FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • sjj hira 159
  • Voninahitra Anie ho An’i Jehovah!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Voninahitra Anie ho An’i Jehovah!
  • Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah
  • Mitovitovy Aminy
  • Andao Hihira Momba Ilay Fanjakana!
    Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah
  • Andao Hihira Momba Ilay Fanjakana!
    Mihirà ho An’i Jehovah
  • Ilay Hira Vaovao
    Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah
  • Ilay Hira Vaovao
    Mihirà ho An’i Jehovah
Hijery Hafa
Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah
sjj hira 159

HIRA 159

Voninahitra Anie ho An’i Jehovah!

Endrika Sary

(Salamo 96:8)

  1. 1. Jehovah Ray, ’lay Avo Indrindra,

    Mba iza no toa anao?

    Inona re no mba hataoko

    Ho setrin’ny fitiavanao?

    Raha mba miandrandra aho dia mahita

    Hoe voninahitra sy hery

    No tafianao, nefa anie aho

    Iantranao, ampianao tsy ho very.

    (FIVERENANA)

    Jehovah ô, ’ty hira hiraiko ity,

    Hira hiderako anao.

    Lehibe ianao, Mpanjaka ho doria.

    Voninahitra ho anao,

    R’ilay Ray ao ambony ao!

  2. 2. ’Zay mombamomba ahy, Jehovah,

    Foiko hiderana anao.

    Dodona erỳ aho ’ndeha hizara

    Ny hatsaranao, ny asanao.

    Tombontsoa sy rehareha ho ahy

    Ny hoe manompo anao, Ray.

    Ianao ampinga hampahery ahy,

    Mpitondra ahy ho mandrakizay.

    (FIVERENANA)

    Jehovah ô, ’ty hira hiraiko ity,

    Hira hiderako anao.

    Lehibe ianao, Mpanjaka ho doria.

    Voninahitra ho anao,

    R’ilay Ray ao ambony ao!

  3. 3. Na ny eny ambony na ny ambany

    Mahafaly fo, mahasondriana:

    Volana, kintana, masoandro,

    Sy ranomasimbe mahavariana.

    Ianao dia tia, mahay sy hendry,

    ’Zay no asehon’ireo.

    Mendrika anao ny hankalazaina,

    Nahoana aho no tsy hanandram-peo?

    (FIVERENANA)

    Jehovah ô, ’ty hira hiraiko ity,

    Hira hiderako anao.

    Lehibe ianao, Mpanjaka ho doria.

    Voninahitra ho anao,

    R’ilay Ray ao ambony ao!

(Jereo koa ny Sal. 96:1-10; 148:3, 7.)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara