FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 8/08 p. 25
  • Fiaraha-miasa Mahavariana ao Anaty Tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fiaraha-miasa Mahavariana ao Anaty Tany
  • Mifohaza!—2008
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo Tsingerina Mahavelona
    Mifohaza!—2009
  • Ahoana no Niverenan’ireo Mikraoba Mahery?
    Mifohaza!—2003
  • Planeta Natao Hiainana
    Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao?
  • Planeta Feno Zavamananaina
    Mifohaza!—2009
Mifohaza!—2008
g 8/08 p. 25

Nisy Namorona Ve?

Fiaraha-miasa Mahavariana ao Anaty Tany

◼ Mahavariana fa miara-miasa ao anaty tany ny zavamaniry sasany sy ny bakteria, mba hahavelona hatrany ny zavaboary eto an-tany.

Diniho izao: Mila azota ny zavamaniry mba hitomboany sy hamoazany. Gazy anefa ny azota, ka tsy maintsy ovana ho zavatra simika toy ny amoniaka aloha, vao azon’ny zavamaniry ampiasaina. Mahavita izany fanovana izany ny legioma, rehefa miara-miasa akaiky amin’ny bakteria antsoina hoe rhizobia. Mitondra soa izany fiaraha-miasa eo amin’ny zavamananaina tsy mitovy karazana izany.

Misy zavatra simika hafakely ampiasain’ny legioma mba hanintonana ilay bakteria hiditra ao amin’ny fakany. Milaza ny gazetiboky Tantaran’ny Zavaboary (anglisy), fa zavamananaina samy hafa karazana mihitsy ny bakteria sy ny zavamaniry. Miara-miasa anefa izy ireo “mba hanamboarana bokony ao amin’ny faka[n’ny zavamaniry]. Izy io no manova ny azota” ho amoniaka. Ilay bokony no lasa fonenan’ireo bakteria sy toerana iasany. Anzima manokana atao hoe nitrogénase no fitaovana tena ampiasain’ireo bakteria. Karazana proteinina izy io, ary manova izay azota azony avy amin’ny rivotra ao anaty tany.

Hoy ihany ilay gazetiboky: ‘Azo atao ao anaty siô iray lehibe ny nitrogénase rehetra eto an-tany.’ Tena ilaina àry ny molekiola tsirairay aminy. Misy olana anefa. Potehin’ny oksizenina io anzima io. Inona no vahaolana? Misy zavatra simika manokana vokarin’ilay legioma, misakana ny oksizenina tsy ilaina mba tsy hiditra ao anatin’ilay bokony.

Misy fonony manify manodidina an’ilay bokony. Izy io no mampifandanja ny fatran’ny amoniaka sy ny siramamy ary ny zavatra mahavelona hafa, mifamezivezy eo amin’ilay zavamaniry sy ireo bakteria. Maty ny legioma amin’ny farany, toy ny zavamaniry rehetra ihany. Mijanona ao anaty tany anefa ny amoniaka. Azo antsoina hoe “zezika maitso” àry ny legioma, satria mampahalonaka ny tany.

Ahoana no hevitrao? Ho afaka “namoromporona” fotsiny an’izany fiaraha-miasa izany ve ny bakteria sy ny zavamaniry? Sa kosa izany porofo fa nisy namorona izy ireo? Tena mahavariana ary be pitsiny mantsy ny fiaraha-miasa eo amin’ny bakteria sy ny zavamaniry, sady ilain’ny zavaboary eto an-tany mba hahavelona azy.

[Sary, pejy 25]

Bokony eo amin’ny faka

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Sary lehibe: © Wally Eberhart/Visuals Unlimited; sary kely: © Dr. Jack M. Bostrack/Visuals Unlimited

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara