Aspenaza àry ry zareo hoe: ‘Aleo re izahay mba tsy mihinana amin’ny sakafon’ny mpanjaka e!’ Dia hoy i Aspenaza: ‘Hovonoin’ny mpanjaka ange izaho raha hitany hoe malemilemy ianareo e!’

      Nahita hevitra anefa i Daniela. Hoy izy tamin’ilay olona nasaina niambina an-dry zareo: ‘Eo mba legioma sy rano fotsiny, azafady, no omena anay mandritra ny folo andro. Dia jereo avy eo hoe manao ahoana izahay raha oharina amin’ny ankizy mihinana amin’ny sakafon’ny mpanjaka.’ Nanaiky àry ilay mpiambina.

      Rehefa afaka folo andro, dia hita fa salama kokoa i Daniela sy ny namany telo lahy. Tena faly i Jehovah fa nankatò azy ry zareo. Nampiany koa aza i Daniela, dia lasa nahay nanazava ny dikan’ny nofy sy fahitana.

      Rehefa vita ilay fiofanana, dia nentin’i Aspenaza tany amin’ny mpanjaka ny ankizilahy rehetra. Nifampiresaka tamin-dry zareo ny mpanjaka, dia hitany hoe nahay kokoa sady nahira-tsaina i Daniela, Hanania, Misaela, ary Azaria. Notendreny hiasa tao amin’ny lapany àry izy efa-dahy, ary matetika no nanontaniany rehefa nisy zavatra lehibe nilany soso-kevitra. Nataon’i Jehovah nahay kokoa noho ny olon-kendry sy ny mpanao sikidy rehetra nampiasain’ny mpanjaka izy efa-dahy.

      Na dia tsy tany amin’ny taniny aza i Daniela, Hanania, Misaela, ary Azaria, dia tsy hadinon-dry zareo mihitsy hoe mpanompon’i Jehovah ry zareo. Ary ianao? Hotadidinao foana koa ve i Jehovah, na tsy eo aza i Dada sy Neny?

      “Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao satria hoe tanora ianao. Miezaha kosa ho modely ho an’ny olona tsy mivadika, amin’ny teny sy ny fitondran-tena sy ny fitiavana sy ny finoana ary ny fahadiovana.”​—1 Timoty 4:12

      Fanontaniana: Nahoana no nankatò an’i Jehovah i Daniela sy ny namany telo lahy? Ahoana no nanampian’i Jehovah an-dry zareo?

      Daniela 1:1-21

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara