FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 26
  • Hanampy Ahy ve Andriamanitra Raha Mivavaka Aminy Aho?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hanampy Ahy ve Andriamanitra Raha Mivavaka Aminy Aho?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Apetraho amin’i Jehovah ny fanahianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Mihaino Antsika ve i Jehovah?
    Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao
  • Mihaino ny Vavaka Ataontsika ve Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
  • Manatòna An’Andriamanitra Amin’ny Vavaka
    Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 26

Hanampy Ahy ve Andriamanitra Raha Mivavaka Aminy Aho?

Valiny ara-baiboly

Hanampy anao Andriamanitra raha mivavaka amin’ny fo ianao, ary mifanaraka amin’ny sitrapony ny zavatra angatahinao. Maro ny olona lazain’ny Baiboly fa nivavaka hoe “Ampio aho Andriamanitra ô!” Na mbola tsy nivavaka aza ianao taloha, dia handrisika anao hanao izany ireto ohatra ireto:

  • “Ampio aho, ry Jehovah Andriamanitro ô! Vonjeo aho noho ny hatsaram-panahinao feno fitiavana.”—Salamo 109:26.

  • “Ory sy mahantra aho. Vonjeo haingana aho, Andriamanitra ô!”—Salamo 70:5.

Marina fa tena nino an’Andriamanitra ny olona nanao an’ireo vavaka ireo. Mihaino an’izay rehetra tena te hanatona azy anefa Andriamanitra, anisan’izany ireo “torotoro fo” sy “ketraka.”—Salamo 34:18.

Aza mieritreritra hoe lavitra be Andriamanitra ka tsy hiraharaha izay zava-manahirana anao. Hoy mantsy ny Baiboly: “Na avo aza i Jehovah, dia mijery ny manetry tena, fa manalavitra ny olona manambony tena kosa izy.” (Salamo 138:6) Nilaza an’izao tamin’ny mpianany mihitsy aza i Jesosy: “Na ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.” (Matio 10:30) Hita amin’izany fa fantatr’Andriamanitra ny tsipiriany rehetra momba anao, eny fa na dia izay mety tsy ho fantatrao aza. Azo antoka àry fa hihaino anao izy, raha mangataka fanampiana aminy ianao rehefa manana olana.—1 Petera 5:7.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara