FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Niteraka i Elizabeta
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
    • Zakaria, mampahafantatra amin’ny namany sy ny havany hoe Jaona no atao anaran’ny zanany

      LESONA 68

      Niteraka i Elizabeta

      Efa 400 taona lasa izay no vita indray ny mandan’i Jerosalema. Nipetraka tany akaikin’io tanàna io ny mpisorona iray atao hoe Zakaria sy Elizabeta vadiny. Efa ela be ry zareo no mpivady nefa tsy nanan-janaka. Nanolotra emboka manitra tao amin’ny toerana masina tao amin’ny tempoly i Zakaria, indray andro, dia niseho taminy ny anjely Gabriela. Natahotra be izy, nefa hoy i Gabriela: ‘Aza matahotra fa nirahin’i Jehovah hilaza vaovao tsara aminao aho. Hiteraka lahikely i Elizabeta vadinao, dia hatao hoe Jaona ny anarany. Nofidin’i Jehovah hanao asa miavaka izy.’ Dia hoy i Zakaria: ‘Izaho kosa aloha tsy mino an’izany e! Izahay mivady ange efa antitra e!’ Hoy i Gabriela: ‘Andriamanitra no naniraka an’ahy hiteny an’izany aminao. Fa satria ianao tsy nino ny teniko, dia tsy ho afaka hiteny ianao mandra-pahaterak’ilay zaza.’

      Elaela tao amin’ny tempoly i Zakaria fa tsy hoatran’ny mahazatra. Niandry azy tao ivelany ny olona nandritra an’izany. Rehefa nivoaka avy tao izy tamin’ny farany, dia tian-dry zareo ho fantatra hoe inona no nitranga. Tsy afaka niteny anefa izy fa nahetsiketsiny fotsiny ny tanany. Fantatry ny olona àry hoe nisy tenin’Andriamanitra nampitaina taminy.

      Bevohoka tokoa i Elizabeta dia niteraka lahikely, araka ny tenin’ilay anjely. Tonga hijery an’ilay zaza ny havany sy namany sady faly be. Hoy i Elizabeta: ‘Jaona no anarany.’ Dia hoy ry zareo: ‘Tsisy havanareo manana anarana hoe Jaona, fa ataovy hoe Zakaria hoatran’ny dadany ihany izy.’ Nanoratra anefa i Zakaria hoe: ‘Jaona no anarany.’ Dia afaka niteny indray izy tamin’izay. Henon’ny olona eran’i Jodia ny momba an’ilay zaza, dia hoy ry zareo: ‘Hanao ahoana re io zaza io rehefa lehibe e?’

      Feno fanahy masina i Zakaria avy eo, dia naminany hoe: ‘Hoderaina i Jehovah, fa efa niteny tamin’i Abrahama izy hoe handefa ny Mesia mba hamonjy antsika. Ho mpaminany i Jaona, dia hanomana ny lalana ho an’ny Mesia.’

      Nisy zavatra hafakely koa nitranga tamin’i Maria, havan’i Elizabeta. Hojerentsika ao amin’ny toko manaraka izany.

      “Tsy hain’olombelona izany, fa hain’Andriamanitra ny zava-drehetra.”​—Matio 19:26

      Fanontaniana: Inona no notenenin’i Gabriela tamin’i Zakaria? Inona ny asa miavaka hataon’i Jaona?

      Matio 11:7-14; Lioka 1:5-25, 57-79; Isaia 40:3; Malakia 3:1

  • Nitsidika An’i Maria i Gabriela
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
    • Ny anjely Gabriela, miseho amin’i Maria

      LESONA 69

      Nitsidika An’i Maria i Gabriela

      Anjely miseho amin’i Josefa ao amin’ny nofy

      Nanana havana atao hoe Maria i Elizabeta. Tao Nazareta, any Galilia, izy no nipetraka. Mbola tanora i Maria, ary efa ho lasa vadin’i Josefa mpandrafitra izy. Niseho taminy ny anjely Gabriela, tamin’i Elizabeta bevohoka enim-bolana. Hoy i Gabriela: ‘Manahoana ry Maria! Tena tian’i Jehovah ianao.’ Tsy azon’i Maria ny tiany holazaina. Dia hoy i Gabriela: ‘Ho bevohoka ianao dia hiteraka lahikely, ary ataovy hoe Jesosy ny anarany. Ho Mpanjaka izy, ary haharitra mandrakizay ny Fanjakany.’

      Dia hoy i Maria: ‘Izaho ange mbola virjiny e! Dia ahoana no ahafahako miteraka?’ Hoy i Gabriela: ‘Tsisy zavatra tsy hain’i Jehovah izany. Fa homeny fanahy masina ianao dia hanan-janaka. I Elizabeta havanao koa aza izao efa bevohoka.’ Dia hoy i Maria: ‘Mpanompovavin’i Jehovah aho. Ho tanteraka amiko anie izay noteneninao!’

      Josefa, nanambady an’i Maria na dia efa bevohoka aza izy

      Nankany amin’ny tanànan-dry Elizabeta àry i Maria. Rehefa niarahaba an’i Elizabeta i Maria, dia henon’i Elizabeta nihetsiketsika be ilay zaza tao an-kibony. Feno fanahy masina izy ka niteny hoe: ‘Tahin’i Jehovah ianao, ry Maria! Faly aho fa ny renin’ny Tompoko mihitsy no tonga ato an-tranoko!’ Dia hoy i Maria: ‘Midera an’i Jehovah amin’ny foko manontolo aho.’ Nijanona telo volana tao amin-dry Elizabeta i Maria vao nody tany Nazareta.

      Rehefa fantatr’i Josefa hoe bevohoka i Maria, dia saika hisaraka taminy izy. Nisy anjely niseho tamin’i Josefa tao amin’ny nofy anefa, dia niteny hoe: ‘Aza matahotra hanambady an’i Maria, fa tsy nanao zavatra ratsy izy.’ Dia nalain’i Josefa ho vadiny i Maria ka nentiny tany an-tranony.

      “Ataon’i Jehovah daholo izay tiany, na any an-danitra na etỳ an-tany.”​—Salamo 135:6

      Fanontaniana: Inona no notenenin’i Gabriela tamin’i Maria? Inona avy no nitranga tamin’i Elizabeta sy Maria? Nahafaly an-dry zareo ve izany?

      Matio 1:18-25; Lioka 1:26-56; Isaia 7:14; 9:7; Daniela 2:44; Galatianina 4:4

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara