AHOANA NO HIATREHANA NY FIAKARAN’NY VIDIM-PIAINANA?
Mahaiza Mitantam-bola
Isika rehetra no mijaly rehefa miakatra ny vidim-piainana. Tsy hoe tsy afa-manoatra mihitsy anefa ianao fa mbola misy zavatra azonao atao ihany.
NAHOANA IZANY NO ILAINA?
Raha tsy manao kajy ny amin’izay ampiasanao ny volanao ianao dia tsy ho hitahitanao akory dia ho lany ilay izy. Vao mainka aza izany hampiady saina anao. Misy azonao atao anefa mba ho hainao ny hitantana ny volanao, na dia kely aza ny eo am-pelatananao.
INONA NO AZONAO ATAO?
Miezaha hiaina mifanaraka amin’izay anananao. Hilamin-tsaina kokoa ianao amin’izay, sady ho vonona raha misy ilana vola tampoka.
Hahavita hiaina mifanaraka amin’izay anananao ianao raha soratanao ny vola miditra sy mivoaka. Rehefa hanao teti-bola ianao dia jereo tsara hoe inona daholo no tena ilainao. Araho tsara izay nosoratanao avy eo. Raha miova ny vidin-javatra na ny karamanao dia ovao mifanaraka amin’izay ilay teti-bolanao. Raha manambady ianao dia mazava ho azy hoe ianareo mivady no miaraka manapa-kevitra.
Andramo izao: Aloavy eo no ho eo izay zavatra vidinao raha mety, fa aza mitrosa. Hitan’ny olona sasany hoe rehefa manao an’izany ry zareo dia arany kokoa ny fandehan’ny volany sady tsy idiran-trosa mihitsy ry zareo. Makà koa fotoana anarahanao maso ny volanao any amin’ny banky, na soraty hoe ohatrinona ny vola mivoaka isan’andro sy isam-bolana. Tsy hanahy be loatra ianao rehefa fantatrao hoe ohatrinona marina ny volanao.
Manampy be ilay hoe manana teti-bola voafaritra tsara na dia tsy mora aza ilay hoe miaina mifanaraka amin’izay anananao. Mety hanampy anao tsy hiasa saina be loatra amin’ny resa-bola koa izany.
Ataovy izay hampaharitra anao amin’ny asanao. Inona avy no mety hanampy anao amin’izany? Ireto misy soso-kevitra vitsivitsy: Manajà fotoana, miezaha ho tia ny asanao, ampio ny mpiara-miasa aminao, miasà mafy, manajà olona, araho ny fitsipika mifehy ny ao am-piasanareo, ary miezaha hahay kokoa ny asanao.
Aza lanilanina ny vola. Saintsaino izao: ‘Izaho ve zatra mandany vola amin’ny zavatra tsy tena ilaiko, na amin’ny zavatra manimba mihitsy aza?’ Betsaka, ohatra, no mandany ny vola nisasarany amin’ny zava-mahadomelina, filokana, sigara, na fisotroana tafahoatra. Sady mankarary ireo no mety hahavoaroaka amin’ny asa.
Manaova tahiry hitsinjovana ny vodiandro ho merika. Raha azo atao dia manaova tahiry mba hampiasaina rehefa misy ilana vola tampoka. Hanampy anao tsy hanahy izany raha misy marary na very asa tampoka ao aminareo, na misy zavatra hafa tsy ampoizina.