FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 4/08 p. 32
  • Tsy Ketraka Intsony Izy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Ketraka Intsony Izy
  • Mifohaza!—2008
Mifohaza!—2008
g 4/08 p. 32

Tsy Ketraka Intsony Izy

NASAINA nifidy izay loha hevitra tiany hovelabelarina ny mpianatra tany Meksika tamin’ny taranja anglisy. Hoy i Maritza: “Efa nisy fotoana nahaketraka ahy taloha, ary nanampy ahy ny andian-dahatsoratra tao amin’ny Mifohaza! 8 Septambra 2001, izay mitondra ny lohateny hoe ‘Ampio Ireo Zatovo Ketraka.’ Ny fanazavana tao no nampiasaiko tamin’ilay famelabelarana, ka nahazo naoty ambony aho. Nataoko kopia ilay andian-dahatsoratra, ary nomeko tamin’izany ny mpianatra sy ny mpampianatra rehefa vita ilay famelabelarana.”

Sendra nitory i Maritza roa taona tatỳ aoriana, ka nahita ankizy nampianarin’io mpampianatra io koa. Gaga izy fa nasehon’ilay ankizivavy azy ilay lahatsoratra tao amin’ny Mifohaza! Hita hoe tena tian’ilay mpampianatra ilay lahatsoratra, ka nomeny tsirairay ny mpianany.

Misy lahatsoratra hafa manampy ny zatovo ketraka koa ao amin’ny boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra. Ireto ny sasany amin’izany: “Nahoana no Mahasosotra Ahy ny Tenako?”, “Nahoana Aho no Ketraka Aoka Izany?”, “Inona no Azoko Atao mba Hisindan’ny Fahatsiarovako ho Manirery?” Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso iray amin’ilay boky aseho eto aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara