FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 1/08 p. 32
  • Tsy Atakalony Kilalao Izy Io

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Atakalony Kilalao Izy Io
  • Mifohaza!—2008
Mifohaza!—2008
g 1/08 p. 32

Tsy Atakalony Kilalao Izy Io

Mety hisy boky tian’ny ankizy kokoa noho ny kilalao ve? Eny, raha mbola kely izy dia efa amakian’ny ray aman-dreniny boky. Izany no nataon’i Mebrahtu sy Angela, any Etazonia. Namakiany an’ilay boky hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe ny zanany vavikely, raha vao nivoaka ny hopitaly niterahany azy i Angela.

Nanoratra izy mivady hoe: “Nanjary tia an’ilay boky Mpampianatra Lehibe ny zanakay. Vao herintaona monja izy, dia efa nangataka taminay mba hamakiana an’io boky io, izay nantsoiny hoe bokin’i Jesosy. Telo taona izao i Julianna ary tsy andriny, isan’andro, izay hahatongavan’ilay fotoana mamy iarahany amin’i Dada na i Neny. Sahy milaza izahay fa tsy atakalony kilalao mihitsy io boky io. Tena manampy anay ireo sary sy fanoharana ao anatiny, rehefa mampianatra azy izahay. Miana-javatra betsaka avy amin’io boky io koa izahay ray aman-dreny.”

Mitovy velarana amin’ity gazety ity io boky 256 pejy io, sady feno sary tsara tarehy. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila etsy ambany, ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky aseho eto aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara