FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwyp lahatsoratra 122
  • Mampiaraka​—Fizarana 2: Inona avy no Tokony Hampoiziko Rehefa Mampiaraka Aho?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mampiaraka​—Fizarana 2: Inona avy no Tokony Hampoiziko Rehefa Mampiaraka Aho?
  • Manontany ny Tanora
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Misy zavatra tsy maintsy horesahinareo, dia tokony hilaza ny marina ianareo fa tsy hifanafina
  • Tsy hitovy hevitra ianareo
  • Hiferinaina ianareo indraindray
  • Rahoviana Aho vao Mahazo Mampiaraka?
    Mifohaza!—2007
  • Mahazo Mampiaraka ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Mampiaraka​—Fizarana 1: Efa Afaka Mampiaraka ve Aho?
    Manontany ny Tanora
  • Efa Mahazo Mampiaraka ve Aho?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora
ijwyp lahatsoratra 122
Lehilahy sy vehivavy mampiaraka, dia miara-manao zavatra. Sary: 1. Miara-mamaky Baiboly izy roa. 2. Mipetrapetraka eny amin’ny toerana mahafinaritra izy roa. Sady miresadresaka ry zareo no misakafo. 3. Miara-mitaingina bisikileta izy roa. 4. Entin’ilay vehivavy any amin’ny ray aman-dreniny ilay lehilahy, dia ampahafantariny an-dry zareo.

MANONTANY NY TANORA

Mampiaraka​—Fizarana 2: Inona avy no Tokony Hampoiziko Rehefa Mampiaraka Aho?

Misy olona tianao ve izao, dia nanapa-kevitra ianareo roa hoe hiaraka mba hahitana hoe mifanentana ve, dia ho afaka hivady? Inona anefa no mila ampoizinareo roa rehefa lasa mifankahafantatra kokoa ianareo?

Ho hitantsika ato hoe:

  • Misy zavatra tsy maintsy horesahinareo, dia tokony hilaza ny marina ianareo fa tsy hifanafina

  • Tsy hitovy hevitra ianareo

  • Hiferinaina ianareo indraindray

Misy zavatra tsy maintsy horesahinareo, dia tokony hilaza ny marina ianareo fa tsy hifanafina

Hahafantatra zavatra be dia be momba an’ilay olona miaraka aminao ianao arakaraka ny hifaneraseranareo, dia izy koa hoatran’izay. Hahalala zavatra sasany momba azy, ohatra, ianao rehefa mandinika an’izay ataony.

Misy zavatra mila ifampiresahanareo anefa, sady tsy tokony hifanafinafina ianareo rehefa manao an’izany. Tandremo anefa amin’izay sao resin’ny fihetseham-po, dia lasa tsy mampiasa saina tsara intsony. Miezaha foana handinika tsara.

Ireto avy, ohatra, ny zavatra tokony horesahinareo:

  • Vola. Ananan’olona trosa ve ianao? Tsy mahafehy tena ve ianao indraindray fa tia mandanilany vola? Raha tapa-kevitra hivady ihany ianareo roa, ahoana no hitsinjaranareo ny volanareo sy ny fandanianareo?

  • Fahasalamana. Salama tsara ve ianao? Efa narary be ve ianao taloha?

  • Tanjona. Inona no tanjonao eo amin’ny fiainana? Mitovitovy ve ny tanjonareo roa? Mbola ho sambatra ve ny tokantranonareo any aoriana any raha sanatria tsy tratranareo ilay tanjona satria nisy zavatra niova tampoka?

  • Fianakaviana. Misy olona iandraiketanao ve ao amin’ny fianakavianao izao? Mety hisy olona eritreretinao hoe ho andraikitrao ve ao amin’ny fianakavianao any aoriana any? Te hanan-janaka ve ianao? Raha eny, dia firy?

Ilay lehilahy sy vehivavy teo aloha ihany. Mifampiresaka ny tanjony ry zareo. Sary kely eo aoriana: 1. Tian’ilay lehilahy raha miara-mitory sy mampianatra no tena ataon-dry zareo sady mitety tany. 2. Tian’ilay vehivavy raha manana trano sy zanaka roa ary alika iray ry zareo.

Rehefa miresaka an’ireo ianareo, dia tsory ny marina. Aza manafinafina mihitsy na hoe manova kely ny tena marina satria hoe matahotra ianao sao tsy ho tian’ilay olona intsony.​—Hebreo 13:18.

Eritrereto izao: Inona no tokony ho fantatrao momba an’ilay olona miaraka aminao? Ary inona no tokony ho fantany momba anao? Raha samy mitsotra ny marina ianareo dieny izao, nahoana izany no hanampy anareo tsy hifanafinafina rehefa tsy maintsy hanao resaka matotra indray ianareo raha lasa mpivady any aoriana any?

Torolalan’ny Baiboly: “Samia milaza ny marina amin’ny namanareo avy ianareo tsirairay.”​—Efesianina 4:25.

Jiro.

Andramo izao: Diniho tsara hoe rahoviana ianareo no hifampiresaka hoe hivady ihany sa tsia. Raha mbola vao haingana kely ianareo no nifanerasera nefa ianao efa te hiresaka an’izany sahady, dia mety hieritreritra ilay olona miaraka aminao hoe mandodona be azy ianao. Tadidio hoe tsy mitovy daholo ny olona. Misy koa ny hoe vetivety ihany izy roa no miaraka dia efa azo atao mariazy, fa misy indray mila fotoana lavalava kokoa iarahana aloha.

“Mety hieritreritra ilay ankizivavy hoe: ‘Afaka enim-bolana any kosa angamba mba efa vita ny vodiondrinay.’ Ilay ankizilahy indray anefa mety hieritreritra hoe afaka herintaona ilay izy vao hatao. Dia mety halahelo ilay ankizivavy sady hikorontan-tsaina satria manantena izy hoe tonga dia matotra be ilay fiarahan-dry zareo. Tena mila ifampiresahana tsara ny zavatra hoatr’izany.”​—Ariana, efa herintaona nanambadiana.

Tsy hitovy hevitra ianareo

Tsy mitovy ny olona. Aza mieritreritra àry hoe hitovy hevitra foana ianao sy ilay olona miaraka aminao na hoe hitovy foana ny zavatra tianareo. Mety tsy hitovy hevitra ianareo arakaraka ny kolontsainareo sy ny fitaizana azonareo na ny zavatra hafa.

Ilay lehilahy sy vehivavy teo aloha ihany. Tsy mitovy hevitra izy roa. Sary: 1. Misy sakafo kely eny an-tanan’ilay lehilahy, dia manondro toerana fijerena filma izy. 2. Mibaby kitapo ilay vehivavy sady mitondra vy fitondra any amin’ny lanezy, dia manondro toerana any ambanivohitra.

Eritrereto izao: Raha zavatra tsy dia lehibe ilay tsy mampitovy hevitra anareo, vonona hanaraka ny heviny ve ianao mba hitandroana fihavanana, indrindra moa raha hoe tsy mandika ny fitsipiky ny Baiboly ianao raha manao an’izany?

Torolalan’ny Baiboly: “Ataovy fantatry ny olona rehetra hoe mahay mandanjalanja ianareo.”​—Filipianina 4:5.

Jiro.

Andramo izao: Aza variana loatra amin’ny hoe be dia be ny zavatra itovizanareo hevitra, fa diniho izay mitranga rehefa tsy mitovy hevitra ianareo. Hahafantatra zavatra be dia be momba azy ianao raha manao an’izany.

“Tsy maintsy hisy zavatra tsy hampitovy hevitra anareo foana, na heverinao hoe ‘mifanentana be’ aza ianareo. Tena tsara aloha ilay hoe mifanentana e! Fa ny tena tokony ho zava-dehibe aminao dia hoe hoatran’ny ahoana ianareo roa rehefa tsy mitovy hevitra.”​—Matthew, efa dimy taona nanambadiana.

Hiferinaina ianareo indraindray

Mandany fotoana be ny mampiaraka. Mety hampiferinaina kely koa ilay izy. Dia ahoana no hatao?

Asio fetrany ny fotoana iarahanareo. Aza variana loatra miaraka, sao lasa tsirambina ny andraikitrao na ny namanao hafa. Hoy i Alana, efa dimy taona nanambadiana: “Mbola hila ny namanao ianao rehefa vita ny mariazinao, dia ry zareo koa mbola hila anao. Tandremo àry sao lasa hadinodinonao ry zareo satria hoe efa misy olona miaraka aminao.”

Tadidio hoe mila mahay mandanjalanja ianao rehefa manambady. Tsy hoe hiaraka amin’ny vadinao fotsiny no hataonao amin’izay, fa be dia be ny zavatra tsy maintsy ataonao. Maninona raha izao mbola vao miaraka izao ianareo dia efa miezaka manao tsara an’izay rehetra tokony hataonao ianao?

Ilay lehilahy sy vehivavy teo aloha ihany. Samy avy nanao ny asa aman-draharahany ry zareo dia reraka. Sary: 1. Miara-mandeha bisikileta izy roa. 2. Miara-maka sary amin’ny namany izy roa. 3. Miara-mijery tele amin’ny namany izy roa amin’ny hariva. 4. Mifandefa SMS izy roa amin’ny alina.

Eritrereto izao: Raha misy olona miaraka aminao izao, terenao hiaraka aminao foana ve izy na terenao hanao zavatra ho anao foana na hikarakara anao foana? Sa ve tsapanao hoe manao an’izany aminao ilay olona miaraka aminao? Inona no azonareo roa atao mba samy tsy ho leo be ianareo na hahatsapa hoe voateritery?

Torolalan’ny Baiboly: “Misy fotoanany avy ny zava-drehetra, eny, misy fotoanany daholo ny zava-drehetra.”​—Mpitoriteny 3:1.

Jiro.

Andramo izao: Miaraha manao zavatra matotra ankoatra ny hoe miara-miala voly. Miaraha, ohatra, manao ny andraikitra fanaonareo andavanandro.

“Mety tsy hampoizin’izy roa mihitsy ny tena zava-misy ao an-tokantrano raha hoe tsy nanao afa-tsy ny niala voly ry zareo tamin’ny mbola nampiaraka. Aleo tonga dia miara-manao ny zavatra fanao andavanandro, ohatra hoe miantsena, manao raharaha, na miara-mivavaka. Hahay hiara-miaina ry zareo amin’izay rehefa ao an-tokantrano, dia tsy ho mora rava ny tokantranony.”​—Daniel, roa taona nanambadiana.

Tadidio hoe tsy hampiaraka eny foana ianareo roa mandrakizay, fa tsy maintsy hanapa-kevitra hoe hivady sa hisaraka. Horesahina ao amin’ny Fizarana 3 hoe inona avy no mila dinihinareo rehefa handray an’io fanapahan-kevitra io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara